1Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahafolo tamin'ny taona fahasivy nanjakan'i Zedekia dia tonga Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy ny miaramilany rehetra hamely an'i Jerosalema indray ka nitoby tandrifiny; ary nanao tilikambo manodidina azy izy.
1यसकारण नबूकदनेस्सर बाबेलका राजा र उनका सबै सेनाहरू यरूशलेमको विरूद्धमा युद्ध गर्न आए। यो घटना सिदकियाहको नवौं वर्ष राज्यकालको दशौं महीनाको दशैं दिनमा भयो। नबूकदनेसरका सेनाले शहरको पर्खाल वरिपरि धेरै घेरा मचान खडा गरे। उनले शहरको चारैतिर माटोको भित्ता बनाए।
2Ary nataony fahirano ny tanàna hatramin'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia mpanjaka.
2नबूकदनेसरको सेनाहरूले सिदियाह यहूदाका राजाको एघाह्रौं वर्ष नहुञ्जेलसम्म यरूशलेमको चारैतिर बसे।
3Ary tamin'ny andro fahasivy tamin'ny volana fahefatra dia mafy ny mosary tao an-tanàna, fa tsy nisy hanina ho an'ny olona tompon-tany.
3शहरमा अनिकाल विकराल हुँदै गयो। चौथो महीनाको नवौं दिन शहरमा साधारण मानिसहरूका लागि अझै खाद्य थिएन।
4Ary nisy voabanga ny tanana, dia nandositra alina ny miaramila rehetra tamin'ny lalana nankamin'ny vavahady tanelanelan'ny manda roa, izay eo anilan'ny sahan'ny mpanjaka (fa ny Kaldeana nanodidina ny tanàna), ary ny mpanjaka nandeha tamin'ny lalana mankeny amin'ny tani-hay.[Heb. Arabà]
4नबूकदनेस्सरका सेनाहरूले अन्तमा शहरको भित्तालाई भत्काए। त्यस रात राजा सिदकियाह र उनका सबै सैनिकहरू भागे। तिनीहरूले गोप्यद्वार प्रयोग गरे जुन दुइ पर्खाल भएर गएको थियो। यो राजाको बगैंचा भएर गएको थियो। शत्रुका सैनिकहरू शहरको वरिपरि थिए तर सिदकियाह र उनका मानिसहरू मरूभूतिको बाटो भएर भागे।
5Ary ny miaramilan'ny Kaldeana nanenjika ny mpanjaka ka nahatratra azy teny amin'ny tani-hay any Jeriko; dia nipariaka nandao azy ny miaramilany rehetra.
5बाबेली सेनाहरूले राजा सिदकियाहलाई पछ्याए अनि यरीहो छेऊ उनलाई पक्रिए। सिदकियाहाका सबै सैनिकहरूले उनलाई छोडे अनि भागे।
6Ary voasambotra ny mpanjaka ka nentina niakatra ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla, ka dia notsaraina tao izy.
6बाबेलीहरूले राजा सिदकियाहलाई रिब्लामा बाबेलका राजा कहाँ लगे। बाबेलीहरूले सिदकियाहलाई सजाय दिने निश्चय गरे।
7Ary ny zanakalahin'i Zedekia dia novonoiny teo imason-drainy, ary ny mason'i Zedekia kosa nopotsiriny, dia nafatony tamin'ny gadra varahina izy ka nentiny nankany Babylona.
7तिनीहरूले सिदकियाहका छोराहरूलाई उनकै सामु मारे। तब तिनीहरूले सिदकियाहका आखाँहरू निकाले तिनीहरूले उनलाई साङ्गलाले बाँधे अनि बाबेल पुर्याए।
8Ary tamin'ny andro fahafito tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahasivy ambin'ny folo nanjakan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona dia tonga tany Jerosalema Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, mpanompon'ny mpanjakan'i Babylona,
8नबूकदनेस्सर आफू बाबेलको राजा भएको उन्नाइसौं वर्षको पाँचौ महीनाको सातौं दिन यरूशलेम आए। नबूजरदान नबूकदनेसरको प्रमुख सैनिकहरूका अधिकारी थिए।
9ka nandoro ny tranon'i Jehovah sy ny tranon'ny mpanjaka mbamin'ny trano rehetra tany Jerosalema: ny trano lehibe rehetra dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
9नबूजरदानले परमप्रभुको मन्दिर, राजाको महल र यरूशलेमका सबै घरहरू जलाए। उनले मुख्य मानिसहरूका घरहरू पनि जलाए।
10Ary ny manda manodidina an'i Jerosalema dia noravan'ny miaramilan'ny Kaldeana rehetra, izay nanaraka ny lehiben'ny mpiambina.
10तब नबूजरदानसँगै भएको बाबेली सेनाहरूले यरूशलेमको वरिपरिको पर्खाहरू लडाए।
11Ary izay olona sisa tao an-tanana sy izay efa nandositra nanatona ny mpanjakan'i Babylona ary ny vahoaka betsaka sisa dia nentin'i Neborazadana, lehiben'ny mpiambina, ho babo avokoa.
11नबूजरदानले शहरमा छोडिएका सबै मानिसहरूलाई पत्रे। नबूजरदानले बाबेलको राजा समक्ष आत्म समर्पण गरेका सबै मानिसहरूलाई बन्दीको रूपमा लगे।
12Nefa ny olona malahelo dia nisy navelany ihany ho mpamboatra tanim-boaloboka sy ho mpiasa tany.
12नबूजरदानले साधारण मानिसहरूमा अत्यन्त दरिद्रलाई मात्र त्यहाँ बस्न दिए। उनले तिनीहरूलाई बस्न दिए जसले गर्दा तिनीहरू दाख र अन्य बालीको हेरचाह गर्न सकून्।
13Ary ireo andry varahina teo an-tranon'i Jehovah sy ny fitoeran-tavin-drano sy ny tavin-drano varahina lehibe izay teo an-tranon'i Jehovah dia notorotoroin'ny Kaldeana, ka nentiny ho any Babylona ny varahina.[Heb. ny ranomasina]
13बाबेली सैनिकहरूले परमप्रभुको मन्दिरमा भएका सबै काँसाका चीजहरू टुक्रा टुक्रा पारे। तिनीहरूले काँसाको खाँबो, काँसाको गाडी अनि विशाल काँसाको खँड्कुलो टुक्रायाए। तब तिनीहरूले त्यो सबै काँसा बाबेल लगे।
14Ary nentiny koa ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo sy ny antsy sy ny lovia kely ary ny fanaka varahina rehetra izay nenti-nanao fanompoam-pivavahana.
14बाबेलीहरूले भाँडाहरू, बेल्चाहरू, मोसोदानी, धूपदानीभरू, चम्चीहरू, तथा सबै काँसाका थालहरू लगे जो परमप्रभुको मन्दिरमा उपयोग गरिन्थ्यो।
15Ary nentiny koa ny fitoeran-davenon-jiro sy ny lovia famafazana na ny volamena na ny volafotsy dia samy nentiny avokoa
15नबूजरदानले कराही र थालहरू सबै लगे। उनले सुनले बनिएका सबै चीजहरू सुनका लागि लगे। अनि उनले सबै चाँदीले बनिएका चीजहरू चाँदीका लागि लगे।
16ary ny andry roa sy ny tavin-drano lehibe iray ary ireo fitoeran-tavin-drano, izay nataon'i Solomona ho amin'ny tranon'i Jehovah; ny varahina tamin'izany fanaka rehetra izany dia tsy hita lanja.
16[This verse may not be a part of this translation]
17Valo ambin'ny folo hakiho ny hahavon'ny andry iray, ary varahina ny kapitaliny sady telo hakiho ny hahavony; ary varahina avokoa ny harato sy ny ampongabendanitra amin'ny kapitaliny manodidina; ary tahaka izany koa ny andry faharoa mbamin'ny harato.
17[This verse may not be a part of this translation]
18Ary ny lehiben'ny mpiambina nisambotra an'i Seraia mpisoronabe sy zefania, mpisorona manarakaraka, ary mpiandry varavarana koa telo lahy;
18मन्दिरबाट नबूजरदानले लगे मुख्य पूजाहारी सरायाह, अर्का पूजाहारी सपन्याह, तीन जना मानिसहरू जसले प्रवेशद्वारको सुरक्षा गर्ने गर्दथे तिनीहरूलाई पनि लगे।
19ary tao an-tanàna no nisamborany ny tandapa anankiray, mpifehy ny miaramila, ary dimy lahy tamin'izay mpitoetra teo anatrehan'ny mpanjaka, izay hita tao an-tanàna, ary ny mpanoratry ny komandin'ny miaramila, izay mpandamina ny ho miaramila, sy ny olona tompon-tany enim-polo lahy, izay hitany tao an-tanàna;
19अनि शहरबाट नबूजरदानले एउटा अधिकारीलाई लगे जो सैनिकहरूको मुखिया थिए। पाँच जना राजाका सल्लाहकार जो अझै शहरमा नै थिए, एकजना अध्यक्ष जसले साधारण मानिसहरूलाई युद्धको निम्ति जम्मा गर्थे अनि 60 जना साधारण मानिसहरू जो अझै शहरमा थिए।
20dia nosamborin'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ireo ka nentiny ho any amin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla.
20[This verse may not be a part of this translation]
21Dia novonoin'ny mpanjakan'i Babylona tao Ribla any amin'ny tany Hamata ireo. Toy izany no nitondrana ny Joda ho babo niala tamin'ny taniny.
21[This verse may not be a part of this translation]
22Fa ny amin'ny olona izay sisa tany amin'ny tanin'ny Joda, izay navelan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, dia Gedalia, zanak'i Ahikama, zanak'i Safana, no notendreny ho mpanapaka azy.
22नबूकदनेस्सर बाबेलका राजाले यहूदा देशमा केही मानिसहरू छोडेका थिए। एक मानिस थिए जसको नाउँ गदल्याह थियो, शापानका छोरा अहीकामका छोरा थिए। नबूकदनेस्सरले यहूदामा मानिसहरूका राज्यपाल बनाए।
23Ary nony ren'ny komandin'ny miaramila rehetra mbamin'ny olom-peheziny avy fa Gedalia no notendren'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, ho mpanapaka, dia nankany amin'i Gedalia tany Mizpa Isimaela, zanak'i Netania, sy Johanana, zanak'i Karea, sy Seraia, zanak'i Tanometa Netofatita, ary Jazania, zanak'ilay Makatita, dia ireo sy ny olom-peheziny avy.
23सेनाका सेनापतिहरू नतन्याहका छोरा ईश्माएल, कारेहका छोरा योहानान, नतोपातका तन्हमेतका छोरा सरायाह अनि माकाईका छोरा याजन्याह थिए। यी सेनापतिहरू तथा उनका मानिसहरूले थाह पाए, बाबेलका राजाले गदल्यालाई राज्यपाल बनाए। यसर्थ तिनीहरू गदल्याहसँग भेट गर्न मिस्पा गए।
24Ary Gedalia nianiana taminy sy tamin'ny olom-peheziny ka nanao hoe: Aza matahotra ny amin'ny mpanompon'ny Kaldeana, fa mitomoera amin'ny tany, ary manompoa ny mpanjakan'i Babylona, fa izany no hahasoa anareo.
24गदल्याहले यी अधिकारीहरू तथा उनका मानिसहरूलाई शपथ दिए। गदल्याहले तिनीहरूलाई भने, “बाबेल का अधिकारीहरू सित डरमान्नु पर्दैन। यहाँ बस अनि बाबेलका राजाको सेवा गर। तब तिमीहरूका लागि सबै कुरो ठीक हुनेछ।”
25Ary tamin'ny volana fahafito, dia avy Isimaela, zanak'i Netania, zanak'i Elisama, isan'ny fianakavian'ny mpanjaka, mbamin'ny olona folo lahy koa ka namely an'i Gedalia, dia nahafaty azy sy ny Jiosy ary ny Kaldeana izay tao aminy tany Mizpa.
25एलीशामाको नाती नतन्याहको छोरा इश्माएल राजपरिवारका थिए। सातौं महिनामा इश्माएल अनि उनका दशजना मानिसहरूले गदल्याहमाथि आक्रमण गरे अनि मिस्पामा गदल्याह सँगै सबै यहूदीहरू तथा बाबेलीहरूलाई मारे।
26Ary niainga ny olona rehetra, na kely na lehibe, mbamin'ny komandin'ny miaramila, nankany Egypta, fa natahotra ny Kaldeana izy.
26तब सेनाका अधिकारीहरू अनि सबै मानिसहरू मिश्र भागे। कम्ती महत्वपूर्ण देखि बढी महत्वपूर्ण भएका प्रत्येक मानिसहरू भागे किनभने तिनीहरू बाबेलीहरूसित डराएका थिए।
27Ary tamin'ny andro fahafito amby roa-polo tamin'ny volana faharoa ambin'ny folo tamin'ny taona fahafito amby telo-polo taorian'ny namaboana an'i Joiakina, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona vao nanjakan'i Evila-merodaka, mpanjakan'i Babylona, dia nasandrany hiala tao an-trano-maizina Joiakina, mpanjakan'ny Joda.[Heb. nasandratra ny lohany]
27पछि एबील-मरोदक बाबेलका राजा भए। उनले यहूदाका राजा यहोयाकीनलाई बन्दीगृहबाट मुक्त गरिदिए। यो घट्ना यहोयाकीन पक्राउ परेपछि, सत्ताईस दिन बाह्रा महीना सैंतीसौं वर्षमा भएको थियो। यो एबील-मरोदकको शासनको शुरूको वर्षमा भएको घट्ना हो।
28Dia nitenenany soa izy, ka ny seza fiandrianany nataony ambony noho ny seza fiandrianan'ireo mpanjaka namany tao Babylona.
28एबील- मरोदक यहोयाकीनप्रति दयालु थिए। उनले बाबेलमा उनीसँग बस्ने अरू राजाहरू भन्दा यहोयाकीनलाई धेरै महत्वपूर्ण पद दिए।
29Ka dia novan'i Joiakina ny fitafiany fony mbola tao an-trano-maizina; ary nihinan-kanina teo anatrehany mandrakariva izy tamin'ny andro niainany rehetra.Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany.
29एबील-मरोदकले यहोयाकीनलाई बन्दीको लुगा लगाउन बन्द गरे। अनि यहोयाकीनले जीवनको रहल समय प्रत्येक दिन एबील-मरोदकसँग एउटै मेजमा बसेर खाए।
30Ary ny hanina nohaniny dia hanina nomena avy amin'ny mpanjaka araka ny tokony ho anjarany isan'andro isan'andro tamin'ny andro rehetra niainany.
30यस प्रकार राजा एबील मरोदकले यहोयाकीनलाई रहल जीवनमा प्रत्येक दिन भोजन प्रदान गरे।