Malagasy

Nepali

Deuteronomy

29

1Dia niantso ny Isiraely rehetra Mosesy ka nanao taminy hoe: Hianareo efa nahita izay rehetra nataon'i Jehovah teo imasonareo tany amin'ny tany Egypta tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra ary ny taniny rehetra,
1परमप्रभुले होरेब पर्वतमा इस्राएलका मानिसहरूसँग गर्नु भएको करार बाहेक उहाँले मोआब देशमा मोशासित अर्को करार गर्ने आदेश दिनु भयो जब तिनीहरू मोआबमा थिए। त्यो करार यस्तो छ।
2dia ny fizahan-toetra lehibe, izay efa hitan'ny masonao, dia ireny famantarana sy fahagagana lehibe ireny.
2मोशाले इस्राएलका सबै मानिसहरूलाई बोलाएर भने, “परमप्रभुले मिस्र देशमा फिरऊन र उसका सेवकहरू र उसको सम्पूर्ण भूमिका लागि जे गर्नु भएको थियो तिमीहरूले सबै देख्यौ।
3Nefa tsy nomen'i Jehovah fo hahalala sy maso hahita ary sofina handre ianareo mandraka androany.
3तिमीले आफ्नै आँखाले उहाँले गर्नु भएका ठूला-ठूला कष्टहरू, अलौकिक कामहरू र अचम्मका चीजहरू देख्यौ।
4Dia nitondra anareo tany an-efitra efa-polo taona aho; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin'ny tongotrao ny kapanao.
4तर आज पनि तिमीले बुझेनौ के भएको थियो, परमप्रभुले तिमीलाई बुझ्ने अनुमति दिनु भएको छैन के देख्यौ अनि सुन्यौ?
5Tsy mofo no fihinanareo, ary tsy divay na toaka no fisotronareo, mba ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
5परमप्रभुले भन्नुभयो, ‘मैले तिमीहरूलाई मरूभूमिमा चालीस वर्षसम्म डोर्याउँदा तिमीहरूको शरीरको लुगा फाटेन, अनि खुट्टामा लगाएको जुत्ता पनि पूरानो भएन
6Ary nony tonga tamin'ity tany ity ianareo, dia nivoaka Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy Oga, mpanjakan'i Basana, hiady amintsika, dia resintsika izy roa lahy.
6तिमीहरूले रोटी खाएनौ र दाखरस कुनै प्रकारको मद्य पिएनौ। मैले तिमीहरूलाई रक्षा गरेर ल्याएँ जसले गर्दा तिमीहरू बुझ्न सकछौ म परमप्रभु नै तिमीहरूका परमेश्वर हुँ।
7Ary nalaintsika ny taniny ka nomentsika ho zara-tanin'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
7“तिमीहरू यस ठाउँमा आउँदा हेशबोनका राजा सीहोन र बासानका राजा ओग हामीलाई आक्रमण गर्न आए तर तिनीहरूलाई हरायौं।
8Dia tandremo ny tenin'izao fanekena izao, ka araho, mba hambinina ianareo amin'izay rehetra ataonareo.
8अनि हामीले तिनीहरूको देश रूबेनी, गाद, अनि मनश्शेको आधा कुललाई आफ्नो अंशको रूपमा दियौं।
9Hianareo rehetra miseho eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitrareo anio, dia ny lehibenareo sy ny firenenareo, ny lohan'ny firenenareo sy ny mpifehy anareo ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely,
9यदि तिमीहरूले यस करारमा भएका आज्ञाहरू पालन गर्यौ भने तिमीहरू आफूले गरेको प्रत्येक कार्यमा सफल हुने छौ।
10ny zanakareo madinika koa sy ny vadinareo ary ny vahiny eo amin'ny tobinareo mbamin'ny mpikapa hazonao sy ny mpantsaka ranonao
10“आज तिमीहरू सबै जना परमप्रभु तिमीहरूका परमेश्वर अघि उभिरहेका छौ। तिमीहरूका अगुवाहरू, मुखियाहरू, बूढा-प्रधानहरू तथा इस्राएलका सबै बासिन्दाहरू यहाँ छन्।
11hidiranao amin'ny faneken'i Jehovah Andriamanitrao sy ny fianianana, izay ataon'i Jehovah Andriamanitrao aminao anio,
11तिमीहरूको पत्नी, बाल-बच्चाहरू तथा तिमीहरूसित बस्ने विदेशीहरू लगायत तिमीहरूका दाउरा काटूने अनि पानी बोकनेहरू यहाँ छन्।
12hanandratany anao ho fireneny, ary mba ho Andriamanitrao Izy, araka izay nolazainy taminao sy araka izay nianianany tamin'ny razanao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba.
12आज तिमीहरू परमप्रभु तिमीहरूका परमेश्वरसित एउटा करारमा बाँधिनु पर्छ र परमप्रभुले त्यो करार आज बनाउनु हुँदैछ।
13Ary tsy aminareo ihany no anaovako izao fanekena sy fianianana izao,
13यो प्रतिज्ञासँगै, परमप्रभुले तिमीहरूलाई उहाँको आफ्नै विशेष मानिसहरू बनाउनु भयो, अनि त्यो प्रमाणित गर्नु भएको छ उहाँ तिमीहरूको परमेश्वर हुनुहुन्छ जस्तो उहाँले तिमीहरू अनि तिमीहरूका पिता-पुर्खाहरू अब्राहाम, इसहाक अनि याकूबलाई गर्नु भएको थियो।
14fa amin'izay eto amintsika anio eto anatrehan'i Jehovah Andriamanitsika sy amin'izay tsy eto amintsika anio koa;
14परमप्रभुले तिमीहरूसित मात्र यो करार गर्नु तथा प्रतिज्ञा गर्नु हुनेछैन,
15fa fantatrareo izay nitoerantsika tany amin'ny tany Egypta sy izay nandehanantsika namaky ny tanin'ny jentilisa;
15तर परमप्रभु तिमीहरूका परमेश्वर सबैसँग यो करार गर्नु हुँदैछ जो उहाँको अघि उभिएका छन् अनि हाम्रा भावी सन्तानहरूसँग जो आज हामीसंग छैनन्।
16ary efa hitanareo ny fahavetavetany sy ny sampiny hazo sy vato sy volafotsy ary volamena, izay teo aminy;
16तिमीहरूलाई थाहा छ हामी मिश्र देशमा कसरी बाँचेका थियौ अनि तिमीहरूले सम्झना गर हामीहरू कसरी यहाँसम्म आउँदा देशहरू भएर यात्रा गर्यौं।
17fandrao hisy lehilahy, na vehivavy, na mpianakavy, na firenena eto aminareo, izay manana fo mivily anio, ka miala amin'i Jehovah Andriamanitsika, handehanany hanompo ny andriamanitr'ireny firenena ireny; fandrao hisy faka eo aminareo izay miteraka zava-mangidy sady mahafaty;
17तिमीहरूले ती काठ, ढुङ्गा, चाँदी र सुनले बनिएका घृणित मूर्तिहरू देख्यौ।
18ary raha ren'izany olona izany ny tenin'ity fanozonana ity, dia hiarahaba tena ao am-pony izy ka hanao hoe: Hanam-piadanana aho, fa hanaraka ny ditry ny foko, handringanana ny leony mbamin'ny mangetaheta.
18दृढ भएर बस तिमीहरूमध्ये कुनै पनि पुरूष अथवा स्त्री, कुल अथवा परिवार समूह परमप्रभु हाम्रा परमेश्वरदेखि टाढा नजाऊ कुनै पनि मानिस अन्य राष्ट्रले मान्ने देवताको सेवा गर्न नजाऊन्। जुन मानिसले त्यो गर्छ त्यो एउटा उद्भिद जस्तै हो जसले उम्रेर तितो अथवा विषालु फल दिन्छ।
19Ary Jehovah dia tsy hety hamela ny helony, fa hanetroka amin'izany lehilahy izany ny fahatezeran'i Jehovah sy ny fahasaro-piarony, ary hitoetra aminy ny fanozonana rehetra izay voasoratra amin'ity boky ity, ka hovonoin'i Jehovah tsy ho eo ambanin'ny lanitra ny anarany.
19“कुनै मानिसले यी सरापहरू सुन्न सएछ आफूलाई सजिलो ठान्दै भन्छ, ‘म जे गर्दौछु गर्दै लानेछु मसित कुनै अनिष्ट हुने छैन। त्यस मानिसले आफूलाई मात्र नष्ट गर्दैन तर प्रत्येकलाई यहाँसम्म राम्रा मानिसहरूलाई पनि गर्छ।
20Dia hosarahin'i Jehovah amin'ny firenen'Isiraely rehetra ho amin'ny loza izy, araka ny fanozonana rehetra amin'ny fanekena izay voasoratra amin'ity bokin'ny lalàna ity.
20परमप्रभुले त्यस्ता मानिसलाई माफ गर्नु हुन्न। परमप्रभुको रीस र डाहाले त्यस्ता मानिस भष्म हुन्छन्। व्यवस्थाको पुस्तकमा लेखिएका सबै नराम्रा कुराहरू त्यसमाथि पर्नेछन् र परमप्रभुले त्यसलाई ध्वंश पारी त्यसको नाउँ निशाना पृथ्वीबाट लोप गराउनु हुनेछ।
21Ary hiteny ny taranaka any aoriana, dia ny zanakareo izay hitsangana handimby anareo, sy ny vahiny avy amin'ny tany lavitra, raha mahita ny kapoka natao tamin'ity tany ity sy ny faharariana izay nampaharanan'i Jehovah azy
21व्यवस्थाको पुस्तकमा लेखिएको करारको सराप अनुसार परमप्रभुले त्यस मानिसलाई दण्ड दिनुका लागि इस्राएलीहरूका सबै कुलहरूबाट अलग गर्नु हुनेछ।
22fa ho solifara sy sira ary fahamaizana ny tany rehetra eo: tsy hofafazana izy, na hanirian-javatra, sady tsy hisy ahitra akory hitrebona ao, tahaka ny nandravana an'i Sodoma sy Gomora sy Adma ary Zeboima, izay noravan'i Jehovah tamin'ny fahavinirany sy ny fahatezerany
22“भविष्यमा जब तिमीहरूका सन्तानहरू तथा टाढा-टाढाबाट आएका विदेशीहरूले देख्ने छन् कसरी भूमि नष्ट भयो। तिनीहरूले देख्ने छन् कसरी रोगहरू परमप्रभुले ल्याउनु भयो।
23dia hiteny ny firenena rehetra hoe: Nahoana Jehovah no dia nanao toy izany tamin'ity tany ity? Inona no hevitry ny firehetan'izao fahatezerana lehibe izao?
23त्यहाँको भूमि सब गन्धकको आगोले जल्नेछ र नूनले ढाकिनेछ अनि त्यहाँ घाँससम्म उम्रने छैन। परमप्रभुको रीसले त्यो भूमि नष्ट हुनेछ जस्तो सदोम, गमोरा, अदमा र सबोयीम नष्ट गरिएका थिए।
24Dia hiteny ny vahoaka ka hanao hoe: Satria izy nahafoy ny faneken'i Jehovah, Andriamanitry ny razany, izay nataony taminy fony Izy nitondra azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
24“तब अरू सबै राष्ट्रका मानिसहरूले सोध्नेछन्, ‘परमप्रभुले यो भूमिलाई यस्तो पार्नुभयो? उहाँ किन यति विघ्न रिसाउनु भयो?’
25Fa nandeha izy ka nanompo andriamani-kafa sady niankohoka teo anatrehany, dia andriamanitra izay tsy fantany sady tsy nomena azy;
25उत्तर यस्तो हुनेछ, ‘कारण इस्राएलका मानिसहरूले तिनीहरूलाई मिश्र देशबाट ल्याउँदा परमप्रभु तिनीहरूको पिता-पुर्खाहरूको परमेश्वरसित गरिएको करारलाई त्याग गरे।
26dia nirehitra tamin'ity tany ity ny fahatezeran'i Jehovah, ka nataony tonga taminy avokoa ny fanozonana rehetra izay voasoratra eto amin'ity boky ity;
26तिनीहरू आफूले नचिनेको र परमप्रभुले नबताएको अन्य जातिको देवताहरूको सेवा तथा पूजा गर्न लागे।
27ary fahavinirana sy fahatezerana ary fahatezerana mirehitra no nandroahan'i Jehovah azy tsy ho eo amin'ny taniny sy nampandehanany azy ho any amin'ny tany hafa, tahaka ny amin'izao anio izao.An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
27अनि परमप्रभुको क्रोधले यस भूमिका प्रत्येक मानिसहरूमाथि नराम्रा कुरा ल्याए त्यो शिक्षाहरूको पुस्तकमा लेखिएका छन्।
28An'i Jehovah Andriamanitsika ny zava-miafina; fa antsika sy ny zanatsika mandrakizay kosa ny zavatra ambara, hankatoavantsika ny teny rehetra amin'ity lalàna ity.
28परमप्रभु अत्यन्तै असन्तुष्ट हुनु भएकोले त्यस भूमिबाट बाहिर निकालेर अहिले तिनीहरूले बसो-बास गरेको भूमिमा राख्नु भयो।’
29“परमप्रभु हाम्रा परमेश्वरले केही कुरो रहस्यमा राख्नु भयो जो उहाँले मात्र जान्नुहुन्छ। तर परमप्रभुले हामीलाई केही बताउनु भयो अनि ती शिक्षाहरू हाम्रो र हाम्रा सन्तानको निम्ति हुन् र ती सदा सर्वदाको निम्ति रहनेछन्। अनि हामीले व्यवस्थामा भएका सबै आज्ञाहरू पालन गर्नु पर्छ।