Malagasy

Nepali

Ezra

8

1[Ny olona niaraka tamin'i Ezra, sy ny nankanesany ho any Jerosalema] Ary izao no lohan'ny fianakaviana sy filazana ny firazanan'ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin'ny nanjakan'i Artaksersesy mpanjaka:
1यी तिनीहरूका विस्थापित कुल वंशाका अगुवाहरू ती हुन् जो राजा आर्ट-जारसेज को शासनकालमा मसंग बाबेलदेखिमाथि गए।
2Gersoma, avy tamin'ny taranak'i Finehasa; Daniela, avy tamin'ny taranak'Itamara; Hatosy, avy tamin'ny taranak'i Davida;
2पीनहासका कुलकाः गेर्शोम, ईतामारका कुलबाटः दानियेल दाऊदका कुलबाटः
3Zakaria, avy tamin'ny taranak'i Sekania (avy tamin'ny zanak'i Parosy), mbamin'ny namany dimam-Polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany;
3शकन्याहका कुलका, हत्तूश परोशका कुलबाटः जकर्याह अनि तिनी सित सूची भएका 150 मानिसहरू थिए।
4Elihoenay, zanak'i Zerahia, avy tamin'ny taranak'i Pahata-moaba, mbamin'ny namany roan-jato lahy;
4पहत-मोआबका कुलबाटः एल्याहोएनै, जरहियाहका छोरा अनि तिनीसित 200 मानिसहरू।
5ny zanak'i Jahaziela, avy tamin'ny taranak'i Sekania, mbamin'ny namany telon-jato lahy;
5जत्तूका कुलहरूबाटः यहजीएलका छोरा शकन्याह अनि तिनी सित 300 मानिसहरू।
6Ebeda, zanak'i Jonatana, avy tamin'ny taranak'i Adina, mbamin'ny namany dimam-polo lahy;
6आदीनका कुलबाटः जोनाथनका छोरा एबेद अनि तिनी सित 50 मानिसहरू।
7Jesaia, zanak'i Atalia, avy tamin'ny taranak'i Elama, mbamin'ny namany fito-polo lahy;
7एलमाका कुलबाटः अतल्याहका छोरा यशयियाह अनि तिनी सित 70 मानिसहरू।
8Zebadia, zanak'i Mikaela, avy tamin'ny taranak'i Sefatia, mbamin'ny namany valo-polo lahy;
8शपत्याहका कुलबाटः मीकाएलका छोरा जबदियाह अनि तिनीसित 80 मानिसहरू।
9Obadia, zanak'i Jehiela, avy tamin'ny taranak'i Joaba, mbamin'ny namany valo ambin'ny folo amby roan-jato lahy;
9योआबका कुलबाटः यहीएलका ओबदिया अनि तिनीसित 218 मानिसहरु।
10ny zanak'i Josifia, avy tamin'ny taranak'i Selomita, mbamin'ny namany enim-polo amby zato lahy;
10बानीका कुलबाटः योसिपियाका छोरा शलोमीत अनि तिनीसित 160 मानिसहरु।
11Zakaria, zanak'i Bebay, avy tamin'ny taranak'i Bebay, mbamin'ny namany valo amby roa-polo lahy,
11बेबैका कुलबाटः बेबैका छोरा जकर्याह अनि तिनीसित 28 मानिसहरु।
12Johanana, zanak'i Hakatana, avy tamin'ny taranak'i Azgada, mbamin'ny namany folo amby zato lahy;
12अज्गादका कुलबाटः हक्कातान छोरा योहानान अनि तिनीसित 110 मानिसहरू।
13ary ny avy tamin'ny taranak'i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin'ny namany enim-polo lahy,
13आखिरी चाँहि अदोनीकाम, सन्तानबाट थिए तिनीहरूका नाउँ : एलीपेलेत, यीएल र शमायाह तिनीहरूसित 60 मानिसहरू थिए।
14Otahy sy Zaboda, avy tamin'ny taranak'i Bigvay, mbamin'ny namany fito-polo lahy.
14बैग्बै कुलबाटः उत्तै अनि जब्बूद अनि तिनीहरू सित 70 मानिसहरू थिए।
15Ary novoriko teo amoron'ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak'i Levy teo na dia iray akory aza.
15मैले तिनीहरूलाई नदीको छेउमा भेला गरें जो अहवातर्फ बग्छ, हामी त्यहाँ छाउनी लगएर तीन दिनसम्म बस्यौ। मैले ती मानिसहरू अनि पूजाहारीहरूलाई हेरे तर मैले त्यहाँ कुनै लेवीहरूलाई देखिन।
16Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo).
16यसकारण मैले एलाजार, अरीएल, शमायाह, एल्नातान, यारीब, एल्नातान, नातान, जकर्याह र अश्शूलाम, जो अगुवाहरू अनि योयारीब र एल्नातानहरूलाई बोलाएँ तिनीहरू बुझकि मानिस थिए।
17Ary nampitondraiko teny ho any amin'Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin'Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'Andriamanitray.
17अनि मैले तिनीहरूलाई कासिपियाह नामक स्थानमा अगुवा इद्दो कहाँ पठाएँ। इद्दो र तिनका दाज्यू-भाइहरू अनि कसिपियाह स्थानको मन्दिरका सेवकहरूलाई के भन्नु पर्ने सो भने जसद्वारा तिनीहरूले हामी कहाँ हाम्रा परमेश्वरको मन्दिरको निम्ति कर्मीहरू ल्याउन सकोस्।
18Ary araka ny soa nataon'ny tànan'Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin'ny taranak'i Maly, zanak'i Levy, zanak'Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin'ny rahalahiny, valo ambin'ny folo lahy, [Na: an'Isi-sekela]
18किनभने हाम्रा परमेश्वरले हामीलाई सहयाता गर्नु भयो, तिनीहरूले हामीकहाँ एक वुद्धिमान मानिस, लेवीको छोरा महलीका कुलहरूका। इस्राएलका छोरा जस्तै शरेबियाह र तिनका छोराहरू भाइहरू एवं अन्य मानिसहरू।
19ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin'ny taranak'i Merary, mbamin'ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy;
19अनि शरेबियाह तिनीसित मरारीका सन्तानहरूका यशैयार तिनका भाई र छोराहरू।
20ary avy tamin'ny Netinima, izay notendren'i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo.
20अनि मन्दिरका सेवकहरू जसलाई दाऊद अनि राजकुमारहरूले लेवीहरूलाई सहायता गर्न नियुक्त गरेका थिए। 220 जना मन्दिरमा सेवकहरू पठाए। ती सबै का नाउँ सूचीमा लेखिए।
21Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron'ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan'Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an'ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra.
21त्यहाँ अहवा नदीको छेउमा, हामीहरू अनि हाम्रा केटा-केटीहरू र हाम्रा सबै सम्पत्तिहरूको निरापद यात्राको निम्ति उहाँसित विन्ती गर्नलाई हामी परमेश्वरको समक्ष स्वयंलाई विनम्र तुल्याउन सकौ भनी उपवासको घोषणा गर्यौं।
22Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin'ny mpanjaka hiaro anay amin'ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin'ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan'Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy.
22किनभने यात्रामा हामीलाई शत्रुहरूबाट सुरक्षित राख्नको निम्ति राजासंग सैनिक अनि घोडसवारहरूको माग गर्नमा लज्जित थियौं। किनभने हामीले राजालाई भनेको थियौ, “हाम्रा परमेश्वरले ती सबैलाई सहायता गर्नु हुन्छ, जो उहाँ प्रति विश्वास गर्छन् तर उहाँ तिनीहरू प्रति अति क्रोधित हुनुहुन्छ, जो उहाँदेखि टाढा हुन्छन्।”
23Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin'Andriamanitray, dia nihaino anay Izy.
23यसर्थ हामीले यसका निम्ति उपवास बस्यौं र हाम्रा परमेश्वर प्रति प्रार्थना गर्यौ अनि उहाँले हाम्रो प्रर्थनाको उत्तर दिनु भयो।
24Ary nanokana roa ambin'ny folo lahy tamin'ny lohan'ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany,
24त्यसपछि मैले शेरेब्याह र हबिशयाह अनि तिनीहरूका भाईहरू मध्ये दशजना पूजाहारीहरू सहित 12 जना अगुवाहरूलाई चुनें।
25ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin'ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon'Andriamanitray, izay efa naterin'ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo;
25त्यसपछि राजा र तिनका सल्लाहकारहरू र अधिकारीहरू त्यहाँ उपस्थित भएका इस्राएलका सबै मानिसहरूले हाम्रा परमेश्वरको मन्दिरका निम्ति अर्पण गरेका सुन, चाँदी र भाँडा-वत्तर्नहरू तौलेर मैले तिनीहरूलाई दिए।
26eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan'ny talenta zato, ary talenta volamena zato
26मैले तौलिएर तिनीहरूलाई 22,100 किलो ग्राम चाँदी 100 चाँदीका भाडाहरू 3,400 किलो ग्राम ओजनको, 3,400 किलोग्राम सुन
27sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan'ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena. [Izahao 1 Tan. xxix. 7]
27सुनका कचौराहरू 8 1/2 किलोग्राम ओजनको,
28Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an'i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an'i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo.
28तब मैले ती बाह्र पूजाहारीहरूलाई भने, “तिमीहरू अनि यी चीजहरू परमप्रभुको निम्ति पवित्र छौ। मानिहरूले तिमीहरूका पिता-पुर्खाका परमेश्वरलाई सुन र चाँदीहरू दिए।
29Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan'ny lohan'ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan'ny fianakaviana amin'ny Isiraely any Jerosalema, dia amin'ny efi-trano ao an-tranon'i Jehovah.
29यिनीहरू को खूबै होशियारी सित रक्षा गर। जब सम्म तिमीहरूले पूजाहारीहरू अनि लेवीहरूका अगुवाहरू अनि यरूशलेममा इस्राएल कुलका प्रमुखहरू समक्ष परमप्रभुको मन्दिरको कोठाहरू भित्र तौलँदैनौं।”
30Dia noraisin'ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon'Andriamanitray.
30यसर्थ पूजाहारीहरू र लेवीहरूले जोखिएका ती सुन-चाँदी र अरू मत्तोपुर्ण सामानहरू यरूशलेममा, हाम्रा परमेश्वरको मन्दिरमा ल्याउनका निम्ति प्राप्त गरे।
31Dia niala teo amin'ny ony Ahava izahay tamin'ny andro faharoa ambin'ny folo tamin'ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan'Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin'ny tanan'ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana.
31हामीले यरूशलेम जानका निम्ति पहिलो महिना को बाह्रौ दिनमा अहावा नदी छोडियौ। अनि हाम्रा परमेश्वर हामीसित हुनुहुन्थ्यो र उहाँले हामीलाई शत्रुहरूको शक्ति र चोरहरूबाट बाटोमा सुरक्षित गर्नुभयो।
32Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha.
32अनि हामी यरूशलेम आइपुग्यौ। त्यहाँ हामीले तीनदिन विश्राम गर्यौ।
33Ary tamin'ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan'i Meremota, zanak'i Oria mpisorona, tao an-tranon'Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak'i Finehasa; ary teo amin'izy roa lahy koa Jozabada, zanak'i Jesoa, sy Noadia, zanak'i Binoy; Levita izy roa lahy ireo;
33चौथो दिनमा हामीले हाम्रा परमेश्वरको मन्दिरमा ती चाँदी अनि सुन अनि सामानहरू जोखियौ र ती पूजाहारी उरियाहका छोरा मरेमोत साथै पीनहासका छोरा एलाजार अनि तिनीहरूसित लेवीहरू, येशूअका छोरा योजाबाद अनि बिन्नुईका छोरा नोअदियाहलाई दियौ।
34an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin'izany andro izany ny lanjany rehetra.
34हरेक वस्तुको संख्याद्वारा ओजन जाँच गरि अनि त्यस समयमा ठोस ओजन टिपियो।
35Ary ny olona izay niverina avy tamin'ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an'Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr'ombilahy roa ambin'ny folo ho an'ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak'ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin'ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an'i Jehovah ireo rehetra ireo.Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.
35तब कैदबाट फर्केर आउने यहूदीहरूले इस्राएलका परमेश्वरलाई समस्त इस्राएलका निम्ति होमबलि अर्पण गरे 12 वटा साँढे, 96 वटा भेडा, 77 वटा थुमा अनि पाप बलिका निम्ति 12 वटा बोकाहरू यी सबै परमप्रभुका निम्ति होमबलि थिए।
36Ary ny didin'ny mpanjaka dia natolony tamin'ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin'ny etỳ an-dafin'ny ony etỳ; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon'Andriamanitra.
36तिनीहरूले राजाका आदेश पनि राज अधिकारीहरू अनि नदीपारीका प्रशासकहरूलाई दिए। तब तिनीहरूले यी अधिकारीहरूले प्रशासकहरू अनि इस्राएलका मानिसहरूले परमेश्वरको मन्दिरलाई सहयोग दिए।