Malagasy

Nepali

Jeremiah

9

1[Ny alahelon'i Jeremia noho ny faharatsian'ny olona] Enga anie ka hahita fitoerana any an-efitra aho tahaka ny fitoeran'ny mpandeha! Dia hahafoy ny fireneko aho ka hiala aminy, satria mpijangajanga avokoa izy rehetra, eny, mpivadika miray tetika izy.
1यदि मेरो शिर पानीले भरिएको हुन्थ्यो अनि यदि मेरो आँखाहरू आँसूको फोहोरा हुन्थ्यो भने म ती मेरा मानिसहरूका निम्ति जो मारिएका छन् रात दिन रूने थिएँ।
2Manenjana ny lelany toy ny fanenjana tsipìka izy mba handefa lainga. Ary tsy araka ny marina no mahahery azy etỳ ambonin'ny tany; Fa mandroso amin'ny ratsy ka hatramin'ny ratsy izy, ary Izaho tsy mba fantany, hoy Jehovah.
2यदि मरूभूमिमा यात्री झैं रात बिताउने ठाँउ मेरो भए म मेरा मानिसहरूलाई छाडिदिने थिएँ र तिनीहरूबाट टाढो गएको हुन्थे। किनभने तिनीहरू परमेश्वरप्रति अविश्वासी छन्। तिनीहरू सबै उहाँका विरोधमा उठे।
3Samia miaro tena amin'ny namany avy ianareo. Ary aza misy matoky olona na dia ny rahalahy aza; Fa ny rahalahy rehetra dia mamingana tokoa, ary ny namana rehetra mandehandeha manaratsy.
3“ती मानिसहरू आफ्नो जिब्रो धनु झैं बङ्गाउँछन् अनि झूटो कुराहरू मुखबाट काँड झैं निकाल्छन्। त्यस ठाँउमा सत्य दृढ भई बढेको होइन। यी मानिसहरू एउटा खराब कर्म देखि अर्कोमा आफै सर्छन। तिनीहरूले मलाई चिन्दैनन्।” परमप्रभुले यसो भन्नुभयो।
4Izy rehetra samy mamitaka ny namany avy, ka tsy misy miteny marina; Mampianatra ny lelany handainga izy ary manasa-tena amin'ny fanaovan-dratsy.
4“आफ्ना छिमेकीहरूलाई नियाल। कुनै सम्बन्धीलाई विश्वास नगर। किन? किनभने हरेक सम्बन्धी कपटी छ। हरेक छिमेकीले तिम्रो पछाडी निन्दा गर्दछ।
5Ny fonenanao dia ao anatin'ny fitaka; Fitaka no nandavany tsy hahalalana Ahy, hoy Jehovah.
5हरेक मानिसले आफ्नो छिमेकीसित झूटा बोल्छ। कसैले पनि साँचो बोल्दैन। यहूदाका मानिसहरूले आफ्नो जिब्रोलाई झूटो बोल्न प्रशिक्षण गराउँछन्। तिनीहरूले नथाकुञ्जेल सम्म पाप गरे।
6Koa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Indro, handrendrika sy hizaha toetra azy Aho; Fa ahoana no hataoko noho ny amin'ny oloko zanakavavy?
6एउटा नराम्रो कुराले अर्को नराम्रो कुरालाई पछ्‌यायो। अनि झूटोले झूटै पछ्‌यायो। मानिसहरूले मलाई चिन्नु अस्वीकार गरे।” परमप्रभुले ती कुराहरू भन्नुभयो।
7Zana-tsipìka mahafaty ny lelany ka miteny fitaka; Raha amin'ny vavany, dia miteny fihavanana amin'ny namany izy, kanjo ao anatiny kosa dia manao otri-po.
7सेनाहरूका परमप्रभु भन्नहुन्छ “म तिनीहरूलाई शुद्ध पार्छु र परीक्षा गर्छु। मेरोमा अन्य तरिका छैन। मेरा मानिसहरूले पाप गरे।
8Tsy hovaliako va izy amin'izany zavatra izany? hoy Jehovah, tsy hialako fo va ny firenena toy izany?
8यहूदाका मानिसहरूको जिब्रो काँड जस्तै तीखा छन्। तिनीहरू मुखले झूटो बोल्दछन्। हरेक मानिस आफ्ना छिमेकीहरूसँग दयापूर्ण बात गर्छन तर तिनीहरूले आफ्नो छिमेकीहरूलाई धरापमा पार्ने भित्री योजनाहरू बनाँउछन्।
9Noho ny amin'ny tendrombohitra no hitomaniako sy hidradradrako, ary noho ny amin'ny kijana any an-efitra no hanaovako hira fa halahelovana, satria may izy, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy, ary tsy misy fimàmàn'omby re intsony, ary na ny voro-manidina na ny bibi-dia samy efa nandositra ka lasa avokoa.
9[This verse may not be a part of this translation]
10Ary Jerosalema dia hataoko korontam-bato sy fonenan'ny amboadia; ary ny tanànan'ny Joda hataoko lao tsy hisy mponina.[Na: jakala]
10म पर्वतहरूलाई चिच्याएर कराउनेछु। म उजाड भूमिका निम्ति शोकमय गीत गाउनेछु कारण ती पर्वतहरू र मैदानहरू नष्ट गराइएका छन् र त्यहाँबाट कोही पनि हिँडदैनन्। गाई-गोरूहरू रामेको आवाजहरू अब त्यहाँ सुन्न सकिनदैन्। चराचुरूङ्गी सबै उडेर, गइसके अनि पशुहरू पनि गइसके।
11Iza no olon-kendry mba hahafantatra izao, sady efa nitenenan'ny vavan'i Jehovah mba hanambara izao? Fa nahoana no noravana ny tany sady may ho toy ny efitra, ka tsy misy mandeha mamaky eo aminy?
11“म यरूशलेमलाई अशुद्धको थुप्रोमा परिवर्तन गर्नेछु। यो स्यालहरूको घर हुनेछ। म यहूदाका शहरहरू विनाश गर्नेछु ताकि त्यहाँ कोही बस्ने छैन।”
12Ary hoy Jehovah: satria nahafoy ny lalàko izay nataoko teo anoloany izy ka tsy nankato izany ary tsy nihaino ny feoko,
12के त्यहाँ यी चीजहरू बुझ्ने कोही ज्ञानी मानिसहरू छन्? त्यहाँ कोही छन् ज-जसलाई परमप्रभुले भन्नु भएको छ र ज-जसले सन्देश व्याख्या गर्नु सक्छ? किन यस भूमि ध्वंस पारियो अनि सूखा मरूभूमिमा परिणत गरियो, जहाँ कोही पनि जाँदैन्?
13Fa nandeha araka ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin'ny razany azy,
13परमप्रभुले भन्नुभयो, “किनभने मैले तिनीहरूलाई दिएको शिक्षा त्यागे अनि मेरा उपदेशहरू सुन्दैनन् अनि मैले देखाएका मार्गमा हिड्दैनन्।
14Dia izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hofahanako zava-mahafaty ity firenena ity sy hampisotroiko rano mangidy;
14यहूदाका मानिसहरूले आफ्नै तरिकाको जीवन शैली लिए। तिनीहरू हठी थिए। तिनीहरूले तिनीहरूका पिता-पुर्खाहरूले जो सिकाएका थिए त्यही बाललाई पूजा गरे।”
15Ary haeliko any amin'izay jentilisa tsy fantany na fantatry ny razany izy; Ary hampanenjehiko azy ny sabatra ambara-pandaniko azy.
15यसकारण सेनाहरूका परमप्रभु इस्राएलका परमेश्वर भन्नुहुन्छ, “म तिनीहरूलाई तीतो भोजन खाने र विषालु पानी पिउने बनाउनेछु।
16Izao no lazain'i Jehovah. Tompon'ny maro: Mihevera tsara, ka antsoy ireny vehivavy mpanao hira fahalahelovana mba ho avy; Eny, ampanalao ireny vehivavy mahay mba ho tonga;
16म इस्राएलका मानिसहरूलाई अन्य जातिहरूमा जुन न त तिनीहरू न त तिनीहरूको पिता-पुर्खाहरूले जान्दथे तितर-बितर पारिदिनेछु। तिनीहरू सम्पूर्ण रूपले ध्वंस नहुञ्जेलसम्म म तिनीहरूको पछि तरवार पठाउनेछु।”
17Ary asaovy haingana ireny hanandratra fidradradradrana ho antsika, mba hampijojy ny ranomasontsika sy hampivarina ny ranomaso avy amin'ny hodimasontsika.
17यही नै सेनाहरूका परमेश्वर भन्नुहुन्छ “अब, यी कुराहरूबारे विचार गर। ती स्त्रीहरूलाई बोलाऊ जसलाई अन्त्येष्टि क्रियामा रूनलाई पैसा दिइन्छ। ती मानिसहरूलाई पठाऊ जो त्यस् काममा निपुण छन्।
18Fa misy feo midradradradra re any Ziona hoe: Indrisy! rava isika; Afa-baraka indrindra isika, satria tsy maintsy mamoy ny tany, fa efa narodana ny trano nitoerantsika.
18‘तिनीहरूले हतार गरून र हाम्रा निम्ति रोइदिउन। तब हाम्रा आँखाहरू आँसूले भरिनेछन्, अनि पानीका मुहानहरू बाहिर आउनेछन्।’
19Nefa mihainoa ny tenin'i Jehovah, ianareo vehivavy, ary aoka hohenoin'ny sofinareo ny tenin'ny vavany, ka ampianaro fidradradradrana ny zanakavavinareo, ary samia mampianatra hira fahalahelovana ny namany avy.
19“विलापको स्वरहरू सियोन्‌बाट सुनियो ‘हामी साँचि नै ध्वंस्त भयौं। हामी लज्जित छौं कि हामीले आफ्नो भूमि त्याग्नु नै पर्छ, किनभने हाम्रो घरहरू भत्काइयो।”‘
20Fa ny fahafatesana efa nananika ny varavarankelintsika ka niditra tao an-dapantsika, mba handringana ny ankizy madinika tsy ho eny an-dalambe sy ny zatovo tsy ho eny an-kalalahana.
20अब, यहूदाका स्त्रीहरू, परमप्रभुबाट आएको वचन ध्यान् दिएर सुन। परमप्रभुको मुखारबिन्दबाट आएको शब्दहरू सुन। परमप्रभु भन्नुहुन्छ, “तिमीहरूका छोरीहरूलाई कसरी चिच्चाएर रूने भन्ने सिकाऊ। हरेक स्त्रीले यो शोक-गीत गाउन सिक्नै पर्छ
21Ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hiampatrampatra ny fatin'ny olona ka ho tonga tahaka ny zezika eny an-tsaha sy tahaka ny amboara nilaozan'ny mpijinja, Izay tsy misy manangona azy.[Heb. any aorian']
21‘हाम्रा झ्यालहरूबाट मृत्यु पसेको छ। हाम्रा किल्लाहरूमा मृत्यु आयो। यसले गल्लीहरूमा हाम्रा नानीहरूलाई र हाम्रा जवानहरूलाई शहरहरूबाट लग्यो।’
22[Ny amin'ny tsi-fahatokian-tena, sy ny fahatokiana an'Andriamanitra, Izay mitsara marina] Izao no lazain'i Jehovah: Aoka ny hendry tsy hirehareha amin'ny fahendreny, ary aoka ny mahery tsy hirehareha amin'ny heriny, ary aoka ny manan-karena tsy hirehareha amin'ny hareny;
22यी कुराहरूको घोषणा गर ‘परमप्रभु भन्नुहुन्छ, मतृ शरीरहरू भूँईमा गोबर जस्तै छरिएको हुनेछ। तिनीहरूका शरीरहरू जसरी कृषकहरूले खेतमा बाली काटेर सुताई राख्छन् जसलाई उठाउने कोही हुँदैनन् त्यस्तै मैदानमा लडिरहेका हुनेछन्।”‘
23Fa izay te-hirehareha dia aoka hirehareha amin'izao: Dia ny fahendreny sy ny fahalalany Ahy ho Jehovah, Izay manao famindram-po sy fitsarana marina ary fahamarinana etỳ ambonin'ny tany; fa izany no sitrako, hoy Jehovah.
23परमप्रभु भन्नुहुन्छ “ज्ञानीले आफ्ना ज्ञान बारे शेखी गर्नु हुँदैन्। बलवानले आफ्ना शक्ति बारे घमण्ड गर्नु हुँदैन्। धनीले आफ्ना धन बारे अहम् गर्नु हुँदैन्।
24Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay hamaliako ny voafora rehetra mbamin'ny tsy voafora koa,[Na: izay toy ny tsy voafora]Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak'i Amona ary Moaba mbamin'izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak'Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
24तर यदि कसैले गर्व भने, उसले यस विषयमा गर्व गरोस्। म परमप्रभुलाई चिन्छु र जान्दछु र उहाँ नै परमप्रभु हुनुहुन्छ जसले पृथ्वीमा न्याय, दया र र्धमिकताको व्यवहार गर्नुहुन्छ। किनभने म यी कुराहरूमा नै आनन्द लिन्छु।”
25Dia Egypta sy Joda sy Edoma sy ny taranak'i Amona ary Moaba mbamin'izay rehetra voahety sisim-bolo, izay monina any an-efitra; Fa ny jentilisa rehetra dia tsy voafora, ary ny taranak'Isiraely rehetra kosa dia tsy voafora fo.
25यो परमेश्वरबाट आएको सन्देश हो। “समय आइरहेको छ जब म ती सम्पूर्ण मानिसहरू जसले खाली शारीरिक खतना गरेका छन् उनीहरूलाई दण्ड दिनेछु।
26म ती मानिसहरूका बारेमा भनिरहेछु जो मिश्र देश, यहूदा, एदोम, अम्मोन, मोआबका बसिन्दा हुन अनि तिनीहरू सबै जो जंगलमा बस्छन्। ती सारा देशहरूमा बस्ने मानिसहरू वास्तवमा खतना गरिएको थिएन अनि इस्राएलबाट आउने मानिसहरूका खतना तिमीहरूको हृदयमा गरिएको थिएन।”