1Ary raha misy manota, satria mandre ny feon'ny fampianianana, sady vavolombelona nahita na nahalala, nefa tsy manambara izy, ka mahameloka azy izany,
1“यदि कसैले यस्तो प्रकारले पाप गरे जसमा त्यो मानिस आफ्नै आँखाले प्रत्यक्ष देखेको अथवा कानले सुनेको कुरोमा साक्षी भएर पनि भन्दैन भने ऊ त्यस कामको निम्ति पापी हो, अनि उसले त्यस पापको निम्ति सजाय भोग्नु पर्छ।
2na misy mikasika izay zavatra tsy madio, na ny fatin'ny bibi-dia tsy madio, na ny fatin'ny biby fiompy izay tsy madio, na ny fatin'ny biby mandady na mikisaka izay tsy madio, nefa tsy hitany izany, ka mahaloto sy mahameloka azy izany,
2अथवा कोही मानिस अशुद्ध चीज छुन्छ भने जंगली अथवा पाल्तू पशु अथवा उडने प्राणीको मृत देह छुन्छ, तर कुनै कारणवश त्यो उसले बिर्सन्छ भने त्यस कामको निम्ति ऊ दोषी अनि अशुद्ध बनिन्छ।
3na misy mikasika ny fahalotoan'olona, dia izay fahalotoany rehetra na inona na inona, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany izany, ka mahameloka azy,
3एक जना मानिसले मानिएको अशुद्ध अथवा यस्तो कुनै चीज छुन्छ जसले उसलाई अशुद्ध बनाउँछ तर उसले थाहा पाउँदैन, तर जब त्यस मानिसले यस विषयमा थाहा पाउँछ तब उ दोषी हुनेछ।
4na misy mianiana ka miteniteny foana amin'ny molotra hanao ratsy na hanao soa, na inona na inona tenitenenin'ny olona foana ka asiany fianianana, nefa tsy hitany izany, rehefa fantany, ka meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy:
4अथवा एकजना मानिसले केही राम्रो अथवा नराम्रो काम गर्ने प्रतिज्ञा गर्छ। उसले विचार अनि आफ्नो प्रतिज्ञा बिर्सन्छ। तर जब पछि उसले आफ्नो प्रतिज्ञाको सम्झना गर्छ, तब उसलाई दोषी ठहराइनेछ।
5koa raha meloka amin'ny anankiray amin'ireo izy, dia hiaiky izay zavatra nanotany,
5जब ऊ त्यस्तो कुनै कुरामा दोषी ठहरिन्छ भने, उसले कसरी पाप गर्यो त्यो स्वीकार गर्नुपर्छ।
6ary hitondra ny saziny ho an'i Jehovah noho ny fahotany izay nataony izy, dia ondrivavy na osivavy, nefa izay vantony, ho fanatitra noho ny ota; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany.
6अनि उसको पाप प्रायश्चितको निम्ति, उसले एउटा जवान भेडा अथवा बाख्राको पाठी उसको बथानबाट एउटा दोषबलि जस्तै परमप्रभु कहाँ ल्याउनु पर्छ। यस प्रकारले पूजाहारीले त्यो मानिसको पापबाट मुक्त गराउनको लागि प्रायश्चित कार्य गर्नेछ।
7Ary raha tsy tratry ny ananany izany, dia hitondra domohina roa na zana-boromailala roa ho an'i Jehovah izy ho saziny noho ny nanotany; ka ny anankiray hatao fanatitra noho ny ota, ary ny anankiray kosa hatao fanatitra dorana.
7“यदि उसले आफ्नो दोषबलि चढाउन भेडा अथवा बाख्राको पाठीको व्यवस्था गर्न सक्तैन भने, उसले परमप्रभुलाई दोषबलि चढाउनलाई अथवा पापबाट मुक्त हुन र अर्को होमबलिको निम्ति एक जोडी परेवा अथवा ढुकुर ल्याउनुपर्छ।
8Dia hitondra ireo ho eo amin'ny mpisorona izy, ary ny mpisorona kosa hanatitra ny iray aloha ho fanatitra noho ny ota, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany ho afaka amin'ny vozony, fa tsy hohenteriny izy.
8उसले त्यो ढुकुर अथवा परेवाको जोडी पूजाहारीकहाँ ल्याउनुपर्छ र पूजाहारीले एउटा चाँहि पहिले पापबलिको निम्ति चढाओस्। उसले त्यसको घाँटी अँठ्ठाएर टाउको निमोठोस तर त्यसलाई चुँढाई नहालोस्।
9Ary hamafazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ran'ny fanatitra noho ny ota; ary ny rà sisa hofiazany eo ambodin'ny alitara; dia fanatitra noho ny ota izany.
9तब उसले पापबलिको केही रगत शुद्धताको निम्ति वेदीको पाटामा छर्कियोस अनि बाँकी रगत वेदीको आधारमा खँन्याई दियोस्। यो पापबलि हो।
10Ary ny iray kosa dia hataony fanatitra dorana, araka ny fanao; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony, dia havela ny helony.
10त्यसपछि पूजाहारीले अर्को चाँहि ढुकुर परेवा नियमानुसार होमबलि चढाओस्। यस्तो प्रकारले पूजाहारीले त्यस पाप गर्ने मानिसलाई उसको पापबाट शुद्ध गराओस् अनि त्यो मानिसले क्षमा पाउँछ।
11Fa raha tsy tratry ny ananany koa ny domohina roa na ny zana-boromailala roa, dia hitondra ny fanatiny noho ny fahotany izy, dia koba tsara toto ampahafolon'ny efaha ho fanatitra noho ny ota; tsy hasiany diloilo izany, ary tsy hasiany ditin-kazo mani-pofona, fa fanatitra noho ny ota izany.
11“यदि कुनै मानिसले दुईवटा ढुकुरहरू अथवा दुईवटा परेवाहरू किन्न सक्दैन भने। भने तब उसले आफ्नो पापबाट मुक्ति पाउनलाई आठ बटुको मिहिन पीठो चढाउनु पर्छ। उसले पीठोसित तेल मिसाउनु हुदैन अनि कुनै सुगन्धित धूप पनि त्यसमा मिसाउनु हुँदैन किनभने त्यो भेटी पापबलि को हुनको निम्ति हुनुपर्छ।
12Dia hitondra azy ho eo amin'ny mpisorona izy, ary handraofan'ny mpisorona eran-tànan-ila ho fanati-pahatsiarovana avy aminy ka hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara miaraka amin'ny fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah; dia fanatitra noho ny ota izany.
12उसले त्यो पिठो पूजाहारीकहाँ ल्याओस् अनि पूजाहारीले त्यसबाट सम्झना स्वरूप एक मुठ्ठी पीठो निकालेर परमप्रभुको निम्ति अग्निहोममाथि वेदीमा जलाओस्। यो पापबलि हो।
13Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny fahotany izay nataony tamin'ny anankiray amin'ireo, dia havela ny helony; ary ho an'ny mpisorona ny sisa, toy ny fanatitra hohanina.
13यस प्रकार पूजाहारीले त्यस व्यक्तिलाई उसले गरेको पापबाट क्षमा गराउनेछन्। बाँकी रहेको अन्न चाँहि पूजाहारीको निम्ति अन्नबलि जस्तै हुन्छ।”
14[Ny fanati-panonerana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
14तब परमप्रभुले मोशालाई भन्नुभयो,
15Raha misy olona manao izay mahadiso ka manota tsy nahy ny amin'ny zava-masin'i Jehovah, dia hitondra ny fanati-panonerany ho an'i Jehovah izy, dia ondrilahy tsy misy kilema, koa sekely volafotsy no anombananao azy, araka ny sekely masina, ho fanati-panonerana.
15“जब एकजना मानिसले परमप्रभुको पवित्र चीजहरू प्रति नजानेर भूल काम गर्छ, उसले आफ्नो पशुहरूको बथानबाट एउटा निष्खोट भेडा ल्याउनुपर्छ। भेडाको मोल आधिकारिक नाप अनुसार उसको
16Ary izay efa nanotany ny amin'ny zava-masina dia honerany, ary hampiany ho tonga avy fahenina ka hatolony amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy amin'ny ondrilahy atao fanati-panonerana, dia havela ny helony.
16पवित्र चीजहरूसित गरेको पापको निम्ति उसले अपराध बीस प्रतिशत जोडेर फिर्ता दिनुपर्छ। अनि दोषबलिको भेडाद्वारा चढाएकोमा पूजाहारीले उसको पापको निम्ति प्रायश्चित गर्नेछ अनि उसलाई पाप क्षमा दिनेछ।
17Ary raha misy olona manota, satria manao izay tsy tokony hatao ka mandika ny anankiray amin'ny didin'i Jehovah, nefa tsy fantany izany, ka mahameloka azy, ary mitondra ny helony izy,
17“जब कुनै व्यक्तिले परमप्रभुले नगर्नु भनेको कामगर्छ तर उसलाई त्यो थाहा हुँदैन, तब पनि त्यो मानिस दोषी हुनेछ।
18dia hitondra ondrilahy tsy misy kilema izy, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona; ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy noho ny ota tsy nahy izay nahadiso azy, nefa tsy fantany, dia havela ny helony;
18तब उसले गरेको पापको ओजन बराबरको मूल्यमा एउटा निष्खोट भेडा पूजाहारीकहाँ दोष बलिको निम्ति ल्याउनुपर्छ। जुन पाप उसले नजानी गरेको थियो पूजाहारीले त्यसले गरेको पापबाट उसलाई क्षमा गराउनेछ।
19dia fanati-panonerana izany, fa efa meloka tamin'i Jehovah tokoa izy.
19यो एउटा दोषबलि हो, किनभने त्यो मानिस परमप्रभुअघि दोषी भएको छ।”
20Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
21Raha misy olona manota, satria manao izay mahadiso amin'i Jehovah, fa mandainga amin'ny namany ny amin'izay nampitehirizina azy, na amin'ny zavatra notanany ho tsatòka, na amin'izay nalainy an-keriny, na ota nampahory ny namany,
22na nahita izay zavatra very ka mandainga amin'izany sady mianian-tsy tò ny amin'izay mety ho fahotan'ny olona,
23satria nanota izy ka meloka, dia hanonitra izay nalainy an-keriny, na izay tamin'ny fampahoriana, na izay nampitehirizina azy, na izay zavatra very hitany,
24na izay rehetra nianianany tsy tò; dia hanonitra toraka izany izy sady hanampy azy koa ho tonga avy fahenina, ka homeny ilay tompon-javatra amin'ny andro anaterany ny fanati-panonerany izany.
25Ary ny fanati-panonerana ho entiny ho an'i Jehovah dia ondrilahy tsy misy kilema, araka ny anombananao azy, ho fanati-panonerana ho any amin'ny mpisorona.Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.
26Ary ny mpisorona hanao fanavotana ho azy eo anatrehan'i Jehovah, dia havela ny helony na inona na inona no fahadisoana nataony.