Malagasy

Nepali

Leviticus

8

1[Ny nanokanana an'i Arona sy ny zanany ho mpisorona] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
1परमप्रभुले मोशालाई भन्नुभयो,
2Alao Arona sy ny zanany ary ny fitafiana sy ny diloilo fanosorana sy ny vantotr'ombilahy iray hatao fanatitra noho ny ota sy ny ondrilahy roa ary ny harona misy mofo tsy misy masirasira.
2“हारून र उसका छोराहरूलाई तिनीहरूको पूजाहारी पोषक, अभिषेक तेल, पापबलिको साँढे, दुइवटा भेडा र एक डालो अखमिरी रोटीसँग लैजाऊ।
3Ary vorio ny fiangonana rehetra ho eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana.
3तब तिनीहरूलाई सम्पूर्ण मानिसहरूसंग भेट हुने पालमा लैजाऊ।”
4Ary Mosesy nanao araka izay nandidian'i Jehovah azy; dia vory teo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny fiangonana.
4यसर्थ परमप्रभुले तिनलाई आज्ञा दिनु भए झैं मोशाले भने। मानिसहरू सबै भेट हुने पालमा सँगै भेला भए।
5Ary hoy Mosesy tamin'ny fiangonana: Izao atao izao no raharaha izay nandidian'i Jehovah.
5मोशाले मानिसहरूलाई भने, “यो परमप्रभुले आज्ञा दिनु भएको कुरा यही हो।”
6Ary Arona sy ny zanany dia nentin'i Mosesy nanatona ka nampandroiny tamin'ny rano.
6तब मोशाले हारून र तिनका छोराहरूलाई ल्याए अनि पानीले नुहाइदिए।
7Dia nampiakanjoiny ny akanjo lava izy ary nasiany ny fehin-kibo, dia nampiakanjoiny ny akanjo ivelany izy, ary ny efoda dia nataony taminy, dia nasiany ny fehin-kibo momba ny efoda izy, ka nataony fehin'ny efoda taminy izany.
7तब मोशाले हारूनलाई बुनेको कमेज पहिराइदिए अनि तिनको कम्मरमा पटुका बाँधिदिए। त्यसपछि हारूनलाई अलखा पहिराए तब मोशाले तिनलाई एपोद बाँधिदिए। मोशाले एपोदलाई अलखामा बाँधिदिए।
8Ary ny saron-tratra dia nataony taminy, ka nataony tao ny Orima sy ny Tomima.
8तब उनले हारूनको छातीमा ‘न्यायको छाती पाता’ लगाइदिए अनि गोजीमा “ऊरीम” र “तुम्मीम” राखिदिए।
9Ary ny hamama dia nataony teo an-dohany; ary ny takela-bolamena, ilay diadema masina, dia nataony teo anoloana amin'ny hamama, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
9परमप्रभुले आज्ञा दिनुभए अनुसार तिनले हारूनलाई टाउकोमा फेटा बाँधिदिए अनि फेटाको अघिल्लो भागमा सुनको पवित्र मुकुट लगाइदिए।
10Ary nalain'i Mosesy ny diloilo fanosorana dia nohosorany ny tabernakely sy izay rehetra tao ka nohamasininy.
10मोशाले अभिषेक तेल लिएर पवित्र पालको प्रत्येक ठाउँ र चीजहरूमा छर्किदिए। अनि यसरी तिनले, ती सब चीजहरूलाई पवित्र पारे।
11Dia namafazany impito teo ambonin'ny alitara ny diloilo; ary nohosorany avokoa ny alitara mbamin'ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany hahamasina azy.
11उनले अभिषेक तेल वेदीमा सात पल्ट छर्किदिए। उनले अभिषेक तेल वेदी अनि भाँड-कुँडाहरू हातमुख धुने भाँडो अनि कचौरा राख्ने ठाउँलाई पवित्र बनाउन छर्किदिए।
12Ary nanidinany teo amin'ny lohan'i Arona ny diloilo fanosorana, ka nanosotra azy izy hahamasina azy.
12त्यसपछि हारूनलाई शुद्ध पार्न अभिषेक तेलको केही अंश तिनको शिरमा खन्याइ दिए।
13Ary dia nentin'i Mosesy nanatona koa ny zanak'i Arona ka nampiakanjoiny akanjo lava, ary nasiany fehin-kibo, dia nampisatrohiny, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
13त्यसपछि मोशाले हारूनका छोराहरूलाई ल्याए र बुनेको कमिज पहिराई पटुका बाँधिदिएर तिनीहरूलाई टोपी लगाइदिए अनि यी सबै मोशाले परमप्रभुको आज्ञा अनुसार गरेका थिए।
14Ary nentiny nanatona koa ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny vantotr'ombilahy izay hatao fanatitra noho ny ota.
14यसपछि उनले पापबलिको साँढे ल्याए। हारून र तिनका छोराहरूले त्यस साँढेको टाउकोमाथि आफ्ना-आफ्ना हात राखे,
15Dia novonoiny ny, ary nalain'i Mosesy ny rà, ka notentenany tamin'ny fanondrony ny tandroky ny alitara teo amin'ny zorony efatra nanadiovany azy; ary ny rà sisa dia naidiny teo ambodin'ny alitara, ka nahamasina azy, mba hanao fanavotana ho azy.
15अनि मोशाले त्यो साँढेलाई मारेर र केही रगत आफ्नो औंलाहरूमा लिएर वेदीको कुना-कुना सबैतिर दले। यस प्रकार तिनले वेदी पवित्र पारे। अनि बाँकी रहेको रगत वेदीको आधारमा खन्याए। यसरी तिनले प्रायश्चित गर्न वेदी पवित्र बनाए।
16Dia nalainy ny saboran-tsinainy rehetra sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany mbamin'ny fonom-boany, ka nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ireo.
16मोशाले साँढेको भित्र्यांशको बोसो, कलेजो बोसो, दुइवटा मृगौलाहरू अनि तिनीहरूमाथि भएको बोसो निकाले अनि यी वेदीमा जलाए।
17Fa ny hoditry ny vantotr'ombilahy sy ny henany ary ny tain-drorohany kosa dia nodorany tamin'ny afo teny ivelan'ny toby, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
17त्यसपछि तिनले साँढेको अरू बाँकी रहेको छाला, मासु, गोवर तथा अरू भागहरू परमप्रभुको आज्ञा अनुसार पाल बाहिर जलाइदिए।
18Ary nentiny nanatona ny ondrilahy izay hatao fanatitra dorana; ary Arona sy ny zanany nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
18त्यसपछि तिनले होमबलिको निम्ति एउटा भेडा ल्याए अनि हारून अनि तिनका छोराहरूले त्यस भेडाको शिरमाथि तिनीहरूको हात राखे।
19Dia novonoina iny; ary Mosesy nanipy ny rà manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
19तब मोशाले भेडालाई मारे अनि यसको रगत वेदीको चारैतिर छर्किदिए।
20Ary norasainy tsara ny ondrilahy; dia nodoran'i Mosesy ho fofona ny lohany sy ireo voarasa ireo ary ny saborany.
20[This verse may not be a part of this translation]
21Ary ny taovany sy ny tongony nosasany tamin'ny rano; dia nodoran'i Mosesy ho fofona teo ambonin'ny alitara ny tenan'ny ondrilahy; fanatitra dorana izany ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
21[This verse may not be a part of this translation]
22Dia nentiny nanatona koa ny ondrilahy anankiray, dia ny ondrilahy fanokanana; ary Arona sy ny zanany dia nametraka ny tànany tamin'ny lohan'ny ondrilahy.
22त्यसपछि तिनले पूजाहारी नियुक्त भएकोमा अर्पण गरिएको अर्को भेडा ल्याए अनि हारून र तिनका छोराहरूले आफ्नो हातहरू त्यस भेडाको टाउकोमाथि राखे।
23Dia novonoiny iny; ary nangalan'i Mosesy ny rà ka, natentiny teo amin'ny tendron'ny ravin-tsofin'i Arona ankavanana sy tamin'ny ankihiben-tànany ankavanana ary tamin'ny ankihiben-tongony ankavanana.
23त्यसपछि तिनले त्यो भेडालाई मारेर त्यसको रगत हारूनको दाहिने कानको लोतीमा, दाहिने हात र दाहिने खुट्टाको बुढी ओंलाहरूमा लगाइदिए।
24Ary nentiny nanatona koa ny zanak'i Arona, ka notentenan'i Mosesy ny rà ny tendron'ny ravin-tsofiny ankavanana sy ny ankihiben-tànany ankavanana ary ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia natopin'i Mosesy manodidina tamin'ny lafin'ny alitara.
24मोशाले हारूनका छोराहरूलाई अघि ल्याए अनि तिनीहरूको दाहिने कानको लोती दाहिने हातको औंलो र दाहिने खुट्टकाको बुढी औंलाहरूमा राखिदिए अनि रहेको रगत वेदी वरिपरि छर्किदिए।
25Ary nalainy ny hofany sy ny saborany, dia ny safodrorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamim'ny fonom-boany ary ny sorony ankavanana.
25तिनले बोसो, बोसे पुच्छर आन्द्राभुँडी छोप्ने सबै बोसो, कलेजो छोप्ने मासु, बोसोसितै दुइवटा मिगौला र दाहिने फिला लिए।
26Ary ilay harona nisy ny mofo tsy misy masirasira, izay teo anatrehan'i Jehovah, dia nangalany iray tamin'ny mofo tsy misy masirasira sy iray tamin'ny mofo voaisy diloilo ary iray tamin'ny mofo manify ka napetrany teo ambonin'ny saborany sy ny sorok'ondry ankavanana.
26परमप्रभु अघि राखिएको खमीर रहित रोटीको डालोबाट उनले एउटा मोटो अखमीर रोटी, अर्को एउटा अखमीरे रोटी तेल मिसाएको र अखमीरे फुलौरो अनि तिनीहरूलाई बोसो र दाहिने तिघ्रामाथि राखे।
27Dia napetrany teo amin'ny tànan'i Arona sy ny zanany ireo rehetra ireo ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah.
27तब मोशाले ती खाद्यहरू हारून अनि तिनका छोराहरूको हातमा राखिदिए अनि परमप्रभुअघि डोलाउने बलिको रूपमा माथि उठाए।
28Dia nalain'i Mosesy tamin'ny tànany indray ireo ka nodorany ho fofona teo ambonin'ny alitara niaraka tamin'ny fanatitra dorana; fanati-panokanana ireo ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin'ny afo ho an'i Jehovah.
28तब तिनले तिनीहरूको हातबाट खाद्य लिए अनि होमबलिको वेदीमाथि राखिदिए। यो पूजाहारीहरूको नियुक्ति निम्ति बलिदान थियो। यो एउटा सुगन्धित समुद्रघर भेटी हो जसले परमप्रभुलाई खुशी पार्यो।
29Dia nalain'i Mosesy koa ny tratran'ondry ka nahevahevany ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan'i Jehovah; anjaran'i Mosesy avy amin'ny ondrilahy fanokanana izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah azy.
29परमप्रभुको आदेश अनुसार परमप्रभुमाथि ह्याकुलो विशेष उपहारको रूपमा हल्लाए। पूजाहारीहरूलाई नियुक्त गर्नका निम्ति यो मोशाको भेडाको भाग थियो।
30Ary nangalan'i Mosesy ny diloilo fanosorana sy ny rà izay teo ambonin'ny alitara ka nafafiny tamin'i Arona sy tamin'ny fitafiany ary tamin'ny zanany sy tamin'ny fitafian'ny zanany koa; dia nanamasina an'i Arona sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian'ny zanany koa Izy.
30तिनले केही अभिषेक गरेको तेल अनि रगत लिए जो वेदीमा थियो अनि त्यसलाई हारून र तिनका छोराहरू र तिनीहरूको लुगाहरूमाथि छर्के। यसरी तिनले हारून र तिनका छोराहरूसहित तिनीहरूका लुगाहरू सितै पवित्र पारे।
31Ary hoy Mosesy tamin'i Arona sy ny zanany: Andrahoy eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana ny hena; ary eo no hihinananareo azy mbamin'ny mofo izay eo amin'ny haron'ny fanati-panokanana, araka izay nandidiako hoe: Arona sy ny zanany no hihinana azy.
311तिनले हारून र तिनका छोराहरूलाई भने, “भेट हुने पालको प्रवेशद्वारमा मासु उसिन र अभिषेक डालोमा भएको रोटीहरूसित खाऊ।
32Ary izay sisa amin'ny hena sy ny mofo dia hodoranareo amin'ny afo.
32तिमीहरूले खाएर उब्रेको मासु र रोटी आगोमा जलाइ देऊ।
33Ary tsy hiala eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana ianareo, dia mandra-pahatapitry ny andro fanokanana anareo; fa hafitoana no hanokanany anareo.
33तिमीहरू पूजाहारी अभिषेक भएको दिनदेखि सात दिनसम्म बाहिर कतै नजानु, अभिषेकको समय सात दिन हो तिमीहरूले सात दिन पूरा नहोउञ्जेल भेट हुने पाल छोड्नु हुँदैन।
34Tahaka ny efa natao androany no nandidian'i Jehovah hatao, hanaovana fanavotana ho anareo.
34तिमीहरूलाई पूजाहारी पदमा नियुक्ति गराउन पवित्र पार्न परमप्रभुले आज्ञा गर्नु भएको थियो जुन आज गरियो।
35Ary hitoetra eo anoloan'ny varavaran'ny trano-lay fihaonana hafitoana andro aman'alina ianareo ka hitandrina izay asain'i Jehovah hotandremana, dia tsy ho faty ianareo fa izany no nandidiana ahy.Dia nataon'i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah ka nampilazainy an'i Mosesy.
35मलाई आज्ञा गरिएको छ तिमीहरू सात दिनसम्म रात-दिन भेट हुने पालको प्रवेशद्वारमा बस्नुपर्छ अनि परमप्रभुको आज्ञा पालन गर्नुपर्छ जसले गर्दा तिमीहरूको मृत्यु हुने छैन।”
36Dia nataon'i Arona sy ny zanany izay rehetra efa nandidian'i Jehovah ka nampilazainy an'i Mosesy.
36परमप्रभुले मोशा मार्फत जे जति आज्ञा गर्नु भएको थियो हारून र तिनका छोराहरूले सबै पालन गरे।