1Ary nonina tany Jerosalema ny mpanapaka ny olona; ary ny olona sisa nanao filokana hahatonga ny ampahafolony honina any Jerosalema, tanàna masina, fa ny sivy toko kosa dia any an-tanàna hafa.
1मानिसका अगुवाहरू यरूशलेममा बसे अनि बाँकी रहेका मानिसहरूले प्रत्येक दशजनामा एकजनालाई यरूशलेममा बस्नका निम्ति ल्याउन चिट्टा लगाए। अनि रहेका दशै अंशमा नौ अंश अन्य शहरूमा बसे।
2Ary nisaoran'ny olona ny lehilahy rehetra izay nanolo-tena honina any Jerosalema.
2मानिसहरूले सइच्छाले यरूशलेममा बस्न चाहनेहरूलाई आशीष दिए।
3Ary izao no ben'ny tany izay nonina tany Jerosalema; fa ny tao an-tanànan'ny Joda samy nonina tao amin'ny taniny avy, tao an-tanànany, dia ny Isiraely, ny mpisorona sy ny Levita sy ny Netinima ary ny taranaky ny mpanompon'i Solomona.
3यिनीहरू ग्रामीण अगुवाहरू हुन् जो यरूशलेममा बस्थे। तर यहूदाको शहरहरूमा, सबैजना तिनीहरूको शहरहरूमा आफ्ना सम्पत्तिमा बस्थे इस्राएलका केही मानिसहरू, इस्राएल पूजाहारीहरू, लेवीहरू, मन्दिरका सेवकहरू अनि सुलेमानका सेवकहरूका सन्तानहरू।
4Ary tany Jerosalema no nonenan'ny sasany tamin'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Benjamina. Ny avy tamin'ny taranak'i Joda dia Ataia, zanak'i Ozia, zanak'i Zakaria, zanak'i Amaria, zanak'i Sefatia, zanak'i Mahalalila, avy tamin'ny taranak'i Fareza;
4अनि कोही यहूदाका मानिसहरू अनि कोही बिन्यामीनका मानिसहरू यरूशलेममा बसे। यी यहूदाका सन्तानहरू थिए जो यरूशलेममा बसेः अतायाहरू, उज्जियाहका छोरा, अमर्याहको छोरा, शपत्याहको छोरा, महलेलका छोरा पेरेसका कुलका।
5ary Mahaseia, zanak'i Baroka, zanak'i Kola-hoze, zanak'i Hazaia, zanak'i Adaia, zanak'i Joariba, zanak'i Zakaria, zanak'ilay Silonita.
5कोल-होजेका छोरा, हजायाहका छोरा, अदायाहका छोरा, योयारीबका छोरा, जकर्याहका छोरा एउटा शीलोनीहरूको सन्तान।
6Ny taranak'i Fareza rehetra izay nonina tany Jerosalema dia lehilahy mahery valo amby enim-polo amby efa-jato.
6यरूशलेममा बस्ने पेरेसक कुलहरूमा जम्मा 468 साहसी मानिसहरू थिए।
7Ary izao no taranak'i Benjamina: Salo, zanak'i Mesolama, zanak'i Joeda, zanak'i Pedaia, zanak'i Kolaia, zanak'i Mahaseia, zanak'Itiela,zanak'i Jesaia;
7यी बिन्यामीनका कुलहरू थिए जो यरूशलेममा बसेः मशुल्लामका छोरा, सल्लू, योएदका छोरा, पदायाहका छोरा, कोलायाहका छोरा, वासेयाहका छोरा, इतीएलका छोरा।
8ary nanarakaraka azy Gabay sy Salay; dia valo amby roa-polo amby sivinjato.
8यशायियाहका छोरा अनि तिनको पछि गब्बै अनि सल्लै,
9Ary Joela, zanak'i Zikry, no mpifehy azy; ary Joda, zanak'i Senoa, no lefitry ny komandin'ny tanàna.
9जिक्रीका छोरा योएललाई तिनीहरू अनि यहूदामाथि नियुक्त गरियो, अनि हासेन्आका छोरा शहरका दोस्रो प्रमुख अधिकारी थिए।
10Ny avy tamin'ny mpisorona dia Jedaia, zanak'i Joariba, ary Jakina.
10पूजाहारीहरू मध्येबाटः योयारीबको छोरा, यदायाह, याकिन,
11Ary Seraia, zanak'i Hilkia, zanak'i Mesolama, zanak'i Zadoka, zanak'i Meraiota, zanak'i Ahitoba, no mpanapaka ny tranon'Andriamanitra.
11सरायाहका, हिल्कियाहका छोरा, मशुल्लामका छोरा, सादोकका छोरा, मरायोतका छोरा, अहीतूबका छोरा,
12Ary ny rahalahin'ireo izay mpanao ny raharaha tao an-trano dia roa amby roa-polo amby valon-jato; ary Adaia, zanak'i Jerohama, zanak'i Pelalia, zanak'i Amzy, zanak'i Zakaria, zanak'i Pasora, zanak'i Malkia,
12परमेश्वरको मन्दिरका निरीक्षक अनि तिनीहरूका सहयोगी भए जो परमेश्वरको मन्दिरको निरिक्षक थिए 822। अदायाह यरोहामका छोरा, जकर्या मल्कियाहका
13ary ny rahalahiny, izay samy lohan'ny fianakaviana, dia roa amby efa-polo amby roan-jato; ary Amasay, zanak'i Azarela, zanak'i Ahazay, zanak'i Mesilemota, zanak'Imera,
13अनि तिनका सहयोगीहरू जो कुलका अगुवाहरू थिएः 242। अमाशै, अजैलका छोरा, अहजैका छोरा, मेशिल्लेमोतका छोरा, इम्मेरका छोरा
14mbamin'ny rahalahin'ireo, dia lehilahy mahery valo amby roa-polo amby zato; ary Zabdiela, zanak'i Hagedolima, no mpifehy azy.
14अनि तिनका सहयोगीहरू साहसी योद्धाहरूः 128।तिनीहरू माथिका अधिकारी हग्गेदोलीमका छोरा जब्दीएल थिए।
15Ary ny avy tamin'ny Levita dia Semaia, zanak'i Hasoba, zanak'i Azrikama, zanak'i Hasabia, zanak'i Bony;
15लेवीहरूबाट यिनीहरू यरूशलेममा बसेः शमायाह हश्शूबका छोरा, अज्रीकामका छोरा हशबियाहका छोरा बुन्नीका छोरा।
16ary Sabetahy sy Jozabada, avy tamin'ny lohan'ny Levita, no tonian'ny raharaha teo ivelan'ny tranon'Andriamanitra.
16अनि शब्बतै र योजाबाद, लेवीहरूका दुइजना अगुवाहरू जो परमेश्वरको मन्दिरको बाहिर कामका जिम्मामा थिए।
17Ary Matania, zanak'i Mika, zanak'i Zabdy, zanak'i Asafa, no mpiventy, raha natao ny fisaorana tao am-pivavahana; ary Bakbokia no nanarakaraka teo amin'ny rahalahiny, dia vao Abda, zanak'i Samoa, zanak'i Galala, zanak'i Jedotona.
17अनि मतन्याह मीकाका छोरा, जब्दीका छोरा आसापका छोरा, स्तुतिका अगुवा जसले प्रार्थनामा धन्यवाद ज्ञापन गरे, अनि बकबुक्याह तिनका सहयोगीहरूमा दोस्रो अनि अब्दा शम्मूअका छोरा गालालका छोरा यदूतूनका छोरा।
18Ny Levita rehetra tao an-tanàna masina dia efatra amby valo-polo amby roan-jato.
18पवित्र शहर यरूशलेममा भएका समस्त लेवीहरू जम्मा 284। यी यरूशलेममा बस्नेद्वार पालकहरू थिए।
19Ary ny mpiandry varavarana dia Akoba sy Talmona mbamin'ny rahalahiny izay niambina ny vavahady, dia roa amby fito-polo amby zato.
19अक्कूब, तल्मीन अनि तिनीहरूका आफन्तहरू जसले द्वारको हेरचाह गर्थेः 172 जना थिए।
20Ary ny sisa tamin'ny Isiraely sy ny mpisorona sy ny Levita, dia teny an-tanàna rehetra any Joda, samy tao amin'ny zara-taniny avy.
20इस्राएलका रहेका मानिसहरू, पूजाहारीहरू अनि लेवीहरू यहूदाका सबै शहरहरूका आफ्ना पुर्खाका भूमिमा बसे।
21Fa ny Netinima dia nonina tany Ofela; ary Ziha sy Gispa no nifehy azy.
21मन्दिरका सेवकहरू ओपेल पहाडमा बसे अनि सीहा र गिश्पा मन्दिरका सेवकहरूको जिम्मा मा थिए।
22Ary ny mpifehy ny Levita tany Jerosalema amin'ny raharaha momba ny tranon'Andriamanitra dia Ozy, zanak'i Bany, zanak'i Hasabia, zanak'i Matania, zanak'i Mika, isan'ny mpihira, taranak'i Asafa.
22यरूशलेममा मुख्य अधिकारी लेवीहरू उज्जीय बानीको छोरा, हशबियाहका छोरा, मतन्याहको मीकाका छोरा, आसापका सन्तानहरू, गवैयाहरू थिए जो परमेश्वरको मन्दिरको कामहरूका जिम्मामा थिए।
23Fa ny didin'ny mpanjaka ny amin'ireo mpihira ireo dia ny hahazoany izay anjara tokony ho azy isan'andro.
23किनभने तिनीहरूको सम्बन्धमा राजकीय आदेश थियो अनि प्रतिदिन गायकहरूको सेवाको आवश्यक्ता थियो।
24Ary Petahia, zanak'i Mesezabela, isan'ny taranak'i Zera, zanak'i Joda, dia teo anilan'ny mpanjaka hitandrina ny raharaha rehetra ny amin'ny olona.
24पतहियाह मशजबेलका छोरा, यहूदाका छोरा जेरहको कुल मानिसहरू सम्बन्धी सबै कुरामा राजाका सल्लाहकार थिए।
25Fa ny amin'ny vohitra eny an-tsaha, dia ny sasany tamin'ny taranak'i Joda no nonina tany Kiriat-arba sy ny zana-bohiny, ary tany Dibona sy ny zana-bohiny, ary tany Jekabzela sy ny zana-bohiny,
25गाउँहरूमा तिनीहरूमा खेतहरू सहितः यहूदाका केही मानिसहरू किर्यत-अर्बा र त्यसका वरिपरिका स-साना गाउँहरू, दीबोन अनि त्यसका वरिपरिका स-साना गाउँहरू अनि यकब्सेल अनि यसका वरिपरिका स-साना गाउँहरू
26ary tany Jesoa sy Molada sy Beti-paleta
26येशूअमा, मोलादा, बेत्पलेत।
27sy Hazarasoala ary Beri-sheba sy ny zana-bohiny,
27हसर्शूआल, बेर्शेवा अनि त्यसका वरिपरिका स-साना गाउँहरू।
28ary tany Ziklaga sy Mekona sy ny zana-bohiny,
28सिकलगा, मकोना अनि त्यसका वरिपरिका स-साना गाउँहरू।
29ary tany En-rimona sy Zora sy Jarmota
29एरिमोन, सोराह, यर्मूत,
30sy Zanoa sy Adolama sy ny zana-bohiny, sy tany Lakisy sy ny sahany, ary tany Azeka sy ny zana-bohiny. Ary nonina hatram Beri-sheba ka hatramin'ny lohasahan'i Himona izy.
30जानोह, अद्दूलाम अनि तिनीहरूका गाउँहरू लाकीश अनि त्यसका खेतहरू अजेका अनि त्यसका वरिपरिका स-साना गाउँहरू। यसरी तिनीहरू बेर्शेबा देखि लिएर हिन्नोमको बेंसीसम्म अधिकार गरेर बसे।
31Ary ny taranak'i Benjamina kosa no hatrany Geba ka hatrany Mikmasy sy Aia sy Betela sy ny zana-bohiny,
31बिन्यामीनका केही मानिसहरू गेबा, मिकमाश, अय्या, बेतेल अनि त्यसका वरिपरिका स-साना गाउँहरूमा बसे।
32ary tany Anatota sy Noba sy Anania
32अनातोत, नोब, अनन्याह,
33sy Hazora sy Rama sy Gitaima
33हासीर, रामा, गित्तैम,
34sy Hadida sy Zeboima sy Nebala
34हादीद, सबोईम, नबलत,
35sy Loda sy Ono, lohasahan'ny mahay tao-zavatra.Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda.
35लोद ओनो गे-हाराशिम ओनोमा बसे,
36Ary tao amin'ny Benjamina nisy Levita, izay isan'ny antokon'ny Joda.
36केही यहूदाय लेवीय समूह बिन्यामीनलाई सुम्पियो।