1[Ny tafika namaliana ny Midianita] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
1परमप्रभुले मोशालाई भन्नुभयो,
2Valio ny Midianita noho ny nataony tamin'ny Zanak'Isiraely; ary rehefa afaka izany, dia hangonina any amin'ny razanao ianao.
2“मिद्यानीहरूले इस्राएलीहरू माथि गरेको अन्यायमा तिनीहरूलाई दण्ड देऊ। त्यस पछि, मोशा, तिमी तिम्रा पिता-पुर्खाहरूसित मिल्न जानेछौ।”
3Dia niteny tamin'ny olona Mosesy ka nanao hoe: Miomàna ho any an-tafika ny sasany aminareo, ary aoka izy hanafika ny Midianita, hahatanteraka ny famalian'i Jehovah azy.
3यसर्थ मोशाले मानिसहरूलाई यसो भने, “मिद्यानीहरूसित बद्ला लिन युद्ध गर्नको निम्ति तिमीहरूले आफ्नो मानिसहरूबाट सेनाहरू तयार पार।
4Arivo lahy avy isam-pirenena amin'ny firenen'Isiraely no hampandehaninareo ho any an-tafika.
4इस्राएलीहरूको प्रत्येक कुलबाट एक हजार मानिसहरू निकाल्नु पर्छ।
5Dia navahana tamin'ny firenen'Isiraely ny arivo isam-pirenena, dia roa arivo amby iray alina, samy voaomana hiady.
5इस्राएलीहरूको बाह्र कुलहरूबाट बाह्र हजार सेनाहरू हुनेछन्।”
6Ary nampandehanin'i Mosesy ho any an-tafika ireo arivo lahy isam-pirenena ireo sy Finehasa, zanak'i Eleazara mpisorona, izay nitondra ny fanaka masina teny an-tànany, dia ny trompetra avo feo.
6मोशाले बाह्र हजार इस्राएलीहरू युद्धमा पठाए। तिनले पूजाहारी एलाजारको छोरो पीनहासलाई पनि तिनीहरूसित पठाए। पीनहासले आफूसित पवित्र चीजहरू युद्ध-ध्वनी तथा तुरहीहरू लिएर गए।
7Dia niady tamin'ny Midianita ireo, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy; ary namono ny lehilahy rehetra izy
7परमप्रभुको आज्ञा बमोजिम इस्राएली सेनाहरू मिद्यानी मानिसहरू विरूद्ध लडे। तिनीहरूले त्यस अञ्चलमा भएका प्रत्येक मिद्यानी पुरूषलाई मारे।
8ary ny mpanjakan'i Midiana dimy lahy dia matiny niaraka tamin'ireny koa, dia Evy sy Rekema sy Zora sy Hora ary Reba; ary Balama, zanak'i Beora, koa dia novonoiny tamin'ny sabatra.
8तिनीहरूले एवी, रेकेम, सूर, हूर र रेर्वा गरी पाँच जना मिद्यानी राजाहरू मारिदिएर बोरको छोरो बिलामलाई पनि तिनीहरूले मारे।
9Ary ny Zanak'Isiraely namabo ny vehivavy Midianita sy ny zanany madinika; ary nobaboiny avokoa ny biby fiompiny rehetra sy ny omby aman'ondriny rehetra ary ny fananany rehetra.
9इस्राएली मानिसहरूले मिद्यानी स्त्रीहरूलाई र बाल-बच्चाहरूलाई कैद गरे अनि तिनीहरूको सबै सम्पत्ति, सबै गाई-वस्तु तथा भेडाहरू पनि लगे।
10Ary ny tanànany rehetra izay teo amin'ny fonenany sy ny tobiny rehetra dia nodorany tamin'ny afo.
10तिनीहरूले मिद्यानीहरूको गाँउ-वस्ती तथा शहरहरू पनि जलाई दिए।
11Ary nalainy avokoa ny babo rehetra, na olona na biby fiompy,
11इस्राएलीहरूले तिनीहरूको मानिस तथा पशुहरू मोशा, पूजाहारी एलाजार अनि
12dia nentiny tany amin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny fiangonan'ny Zanak'Isiraely teo an-toby, teo Arbota-moaba, izay eo amoron'i Jordana tandrifin'i Jeriko.
12इस्राएली अरू मानिसहरूकहाँ ल्याए। युद्धमा तिनीहरूले जे जति लिए सबै इस्राएलीहरूको छाउनीमा ल्याए। इस्राएली मानिसहरूको छाउनी मोआबको यर्दन बेंसीमा थियो। त्यो यरीहोदेखि पारी यर्दन नदीको पूर्वपट्टि थियो।
13Ary Mosesy sy Eleazara mpisorona ary ny lohan'ny fiangonana rehetra nivoaka hitsena azy teo ivelan'ny toby.
13तब मोशा पूजाहारी एलाजार तथा इस्राएली प्रमुख व्यक्तिहरू छाउनीबाट बाहिर ती सेनाहरूलाई भेट्न गए।
14Ary tezitra tamin'ny mpifehy ny miaramila Mosesy, dia tamin'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, izay avy tany an-tafika,
14मोशा इस्राएली एक हजार सेनाका सेनापति र एक सय सेनाका सेनापतिहरूसित जो युद्धबाट फर्केका थिए अत्यन्तै क्रोधित भएका थिए।
15ka hoy izy taminy: Nahoana no novelominareo ny vehivavy rehetra?
15मोशाले तिनीहरूलाई भने, “यी स्त्रीहरूलाई तिमीहरूले किन जिउँदो राख्यौ?
16Ireo ihany no nampahadiso ny Zanak'Isiraely tamin'i Jehovah ny amin'i Peora, araka ny tenin'i Balama, ka nahazo ny fiangonan'i Jehovah ny areti-mandringana.
16छुट्टानाम भएका स्त्रीहरूले बिलामको उपदेश अनुसार इस्राएलीका मानिसहरूलाई यी स्त्रीहरूले परमप्रभु देखि टाढा गराउन प्रभावित गराएका थिए। यही कारणले मानिसहरूमा विपत्ति पनि आइलागेको थियो।
17Koa ankehitriny, vonoy ny zazalahy madinika rehetra, ary vonoy koa ny vehivavy rehetra izay efa nahalala lahy.
17यसकारण ती सबै बालकहरूलाई मार र ती पुरूषहरूसित सहवास भएका सबै स्त्रीहरूलाई मार।
18Fa ny zazavavy rehetra izay tsy mbola nahalala lahy dia velomy ho anareo.
18तर शारीरिक सम्बन्ध नगरेका कन्ये केटीहरूलाई तिमीहरूको निम्ति राख।
19Ary mitobia eo ivelan'ny toby hafitoana; ary izay nahafaty olona na nikasika faty dia samia manadio ny tenany, na ianareo, na ny sambotrareo amin'ny andro fahatelo sy ny andro fahafito.
19तिमीहरू सात दिन सम्म छाउनी बाहिर रहनु पर्छ। तिमीहरू मध्ये प्रत्येक व्यक्ति अथवा तिमीहरूका कैदीहरू जसले कुनै व्यक्तिलाई मारेको छ अथवा मरेको लाश छोएकोछ उसले आफैंलाई तेस्रो दिन र सातौं दिनमा शुद्ध पार्नुपर्छ।
20Ary ny fitafiana rehetra, na ny fanaka hoditra, na ny fanaka volon'osy, na ny fanaka hazo, dia diovy avokoa.
20तिमीहरूले प्रत्येक लुगा, छालाले बनिएको प्रत्येक चीज, बाख्राको भुत्लाले बनिएको प्रत्येक चीज तथा काठले बनिएको प्रत्येक चीज सबै शुद्ध पार्नुपर्छ।”
21Ary hoy Eleazara mpisorona tamin'ny mpanafika, izay efa tany amin'ny ady: Izao no lalàna hotandremana, izay nandidian'i Jehovah'an i Mosesy:
21त्यसपछि पूजाहारी एलाजारले युद्धमा गएका सबै सेनाहरूलाई भने, “परमप्रभुले मोशालाई यस्तो आज्ञा गर्नु भएको छ,
22Ny volamena sy ny volafotsy sy ny varahina sy ny vy sy ny vifotsy ary ny firaka,
22सुन, चाँदी, काँसो, फलाम, जस्ता र सीसा चीजहरू
23dia ny zavatra rehetra izay maharitra afo, dia ataovy ao amin'ny afo, dia hadio, kanefa hodiovina amin'ny rano fanadiovana koa izy; ary izay rehetra tsy maharitra afo kosa dia ataovy ao amin'ny rano ihany.
23आगोलाई प्रतिरोध गर्ने प्रत्येक कुरालाई आगो प्रयोग गरेर शुद्ध पार्नु पर्छ अनि यसलाई शुद्धीकरणको पानीले शुद्ध गर्नुपर्छ, तब यो शुद्ध हुनेछ। तिमीहरूले प्रत्येक कुरालाई पानीसित अवश्यै शुद्ध गर्नु पर्छ त्यो आगोले प्रतिरोध गर्ने सकिदैन।
24Ary sasao ny fitafianareo amin'ny andro fahafito, dia hadio ianareo; ary rehefa afaka izany, dia mahazo miditra eo amin'ny toby ianareo.
24सातौं दिनमा आफ्नो लुगा-फाटाहरू धुनु पर्छ अनि तिमीहरू शुद्ध हुनेछौ। त्यसपछि तिमीहरू छाउनीभित्र पस्नू।”
25Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
25त्यसपछि परमप्रभुले मोशालाई भन्नुभयो,
26Alaonao sy Eleazara mpisorona sy ny lohan'ny fianakaviana amin'ny fiangonana ny isan'ny babo izay azo, na olona, na biby fiompy;
26“पूजाहारी एलाजार सारा समुदायका प्रधानहरू र तिमीले सबै कैदीहरू, पशुहरू र सेनाहरूले युद्धबाट ल्याएका सबै चीजहरू गन।
27ary sasaho ny babo ho an'izay niady, dia izay efa tany an-tafika, sy ho an'ny fiangonana rehetra;
27तब युद्धमा गएका सेनाहरू र अरू बाँकी इस्राएली मानिसहरू माझ भाग लगाऊ।
28kanefa makà anjara ho an'i Jehovah avy amin'ny mpanafika izay nivoaka ho any an-tafika, dia iray isan-diman-jato, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy;
28मानिस, गाई-वस्तु, भेडा र गधा यी सब सेनाहरूले युद्धबाट ल्याएका प्रत्येक पाँच सय चीजहरूबाट परमप्रभुको निम्ति एउटा कर हिसाबमा राख।
29ny antsasany izay azy no hanalanao izany ka homenao an'i Eleazara mpisorona ho fanatitra alaina ho an'i Jehovah.
29तिनीहरूको अशंको आधा अंश यी चीजहरू लिएर परमप्रभुको निम्ति भेटी स्वरूप पूजाहारी एलाजारलाई देऊ।
30Ary ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely kosa dia analao iray isan-dimam-polo, na olona, na omby, na boriky, na ondry aman'osy, dia ny biby fiompy rehetra, ka omeo ho an'ny Levita, izay mitandrina ny anjara-raharaha momba ny tabernakelin'i Jehovah.
30प्रत्येक पचास चीजहरूबाट (जो मानिसहरू गाइहरू, गधाहरू, भेडा र अन्य पशुहरूलाई समिलित गर्छ) आधा भाग इस्राएलीहरूलाई दिएकाबाट एउटा लिएर लेवीहरूलाई देऊ जसले परमप्रभुको पवित्र पालको हेर चाह गर्छ।”
31Dia nataon'i Mosesy sy Eleazara mpisorona izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
31परमप्रभुले मोशालाई दिनुभएको आज्ञा अनुसार मोशा र पूजाहारी एलाजारले इस्राएली सेनाहरूले युद्धबाट ल्याएका समानहरू वितरण गरे।
32Ary ny babo sisa afa-tsy izay azon'ny mpanafika, dia ondry aman'osy dimy arivo amby fito alina sy enina hetsy,
32इस्राएली सेनाहरूले युद्धबाट यी पशु र मानिसहरू ल्याएका थिएः भेडा 6,75,000,
33sy omby roa arivo amby fito alina,
33गाई-गोरू 72,000,
34sy boriky arivo amby enina alina,
34गधा 61,000 अनि
35ary olona, dia ny zazavavy izay tsy mbola nahalala lahy, roa arivo amby telo alina.
35स्त्रीहरू 32,000। यी स्त्रीहरू हुन् जसले पुरूषसित शारीरिक सम्बन्ध राखेका थिएनन्।
36Ary ny antsasany izay anjaran'ny efa tany an-tafika dia izao: ny isan'ny ondry aman'osy dia diman-jato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy;
36ती सेनाहरू जो युद्धमा गएका थिए तिनीहरूले 3,37,500 भेडाहरू पाए।
37ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ny ondry aman'osy dia dimy amby fito-polo sy enin-jato.
37तिनीहरूले आफ्नो भागबाट 675 वटा भेडाहरू परमप्रभुलाई चढाए।
38Ary ny omby dia enina arivo amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby fito-polo.
38तिनीहरूले पाएका 36,000 गाई-गोरूहरूबाट परमप्रभुलाई 72 वटा कर हिसाबमा चढाए।
39Ary ny boriky dia diman-jato amby telo alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia iraika amby enim-polo.
39तिनीहरूले 30,500 गधाहरू पाए र यसबाट परमप्रभुलाई 61 वटा कर हिसाबमा चढाए।
40Ary ny zazavavy dia enina arivo amby iray alina; ary ny anjaran'i Jehovah avy tamin'ireo dia roa amby telo-polo.
40तिनीहरूले 16,000 स्त्रीहरू पाए र यसबाट परमप्रभुलाई 31 जना कर हिसाबमा चढाए।
41Dia nomen'i Mosesy an'i Eleazara mpisorona ny anjara izay nalaina ho an'i Jehovah, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
41परमप्रभुले मोशालाई भन्नु भए झैं मोशाले यी सब उपहारहरू परमप्रभुको निम्ति पूजाहारी एलाजारलाई दिए।
42Ary avy tamin'ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely, izay nozarain'i Mosesy avy tamin'ny mpanafika
42युद्धमा गएका सेनाहरूले ल्याएको सम्पत्तिबाट मोशाले बाँडेको इस्राएली मानिसहरूको आधा भाग यस्तो थियोः
43(fa ny antsasany an'ny fiangonana dia ondry aman'osy dimanjato amby fito arivo sy telo alina sy telo hetsy,
43भेडा 3,36,500,
44sy omby enina arivo amby telo alina,
44गाई-गोरू 36,000,
45sy boriky diman-jato amby telo alina,
45गधा 30,500,
46ary olona enina arivo amby iray alina),
46स्त्रीहरू 16,000।
47ny antsasany an'ny Zanak'Isiraely dia nanalan'i Mosesy iray isan-dimam-polo, na olona, na biby fiompy, ka nomeny ho an'ny Levita mpitandrina ny anjara-raharaha momha ny tabernakelin'i Jehovah izany, araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
47यसरी इस्राएली मानिसहरूको भागमा परेका पशु र मानिसहरूबाट प्रत्येक पचासमा एउटा गरी लिएर मोशाले परमप्रभुको पवित्र पालको रक्षा गर्ने लेवीहरूलाई दिए। परमप्रभुको आज्ञा बमोजिम मोशाले यसो गरे।
48Ary ny mpifehy, izay nifehy ny miaramila, dia ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato, dia nanatona an'i Mosesy
48त्यसपछि एक हजार इस्राएली सेनाका कप्तानहरू र एक सय सेनाका कप्तानहरू मोशाकहाँ आए।
49ka nanao taminy hoe: Ny mpanomponao efa naka ny isan'ny mpanafika izay nofehezinay, ka tsy misy diso isa aminay na dia lehilahy iray akory aza;
49तिनीहरूले मोशालाई भने, “हामी तपाईंका सेवकहरूले हाम्रा अधीनमा रहेका सबै सेनाहरू गन्यौ तिनीहरू मध्ये हामीले कसैलाई पनि गुमाएनौं।
50koa nitondra fanatitra ho an'i Jehovah izahay, dia ny firavaka volamena efa azonay avy, dia fehin-tanana sy haba sy peratra fanombohan-kase sy kavina ary voavola, hanaovana fanavotana ho an'ny ainay eo anatrehan'i Jehovah.
50हामीले सुनका चीजहरूः पैरा, बाला, छाप, औंठी, कुण्डल र बाजूहरू त्यो हामीले हाम्रो परमप्रभुलाई उपहार जस्तै परमप्रभूको अघि हाम्रो आफ्नै प्रायश्चितको निम्ति चढायौ।”
51Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona taminy ny volamena, dia firavaka voatefy avokoa.
51मोशा र एलाजारले तिनीहरूबाट सुनको गहनाहरू थापे।
52Ary ny volamena rehetra tamin'ny fanatitra nalain'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ho an'i Jehovah, dia sekely dimam-polo amby fiton-jato sy enina arivo sy iray alina
52ती सबै एक हजार सेनाहरूका र एक सय सेनाहरूका कप्तानहरूले चढाएको सुनको ओजन 16,750 शेकेल थियो।”
53(fa ny mpanafika samy namabo ho an'ny tenany).Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.
53सेनाहरू मध्ये प्रत्येकले आफ्नो निम्ति केही चीजहरू लिएका थिए।
54Dia noraisin'i Mosesy sy Eleazara mpisorona ny volamena nomen'ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ka nentiny tao amin'ny trano-lay fihaonana ho fahatsiarovana ho an'ny Zanak'Isiraely eo anatrehan'i Jehovah.
54यसर्थ मोशा र पूजाहारी एलाजारले परमप्रभु अघि इस्राएली मानिसहरूको स्मृति चिन्ह स्वरूप ती सुनको गहनाहरू एक हजार र एक सय सेनाहरूका कप्तानहरूबाट लिएर भेट हुने पालमा राखे।