Malagasy

Nepali

Numbers

34

1[Ny ho faritry ny tany Kanana] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
1परमप्रभुले मोशालाई भन्नुभयो,
2Mandidia ny Zanak'Isiraely hoe: Raha tonga any amin'ny tany Kanana ianareo, dia izao no tany izay ho azonareo ho lova, dia ny tany Kanana araka izay fari-taniny.
2“इस्राएलका मानिसहरूलाई यो आदेश देऊः जब तिमीहरू कनान देशमा पस्नेछौ, तिमीहरूलाई दिइएको भूमिको सिमाना यस प्रकार हुनेछ।
3Ary ny lafiny atsimo amin'ny taninareo dia hatramin'ny efitra Zina, izay mifanolotra amin'i Edoma. Ary ny fari-taninareo atsimo dia hatramin'ny faran'ny Ranomasin-tsira any atsinanana,
3त्यस भूमिको दक्षिण तिर एदोमको नजीक सीन मरूभूमिको केही भाग रहनेछ। त्यस भूमिको दक्षिणी सिमाना खारा समुद्रको पूर्व भागबाट नै शुरू हुनेछ।
4dia miolaka eo atsimon'ny fiakarana Akrabima, dia mandroso hatrany Zina, dia mahazo any atsimon'i Kadesibarnea, dia mahazo an'i Hazar-adara ka mandroso hatrany Azmona,
4यो सिमानाले अक्राबीमको दक्षिणी भाग नाघेर सीन मरूभूमि हुँदै यसको दक्षिण भागको सिमाना कादेश-वर्ने पर्नेछ। यस सिमानाले हसार अदूदार पुगेर आस्मोन नाघ्नेछ।
5ary miolaka hatrany Azmona ka hatramin'ny lohasahan-driak'i Egypta, ka dia mihatra amin'ny ranomasina.
5सिमाना अस्मोनबाट मिश्र नदी तिर जानेछ र यो भूमध्य समुद्रमा गई टुङ्गिन्छ।
6Ary ny amin'ny fari-tany andrefana, dia indro ny Ranomasina Lehibe sy ny amorony, ka hatreo no ho fari-taninareo andrefana.
6यसको पश्चिमी सिमान भूमध्य समुद्रको किनार हुनेछ र यो तिमीहरूको देशको पश्चिमी सिमाना हो।
7Ary izao no ho fari-taninareo avaratra: hatramin'ny Ranomasina Lehibe dia aoka ny tendrombohitra Hora no hotandrifinareo;
7अब आयो तिमीहरूको भूमिको उत्तरी सिमानाः यो सिमाना भूमध्य समुद्र हुँदै होर पर्वतसम्म जानेछ।
8ary hatramin'ny tendrombohitra Hora dia aoka ny lalana mankany Hamata no hotandrifinareo, ary aoka ny fari-tany hahazo an'i Zedada,
8होर पर्वतबाट उत्तरी सिमाना फैलिएर सोझो लेबो-हमात पुग्नेछ र त्यसपछि यो सदादसम्म फैलिएर जानेछ।
9dia hahazo an'i Zifrona, ka dia hihatra an'i Hazar-enana; izany no ho faritaninareo avaratra.
9तिमीहरूको उत्तरी सिमाना फैलिएर सिप्रोन सम्म गई हसर एनानमा टुङ्गिनेछ।
10Ary ny ho fari-taninareo atsinanana dia ampifanitsio amin'i Hazar-enana ka hatrany Sefama,
10तिमीहरूको देशको पूर्वीय सिमाना हसर-एनान देखि शपाम सम्म जानेछ।
11dia hidina hatrany Sefama ka hatrany Ribla any atsinanan'i Aina, dia mbola hidina ihany koa ka hipaka amin'ny Ranomasin'i Kinereta atsinanana,
11शपामबाट यो सिमाना ऐनको पूर्व भएर रिब्लासम्म जान्छ र पहाडबाट ओह्रालो हुँदै गालील समुद्रको छेउ सम्म जानेछ।
12dia hidina ihany indray hatrany Jordana, ka dia hihatra amin'ny Ranomasin-tsira. Izany no ho taninareo araka ny fari-taniny manodidina.
12त्यसपछि सिमाना यर्दन नदी तिर फैलिंदै खारा समुद्रमा अन्त हुनेछ। तिमीहरूको भूमिको वरिपरिका सिमानाहरू यिनै हुन्।”
13Ary Mosesy nandidy ny Zanak'Isiraely ka nanao hoe: Izany no tany izay hozarainareo araka ny filokana, dia izay andidian'i Jehovah homena ny firenena sivy sy sasany;
13यसर्थ मोशाले इस्राएलका मानिसहरूलाई यो आदेश दिए, “तिमीहरूले पाउने भूमि यही नै हो। तिमीहरूले आफ्नो नौं कुलहरू र मनश्शे कुलको आधा समूहहरू गरी साढे नौ कुलहरूमा चिठ्ठा गरेर भूमि वितरण गर्नेछौ।
14fa ny firenena taranak'i Robena araka ny fianakaviany sy ny firenena taranak'i Gada araka ny fianakaviany dia efa nandray ny zara-taniny, ary ny antsasaky ny firenen'i Manase koa dia efa nandray ny zara-taniny;
14रूबेन, गाद आफ्नो निम्ति भूमिको हिस्सा लिई सके।
15dia ny firenena roa sy sasany samy efa nandray ny zara-taniny atỳ an-dafy atsinanan'i Jordana, hitsin'i Jeriko, tandrifin'ny fiposahan'ny masoandro.
15ती अढाई कुलका समूहहरूले यर्दन नदी पूर्व यशीहोको नजीक आफ्नो निम्ति भूमि लिए।”
16[Ny anaran'ny lehilahy roa ambin'ny folo notendrena hizara ny tany] Ary Jehovah niteny tamin'i Mosesy ka nanao hoe:
16त्यसपछि परमप्रभुले मोशालाई भन्नुभयो,
17Izao no anaran'ny lehilahy izay hizara ny tany ho anareo: Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona.
17“यी मानिसहरू पूजाहारी एलाजार अनि नूनका छोरो यहोशूले तिमीहरूलाई भूमि वितरणमा सहायता गर्नेछन्।
18Ary loholona iray avy amin'ny isam-pirenena koa no halainareo hizara ny tany.
18प्रत्येक कुलसमूहबाट एकजना प्रमुखले पनि भूमि वितरण कार्यमा सहायता गर्ने छ।
19Ary izao no anaran'ireo lehilahy ireo: ny avy amin'ny firenen'i Joda dia Kaleba, zanak'i Jefone;
19ती कुलसमूह नायकहरूको नाम यस प्रकार छः यहूदाको कुलबाट यपून्नेका छोरो कालेब,
20ary ny avy amin'ny firenena taranak'i Simeona dia Semoela, zanak'i Amihoda;
20सिमोनको कुलबाट अम्मीहूदको छोरो शेमूएल,
21ary ny avy amin'ny firenen'i Benjamina dia Elidada, zanak'i Kislona;
21बिन्यामीनको कुलबाट किसलोनको छोरो एलीदाद,
22ary ny lohan'ny firenena taranak'i Dana dia Boky, zanak'i Jogly;
22दानको कुलबाट योगीलीको छोरो बुक्की,
23ary ny avy amin'ny taranak'i Josefa: ny lohan'ny firenena taranak'i Manase dia Haniela, zanak'i Efoda;
23यूसुफको सन्तानहरू मनश्शे कुलबाट एपोदको छोरो हन्नीयल,
24ary ny lohan'ny firenena taranak'i Efraima dia Kemoela, zanak'i Siftana;
24यूसुफको छोरो एप्रैम कुलबाट सिप्तानको छोरो कमूएल,
25ary ny lohan'ny firenena taranak'i Zebolona dia Elizafana, zanak'i Parnaka;
25जबूलून कुलबाट पर्नाकको छोरो एलीशापन,
26ary ny lohan'ny firenena taranak'Isakara dia Paltiela, zanak'i Azana;
26इस्साकार कुलबाट अज्जानको छोरो पलतीयल,
27ary ny lohan'ny firenena taranak'i Asera dia Ahihoda, zanak'i Selomy;
27आशेरको कुलबाट शलोमीको छोरो अहीहूद,
28ary ny lohan'ny firenena taranak'i Naftaly dia Pedahela, zanak'i Amihoda.Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.
28नप्तालीको कुलबाट अम्मीहूदका छोरो पदहेल।”
29Ireo no nodidian'i Jehovah hizara ny tany Kanana ho an'ny Zanak'Isiraely.
29इस्राएली मानिसहरूलाई भूमि वितरण कार्यमा परमप्रभुले यी मानिसहरूलाई नियुक्त गर्नुभयो।