Malagasy

Norwegian

Daniel

3

1[Ny nanipazana an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra] Nebokadnezara mpanjaka nanao sariolona volamena, enim-polo hakiho ny hahavony, ary enina hakiho ny sakany; dia natsangany teo amin'ny tany lemaka Dora tamin'ny fehin'i Babylona izany.
1Kong Nebukadnesar gjorde et billede av gull, seksti alen høit og seks alen bredt, og stilte det op i Duradalen i landskapet Babel.
2Ary Nebokadnezara mpanjaka naniraka nampamory ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony mba hanamasina ilay sariolona efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka.
2Og kong Nebukadnesar sendte ut folk som skulde stevne sammen satrapene, stattholderne og landshøvdingene, overdommerne, skattmesterne, de lovkyndige, dommerne og alle landskapenes embedsmenn og byde dem å komme til innvielsen av det billede kong Nebukadnesar hadde stilt op.
3Dia nivory hanamasina ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjakan'ny solom-panjaka sy ny mpanapaka sy ny governora sy ny andriambaventy sy ny mpitahiry ny volam-panjakana sy ny mpahay lalàna sy ny mpitsara ary ny komandy isan-tokony, ka dia nitsangana tandrifin'ny sariolona izay efa natsangan'i Nebokadnezara ireo.
3Da kom satrapene, stattholderne og landshøvdingene, overdommerne, skattmesterne, de lovkyndige, dommerne og alle landskapenes embedsmenn sammen til innvielsen av det billede kong Nebukadnesar hadde stilt op, og de trådte frem foran det billede Nebukadnesar hadde stilt op.
4Ary dia nisy mpikabary niantso mafy hoe: Izao no lazaina aminareo, ry fokom-pirenena, ry firenena sy samy hafa fiteny:
4Og herolden ropte med høi røst: Det være eder sagt, I folk, ætter og tungemål:
5Rehefa mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany ianareo, dia miankohofa, ka mivavaha amin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka,
5Så snart I hører lyden av horn, fløite, citar, harpe, lutt og sekkepipe og alle andre slags strengelek, skal I falle ned og tilbede det gullbillede kong Nebukadnesar har stilt op.
6ary na iza na iza no tsy miankohoka sy tsy mivavaka dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
6Og den som ikke faller ned og tilbeder, skal i samme stund kastes i den brennende ildovn.
7Koa tamin'ny fotoana nandrenesan'ny fokom-pirenena rehetra ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha ary ny zava-maneno isan-karazany, dia niankohoka sy nivavaka tamin'ny sariolona volamena izay efa natsangan'i Nebokadnezara mpanjaka ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra.
7Så snart nu alle folkene hørte lyden av horn, fløite, citar, harpe, lutt og alle andre slags strengelek, falt alle folk, ætter og tungemål ned og tilbad det gullbillede kong Nebukadnesar hadde stilt op.
8Ary tamin'izay dia nisy Kaldeana sasany nanatona ka niampanga ny Jiosy.[Ar. nihinana ny nofon']
8Men straks efter stod nogen kaldeiske menn frem og klaget på jødene.
9Dia niteny izy ka nanao tamin'i Nebokadnezara mpanjaka hoe: Ry mpanjaka ô, ho velona mandrakizay anie ianao.
9De tok til orde og sa til kong Nebukadnesar: Kongen leve evindelig!
10Ry mpanjaka ô, ianao efa nanao lalàna fa ny olona rehetra izay mandre ny fanenon'ny anjomara sy ny sobaba sy ny lokanga sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia ary ny zava-maneno isan-karazany dia hiankohoka hivavaka amin'ny sariolona volamena;
10Konge, du har gitt befaling om at hvert menneske som hørte lyden av horn, fløite, citar, harpe, lutt, sekkepipe og alle andre slags strengelek, skulde falle ned og tilbede gullbilledet,
11fa izay tsy miankohoka sy tsy mivavaka kosa dia hatsipy ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra.
11og den som ikke falt ned og tilbad, skulde kastes i den brennende ildovn.
12Koa misy Jiosy izay nataonao ho tonian'ny raharaha amin'i Babylona sy ny fehiny, dia Sadraka sy Mesaka ary Abednego; ireo lehilahy ireo tsy mba manaiky ny teninao akory, ry mpanjaka ô: tsy mba manompo ny andriamanitrao izy, na mivavaka amin'ny sariolona volamena izay efa natsanganao.
12Men nu er her nogen jødiske menn som du har satt til å styre landskapet Babel, Sadrak, Mesak og Abed-Nego; disse menn har ikke aktet på ditt bud, konge! De dyrker ikke dine guder, og det gullbillede du har stilt op, tilbeder de ikke.
13Dia niteny tamin'ny fahavinirana sy ny fahatezerana Nebokadnezara, ka nasainy nalaina Sadraka sy Mesaka ary Abednego. Dia nentiny teo anatrehan'ny mpanjaka ireo lehilahy ireo.
13Da blev Nebukadnesar vred og harm og bød at Sadrak, Mesak og Abed-Nego skulde føres frem; så blev disse menn ført frem for kongen.
14Dia niteny Nebokadnezara ka nanao taminy hoe: Moa fanahy ninianareo va, ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, no tsy mba anompoanareo ny andriamanitro, na ivavahanareo amin'ny sariolona volamena izay natsangako?
14Nebukadnesar tok til orde og sa til dem: Er det med forsett, Sadrak, Mesak og Abed-Nego, at I ikke dyrker min gud og ikke tilbeder det gullbillede jeg har stilt op?
15Ankehitriny raha miomana ianareo amin'izay handrenesanareo ny fanenon'ny anjomara sy ny samboka sy ny valiha sy ny symponia sy ny Sobaba sy ny lokanga ary ny zava-maneno isan-karazany ka miankohoka sy mivavaka amin'ny sariolona izay nataoko, dia tsara izany; fa raha tsy mety mivavaka kosa ianareo, dia hatsipy miaraka amin'izay ho ao anatin'ny lafaoro misy afo mirehitra; ary iza moa izany Andriamanitra hahavonjy anareo amin'ny tanako izany?
15Nuvel, hvis I, når I hører lyden av horn, fløite, citar, harpe, lutt, sekkepipe og alle andre slags strengelek, er rede til å falle ned og tilbede det billede jeg har gjort, så er det godt og vel; men hvis I ikke tilbeder det, så skal I i samme stund kastes i den brennende ildovn, og hvem er den gud som kan frelse eder av min hånd?
16Dia namaly Sadraka sy Mesaka ary Abednego ka nanao tamin'ny mpanjaka hoe: Ry Nebokadnezara, tsy misy antony tokony hamalianay anao akory ny amin'izany zavatra izany.
16Sadrak, Mesak og Abed-Nego svarte kongen: Nebukadnesar! Vi har ikke nødig å svare dig et ord på dette.
17Indro, Andriamanitra Izay tompoinay dia mahavonjy anay amin'ny lafaoro misy afo mirehitra sady hamonjy anay amin'ny tananao, ry mpanjaka ô.
17Vår Gud, som vi dyrker, er mektig til å frelse oss; av den brennende ildovn og av din hånd, konge, vil han frelse.
18Ary na dia tsy izany aza, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka ô, fa ny andriamanitrao dia tsy hotompoinay, ary ny sariolona volamena efa natsanganao dia tsy hivavahanay.
18Men hvis ikke, da skal du vite, konge, at vi ikke vil dyrke dine guder eller tilbede det gullbillede du har stilt op.
19Dia feno fahatezerana Nebokadnezara, ka niova ny tarehiny tamin'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego, dia nasainy nafanaina ho impito mihoatra noho ny famana azy ny lafaoro.
19Da blev Nebukadnesar full av harme, og uttrykket i hans ansikt forandret sig, idet han så på Sadrak, Mesak og Abed-Nego. Han tok til orde og sa at ovnen skulde gjøres syv ganger hetere enn de hadde funnet for godt å ophete den.
20Ary izay lehilahy matanjaka indrindra tamin'ny miaramilany no nasainy namatotra an'i Sadraka sy Mesaka ary Abednego sy nanipy azy tao anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
20Og han bød nogen sterke menn i hans hær å binde Sadrak, Mesak og Abed-Nego og kaste dem i den brennende ildovn.
21Dia nafatotra ireo lehilahy ireo, nefa mbola teny aminy ihany ny lobany sy ny akanjony ary ny kapitiny mbamin'ny fitafiany hafa koa, ka dia natsipy teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra izy;
21Da blev disse menn med sine skjorter, kjortler og kapper og sine andre klær bundet og kastet i den brennende ildovn.
22ary satria mafy ny tenin'ny mpanjaka, ka natao mahamay indrindra ny lafaoro, dia matin'ny lelafo ireny lehilahy izay nanipy an'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego.[Ar. nampiakatra]
22Såsom nu kongens ord var så strengt, og ovnen var blitt så overmåte sterkt ophetet, drepte ildsluen de menn som hadde ført Sadrak, Mesak og Abed-Nego dit op.
23Ary izy telo lahy ireo, Sadraka sy Mesaka sy Abednego, dia voatsipy am-patorana teo anatin'ny lafaoro nisy afo mirehitra.
23Men disse tre menn, Sadrak, Mesak og Abed-Nego, blev kastet bundet ned i den brennende ildovn.
24Dia talanjona Nebokadnezara mpanjaka ary nitsangana faingana izy ka niteny tamin'ny mpanolo- tsainy hoe: Moa tsy telo lahy mifatotra va no natsipintsika tao anatin'ny afo? Dia namaly ny mpanjaka ireo ka nanao hoe: Marina izany, ry mpanjaka ô.
24Da forferdedes kong Nebukadnesar og reiste sig hastig op. Han tok til orde og sa til sine rådsherrer: Kastet vi ikke tre menn bundet i ilden? De svarte kongen: Jo visselig, konge!
25Ary hoy izy: Ka no indro aho mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha eo anaty afo, nefa tsy maninona tsy maninona akory izy; ary ny fijery ilay fahefatra dia toa zanak'ireo andriamanitra.
25Han tok atter til orde og sa: Men jeg ser fire menn som går løse omkring inne i ilden, og det er ingen skade å se på dem, og den fjerde ser ut som en gudesønn.
26Dia nanatona ny varavaran'ny lafaoro nisy afo mirehitra Nebokadnezara ka niantso hoe: Ry Sadraka sy Mesaka sy Abednego, mpanompon'Andriamanitra Avo Indrindra, mivoaha, ka avia atỳ. Dia nivoaka avy teo anatin'ny afo Sadraka sy Mesaka ary Abednego.
26Da gikk Nebukadnesar bort til døren på den brennende ildovn. Han tok til orde og sa: Sadrak, Mesak og Abed-Nego, I den høieste guds tjenere! Kom hit ut! Da gikk Sadrak, Mesak og Abed-Nego ut av ilden.
27Dia nifanatona ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka sy ny governora ary ny mpanolotsain'ny mpanjaka ka nahita ireo lehilahy ireo, fa tsy nanan-kery hampaninona ny tenany akory ny afo, na nisy singam-bolo nikainkona tamin'ny lohany, na niova ny lobany, ary tsy nisy fofon'afo akory taminy.
27Og satrapene, stattholderne, landshøvdingene og kongens rådsherrer kom sammen; de så at ilden ikke hadde hatt nogen makt over disse menns legemer, og at håret på deres hoder ikke var svidd, og at deres skjorter ikke hadde lidt nogen skade; det kunde ikke engang kjennes lukt av noget brent på dem.
28Nebokadnezara niteny ka nanao hoe: Isaorana anie Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego, Izay naniraka ny anjeliny hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy ka nandika ny tenin'ny mpanjaka ary nanolotra ny tenany tsy hanompo na hivavaka amin'izay andriamani-kafa, afa-tsy Andriamaniny ihany.
28Da tok Nebukadnesar til orde og sa: Lovet være Sadraks, Mesaks og Abed-Negos gud, som sendte sin engel og frelste sine tjenere, som satte sin lit til ham og gjorde mot kongens ord og vågde sitt liv for ikke å dyrke eller tilbede nogen gud uten sin gud.
29Ka dia manao lalàna aho fa ny fokom-pirenena sy ny firenena sy ny samy hafa fiteny rehetra izay manao teny tsy mety ny amin'Andriamanitr'i Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia hotetitetehina, ary hatao trano fivoahana ny tranony; fa tsy misy andriamani-kafa mahavonjy tahaka izao.
29Så gir jeg da nu det bud at den som i sine ord forser sig mot Sadraks, Mesaks og Abed-Negos gud, hvad folk eller ætt eller tungemål han så hører til, han skal hugges i stykker, og hans hus gjøres til en møkkdynge; for det er ingen annen gud som makter å frelse således.
30Ary Sadraka sy Mesaka sy Abednego dia nasandratry ny mpanjaka tamin'i Babylona sy ny fehiny.
30Så ophøiet kongen Sadrak, Mesak og Abed-Nego til ære og verdighet i landskapet Babel.
31[Ny nofy nananaran'Andriamanitra an'i Nebokadnezara, sy ny nahatanterahan'izany nofy izany] Nebokadnezara mpanjaka nampitondra teny ho any amin'ny fokom-pirenena sy ny firenena ary ny samy hafa fiteny rehetra, izay monina amin'ny tany rehetra, nanao hoe: Hitombo anie ny fiadananareo.
32Sitrako ny hanambara ny famantarana sy ny fahagagana izay nataon'Andriamanitra Avo Indrindra tamiko.Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.
33Akory ny halehiben'ny famantarany! Ny fanjakany dia fanjakana mandrakizay, ary ny fanapahany dia hahatratra ny taranaka fara mandimby.