Malagasy

Norwegian

Ezekiel

13

1[Ny amin'ireo mpaminany sandoka] Ary tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
1Og Herrens ord kom til mig, og det lød så:
2Ry zanak'olona, maminania ny hamelezana ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany, ka lazao amin'izay maminany araka ny fony hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo.
2Menneskesønn! Spå mot Israels profeter, som gir sig av med å spå, og si til dem som spår efter sitt eget hjerte: Hør Herrens ord!
3Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny mpaminany adala, izay manaraka ny fanahiny sy ny zavatra tsy hitany.
3Så sier Herren, Israels Gud: Ve over de dårlige profeter, som følger sin egen ånd og syner som de ikke har sett!
4Tahaka ny amboahaolo any an-tanàna haolo ny mpaminaninao, ry Isiraely.
4Som rever blandt ruiner er dine profeter, Israel!
5Tsy niakatra ho eo amin'ny banga ianareo, sady tsy nanao manda hiarovana ny taranak'Isiraely mba hifaharany amin'ny ady amin'ny andron'i Jehovah.
5I er ikke steget op i murbruddene og har ikke bygget nogen mur om Israels hus, så de kunde holde stand i striden på Herrens dag.
6Mahita zava-poana sy faminaniana lainga ireo izay manao hoe: Hoy Jehovah, nefa tsy nirahin'i Jehovah izy tsinona, hahazoany manantena ny hahatòvan'ny teny
6Deres syner var tomhet, og deres spådommer løgn, de som sier: Så sier Herren, enda Herren ikke har sendt dem, og som håper på at deres ord skal bli stadfestet.
7Moa tsy fahitana tsy izy no hitanareo, ary faminaniana lainga no lazainareo, raha hoy ianareo: Jehovah no nilaza izany; kanefa tsy nilaza izany Aho tsinona ?
7Er det ikke tomme syner I har skuet, og løgnaktige spådommer I har uttalt? I sier: Så sier Herren, enda jeg ikke har talt.
8Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Noho ny nilazanareo anoano foana sy ny nahitanareo lainga, dia, indro, hamely anareo Aho, hoy Jehovah Tompo.
8Derfor sier Herren, Israels Gud, så: Fordi I taler tomhet og skuer løgn, se, derfor vil jeg komme over eder, sier Herren, Israels Gud.
9Ary ny tanako no hamely ny mpaminany izay mahita anoano foana sy maminany lainga; tsy ho isan'ny mpanolo-tsainan'ny oloko na ho voasoratra amin'ny bokin'ny taranak'Isiraely izy sady tsy hiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Tompo.
9Og min hånd skal være imot de profeter som skuer tomhet og spår løgn; i mitt folks råd skal de ikke være, og i Israels folks bok skal de ikke skrives, og til Israels land skal de ikke komme, og I skal kjenne at jeg er Herren, Israels Gud,
10Noho ny nampiviliany ny oloko tamin'ny nanaovany hoe: Fiadanana, kanjo tsy nisy fiadanana tsinona; ary raha manao ampiantany ny oloko, dia, indreo, izy no mandalotra azy amin'ny feta tsy madity,
10fordi, ja fordi de har ført mitt folk vill og sagt: Fred! - enda det ikke er nogen fred. Når folket bygger en vegg, se, da stryker de den over med kalk.
11koa lazao amin'izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity fa hirodana izy; hisy ranonorana mifafy; eny, milatsaha ianareo, ry havandra vaventy; ary mifofofofoa ianareo, ry tafiodrivotra.
11Si til kalkstrykerne at den vil falle; det kommer et skyllregn, og I haglstener skal falle, og en stormvind skal bryte inn.
12Indro, raha mirodana ny ampiantany, tsy holazaina aminareo hoe va: Aiza ny lalotra izay nandaloranareo azy?
12Når så veggen er falt, vil det da ikke bli sagt til eder: Hvor er kalken som I strøk den over med?
13Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Hampifofofofo ny tafio-drivotra amin'ny fahatezerako Aho; ary hisy ranonorana mifafy amin'ny fahatezerako sy havandra vaventy amin'ny fahavinirako hahafongana azy.
13Derfor sier Herren, Israels Gud, så: Ja, jeg vil i min harme la en stormvind bryte inn, og i min vrede la det komme et skyllregn og i min harme haglstener, så alt blir ødelagt.
14Dia harodako ny ampiantany izay nolalorinareo tamin'ny feta tsy madity, ka ho fongotra hatramin'ny tany izy, ary hiseho ny fanambaniny; eny, hirodana izy, ka haringana ao anatiny ianareo; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
14Og jeg vil rive ned veggen som I har strøket over med kalk, og la den styrte til jorden, så dens grunnvoll blir lagt bar; når staden* faller. skal I omkomme midt i den, og I skal kjenne at jeg er Herren. / {* d.e. Jerusalem.}
15Dia hotanterahiko amin'ny ampiantany sy izay mandalotra azy amin'ny feta tsy madity ny fahatezerako, ary holazaiko aminareo hoe: Tsy misy intsony ny manda sy izay mpandalotra azy,
15Og jeg vil uttømme min harme på veggen og på dem som strøk den over med kalk, og jeg vil si til eder: Veggen er ikke mere til, heller ikke de som strøk den over,
16dia ny mpaminanin'ny Isiraely izay maminany ny amin'i Jerosalema sy izay mahita fahitana fiadanana ho azy, kanjo tsy misy fiadanarla tsinona, hoy Jehovah Tompo.
16Israels profeter, som spådde om Jerusalem og skuet fredssyner for det, enda det ikke er nogen fred, sier Herren, Israels Gud.
17Koa ianao, ry zanak'olona, handrino mafy ny zanakavavin'ny firenenao, izay manao faminaniana araka ny fony, ary maminania ny hamelezana azy,
17Og du menneskesønn! Vend ditt ansikt mot ditt folks døtre, som spår efter sitt eget hjerte, og spå mot dem
18ka ataovy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Lozan'ny vehivavy rehetra izay manjaitra fono ho ao amin'ny famavanin'ny tanana rehetra, ary manao fisaronana antonona amin'ny loha samy hafa rehetra mba hihaza fanahy! Ny fanahin'ny oloko dia hazainareo, nefa ny fanahinareo kosa velominareo![Na: tanako]
18og si: Så sier Herren, Israels Gud: Ve dem som syr dekker over alle ledd på mine hender og gjør hetter til hodet på folk efter enhvers høide for å fange sjeler! Mitt folks sjeler fanger I, og eders egne sjeler holder I i live.
19Ary manamavo Ahy ao amin'ny oloko ianareo noho ny vary hordea eran-tànan-ila sy ny sombi-mofo, mba hahafaty ny fanahy izay tsy tokony ho faty ary hahavelona ny fanahy izay tsy tokony hovelomina, amin'ny andainganareo amin'ny oloko izay mihaino ny lainganareo.
19Og I vanhelliger mig hos mitt folk for nogen håndfull bygg og for nogen stykker brød, for å drepe sjeler som ikke skal dø, og for å holde sjeler i live som ikke skulde leve, idet I lyver for mitt folk, som gjerne hører på løgn.
20Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, hosimbako ny fononareo, izay entinareo hihaza ny fanahy any, mba hahafahan'ireny hanidina, eny, hotriariko hiala amin'ny sandrinareo izy, ka halefako hanidina ny fanahy izay nohazainareo.
20Derfor sier Herren, Israels Gud, så: Se, jeg vil ta fatt i eders dekker som I fanger sjelene med likesom fugler, og jeg vil rive dem bort fra eders armer, og de sjeler som I fanger, dem vil jeg la slippe fri som fugler.
21Hotriariko koa ny fisaronanareo, ka hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko, dia tsy ho azon'ny tananareo ho haza intsony izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
21Og jeg vil sønderrive eders hetter og utfri mitt folk av eders hånd, og de skal ikke mere være et bytte i eders hånd, og I skal kjenne at jeg er Herren.
22Satria lainga no entinareo mampalahelo ny fon'ny marina, izay tsy nampalaheloviko, sady entinareo manatanjaka ny tanan'ny ratsy fanahy, tsy hialany amin'ny lalan-dratsiny mba hamelomana azy,dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
22Fordi I ved løgn gjør den rettferdiges hjerte motløst, uten at jeg har bedrøvet ham, og styrker den ugudeliges hender, så han ikke vender om fra sin onde vei, og jeg kan la ham leve,
23dia tsy hahita anoano foana na hanao faminaniana intsony ianareo; fa hovonjeko ho afaka amin'ny tananareo ny oloko; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
23derfor skal I ikke mere skue tomhet eller spå falske spådommer, og jeg vil utfri mitt folk av eders hånd, og I skal kjenne at jeg er Herren.