1Dia nentiny nivoaka nianavaratra ho any amin'ny kianja ivelany aho, ary nampidiriny ho ao amin'ny efi-trano tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano eo amin'ny avaratra,
1Så førte han mig ut til den ytre forgård på veien mot nord, og derefter førte han mig til de kammer som lå midt imot den avsondrede plass og midt imot bygningen i nord,
2dia ho eo anoloan'ilay lavany zato hakiho izay nisy ny varavarana avaratra, ary ny sakany dimam-polo hakiho.
2til langsiden, som målte hundre alen, med inngang mot nord, og bredden var femti alen.
3Tandrifin'ny roa-polo hakiho amin'ny kianja anatiny sady tandrifin'ny lampivato amin'ny kianja ivelany dia nisy lalan-tsarany nifanandrify teo amin'ny trano fahatelo ambony indrindra.
3Ut mot den tyve alen brede plass som hørte til den indre forgård, og ut mot stengulvet i den ytre forgård var det svalgang mot svalgang i tre stokkverk.
4Ary teo anoloan'ny efi-trano dia nisy lalana, folo hakiho ny sakany, mankao anatiny, ary lalana iray hakiho izany; ary nanatrika ny avaratra ny varavarany.[Na: (zato)]
4Og foran kammerne var det en gang på ti alens bredde til det indre, en vei på én alen, og deres dører vendte mot nord.
5Ary nohakelezina ny efi-trano ambony, fa nangalana ho lalantsarany, ka izany no nahakely azy noho ny ambany sy ny an-tenatenany.
5Og de øverste kammer var mindre enn de andre; for svalgangene tok mere rum fra dem enn fra de nederste og de midterste i bygningen;
6Fa nifanongoa telo ireo, fa tsy nisy andry tahaka ny andrin'ny kianja, ka izany no nahakely azy noho ny ao ambany sy ny ao an-tenatenany hatreny an-tany.
6for de lå i tre stokkverk, men hadde ingen søiler, således som forgårdene hadde; derfor blev rummet i de øverste kammer mindre enn i de nederste og midterste, fra jorden og opefter.
7Ary nisy ampiantany teo ivelany, tandrifin'ny efi-trano, nanatrika ny kianja ivelany, teo anoloan'ny efi-trano, ka dimam-polo hakiho ny lavany.
7Og en mur som var utenfor, langsmed kammerne, mot den ytre forgård, gikk foran kammerne; den var femti alen lang.
8Fa ny lavan'ireo efi-trano izay teo amin'ny kianja ivelany dia dimam-polo hakiho; ary, indro, ny teo anoloan'ny ati-trano lehibe dia zato hakiho.
8For lengden av de kammer som lå mot den ytre forgård, var femti alen, men mot templet hundre alen.
9Ary teo ambanin'ireo efi-trano ireo dia nisy fidirana avy eo atsinanana, raha miditra amin'ireo avy eo amin'ny kianja ivelany.
9Og nedenfor disse kammer var inngangen fra øst, når en gikk inn i dem fra den ytre forgård.
10Ary nisy efi-trano koa teo amin'ny sakan'ny ampiantanin'ny kianja teo amin'ny atsinanana, tandrifin'ny kianja voatokana sady tandrifin'ny trano.
10Der hvor forgårdens mur mot øst var bredest, foran den avsondrede plass og foran bygningen, lå det også kammere,
11Ary nisy lalana teo anoloany, ary tahaka ny tarehin'ny efi-trano teo amin'ny avaratra ny tarehiny, sady mitovy amin'ny an'ireo avokoa ny lavany sy ny sakany ary ny fivoahana avy ao aminy mbamin'ny fombafombany rehetra sy ny varavarany;
11og foran dem var det en vei; de var av utseende som de kammer som lå mot nord, og av samme lengde og bredde som de, og de hadde alle sine utganger og sine innretninger som de, og som dørene på dem,
12ary tahaka ny varavaran'ny efi-trano eo amin'ny atsimo dia nisiana varavarana koa teo amin'ny fiandohan'ny lalana, dia ilay lalana eo anoloan'ny ampiantany mifanolotra aminy, dia ny lalana avy eo amin'ny atsinanana, raha miditra ao aminy.
12så var også dørene på de kammer som lå mot syd; der var en dør ved begynnelsen av veien, veien foran den tilsvarende mur, veien mot øst, hvor en gikk inn til dem.
13Dia hoy izy tamiko; Ny efi-trano avaratra sy ny efi-trano atsimo, izay eo anoloan'ny kianja voatokana, dia efi-trano masina, hihinanan'ny mpisorona izay manatona an'i Jehovah ny zavatra masina indrindra; any no hametrahany izay zavatra masina indrindra, dia ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra noho ny ota ary ny fanati-panonerana: fa masina io fitoerana io.
13Så sa han til mig: Kammerne mot nord og kammerne mot syd, som ligger mot den avsondrede plass, de er hellige kammer, hvor prestene, som står Herren nær, skal ete det høihellige; der skal de legge det høihellige, både matofferet og syndofferet og skyldofferet; for det er et hellig sted.
14Raha miditra ao ny mpisorona, dia tsy hiala amin'ny fitoerana masina ho any amin'ny kianja ivelany izy, fa ao no hamelany ny fitafiana masina izay nentiny nanao fanompoam-pivavahana, satria masina ireo; ary hitafy fitafiana hafa izy vao manatona ny olona.
14Når prestene går inn, skal de ikke gå ut igjen fra helligdommen i den ytre forgård, men de skal legge av der* de klær som de gjør tjeneste i; for de er hellige; de skal ta på sig andre klær og så nærme sig til den plass som er for folket. / {* d.e. i kammerne; ESK 42, 13. 44, 19.}
15Ary nony vita ny nandrefesany ny trano anatiny, dia nentiny nivoaka nankany amin'ny vavahady izay manatrika ny atsinanana aho, ka norefesiny ny manodidina.
15Og da han var ferdig med målingen i det indre hus, førte han mig ut gjennem den port hvis forside vendte mot øst; og han målte der rundt omkring.
16Norefesiny tamin'ny volotara fandrefasana ny lafiny atsinanana, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volatara fandrefesana.
16Han målte østsiden med målestangen: den var fem hundre stenger efter målestangen rundt omkring.
17Norefesiny koa ny lafiny avaratra, ka indiman-jaton'ny volotara manodidina, raha amin'ny volotara fandrefesana.
17Han målte nordsiden: den var fem hundre stenger efter målestangen rundt omkring.
18Norefesiny koa ny lafiny atsimo, ka indiman-jaton'ny volotara, raha amin'ny volotara fandrefesana.
18Også sydsiden målte han: den var fem hundre stenger efter målestangen.
19Nitodika nankany amin'ny lafiny andrefana izy ka nandrefy indiman-jaton'ny volotara tamin'ny volotara fandrefesana.Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
19Så gikk han omkring vestsiden og målte fem hundre stenger efter målestangen.
20Norefesiny avokoa ny lafiny efatra. Nisy ampiantany manodidina, indiman-jaton'ny volotara ny lavany, ary indiman-jatony koa ny sakany, hampiavaka ny masina sy ny tsy masina.
20På alle fire sider målte han det; det hadde en mur rundt omkring, fem hundre stenger lang og fem hundre bred, til å skille mellem det hellige og det som ikke var hellig.