1[Ny hanjo ny Isiraely noho ny nanaovany fihavanana tamin'i Egypta, sy ny mbola hamindrana fo aminy] Lozan'ny zaza maditra, izay maka saina, nefa tsy avy amiko, hoy Jehovah, ary manao fanekena, nefa tsy avy amin'ny Fanahiko, mba hanampy ota amin'ny ota, [Heb.mandrary harato][Heb. fialokalofanareo]
1Ve de gjenstridige barn, sier Herren, de som utfører råd som ikke er fra mig, og inngår avtale uten min Ånd, så de legger synd til synd,
2Dia izay mandeha hidina any Egypta, nefa tsy nanadina tamin'ny vavako, handositra ho any amin'ny fiarovana mafin'i Farao sy hialokaloka ao amin'ny alokalok'i Egypta.
2de som drar ned til Egypten, uten at de har rådspurt mig, for å finne vern hos Farao og søke ly i Egyptens skygge!
3Kanjo ho tonga henatra ho azy ny fiarovana mafin'i Farao, ary ho fanalam-baraka azy ny fialokalofany ao amin'ny alokalok'i Egypta.[Heb. anareo]
3Men Faraos vern skal bli eder til skam, og det ly I søker i Egyptens skygge, til skjensel.
4Fa tonga any Zoana ireo lehibeny, ary tonga any Hanesa ny irany.
4For deres* fyrster er kommet til Soan**, og deres sendebud kommer like til Hanes; / {* Israels.} / {** JES 19, 11. 13. SLM 78, 12.}
5Izy rehetra dia samy hahazo henatra noho ny amin'ny firenena tsy mahasoa azy, dia izay tsy mahavonjy na mahasoa, fa tonga henatra sy latsa kosa.
5alle blir de til skamme ved et folk som ikke gagner dem, som ikke er til hjelp og ikke til gagn, men bare til skam og skjensel.
6Faminaniana ny amin'ny behemota any amin'ny tany atsimo. Any amin'ny tany mampahory sy mahaporiporitra, izay ihavian'ny liom-bavy sy ny lion-dahy ary ny menarana sy ny menaran'afo manidina, no nitondrany ny hareny teny an-damosin'ny boriky tanora ary ny fananany teo amin'ny trafon'ny rameva ho any amin'ny firenena tsy mahasoa azy.[hipopotamosy]
6Utsagn om dyrene som drar mot syd. Gjennem nøds og trengsels land, hvor løve og løvinne, huggorm og flyvende serafslange har sitt hjem, fører de sitt gods på aseners rygg og sine skatter på kamelers pukler til et folk som ikke gagner dem.
7Nefa zava-poana sy tsinontsinona ny famonjen'ny Egyptiana; Koa izany no nanaovako azy hoe: Ilay be rehaka tsy mety manao na inona na inona! [Na: Rehareha foana ireny, ka aoka izay!]
7Aldri nogen gang vil Egypten hjelpe; derfor kaller jeg det: storskryteren som sitter stille.
8Mandehana ankehitriny soraty amin'ny fàfana eo anatrehany izany, ary soraty amin'ny taratasy mba haharitra amin'ny andro any aoriana mandrakizay doria izany.
8Gå nu inn, skriv det på en tavle i deres påsyn og tegn det op i en bok, så det kan være for kommende dager, for alltid, til evig tid!
9Fa firenena maditra izy, zaza mandainga, dia zaza izay tsy mety mihaino ny lalàn'i Jehovah,
9For det er et gjenstridig folk, løgnaktige barn, barn som ikke vil høre Herrens lov,
10Izay manao amin'ny mpahita hoe: Aza mahita, ary amin'ny mpaminany: Aza maminany zavatra marina aminay: Manaova vava malefaka aminay, maminania fitaka,
10som sier til seerne: I skal ikke se, og til profetene: I skal ikke skue for oss det som rett er; tal smigrende ord til oss, sku synkvervinger,
11Mialà amin'ny lalana, mivilia amin'ny aleha; Atsaharo ny Iray Masin'ny Isiraely tsy ho eo anoloanay intsony.
11vik av fra veien, bøi av fra stien, få Israels Hellige bort fra vårt åsyn!
12Koa izao no lazain'ny Iray Masin'ny Isiraely: Satria mandà izany teny izany ianareo ary matoky ny fanaovana an-keriny sy ny fiolakolahana ka miankina amin'izany,
12Derfor sier Israels Hellige så: Fordi I har forkastet dette ord og satt eders lit til vold og krokveier og støttet eder på slikt -
13Dia ho aminareo ity heloka ity, tahaka izay mivava efa mila hianjera sy izay mibohitra amin'ny manda avo, ka ho tampoka dia tampoka no haharavany.
13derfor skal denne misgjerning bli eder som et falleferdig stykke som skyver sig mere og mere frem på en høi mur, inntil muren med ett, i et øieblikk, styrter sammen og knuses;
14Ary hovakivakina izy tahaka ny fahavakivakin'ny vilanin'ny mpanefy tanimanga, raha montsamontsaniny ka tsy itondrany roa; Koa rehefa montsamontsana izy, dia tsy hisy vakiny ho azo atao fangalana afo ao am-patana, na ho azo atao fangalan-drano ao an-davaka famorian-drano aza.
14den knuses likesom en knuser et pottemakerkar, som en slår i stykker uten skånsel, så det blandt stykkene ikke finnes et skår til å hente ild med fra gruen eller øse vann med av brønnen.
15Fa izao no lazain'ny Tompo, dia Jehovah, ny Iray Masin'ny Isiraely: Amin'ny fiverenana sy ny fitsaharana no hamonjena anareo, amin'ny fanginana sy ny fahatokiana no hisian'ny herinareo; Nefa tsy nety ianareo;
15For så sa Herren, Israels Gud, Israels Hellige: Dersom I vender om og holder eder rolige, skal I frelses; i stillhet og i tillit skal eders styrke være. Men I vilde ikke.
16Fa hoy kosa ianareo: Tsia, fa handositra mitaingin-tsoavaly izahay; Koa noho izany dia handositra tokoa ianareo; Ary hoy ianareo: Hitaingina ny faingan-tongotra izahay; Ka dia ho faingan-tongotra koa ny manenjika anareo.
16I sa: Nei, på hester vil vi flyve - derfor skal I flykte - og på rappføtte dyr vil vi ride - derfor skal eders forfølgere være rappe.
17Ny arivo handositra, raha rahonan'ny anankiray, eny, handositra ianareo, raha rahonan'ny dimy, Mandra-pahatongan'ny sisa aminareo ho tahaka ny to-kazo avo any an-tampon'ny tendrombohitra sy tahaka ny faneva any amin'ny havoana.
17Et tusen skal flykte for en trusel fra en mann; når bare fem mann truer, skal I flykte inntil eders levning er lik en flaggstang på toppen av et fjell og et banner på en haug.
18Koa Jehovah dia mbola hiandry mandra-pamindrany fo aminareo, ary mbola hitoetra any amin'ny avo Izy mandra-piantrany anareo, fa Andriamanitry ny fahamarinana Jehovah; Sambatra izay rehetra miandry Azy.
18Og derfor bier Herren med å være eder nådig, og derfor holder han sig langt borte i det høie med sin barmhjertighet mot eder; for Herren er en dommens Gud; salige er alle de som bier på ham.
19Fa ianao, ry firenena mitoetra ao Ziona any Jerosalema, dia tsy hitomany intsony; Fa hamindra fo aminao tokoa Izy, raha reny ny fitarainanao; Eny, raha vao reny izany, dia hamaly anao Izy.
19For du folk som bor på Sion, i Jerusalem, du skal ikke bli ved å gråte; han vil være dig nådig når du roper; når han hører det, svarer han dig.
20Ary homen'ny Tompo mofo fahoriana sy ny rano fahalahelovana ianao; Ary tsy hiery intsony ny mpampianatra anao; Ny masonao hahita ny mpampianatra anao;
20Herren skal gi eder nødens brød og trengselens vann*, og da skal dine lærere ikke mere skjule sig, men dine øine skal se dine lærere, / {* 1KG 22, 27.}
21Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano.
21og når du viker av til høire eller til venstre, skal dine ører høre et ord lyde bak dig: Dette er veien, gå på den!
22Ary holotoinao ny takela-bolafotsy voapetaka amin'ny sampinao voasokitra sy ny takela-bolamena voapetaka amin'ny sampinao an-idina, ka harianao tahaka ny lamba maloto izany; Mialà amiko! no teny hataonao aminy. [Heb.holotoinareo]
22Og du skal akte for urene sølvplatene på dine utskårne billeder og gullplatene på ditt støpte billede; du skal kaste det bort som skitne kluter; ut med dig! skal du si til det.
23Ary dia hanome ranonorana ho an'ny voa nafafinao any an-tsaha Izy, sy mofo vokatry ny tany sady tsara no vokatra; Ary amin'izany andro izany ny ombinao dia hihinana eny amin'ny tany malalaka;
23Da skal han gi regn for sæden du sår i jorden, og brød av jordens grøde, og det skal være kraftig og saftig; din buskap skal på den dag belte på en vid eng.
24Ny omby sy ny boriky tanora, izay miasa ny tany, dia hihinana vilona voaisy sira, izay voatsikerakera amin'ny sahiratsy sy ny fikororohana.
24Og oksene og asenene som arbeider jorden, skal ete saltet blandingsfôr, som kastes med skuffe og kasteskovl.
25Ary any amin'ny tendrombohitra avo rehetra sy ny havoana andrandraina rehetra dia hisy ony sy ranovelona amin'ny andro lehibe famonoana, dia amin'ny andro hianjeran'ny tilikambo.
25Og på hvert høit fjell og på hver høi bakke skal det være bekker, strømmer av vann, på den store slaktings dag, når tårnene faller.
26Ary ny fahazavan'ny volana dia ho tahaka ny fahazavan'ny masoandro, ary ny fahazavan'ny masoandro dia ho avy fito heny, ka ho tahaka ny fahazavan'ny hafitoana, Amin'ny andro hamehezan'i Jehovah ny fahatorotoroan'ny olony sy hanasitranany ny fery tamin'ny namelezana azy.
26Og månens lys skal bli som solens lys, og solens lys skal bli syvfold klarere, som lyset for syv dager, på den dag Herren læger sitt folks skade og forbinder såret av det slag det fikk.
27Indro, avy any lavitra any ny anaran'i Jehovah, mirehitra amin'ny fahatezerany Izy Sady midonaka amin'ny setroka be; Ny molony dia feno fahatezerana, ary ny lelany dia tahaka ny afo mandevona;
27Se, Herrens navn kommer fra det fjerne, brennende er hans vrede, og tung er røken som stiger op; hans leber svulmer av harme, og hans tunge er som fortærende ild,
28Ary ny fofonainy tahaka ny riaka manafotra havozona, hanasivana ny firenena amin'ny sivana fandevonana, ary hisy lamboridy mampivily eo amin'ny valanoranon'ny olona.
28og hans vredespust er som en overskyllende å som når til halsen; han vil sælde hedningefolkene i ødeleggelsens såld og legge et bissel i folkenes munn til å lede dem vill.
29Ary ny hira hataonao dia ho tahaka ny amin'ny alina fitandremana ny andro firavoravoana, ary ny hafalian'ny fo dia ho tahaka ny olona mandeha omban'ny feon-tsodina ho any an-tendrombohitr'i Jehovah, dia any amin'ny Vatolampin'ny Isiraely; [Heb. fanamasinana]
29Eders sang skal lyde som i den natt høitiden* blir innvidd, og det skal være hjertens glede, som når de går med fløitespill op til Herrens berg, til Israels klippe. / {* påskehøitiden; 2MO 12, 42. SLM 42, 5.}
30Ary Jehovah hanandratra ny feon'ny fiandrianany sy hampiseho ny fiantefan'ny sandriny amin'ny firehetan'ny fahatezerana sy ny lelafo mandevona sy ny ranonoram-baratra sy ny orana mifafy ary ny havandra vaventy.
30Og Herren skal la høre sin veldige røst og vise sin nedfarende arm i brennende harme og fortærende ildslue, storm og regnskyll og hagl.
31Fa ny feon'i Jehovah dia haharaiki-tahotra ny Asyriana; Hasiany amin'ny tsorakazo ireo.
31For Herrens røst skal Assur forferdes, han som slår med kjeppen.
32Ary na aiza na aiza no amelezan'ny tsorakazo voatendry, izay amelin'i Jehovah azy, dia harahina ampongatapaka sy lokanga izany; Ary amin'ny ady hamelezany mafy no hiadiany aminy.Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
32Og hver gang den stav som Herren efter sitt råd lar falle på ham, farer ned, skal det skje under klang av trommer og citarer, og gang på gang skal han løfte sin arm og stride mot ham.
33Fa efa voavoatra fahataloha Tofeta; Eny, efa nataony vonona ho an'ny mpanjaka izany; Efa nataony ]alina sady malalaka izy; Ny antontany dia misy afo sy kitay betsaka; Ary ny fofonain'i Jehovah, izay tahaka ny renirano solifara, no mampirehitra azy.
33For et brandsted er laget i stand for lenge siden; også for kongen er det laget i stand, dypt og vidt; dets bål har ild og ved i mengde; lik en svovelstrøm tender Herrens ånde det i brand.