Malagasy

Norwegian

Jeremiah

33

1[Teny anankiray koa ny amin'ny mbola hampodiana sy ny Isiraely sy ny voninahitra mbola ho azony] Ary tonga fanindroany tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, raha mbola voahazona teo an-kianjan'ny trano fiambenana ihany izy, nanao hoe:
1Og Herrens ord kom til Jeremias annen gang, mens han ennu satt fengslet i vaktgården, og det lød så:
2Izao no lazain'i Jehovah, Mpanao izany, dia Jehovah Izay namorona izany mba hampitoetra azy; Jehovah no anarany;
2Så sier Herren, som gjør det han vil, Herren som uttenker det for også å fullføre det, han hvis navn er Herren:
3Antsoy Aho, dia hovaliako ianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao.
3Rop til mig, og jeg vil svare dig, og jeg vil forkynne dig store og ufattelige ting, ting som du ikke kjenner.
4Fa izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely; Ny amin'ny trano amin'ity tanàna ity sy ny amin'ny lapan'ny mpanjakan'ny Joda, izay noravana noho ny tovon-tany sy ny sabatra,
4For så sier Herren, Israels Gud, om husene i denne by og om husene til Judas konge, som er revet ned til forsvar mot fiendens voller og sverd:
5Raha mandroso hiady amin'ny Kaldeana izy ka mameno ny trano amin'ny fatin'olona, izay novonoiko tamin'ny fahatezerako sy ny fahavinirako, sady nanafenako ny tavako tamin'ity tanàna ity noho ny faharatsiany rehetra:
5De kommer for å stride mot kaldeerne; men det blir bare til å fylle husene med døde kropper av de menn som jeg slår i min vrede og harme, og som ved sin store ondskap har voldt at jeg har skjult mitt åsyn for denne by.
6Dia, indro, hotanterahiko tokoa ny fanasitranana azy, eny, hositraniko izy, ary hasehoko aminy ny haren'ny fiadanana sy ny fahamarinana.
6Se, jeg legger forbinding og lægedom på den og læger dem, og jeg vil la dem se en overflod av fred og trygghet.
7Ary ny Joda sy ny Isiraely dia hampodiko avy amin'ny fahababoany, ka haoriko ho toy ny taloha izy.
7Og jeg vil gjøre ende på Judas fangenskap og Israels fangenskap, og jeg vil bygge dem op som i den første tid.
8Ary hodioviko ho afaka amin'ny helony rehetra izy, izay nanotany tamiko; Ka havelako ny helony rehetra, izay nanotany sy niodinany tamiko.
8Og jeg vil rense dem fra all deres misgjerning, hvormed de har syndet mot mig, og jeg vil forlate alle deres misgjerninger, hvormed de har syndet og forbrutt sig mot mig.
9Ary ho anarana mahafaly Ahy izany sady ho dera sy voninahitra ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany, izay handre ny soa rehetra ataoko aminy; Dia hatahotra sy hangovitra izy noho ny soa rehetra sy noho ny fiadanana rehetra izay hataoko aminy.
9Og byen skal være mig til et gledesnavn, til pris og pryd for alle jordens folkeslag, når de får høre om alt det gode jeg gjør imot den, og de skal skjelve og beve når de får se alt det gode og all den fred jeg gir den.
10Izao no lazain'i Jehovah: Mbola ho re indray eto amin'ity tany ity, izay ataonareo hoe Rava, ka tsy misy olona na biby fiompy intsony dia eto amin'ny tanànan'ny Joda sy ao amin'ny lalamben'i Jerosalema izay efa lao, ka tsy misy olona na mponina na biby fiompy
10Så sier Herren: På dette sted om hvilket I sier: Det er øde, uten mennesker og uten fe - her i Judas byer og på Jerusalems gater, som ligger øde, uten mennesker og uten innbyggere og uten fe, skal det ennu en gang høres
11Ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina ary ny feon'izay manao hoe: Miderà an'i Jehovah, Tompon'ny maro, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony, dia izay mitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon'i Jehovah; Fa hataoko tonga tahaka ny tany aloha ny fahatsarany, hoy Jehovah.[Heb. hampodiko avy amin'ny fahababoana]
11fryds røst og gledes røst, brudgoms røst og bruds røst, rop av dem som sier: Lov Herren, hærskarenes Gud, for Herren er god, hans miskunnhet varer evindelig - dem som bærer frem takkoffer i Herrens hus. For jeg vil gjøre ende på fangenskapet, så landet blir som i den første tid, sier Herren.
12Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Eto amin'ity tany efa lao tsy misy olona na biby fiompy ity sy amin'ny tanànany rehetra dia mbola hisy fonenan'ny mpiandry ondry hampandriany ny ondry aman'osiny,
12Så sier Herren, hærskarenes Gud: Ennu en gang skal det på dette sted som er øde, både uten mennesker og uten fe, og i alle dets byer være et tilhold for hyrder som lar fårene hvile der.
13Dia amin'ny tanàna any amin'ny tany havoana sy amin'ny tanàna any amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka, ary amin'ny tanana any amin'ny tany atsimo sy amin'ny tanin'ny Benjamina sy amin'ny manodidina an'i Jerosalema ary amin'ny tanànan'ny Joda, ary ny ondry aman'osy mbola handroso araka ny fitondran'ny mpanisa azy, hoy Jehovah.
13I byene i fjellbygdene, i byene i lavlandet og i byene i sydlandet og i Benjamins land og i landet omkring Jerusalem og i Judas byer skal fårene ennu en gang gå forbi den som teller dem, sier Herren.
14Indro, avy ny andro, hoy Jehovah, Izay hanatanterahako ny teny soa, izay nolazaiko ny amin'ny aranak'Isiraely sy ny taranak'i Joda.
14Se, dager kommer, sier Herren, da jeg vil opfylle det gode ord jeg har talt om Israels hus og om Judas hus.
15Amin'izany andro izany sy amin'izany fotoana izany dia hampaniry Rantsana marina ho an'i Davida Aho; Ary hanao fitsarana sy fahamarinana amin'ny tany Izy.[Na: Solofo]
15I de dager og på den tid vil jeg la spire frem for David en rettferdig spire, og han skal gjøre rett og rettferdighet i landet.
16Amin'izany andro izany dia hovonjena ny Joda, ary Jerosalema handry fahizay; Ary izao no hanononana azy: Jehovah Fahamarinantsika.
16I de dager skal Juda bli frelst og Jerusalem bo trygt, og dette er det navn det skal kalles med: Herren, vår rettferdighet.
17Fa izao no lazain'i Jehovah: Davida tsy ho diso zanakalahy Hipetraka eo amin'ny seza fiandrianan'ny taranak'Isiraely;
17For så sier Herren: Det skal aldri fattes en mann av Davids ætt som skal sitte på Israels trone,
18Ary ny Levita mpisorona tsy ho diso zanakalahy ho eo anatrehako, Mba hanaterany mandrakariva fanatitra dorana sy fanatitra hohanina ary fanatitra hafa alatsa-drà.[Na: sy handoroany fanatitra hohanina]
18og av de levittiske presters ætt skal det aldri fattes en mann for mitt åsyn som ofrer brennoffer og brenner matoffer og bærer frem slaktoffer alle dager.
19Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
19Og Herrens ord kom til Jeremias, og det lød så:
20Izao no lazain'i Jehovah: Raha mahafoana ny fanekeko ny amin'ny andro sy ny fanekeko ny amin'ny alina ianareo, mba tsy hisy andro sy alina amin'ny fotoany,
20Så sier Herren: Dersom I kan bryte min pakt med dagen og min pakt med natten, så det ikke blir dag og natt i sin tid,
21Dia ho azo foanana koa ny fanekeko tamin'i Davida mpanompoko, tsy hananany zanakalahy hanjaka eo amin'ny seza fiandrianany, sy ny amin'ny Levita mpisorona, mpanompoko.
21da skal også min pakt med min tjener David bli brutt, så han ikke får nogen sønn som blir konge og sitter på hans trone, og min pakt med mine tjenere de levittiske prester.
22Toy ny hamaroan'ny kintana eny amin'ny lanitra, izay tsy azo isaina, ary toy ny fasika any amin'ny ranomasina, izay tsy azo afàtra, dia toy izany no hanamaroako ny taranak'i Davida mpanompoko sy ny Levita, izay manao fanompoam-pivavahana ho Ahy.
22Likesom himmelens hær ikke kan telles og havets sand ikke måles, således vil jeg gjøre min tjener Davids ætt og levittene som tjener mig, tallrike.
23Ary tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
23Og Herrens ord kom til Jeremias, og det lød så:
24Tsy hitanao va izay nolazain'ity firenena ity hoe: Ny fianakaviana roa izay nofidin'i Jehovah dia efa nariany; Toy izany no anamavoany ny oloko, ka dia tsy vanon-ko firenena eo imasony intsony izy.
24Har du ikke gitt akt på hvad dette folk har talt og sagt: De to slekter som Herren hadde utvalgt, dem forkastet han? Og mitt folk forakter de, så det ikke mere er noget folk i deres øine.
25Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy amin'ny andro sy ny alina ny fanekeko, ary raha tsy notendreko ny lalàna fitondrana ny lanitra sy ny tany,Dia hariako ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin'ny fahababoana izy ka hamindrako fo.
25Så sier Herren: Dersom jeg ikke har oprettet min pakt med dag og natt, ikke gitt lover for himmel og jord,
26Dia hariako ny taranak'i Jakoba sy Davida mpanompoko, ka ny taranany tsy mba hanalako ho mpanapaka ny taranak'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; Fa hampodiko avy amin'ny fahababoana izy ka hamindrako fo.
26så vil jeg også forkaste Jakobs og min tjener Davids ætt, så jeg ikke av hans ætt tar nogen til å herske over Abrahams, Isaks og Jakobs ætt; for jeg vil gjøre ende på deres fangenskap og forbarme mig over dem.