1[Ny niampangana an'i Jeremia, sy ny nahafahany tamin'izany] Tamin'ny niandohan'ny nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, no nahatongavan'izao teny izao avy tamin'i Jehovah nanao hoe:
1Juda kumpipa Josia tapa Jehoiakim lal pattungin hiai thu TOUPA kiang akipan a hongtunga,
2Izao no lazain'i Jehovah: Mitsangàna eo an-kianjan'ny tranon'i Jehovah, ka lazao amin'ny tanànan'ny Joda rehetra, izay avy hiankohoka ao an-tranon'i Jehovah, ny teny rehetra izay efa nasaiko hambaranao aminy, ary aza amelana na dia teny iray akory aza.
2TOUPAN hichiin a chi: TOUPA in huang sungah ding inla, Juda khopi tengteng Pathian be dinga TOUPA ina hongpaite kiangah a kiang ua gen dinga thu ka honpiak tengteng khat lel leng im louin gen vek in.
3Fa angamba hihaino ihany izy, ka samy hiala amin'ny lalany ratsy, dia hanenenako ny loza izay kasaiko hamelezana azy noho ny faharatsian'ny ataony.
3Michihin a omdan gilou uh paisanin a ngaikhe zenzen moh ding uhia, a thilhih gilou uh jiaka a tung ua thil hoihlou hih ka tup ka hep theihna dingin.
4Ary lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Raha tsy mihaino Ahy ianareo ka tsy mandeha araka ny lalàko izay napetrako teo anoloanareo,
4Huan, nang a kiang uah, TOUPAN hichiin a chi: non ngaihkhiak louh ua, ka dan na ma ua ka koih na zuih louh ua,
5ary tsy mihaino ny tenin'ny mpaminany mpanompoko, izay irahiko aminareo, eny, nifoha maraina koa Aho ka naniraka, nefa tsy mba nihaino ianareo
5Jing pipia thoua amau ka sawl na kiang ua ka sawl ka nasemmi jawlnei thu na limsak kei uleh;
6dia hataoko tahaka an'i Silo ity trano ity, ary hataoko fanozonana ho an'ny firenena rehetra ambonin'ny tany ity tanàna ity.
6Hiai in Siloh bangin ka bawl dinga, leitunga nam tengtengte hamsia thuak dingin ka bawl ding, na chi ding hi.
7Ary ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra dia nandre an'i Jeremia nanambara ireo teny rehetra ireo tao an-tranon'i Jehovah.
7Huan, siampute, jawlneite leh mipi tengtengin TOUPA ina Jeremiain hiai thu a gen a ngaikhia uh.
8Koa nony efa tapitra voalazan'i Jeremia izay rehetra nasain'i Jehovah nolazaina tamin'ny vahoaka rehetra, dia nosamborin'ny mpisorona sy ny mpaminany mbamin'ny vahoaka rehetra izy ka nataony hoe: Ho faty tokoa ianao.
8Huan, hichi ahia, mipi tengteng kianga gen dinga TOUPAN a piak tengteng a gen khitin, siampute, jawlneite leh mipi tengtengin amah a manta ua, Si peuhmah ni teh.
9Nahoana ianao no naminany tamin'ny anaran'i Jehovah hoe: Ho tahaka an'i Silo ity tanàna ity, ary ho lao ity tanàna ity, ka tsy hisy mponina? Ary ny vahoaka rehetra dia nitangorona tamin'i Jeremia tao an-tranon'i Jehovah.
9Bangdia TOUPA min loua, Hiai in Siloh bang ahi ding, hiai khopi luahmi om louin a segawp ding, chia gen na hia? a chi ua. Huchiin TOUPA in ah mipi tengtengin Jeremia a boh lutlut uh.
10Fa nony ren'ny mpanapaka ny Joda izany zavatra izany, dia niakatra avy tany amin'ny tranon'ny mpanjaka nankany amin'ny tranon'i Jehovah izy ka nipetraka teo anoloan'ny vavahady vaovaon'i Jehovah.
10Huan, Juda heututen hiai thu a jak un, kumpipa in a kipanin TOUPA in lutna kongpi thak ah a tu uh.
11Ary ny mpisorona sy ny mpaminany nilaza tamin'ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra hoe: Misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity; fa efa naminany loza ho amin'ity tanàna ity izy araka izay efa ren'ny sofinareo.
11Huan, siampute leh jawlneiten heutute leh mipi tengteng kiangah, Hiai mi sitak ahi, khopi siat ding thu, na bil ua na jak bang un a gen khol ngala, a chi ua.
12Dia nilaza tamin'ny mpanapaka rehetra sy ny vahoaka rehetra Jeremia hoe: Jehovah no naniraka ahy haminany izay rehetra efa renareo ny amin'ity trano sy ity tanàna ity.
12Huan, heutute leh mipi tengteng kiangah Jeremiain, Na thu ngaihkhiak khitsa uh tengteng bangin hiai in leh hiai khopi siat ding thu gen dingin TOUPAN kei a honsawl ahi.
13Koa ankehitriny ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, ary mihainoa ny feon'i Jehovah Andriamanitrareo; fa hanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezana anareo.
13Huaijiakin tuin na omdan uleh na gamtatdan uh bawl hoih unla, TOUPA na Pathian uh thu mang un; huchiin TOUPAN na tung ua thil hoih lou tung ding a phuankhiaksa a kikhelsak thei ding.
14Fa ny amiko, dia, indro, efa eto an-tananareo aho; koa ataovy amiko izay ataonareo ho mety sy marina.
14Kei ahihleh, na khut ua om keita ve. Dik leh hoih na chih bangbang un hon bawl un.
15Kanefa mihevera tsara, fa raha mamono ahy anie ianareo, dia hahatonga rà marina aminareo sy amin'ity tanàna ity ary amin'ny mponina eto, satria Jehovah tokoa no naniraka ahy taminareo hilaza ireo teny rehetra ireo eto anatrehanareo.
15Na honthah uleh, noumau leh hiai khopi leh khua leh tuite tungah mi hoih sisan na tungsak ngeisin uh chih thei mai un; a dikdikin na bil ua hiai thu tengteng gen dia TOUPAN na kiang ua honsawl ka hi hi, achia.
16Dia hoy ny mpanapaka sy ny vahoaka rehetra tamin'ny mpisorona sy ny mpaminany: Tsy misy heloka tokony hahafaty ity lehilahy ity, satria tamin'ny anaran'i Jehovah Andriamanitsika no nitenenany tamintsika.
16Huchiin heutute leh mipiten, siampute jawlneite kiangah, Hiai mi a sih ding ahi kei, TOUPA i Pathian muna i kiang ua thu gen ahi ve, a chi ua.
17Dia nisy nitsangana ny loholona ka nanao tamin'ny vahoaka rehetra vory teo hoe:
17Huan, huai gam upa kuate hiam a hongding ua, mipi omkhawmte kiangah,
18Mika Morastita dia naminany tamin'ny andron'i Hezekia, mpanjakan'ny Joda, ka nanao tamin'ny Joda rehetra hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: "Ziona dia hasaina toy ny tanimboly, ary Jerosalema ho tonga korontam-bato, ary ny tendrombohitra misy ny trano dia ho tonga toy ny havoana mifono ala." (Mik. 3. 12).
18Mika, Moraseth miin Juda kumpipa Hezekia lal laiin thu a gena, huan, Juda mi tengteng kiangah, Sepaihte TOUPAN hichiin a chi: Zion lou banga leh ahi dinga, Jerusalem thil se omkhawm ahi ding, a in mual gammang mun sang bang ahi ding, achia.
19Moa namono azy va Hezekia, mpanjakan'ny Joda, sy ny Joda rehetra? Tsy natahotra an'i Jehovah va izy ka nifona tamin'i Jehovah, ka dia nanenenan'i Jehovah ny loza izay efa nolazainy hamelezany azy? Fa isika kosa izao dia mila hampidi-doza lehibe amin'ny tenantsika.
19Juda kumpipa Hezekia leh Judate tengtengin amah a that uhia? TOUPA lauin TOUPA deihsakna a ngen ua, TOUPAN a tung ua thil hoihlou tung ding a phuan a kikhelsak ahi kei maw? En jaw i tung ua thil hoihlou tungsak ding i hi ve ua.
20Ary nisy lehilahy anankiray koa izay naminany tamin'ny anaran'i Jehovah, dia Oria, zanak'i Semaia, avy any Kiriata-jearima, izay naminany loza ho amin'ity tanàna sy ity tany ity araka izany teny rehetra nataon'i Jeremia izany koa.
20Huan, mi dang, TOUPA mina thu gen Keriath-Jenrima mi Semei tapa Uria mah leng a oma, Jeremia thu gen tengteng mahbang in hiai gam leh khopi siat ding thu a gen hi.
21Ary nony ren'i Joiakima mpanjaka sy ny lehilahy maheriny rehetra ny teniny, dia nitady hahafaty azy ny mpanjaka; ary nony nandre izany Oria, dia natahotra izy ka nandositra, ary tonga tany Egypta;
21Kumpipa Jehoiakim leh a mi thupite tengteng leh heutute tengtengin a jak un kumpipan hihlup a tuma; himahleh Uriain a jakin a laua, a taimanga, Aigupta gamah a paita hi.
22ary Joiakima mpanjaka naniraka olona nankany Egypta, dia Elnatana, zanak'i Akbora, mbamin'ny olona sasany nanaraka ny hankany Egypta.
22Huan, kumpipa Jehoiakimin Aigupta gamah mi sawla, Akbor tapa Elnathan leh mi dangte toh;
23Ary Oria dia nalain'ireo niala avy tany Egypta ka nentiny teo amin'i Joiakima mpanjaka; ary izy namono azy tamin'ny sabatra, dia nanary ny fatiny teny amin'ny fasam-bahoaka.Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.
23Huan, Aigupta gam akipanin Uria a pi khia ua, kumpipa Jehoiakim kiangah a honpi ua, huaiin namsauin a thata, a luang vantang han ah a pailut ua, a chi ua.Himahleh Saphan tapa Ahikamin Jeremia a guma, huchiin hihlup ding in mipite kiangah piak ahita kei.
24Nefa ny tànan'i Ahikama, zanak'i Safana, dia nomba an'i Jeremia mba tsy hanolorana azy ho eo an-tànan'ny vahoaka hovonoiny.
24Himahleh Saphan tapa Ahikamin Jeremia a guma, huchiin hihlup ding in mipite kiangah piak ahita kei.