Malagasy

Paite

Jeremiah

7

1[Fananarana ny olona izay niankina foana tamin'ny tempoly sy ny fombam-pivavahana] Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah:
1Toupa kianga kipana Jeremia kianga thu hongtung:
2Mitsangana eo am-bavahadin'ny tranon'i Jehovah, ary torio eo izao teny izao, ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin'i Jehovah ianareo, ry Joda rehetra, izay miditra amin'ireto vavahady ireto mba hiankohoka eo anatrehan'i Jehovah.
2TOUPA in kongpi ah ding inla, huailaiah hiai thu puang inla, hichiin chi in: Nou Juda mi tengteng, TOUPA be dinga hiai kongpi a lutten TOUPA thu ngaikhia un.
3Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Ataovy tsara ny lalanareo sy ny ataonareo, dia hamponeniko amin'ity tany ity ianareo.
3Sepaihte TOUPAN hichiin a chi: Na omdan uleh na thilhihte uh bawlhoih unla, hiai munah ka honteng sak ding hi.
4Aza matoky ny teny lainga hoe: Tempolin'i Jehovah, tempolin'i Jehovah, Tempolin'i Jehovah ity.
4Hiai TOUPA in, TOUPA in, TOUPA in ahi, chih juau thute khawng um kei un:
5Fa raha ataonareo tsara mihitsy ny lalanareo sy ny ataonareo, ka mitsara marina ny adin'olona amin'ny namany ianareo,
5Na omdan uleh na thilhihte uh na bawl hoih petmah ua, mi leh a inveng kikala thudik taka na vaihawm sak ua,
6Ary tsy mampahory ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena, na mandatsaka rà marina amin'ity tany ity, sady tsy manaraka andriamani-kafa hahatonga loza aminareo,
6Nam dang mite, pa neiloute, meitheite na nuaisiah louh ua, hiai mun a midiktat sisan na suahlouh ua, na hoihlouhna ding ua pathian dangte na delh sam kei ua leh,
7Dia hamponeniko amin'ity tany ity ihany ianareo, dia eto amin'ny tany nomeko ny razanareo, hatramin'ny ela ka ho mandrakizay.
7Hiai gam, tumasiaha na pipute uh kianga ka piak ah khantawn in ka hon tengsak ding hi.
8He! ianareo matoky ny teny lainga, nefa tsy mahasoa tsinona izany.
8Ngai un, Juau thu, phattuamna om hetlou na um jaw ua.
9Hay! hangalatra sy hamono olona sy hijangajanga va ianareo ary hianian-tsy tò sy handoro ditin-kazo manitra ho an'i Bala sady hanaraka andriamani-kafa izay tsy fantatrareo?
9Gukguin, tualthatin, angkawmin, juaua kichiamin Baal kianga gimlim halin, pathian dang, na theih ngeilouhte uh delhin,
10Nefa mbola avy miseho ao anatrehako amin'ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity ihany ianareo ka manao hoe: Efa voavonjy izahay mba hanaovana ireto fahavetavetana rehetra ireto!
10Huan, hiai in, ka min mahmaha loh ah ka maah hong dingin, hiai thil kihhuai tengtengte hih jel kawmin, Hotkhiak ka hita, na chi sin ua hia?
11Moa ataonareo ho zohy fieren'ny jiolahy va ity trano izay efa niantsoana ny anarako ity? Indro, ny tenako aza dia mahita izany, hoy Jehovah.
11Hiai in ka min mahmaha loh, na mitmuh un suamhatte kokhuk bang lel ahi hia? Ngai un, kei, kei mahmahin ka mu hi, chih TOUPA thu pawt ahi.
12Fa mandehana ianareo any amin'ny fitoerako izay ao Silo, dia ilay nasiako ny anarako any am-boalohany, ka jereo izay nataoko taminy noho ny haratsian'ny Isiraely oloko.
12A tunga ka min ka tensakna, ka mun Shilo ah hoh dih ua, ka mi Israel gitlouhna jiaka ka thilhih va en un.
13Koa ankehitriny, hoy Jehovah, satria nanao izany zavatra rehetra izany ianareo, ary niteny taminareo Aho, eny, nifoha maraina koa ka niteny taminareo, nefa tsy nohenoinareo, ary niantso anareo Aho, nefa tsy novalianareo,
13Tuin hiai thil tengteng na hih ua, jing pipia thoua na kiang ua thu ka gen ka gente na ngaihkhiak louh ua, nou ka honloha, na dawn louh ziak un:
14Koa dia ho toy ny nataoko tamin'i Silo no hataoko amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako sady itokianareo, sy amin'ny fitoerana izay nomeko anareo sy ny razanareo;
14Shilo tunga ka hih bangin hiai ka min loh, noumau leh na pipute uh kianga ka mun piak, na muan sek uh tungah ka hih sin ahi.
15Ary hesoriko hiala eto anatrehako ianareo toy ny nanesorako ny rahalahinareo rehetra, dia ny taranak'i Efraima rehetra.
15Na unau tengteng uh, Ephraim chi pumpi nangawn ka pai khia bangin ka mitmuha kipan nou ka honpai khe ding, chih TOUPA thu pawt ahi.
16Koa aza mivavaka ho an'ity firenena ity ianao, ary aza manandratra fitarainana sy fivavahana ho azy na mifona amiko; Fa tsy hihaino anao Aho.
16Huaijiakin, hiai mite adingin thum kenla, kikou khiain thum kenla, ka kiangah leng ngetsak sam ken; ka honngai khe sin ngal kei a.
17Tsy hitanao va ny ataon'ireo any an-tanànan'ny Joda sy any an-dalamben'i Jerosalema?
17Juda khopite a leh Jerusalem kholaktea a thilhih uh na mu ka hia?
18Ny zaza manangon-kitay, ny ray mandrehitra afo, ary ny vehivavy mametafeta ny koba hatao mofo ho an'ny mpanjakavavin'ny lanitra sy hanidinana fanatitra aidina ho an'ny andriamani-kafa mba hampahasosotra Ahy.
18Naupangten sing a tom ua, a pate un mei a toh ua, numeiten, van kumpinu kianga lat ding tanghou a mek ua, pathian dangte dingin dawn ding thillat a tung khia ua, a honhehsakna lel ding un.
19Moa Izaho va no ampahasosorin'ireo, hoy Jehovah, fa tsy ny tenany ihany mba ho fangaihainy?
19Kei ahi maw honhehsak uh? chih TOUPA thu pawt ahi: amau zumna dingin amau ahi jaw kei uh maw?
20Koa izao no lazain'i Jehovah Tompo: Indro, ny fahatezerako sy ny fahavinirako haidina amin'ity tany ity, dia amin'ny olona sy ny biby fiompy sy ny hazo any an-tsaha ary ny vokatry ny tany; Dia hirehitra izany ka tsy hovonoina.
20Huaijiakin Toupa Pathianin hichiin a chi: Ngaidih uh, hiai mun tungah te ka hehna leh thangpaihna ka sungkhe dinga; a kang dia, a mit kei ding.
21Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Aoka ny fanatitra dorana ho naman'ny fanatitrareo hafa alatsa-drà, ka mihinàna hena.
21Sepaihte TOUPA, Israel Pathianin hichiin a chi: Na kithoihnate uah halmang kithoihnate behlap unla, san e un.
22Fa tsy ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin'ny razanareo na nandidiako azy tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;
22Halmang thillate hiam, kithoihnate hiam tungthu ah jaw na pipute uh kiangah thu ka gen keia, Aigupta gam akipan ka pi khiak lain leng thu ka pe sam kei:
23Fa izao kosa no nandidiako azy: Henoy ny feoko. Dia ho Andriamanitrareo Aho, ary ianareo ho oloko ka handeha amin'ny lalana rehetra nandidiako anareo, mba hahitanareo soa.
23Ka aw ngaikhia unla, na Pathian uh ka hi dinga, nou leng ka mite na hi ding uh; na hoih theihna ding un na omdan ding uh ka honhilh tengteng jui un, chiin thu ka pe jaw hi.
24Kanjo tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny, fa nandeha tamin'ny fisainany sy ny ditry ny fo ratsiny ihany izy dia niamboho, fa tsy mba nanatrika.
24Himaleh a ngaikhe kei ua, bil a doh sam kei uh: a lungtang gilou uh hihnangin amau thuthuin a om jaw uh, malam jawt sangin a nungtawn zota uhi.
25Hatramin'ny andro nivoahan'ny razanareo avy tany amin'ny tany Egypta ka ambaraka androany dia nirahiko ho any aminareo ihany ny mpaminany mpanompoko rehetra, eny, nifoha maraina koa isan'andro Aho ka naniraka azy mandrakariva.
25Na pipute uh Aigupta gam akipan a pawt ni ua kipana tuni tannin ka nasemmi, jawlnei tengtengte jing pipia thouin na kiang uah ni tengin ka sawl jel a,
26Nefa tsy nihaino Ahy izy ireo sady tsy nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony ka nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.
26Himahleh a honngaikhe tuan kei ua, bil a doh sam kei uh: a lungsim uh a khauhsak ua, a pipute uh sangin a gilou zota uhi.
27Ary na dia holazainao aminy aza ireo teny rehetra ireo, dia tsy hihaino anao izy; Ary na dia antsoinao aza izy, dia tsy hamaly anao.
27Huan, hiai thu tengteng a kiang ua nagen ding ahi: himahleh a hon ngaikhe kei ding ua; amau na sam dinga, a hondawng kei ding uh.
28Koa lazao aminy hoe: Ity no firenena tsy mihaino feon'i Jehovah Andriamaniny sady tsy mino anatra; Very ny fahamarinana, fa afaka tamin'ny vavany.
28A kiang uah, Hiai nam TOUPA a Pathian uh aw ngaikhe loua, thununna tang lou nam ei ve ua, na chi dinga: thudik a mangthangta, a kam ua kipan paih mang a hita.
29Hetezo ny volonao, ry Jerosalema, ka ario, ary manaova hira fahalahelovana any an-tendrombohitra mangadihady, satria lavin'i Jehovah sy afoiny ny taranaka mahatezitra Azy.
29Na sam tan inla, pai mang inla, mun sang giau ahte kap khiain; TOUPAN lah a hehna tangmi suante a paikhiain a ngeingaihta ngal kei a.
30Fa manao izay ratsy eo imasoko ny taranak'i Joda, hoy Jehovah, mametraka ny fahavetavetany ao amin'ny trano izay efa niantsoana ny anarako izy mba handoto azy.
30Juda taten lah ka mitmuhin thilgilou a hih ngal ua, chih TOUPA thu pawt ahi: ka min lou in ah ninsak dingin a thil kihhuaite uh a koih khin uhi.
31Ary izy nanorina ireo fitoerana avo any Tofeta, izay ao amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinema, handoroany ny zananilahy sy ny zananivavy amin'ny afo; Nefa zavatra tsy mba nandidiako na tao an-tsaiko akory aza izany.
31A tanute uh, a tapate uh hal dingin Ben-Hinem guam ah Taphet mun sangte a bawl ua; huaite ka thupiak ahi keia, ka lungsim ah leng a lut ngei sam kei.
32Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana azy intsony hoe Tofeta, na Lohasahan'ny taranak'i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Ary any Tofeta aza no handevenana noho ny hateren'ny tany.
32Huaijiakin, ngaidih uh, nite a hongtung sin, chih TOUPA thu pawt ahi: huai guam pen, Tophet, chih ahi nawn kei dinga, Ben-Hinom guam, chih leng ahi sam kei ding; Kithahna guam, chih a hita ding: Tophet ah a vui ding ua, vuina ding mun a omta kei ding.
33Ary ny fatin'ity firenena ity dia ho fihinan'ny voro-manidina sy ny bibidia, ka tsy hisy hanaitaitra azy.Dia hatsahatro any an-tanànan'ny Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.
33Mite luang tunga leng vasate leh gamsate an ahi ding; kuamahin a delh mang kei ding uh.Huan, Juda khopite ah leh Jerusalem kholakte ah nuamsa husate leh kipahna gingte, mouneipa awte, mou awte leng ka daisak ding: a gam lah a segawp sin ngala.
34Dia hatsahatro any an-tanànan'ny Joda sy eny an-dalamben'i Jerosalema ny feo mifaly sy ny feo miravoravo, dia ny feon'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina; Fa ho lao ny tany.
34Huan, Juda khopite ah leh Jerusalem kholakte ah nuamsa husate leh kipahna gingte, mouneipa awte, mou awte leng ka daisak ding: a gam lah a segawp sin ngala.