1Ary ny mpamory hetra rehetra sy ny mpanota nanatona hihaino an'i Jesosy.
1Y SE llegaban á él todos los publicanos y pecadores á oirle.
2Dia nimonomonona ny Fariseo sy ny mpanora-dalàna ka nanao hoe: Ilehity mandray ny mpanota ka miara-mihinana aminy.
2Y murmuraban los Fariseos y los escribas, diciendo: Este á los pecadores recibe, y con ellos come.
3Fa Izy nanao izao fanoharana izao taminy hoe:
3Y él les propuso esta parábola, diciendo:
4Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy?
4¿Qué hombre de vosotros, teniendo cien ovejas, si perdiere una de ellas, no deja las noventa y nueve en el desierto, y va á la que se perdió, hasta que la halle?
5ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony, ka dia faly izy;
5Y hallada, la pone sobre sus hombros gozoso;
6ary rehefa tonga ao an-trano izy, dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very.
6Y viniendo á casa, junta á los amigos y á los vecinos, diciéndoles: Dadme el parabién, porque he hallado mi oveja que se había perdido.
7Lazaiko aminareo fa hisy fifaliana toy izany any an-danitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka noho ny amin'ny olona marina sivy amby sivi-folo, izay tsy misy tokony hibebahany.
7Os digo, que así habrá más gozo en el cielo de un pecador que se arrepiente, que de noventa y nueve justos, que no necesitan arrepentimiento.
8Ary iza moa no vehivavy manana farantsakely folo, ka very ny anankiray, no tsy mampirehitra jiro ka mifafa trano sy mitady fatratra mandra-pahitany azy?[Gr.drakma]
8¿O qué mujer que tiene diez dracmas, si perdiere una dracma, no enciende el candil, y barre la casa, y busca con diligencia hasta hallarla?
9Ary raha hitany iny, dia mamory ny vehivavy sakaizany sy ny namany izy ka manao hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ny farantsakely izay very.[Gr. drakma]
9Y cuando la hubiere hallado, junta las amigas y las vecinas, diciendo: Dadme el parabién, porque he hallado la dracma que había perdido.
10Lazaiko aminareo fa misy fifaliana toy izany eo anatrehan'ny anjelin'Andriamanitra ny amin'ny mpanota iray izay mibebaka.
10Así os digo que hay gozo delante de los ángeles de Dios por un pecador que se arrepiente.
11Ary hoy Jesosy: Nisy lehilahy anankiray nanana zanaka mirahalahy.
11Y dijo: Un hombre tenía dos hijos;
12Ary hoy ilay zandriny tamin-drainy: Raiko, omeo ahy ny anjara-fananana tokony ho ahy. Dia nozarainy tamin'izy mirahalahy ny fananany.
12Y el menor de ellos dijo á su padre: Padre, dame la parte de la hacienda que me pertenece: y les repartió la hacienda.
13Ary nony afaka kelikely, dia nangonin'ilay zandriny ny fananany rehetra, ka lasa nankany an-tany lavitra izy, dia nandany ny fananany tamin'ny fiveloman-dratsy tany.
13Y no muchos días después, juntándolo todo el hijo menor, partió lejos á una provincia apartada; y allí desperdició su hacienda viviendo perdidamente.
14Ary rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary mafy tamin'izany tany izany, ka nahantra izy.
14Y cuando todo lo hubo malgastado, vino una grande hambre en aquella provincia, y comenzóle á faltar.
15Dia nandeha izy ka niankina tamin'ny tompon-tany anankiray tamin'izany tany izany, ary dia nirahiny tany an-tsahany hiandry kisoa.
15Y fué y se llegó á uno de los ciudadanos de aquella tierra, el cual le envió á su hacienda para que apacentase los puercos.
16Ary satriny hameno ny kibony tamin'ny voan-kazo fihinan'ny kisoa, fa tsy nisy nanome azy.
16Y deseaba henchir su vientre de las algarrobas que comían los puercos; mas nadie se las daba.
17Ary raha nody ny sainy, dia hoy izy: Indrisy maro ny olona karamain'ny raiko manan-kanina be dia be, fa izaho kosa maty mosary eto!
17Y volviendo en sí, dijo: Cuántos jornaleros en casa de mi padre tienen abundancia de pan, y yo aquí perezco de hambre!
18Hiainga aho, dia hody any amin'ny raiko ka hanao aminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho
18Me levantaré, é iré á mi padre, y le diré: Padre, he pecado contra el cielo y contra ti;
19ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony; fa ataovy tahaka ny anankiray amin'ny olona karamainao aho.
19Ya no soy digno de ser llamado tu hijo; hazme como á uno de tus jornaleros.
20Dia niainga izy ka nankany amin-drainy. Fa raha mbola lavitra izy, dia tazan-drainy, ary onena azy izy ka nihazakazaka, dia namihina ny vozony sady nanoroka azy.
20Y levantándose, vino á su padre. Y como aun estuviese lejos, viólo su padre, y fué movido á misericordia, y corrió, y echóse sobre su cuello, y besóle.
21Ary ilay zanany nanao taminy hoe: Raiko ô, efa nanota tamin'ny lanitra sy teo anatrehanao aho ka tsy miendrika hatao hoe zanakao intsony.
21Y el hijo le dijo: Padre, he pecado contra el cielo, y contra ti, y ya no soy digno de ser llamado tu hijo.
22Fa rainy kosa nanao tamin'ny ankizilahiny hoe: Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; ary asio peratra ny tànany sy kapa ny tongony;
22Mas el padre dijo á sus siervos: Sacad el principal vestido, y vestidle; y poned un anillo en su mano, y zapatos en sus pies.
23ary ento ny zanak'omby nafahy, ka vonoy; ary aoka isika hihinana sy hifaly;
23Y traed el becerro grueso, y matadlo, y comamos, y hagamos fiesta:
24fa ity zanako ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray. Dia nifaly izy.
24Porque este mi hijo muerto era, y ha revivido; habíase perdido, y es hallado. Y comenzaron á regocijarse.
25Fa tany an-tsaha ny zanany lahimatoa; ary nony nody izy ka mby teo akaiky ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy.
25Y su hijo el mayor estaba en el campo; el cual como vino, y llegó cerca de casa, oyó la sinfonía y las danzas;
26Ary niantso ankizilahy anankiray izy ka nanontany azy izay anton'izany zavatra izany.
26Y llamando á uno de los criados, preguntóle qué era aquello.
27Ary hoy ilay ankizilahy taminy: Tonga ny rahalahinao, ka namono ny zanak'omby nafahy ny rainao, satria efa tafaverina soa aman-tsara ato aminy izy.
27Y él le dijo: Tu hermano ha venido; y tu padre ha muerto el becerro grueso, por haberle recibido salvo.
28Dia tezitra izy ka tsy nety niditra; ary nivoaka rainy ka nampandroso azy.
28Entonces se enojó, y no quería entrar. Salió por tanto su padre, y le rogaba que entrase.
29Fa izy namaly ka nanao tamin-drainy hoe: Indro, izay ela izay aho no efa nanompo anao ka tsy mbola nandika ny didinao na dia indray mandeha akory aza; nefa izaho tsy mbola nomenao na dia zanak'osy aza mba hifaliako amin'ny sakaizako;
29Mas él respondiendo, dijo al padre: He aquí tantos años te sirvo, no habiendo traspasado jamás tu mandamiento, y nunca me has dado un cabrito para gozarme con mis amigos:
30fa raha vao tonga kosa io zanakao io, izay efa nandany ny fanananao tamin'ny vehivavy janga, dia namono ho azy ny zanak'omby nafahy ianao.
30Mas cuando vino éste tu hijo, que ha consumido tu hacienda con rameras, has matado para él el becerro grueso.
31Ary hoy rainy taminy: Anaka, ianao eto amiko mandrakariva, ary anao avokoa izay rehetra ananako.Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
31El entonces le dijo: Hijo, tú siempre estás conmigo, y todas mis cosas son tuyas.
32Fa mety ny mifaly sy miravoravo; fa ity rahalahinao ity efa maty, fa velona indray, ary efa very, fa hita indray.
32Mas era menester hacer fiesta y holgar nos, porque este tu hermano muerto era, y ha revivido; habíase perdido, y es hallado.