Malagasy

Zarma

Ezekiel

10

1[Fahitana ny amin'ny handoroana an'i Jerosalema, sy ny hialan'ny voninahitr'i Jehovah aminy] Ary hitako fa, indro, teo ambonin'ny eloelo izay teo ambonin'ny lohan'ny kerobima dia nisy tahaka ny vato safira; tahaka ny endriky ny seza fiandrianana no fijery azy; ary Jehovah niseho teo amboniny. [Heb. Izy]
1 Waati din gaa no ay guna. A go, batama kaŋ go ciiti malaykey boŋ do din ra, i na hay fo bangandi i boŋ, danga hiiri kaŋ ga nyaale tondi no, a himando ga hima sanda koytaray karga cine.
2Ary niteny tamin-dralehilahy nitafy rongony fotsy Izy nanao hoe: Midira eo anelanelan'ny kodia, dia eo ambanin'ny kerobima, ary fenoy vain'afo avy eo anelanelan'ny kerobima ny tananao roa, ka afafazo amin'ny tanàna izany. Dia niditra teo imasoko izy.
2 Kala Rabbi salaŋ bora kaŋ gonda lin bankaara nga gaa din se, ka ne: Ma furo kanjey kaŋ goono ga bar-bare yaŋ din game ra malaykey cire. Ma ni kambe hinka kulu toonandi nda danj'izeyaŋ noodin malaykey game ra k'i say-say gallo boŋ. Ay goono ga guna, kal ay di a furo.
3Ary ny kerobima nitsangana teo amin'ny ankavanan'ny trano, raha niditra ralehilahy; ary feno ilay rahona ny kianja anatiny.
3 Malaykey binde goono ga kay noodin fuwo kambe ŋwaaro gaa haray waato kaŋ cine bora furo, buro mo na windo ra haray batama toonandi.
4Dia niakatra niala teo amin'ny kerobima ny voninahitr'i Jehovah ho eo amin'ny tokonam-baravaran'ny trano; ary feno ilay rahona ny trano, ary ny kianja dia feno ny famirapiratan'ny voninahitr'i Jehovah.
4 Gaa no Rabbi darza kaaru ka fun malayka boŋ ka kay fuwo me kutijo boŋ. Fuwo to da buro, batama mo to da Rabbi darza nyaaleyaŋo.
5Ary ny fikopakopaky ny elatry ny kerobima dia re hatrany amin'ny kianja ivelany, toy ny feon'Andriamanitra Tsitoha, raha miteny.
5 I maa malaykey fatey yooje hala windo taray batama ra, danga day Irikoy Hina-Kulu-Koyo jinde no, waati kaŋ a goono ga salaŋ.
6Ary rehefa nodidiany ralehilahy nitafy rongony fotsy, nataony hoe: Manalà afo avy eo analenelan'ny kodia, eo anelanelan'ny kerobima, dia niditra izy ka nitsangana teo anilan'ny kodia.
6 A ciya mo, waato kaŋ a na bora kaŋ gonda lin bankaara din lordi ka ne: Ma danji sambu kanjey din kaŋ ga bar-bare yaŋ game ra, noodin ciiti malaykey game ra, kal a furo ka kay kanje fo jarga.
7Ary ny kerobima anankiray naninjitra ny tànany avy teo anelanelan'ny kerobima, tamin'ny afo Izay teo anelanelan'ny kerobima, dia nangalany ka nataony teny amin'ny tànan-droan'ilay nitafy rongony fotsy; ary rehefa nandray izany ralehilahy, dia nivoaka.
7 Ciiti malayka fo mo na nga kambe salle malaykey game ra, hala danjo kaŋ go malaykey game ra din ra, a kaa a gaa ka daŋ bora kaŋ gonda lin bankaara din kambe ra. Nga mo n'a sambu ka fatta.
8Ary nisy nitarehin-tànan'olona niseho teo ambanin'ny elatry ny kerobima.
8 Ciiti malaykey go mo da boro kambe himandiyaŋ ngey fatey cire.
9Ary hitako fa, indreo, nisy kodia efatra teo anilan'ny kerobima, dia kodia iray avy teo anilan'ny isan-kerobima; ary ny tarehin'ny kodia dia toy ny volon'ny vato krysolita.
9 Ay guna mo, a go, kanje taaca din kaŋ go ciiti malaykey tanjay, sanda kanje fo malayka fo se, kanje fo mo koyne malayka fo se, kanjey himando mo si hima kala hiiri tondi kaŋ ga nyaale.
10Ary izy efatra dia nitovy tarehy, toy ny kodia anatin'ny kodia.
10 I himandi mo, ngey itaaca din kulu, himandi folloŋ no, danga kanje fo go kanje fo bindi ra.
11Raha nandeha izy, dia nandeha tamin'ny hitsin'ny lafiny efatra; tsy niherika izy raha nandeha, fa tamin'ny hitsin'izay natrehin'ny lohany ihany no nalehany; tsy niherika izy raha nandeha.
11 Da malaykey ga koy, i kambu taaca ga koy jina tak-tak, diraw ra mo i si bare, amma nango kaŋ moyduma miila, noodin no i ga gana. I go ga dira, i si bare.
12Ary feno maso manodidina ny tenany rehetra sy ny lamosiny sy ny tànany sy ny elany mbamin'ny kodia; izy efatra dia samy nisy kodia avokoa.[Heb. nofony]
12 I gaahamey kulu binde, i banda daarey, d'i kambey, d'i fatey, ngey da kanjey, i go toonanteyaŋ da mo ga windi, malayka taaca din kanjey nooya.
13Ny amin'ny kodia dia reko nisy niantso azy hoe: Ry kodia![Na: Mikodiadiava!]
13 Kanjey din binde, ay maa i ne i se barkoyaŋ.
14Ary samy nanana tarehy efatra avy izy: ny tarehin'ny voalohany dia nitarehin-kerobima, ary ny tarehin'ny faharoa dia nitarehin'olona, ary ny fahatelo nitarehin-diona, ary ny fahefatra nitarehim-boromahery.
14 Malayka fo kulu gonda moyduma taaci. Moyduma sintina, ciiti malayka moyduma no, moyduma hinkanta, boro moyduma no, moyduma hinzanta, muusu beeri moyduma no, moyduma taacanta mo zeeban moyduma no.
15Ary niakatra ny kerobima. Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany.
15 Ciiti malaykey binde ziji, fundikooney kaŋ ay di Kebar isa me gaa din nooya.
16Ary raha nandeha ny kerobima, dia mba nandeha teo anilany koa ny kodia; ary raha nasandratry ny kerobima ny elany hiainga tsy hipaka amin'ny tany, dia tsy nisaraka taminy koa ny kodia.
16 Da malaykey ga koy, kanjey mo ga koy i banda care banda. Da malaykey ga ngey fatey sambu zama ngey ma tun ganda, kanjey mo si bare, i go i tanjay care banda.
17Raha nijanona izy, dia mba nijanona koa ireo, ary raha niainga izy, dia mba niainga koa ireo: fa ny fanahin'ny zava-manan'aina no tao aminy.
17 Da woone yaŋ kay, yaadin no yongo waney mo. Da woone yaŋ tun, yongo waney mo ga tun no i banda, zama fundikooney biya no go kanjey ra.
18Dia niala avy teo ambonin'ny tokonambaravaran'ny trano ny voninahitr'i Jehovah ka nijanona teo ambonin'ny kerobima.
18 Rabbi darza mo fatta fuwo me kutijo boŋ ka kay malaykey boŋ do.
19Ary nasandratry ny kerobima ny elany, ka niainga tsy nipaka tamin'ny tany teo imasoko izy, raha nivoaka, ary teo anilany ny kodia ary samy nijanona teo anoloan'ny vavahady atsinanana amin'ny tranon'i Jehovah izy ireo; ary ny voninahitr'Andriamanitry ny Isiraely no teo amboniny.
19 Malaykey mo na ngey fatey sambu ka tun ganda ka deesi. Ay go ga di ey waato kaŋ i dira, kanjey mo go i tanjay. I kay Rabbi windo wayna funay meyo gaa, Israyla Irikoyo darza go i boŋ do beene.
20Izany dia ilay zava-manan'aina hitako teo ambanin'Andriamanitry ny Isiraely teo amoron'ny ony Kebara; ary fantatro fa kerobima ireo.
20 Fundikooney kaŋ ay di Israyla Irikoyo cire Kebar isa me gaa nooya, ay du ka bay mo kaŋ ciiti malaykayaŋ no.
21Samy nanana tarehy efatra avy izy, sady samy nanana elatra efatra avy koa; ary nisy nitarehin-tànan'olona teo ambanin'ny elany.Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.
21 I afo kulu gonda moyduma taaci nda fata taaci, hay fo kaŋ ga hima boro kambe mo go no i fatey cire.
22Ary ny endriky ny tarehiny dia nitovy tamin'ilay efa hitako teo amoron'ny ony Kebara ihany, dia ny endriny sy ny tenany; ary ny hitsin'ny tavany no nalehany.
22 I moydumey himandi sanni mo: moydumey kaŋ ay di Kebar isa me gaa, i himandey d'i bumbey mo, ngey nooya. I afo kulu koy jina soosay.