Malagasy

Zarma

Ezekiel

20

1[Ny toetry ny Isiraely hatramin'ny ela, sy ny zavatra hanjo azy, ary ny mbola hampodian'Andriamanitra azy]Ary tamin'ny andro fahafolo tamin'ny volana fahadimy tamin'ny taona fahafito dia nisy tonga ny loholon'ny Isiraely mba hanontany amin'i Jehovah, ka nipetraka teo anatrehako izy.
1 Jiiri iyyanta ra, a handu guwanta, jirbi wayanta hane, kala Israyla arkusu fooyaŋ kaa zama ngey ma saaware ceeci Rabbi do. I kaa ka goro ay jine.
2Dia tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
2 Rabbi sanno mo kaa ay do ka ne:
3Ry zanak'olona, mitenena amin'ireo loholon'ny Isiraely, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa hanontany amiko va no ihavianareo? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
3 Boro izo, ma salaŋ Israyla arkusey din se ka ne: Yaa no Rabbi, Koy Beero ci: Araŋ kaa ka saaware ceeci ay do no, wala? Ay ze d'ay fundo, ay, Rabbi, Koy Beero, ay si saaware d'araŋ.
4Tsy hotsarainao va izy, ry zanak'olona, tsy hotsarainao va izy? Ampahalalao ny fahavetavetan'ny razany izy.
4 Ni g'i ciiti no, boro izo, ni g'i ciiti, wala? M'i bayrandi nd'i kaayey fanta goyey!
5Ary ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'ny andro nifidianako ny Isiraely sy ny ananganako tanana tamin'ny taranak'i Jakoba sy nanaovako izay hahafantarany Ahy tany amin'ny tany Egypta raha nanangan-tanana taminy Aho ka nanao hoe: Izaho no Jehovah Andriamanitrareo,
5 Ni ma ne i se mo: Yaa no Rabbi, Koy Beero ci: Hano kaŋ hane ay na Israyla suuban, ay ze Yakuba dumo banda se, ay n'ay boŋ bayrandi i se Misira laabo ra, waato kaŋ ay ze i se ka ne: «Ay no ga ti Rabbi araŋ Irikoyo.»
6tamin'izany andro izany no nananganako tanana taminy hitondra azy hivoaka avy tany amin'ny tany Egypta ho any amin'ny tany notadiaviko ho azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
6 Han din hane ay ze i se, ay ne ay g'i kaa Misira laabo ra, ya kand'ey laabo kaŋ ay suuban i se din ra, laabu no kaŋ ga wa da yu bambari, laabu darzante mo no laabey kulu ra.
7dia hoy Izaho taminy: Samia manary ny fahavetavetan'ny masonareo avy ianareo, ary aza mandoto tena amin'ny sampin'i Egypta; Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
7 Ay ne i se mo: Araŋ boro fo kulu ma fanta jinayey kaŋ ga kaan araŋ se din furu. Wa si araŋ boŋ ziibandi nda Misira toorey. Ay no ga ti Rabbi araŋ Irikoyo.
8Nefa niodina tamiko izy ka tsy nety nihaino Ahy; samy tsy nanary ny fahavetavetan'ny masony na nahafoy ny sampin'i Egypta, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako, ary hotanterahiko aminy eo amin'ny tany Egypta ny fahatezerako.
8 Amma i murte ay gaa, i wangu ka hangan ay se mo. I kulu mana fanta harey kaŋ ga kaan ngey se din furu, i mana fay da Misira toorey mo. Kal ay mo ne ay g'ay futa gusam i boŋ, y'ay futa toonandi i boŋ noodin Misira bindo ra.
9Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo imason'ny jentilisa izay nitoerany, sady teo imasony no nanaovako izay hahafantarany Ahy tamin'ny nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta.
9 Amma haya kaŋ ay te din, ay maa beera sabbay se no ay n'a te, zama i ma s'a ziibandi dumi cindey jine, kaŋ ra Israyla bara ga goro. Dumi cindey din jine no ay n'ay boŋ cabe Israyla se, waato kaŋ ay n'i kaa Misira laabo ra.
10Koa dia nentiko nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta izy ka nentiko ho any an-efitra.
10 Ay binde n'i kaa Misira laabo ra ka kand'ey saajo ra.
11Dia nomeko azy ny didiko, ary nampahafantariko azy ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany.
11 Ay n'ay hin sanney no i se, ay n'i bayrandi nd'ay farilley, kaŋ da boro n'i haggoy a ga funa i do.
12Ary nomeko azy koa ny Sabatako ho famantarana ho amiko sy ho aminy mba ho fantany fa Izaho Jehovah no manamasina azy.
12 Ay n'i no ay asibtey* mo, i ma ciya seeda in d'ey game ra, zama i ma bay kaŋ ay no ga ti Rabbi kaŋ g'i hanandi.
13Kanjo niodina tamiko tany an-efitra ihany ny taranak'Isiraely, ka tsy nandeha araka ny didiko izy, fa nanamavo ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, ary nandoto dia nandoto ny Sabatako izy, dia hoy Izaho: Haidiko aminy any an-efitra ny fahatezerako hahalany ringana azy.
13 Amma Israyla dumo murte ay gaa noodin saajo ra. I mana ay hin sanney gana, i wangu ay farilley mo, kaŋ yaŋ da boro n'i haggoy a ga funa i do. I n'ay asibtey mo ziibandi gumo. Alwaati woodin ra ay ne ay g'ay futa gusam i boŋ noodin saajo ra, zama a m'i ŋwa ka ban.
14Kanefa niasa noho ny amin'ny anarako Aho, mba tsy handotoana izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ay nitondrako azy nivoaka.
14 Amma haŋ kaŋ ay te din, ay maa beera sabbay se no ay n'a te, i ma s'a ziibandi dumi cindey jine, ngey kaŋ di waati kaŋ cine ay na Israyla kaa taray.
15Ary Izaho dia nanangan-tanana taminy tany an-efitra koa fa tsy hitondra azy ho any amin'ny tany efa nomeko azy, izay tondra-dronono sy tantely sady tena endriky ny tany rehetra,
15 Ay ze i se mo saajo ra ka ne ay si kand'ey laabo kaŋ ay n'i no din ra, laabu no kaŋ ga wa da yu bambari, laabu darzante mo no laabey kulu ra.
16satria efa nanamavo ny fitsipiko izy ary tsy nandeha araka ny didiko, fa nandoto ny Sabatako; fa ny fony dia nanaraka ny sampiny.
16 Zama i wangu ay farilley, i mana ay hin sanney gana mo. I n'ay asibtey ziibandi, zama i biney go i toorey banda duumi.
17Nefa niantra azy ihany ny masoko, ka dia tsy naringako na nolevoniko tany an-efitra izy.
17 Kulu nda yaadin, ay n'i guna da bakaraw, ay ma s'i halaci ka ban se. Ay mana i kulu ban mo parkatak, noodin saajo ra.
18Fa hoy Izaho tamin'ny zanany tany an-efitra: Aza mandeha araka ny fanaon-drazanareo ianareo, na mitandrina ny fitsipiny, na mandoto tena amin'ny sampiny;
18 Noodin saajo ra mo ay ne i izey se: Wa s'araŋ baabey hin sanney gana, araŋ ma si i farilley haggoy, araŋ ma s'araŋ boŋ ziibandi nd'i toorey mo.
19fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo; koa mandehana araka ny didiko, ary mitandrema ny fitsipiko, ka araho izany.
19 Ay no ga ti Rabbi araŋ Irikoyo. W'ay hin sanney gana, k'ay farilley gana, k'i goy mo.
20Ary manamasina sy Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy ho aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo.
20 Araŋ m'ay asibtey hanandi mo. I ga ciya seeda in d'araŋ game ra, zama araŋ ma bay kaŋ ay no ga ti Rabbi araŋ Irikoyo.
21Kanjo niodina tamiko koa ny zanany: tsy nandeha araka ny didiko izy, na nitandrina hanaraka ny fitsipiko, izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy, ka dia hoy Izaho: Haidiko aminy ny fahavinirako. ary hotanterahiko aminy any an-efitra ny fahatezerato.
21 Amma izey, ngey mo murte ay gaa. I mana ay hin sanney gana, i mana haggoy d'ay farilley zama ngey m'i goy se, kaŋ yaŋ da boro n'i haggoy a ga funa i do. I n'ay asibtey ziibandi. Waato din gaa no ay ne ay g'ay futa gusam i boŋ, y'ay futay korna goyo toonandi i boŋ noodin saajo ra.
22Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin'ny anarako, mba tsy ho voaloto izany eo anatrehan'ny jentilisa izay nahita ny nitondrako azy nivoaka.
22 Kulu nda yaadin ay n'ay kamba candi, k'ay maa beera saal, hal ay maa ma si hasara dumi cindey jine, ngey kaŋ di waato kaŋ ay na Israyla kaa taray.
23Dia nanangan-tanana taminy tany an'efitra, indray Aho, hampiely azy any amin'ny jentilisa sy hampihahaka azy any amin'ny tany samy hafa,
23 Ay ze i se mo noodin saajo ra, ka ne ay g'i say-say dumi cindey game ra, ay m'i fay-fay laabey ra.
24satria tsy nanaraka ny fitsipiko izy, fa nanamavo ny didiko sy nandoto ny Sabatako, ary ny masony nanaraka ny sampin'ny razany.
24 Zama i mana ay farilley goy, amma i wangu ay hin sanney, i n'ay asibtey ziibandi, i go ga miila ngey baabey toorey do haray mo.
25Ary nomeko didy tsy tsara koa izy sy fitsipika izay tsy mahavelona Azy.
25 Hal ay n'i no hin sanniyaŋ kaŋ si boori, da farillayaŋ kaŋ i si hin ka funa i do.
26Dia nandoto azy tamin'ny fanatiny Aho, dia tamin'ny nampandehanany ny voalohan-teraka rehetra hamaky ny afo, hampahatalanjonako azy, mba hahafantarany fa Izaho no Jehovah.[Na: dia tamin'ny nanokanany ny voalohan-teraka rehetra; izahao Eks. xiii. 12]
26 Ay n'i harram mo i sargayey kaŋ i goono ga kande do haray. Zama i na ngey hay-jiney kulu daŋ danji ra, zama ay m'i mursandi, i ma bay mo kaŋ ay no ga ti Rabbi.
27Koa mitenena amin'ny taranak'Isiraely, ry zanak'olona, ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Tamin'izao no mbola nanamavoan'ny razanareo Ahy tamin'ny nivadihany tamiko:
27 Ni binde, boro izo, kala ni ma salaŋ Israyla dumo se ka ne i se: Yaa no Rabbi, Koy Beero ci: Araŋ kaayey n'ay kayna, mate kaŋ cine i n'ay amaana ŋwaayaŋo te d'a.
28Nony nitondra azy ho any amin'ny tany izay nananganako tanana homena azy Aho, dia nahita ny havoana andrandraina rehetra sy ny hazo misandrahaka rehetra izy, ka tao no namonoany zavatra hatao fanatitra, ary tao koa no nametrahany ny fanatiny mahatezitra; tao koa no nanaterany hanitra ankasitrahana, ary tao no nanidinany ny fanatitra aidiny.
28 Zama waato kaŋ ay kand'ey laabo kaŋ ay ze d'a i se ka ne ay g'i no nd'a din ra, kal i na tudu kuuku kulu da tuuri-nya kulu kaŋ gonda bi guna. Noodin yaŋ no i soobay ka konda ngey sargayey. Noodin yaŋ no i n'ay yanje ceeci da ngey sargayey. Noodin yaŋ mo no i na ngey dugu kaŋ haw ga kaan ton, i na ngey haŋyaŋ sargayey mo soogu.
29Ka dia hoy Izaho taminy: Ahoana moa ny amin'ny fitoerana avo alehanareo ? Ka dia fitoerana avo no natao anarany mandraka androany.
29 Kal ay ne i se: Ifo no ga ti tudu boŋ sududuyaŋ haro wo sabaabu, nango kaŋ araŋ goono ga miila? I binde ga ne a se Bama (sanda Tudu boŋ nooya,) hala hunkuna.
30Koa ataovy amin'ny taranak'Isiraely hoe: Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Moa mandoto tena araka ny fanaon'ny razanareo va ianareo, sy mijangajanga manaraka ny fahavetavetany va,[Heb. lalana]
30 Woodin sabbay se no ni ma ne Israyla dumo se: Yaa no Rabbi, Koy Beero ci: Araŋ g'araŋ boŋ ziibandi araŋ kaayey alaadey boŋ, wala? Araŋ g'i fanta harey gana ka kazaamataray te no?
31ary mandoto tena amin'ny sampinareo rehetra mandraka androany va ianareo amin'ny anateranareo ny fanomezanareo sy ny ampandehananareo ny zanakareo hamaky ny afo? Ary Izaho va hety hanontanianareo, ry taranak'Isiraely? Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, tsy hety hanontanianareo mihitsy Aho.
31 D'araŋ ga kande araŋ nooyaŋey, araŋ go g'araŋ ize arey daŋ danji ra mo, araŋ go g'araŋ boŋ ziibandi nda araŋ toorey hala ka kaa sohõ -- araŋ ga hin ka ceeci ay gaa, wala, ya Israyla dumo? Ay ze d'ay fundo, ay, Rabbi, Koy Beero, ay si ta araŋ ma ceeci ay gaa.
32Ary tsy ho tanteraka mihitsy ny eritreritry ny fanahinareo hoe: Ho tahaka ny jentilisa izahay, dia tahaka ny firenena amin'ny tany samy hafa, ka hanao fanompoam-pivavahana ho an'ny vato aman-kazo.
32 Haŋ kaŋ araŋ goono ga tammahã mo, a si te baa kayna. Zama araŋ goono ga ne: «Iri wo, kal iri ma ciya sanda ndunnya dumi cindey cine, sanda laabey ra borey cine yaŋ, iri ma may tuuri nda tondi se.»
33Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tanana mahery sy sandry ahinjitra ary fahatezerana aidina no hanjakako aminareo.
33 Ay ze d'ay fundo, ay, Rabbi, Koy Beero, haciika ay g'araŋ may da kambe hinkoy, d'ay kambe gaabi sallanta, da futay toonante mo, peet!
34Ary amin'ny tanana mahery sy ny sandry ahinjitra ary amin'ny fahatezerana aidina no hitondrako anareo mivoaka avy any amin'ny firenena sy hamoriako anareo avy any amin'ny tany izay nampielezana anareo.
34 Ay g'araŋ kaa taray ka fun dumi cindey game ra, ya araŋ margu mo ka fun d'araŋ laabey ra, nangey kaŋ araŋ go say-sayante din. Ay g'a te da kambe hinkoy, da kambe gaabi sallante, da futay toonante mo, peet!
35Dia ho entiko ho any an-efitry ny firenena ianareo, ary any no hifandaharako mifanatrika aminareo.
35 Ay ga kande araŋ ndunnya dumey saajo ra mo. Noodin no ay ga ciiti araŋ se mo-da-mo.
36Tahaka ny nifandaharako tamin'ny razanareo tany an-efitry ny tany Egypta, dia toy izany koa no hifandaharako aminareo, hoy Jehovah Tompo.
36 Sanda mate kaŋ cine ay ciiti d'araŋ kaayey Misira laabu saajo ra, yaadin cine no ay ga te araŋ mo se. Yaadin no Rabbi, Koy Beero ci.
37Ary hampandaloviko eo ambanin'ny tehina ianareo ka hampidiriko hofehezin'ny fanekena.
37 Ay ga naŋ araŋ ma gana hawji goobu cire, ya araŋ daŋ alkawli sambuyaŋ ra.
38Ary havahako hiala aminareo ny mpiodina sy izay manota amiko; eny, ho entiko hiala amin'ny tany ivahiniany ireo, nefa tsy hisy ho tafiditra ao amin'ny tanin'ny Isiraely izy; ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.
38 Ya araŋ hagay ka turantey da borey kaŋ yaŋ n'ay asariya taamu din kaa araŋ game ra. Ay g'i kaa waani, i ma fay da laabo kaŋ ra i goono ga goro, amma i si furo Israyla laabo ra bo. Yaadin cine gaa no araŋ ga bay kaŋ ay no ga ti Rabbi.
39Ary ny aminareo, ry taranak'Isiraely, izao no lazain'i Jehovah Tompo; Samia mandeha ianareo, ka manompoa ny sampinareo; nefa any aoriana kosa dia hihaino Ahy mihitsy ianareo ka tsy handoto ny anarako masina intsony amin'ny fanatitrareo sy amin'ny sampinareo.
39 Araŋ ciine ra mo, ya Israyla dumo, wa maa haŋ kaŋ Rabbi, Koy Beero ci. A ne: Wa koy, araŋ kulu! Araŋ ma soobay ka may araŋ toorey se, amma kokor banda haciika araŋ ga ye ka hangan ay se. Amma araŋ si ye k'ay maa hanna ziibandi d'araŋ nooyaŋey, d'araŋ toorey mo!
40Fa ao an-tendrombohitro masina, dia ao an-tendrombohitra avon'ny Isiraely, hoy Jehovah Tompo, no hanompoan'ny taranak'Isiraely rehetra Ahy, dia izay rehetra amin'ny tany; ao no hankasitrahako azy, ary ao no hilako ny fanatitrareo sy ny voaloham-bokatra aterinareo amin'ny zava-masinareo rehetra,
40 Yaa no Rabbi, Koy Beero ci: Zama ay tondi kuuku hananta boŋ, Israyla tondi kuuko nooya, Israyla dumo kulu, i tooyaŋo kulu, noodin no i ga may ay se laabo din ra. Noodin no ay g'i ta. Noodin mo no ay g'araŋ sargayey ceeci, d'araŋ nooyaŋey, boŋ-jina waney, d'araŋ saajaw hananta kulu care banda.
41Hankasitrahako toy ny hanitra ankasitrahana ianareo amin'ny hitondrako anareo mivoata avy any amin'ny firenena sy ny hamoriako anareo avy any amin'ny tany samy hafa nampielezana anareo, ka dia hiseho ho masina eo anatrehan'ny jentilisa Aho amin'ny hataoko aminareo.
41 Ay g'araŋ ta danga haw kaano, waati kaŋ ay n'araŋ kaa dumi cindey game ra, ay n'araŋ margu ka fun d'araŋ laabey ra, nangey kaŋ ay n'araŋ say-say. Yaadin gaa no ay ga hanan araŋ do dumi cindey jine.
42Ary ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, raha mitondra anareo ho any amin'ny tanin'ny Isiraely Aho, dia ny tany izay nananganako tanana nomena ny razanareo.
42 Araŋ ga bay mo kaŋ ay no ga ti Rabbi, waati kaŋ ay kande araŋ Israyla laabo ra, laabo kaŋ ay ze d'a ka ne ay ga araŋ kaayey no nd'a.
43Ary hotsaroanareo any ny nalehanareo sy ny nataonareo rehetra izay nahaloto anareo; ary haharikoriko anareo ny tenanareo noho ny ratsy rehetra izay nataonareo.Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
43 Noodin no araŋ ga fongu araŋ muraadey d'araŋ goyey kulu gaa, mate kaŋ araŋ n'araŋ boŋ ziibandi. Araŋ g'araŋ boŋ fanta araŋ boŋ se, goy laaley kulu kaŋ araŋ te sabbay se.
44Dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah, rehefa miasa aminareo Aho noho ny amin'ny anarako, fa tsy araka ny lalàn-dratsinareo, na araka ny ratsy fanaonareo, ry taranak'Isiraely, hoy Jehovah Tompo.
44 Araŋ ga bay mo kaŋ ay no ga ti Rabbi, waati kaŋ ay te d'araŋ ay maa beera sabbay se. Manti araŋ muraadu laaley boŋ bo, manti mo araŋ goy fumbey boŋ, ya Israyla dumo. Yaadin no Rabbi, Koy Beero ci.