Malagasy

Zarma

Jeremiah

1

1[Ny niantsoana an'i Jeremia ho mpaminany, sy ny nanambarana taminy izay ho raharahany] Ny tenin'i Jeremia, zanak'i Hilkia, isan'ny mpisorona tao Anatota, tamin'ny tanin'ny Benjamina,
1 Irimiya Hilciya izo ya alfaga* fo no kaŋ go Anatot kwaara alfagey ra Benyamin laabo ra.
2izay nanambarana ny tenin'i Jehovah tamin'ny andron'i Josia, zanak'i Amona, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny taona fahatelo ambin'ny folo nanjakany,
2 A me ra no Rabbi Sanno kaa Yahuda koyo Yosiya Amon izo jirbey ra, ka sintin a mayra jiiri way cindi hinzanta ra.
3sy tamin'ny andron'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda koa, ka hatramin'ny faran'ny taona fahiraika ambin'ny folo nanjakan'i Zedekia, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia hatramin'ny namaboana an'i Jerosalema tamin'ny volana fahadimy.
3 Sanno ye ka kaa mo koyne Yahuda bonkoono Yehoyacim Yosiya izo jirbey ra, kal a koy ka to Yahuda bonkoono Zedeciya Yosiya izo jiiri way cindi fa bananta ra, ka koy alwaato kaŋ Urusalima* koy tamtaray, handu guwanta ra. A sanney neeya:
4Tonga tamiko ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
4 Rabbi sanno kaa ay do ka ne:
5Hatry ny fony ianao tsy mbola noforoniko tany an-kibo no efa fantatro, ary hatry ny fony ianao tsy mbola teraka no efa nohamasiniko sy notendreko ho mpaminany ho an'ny firenena.
5 Za ay mana ni taka gunde ra no ay ga ni bay. Za ni mana fun gunde ra mo no ay na ni fay waani. Ay na ni daŋ annabi* ndunnya dumey se.
6Ary hoy kosa aho: Indrisy, Jehovah Tompo ô! indro, tsy mahay mandaha-teny aho, fa mbola zaza.
6 Alwaato din ay ne: «Hay! Rabbi Koy Beero! Ay go, ay si waani sanni, zama ay ya zanka no.»
7Fa hoy Jehovah tamiko: Aza manao hoe: Mbola zaza aho; fa handeha amin'izay rehetra hanirahako anao ianao, ary izay rehetra handidiako anao no hambaranao.
7 Amma Rabbi ne ay se: Ma si ne ni ya zanka no. Zama ni ga koy nangu kulu kaŋ ay na ni donton. Haŋ kaŋ me ay na ni lordi mo, ni g'a ci.
8Aza matahotra azy ianao; fa momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
8 Ma si humbur'ey, zama ay go ni banda ay ma ni kaa kambe se. Yaadin no Rabbi ci.
9Dia naninjitra ny tànany Jehovah ka nanendry ny vavako, ary hoy Jehovah tamiko: Indro, efa nataoko ao am-bavanao ny teniko,
9 Kala Rabbi na nga kamba salle k'ay meyo ham. Rabbi ne ay se mo: A go, ay n'ay sanney daŋ ni meyo ra.
10ary indro Aho manendry anao izao andro anio izao hanam-pahefana amin'ny firenena sy ny fanjakana hanongotra sy hanjera sy handrava sy handrodana ary hanorina sy hamboly.
10 Guna, hunkuna ay na ni daŋ ndunnya dumey nda mayrayey boŋ, zama ni m'i zeeri, m'i bagu-bagu, m'i halaci, m'i hibandi, m'i cina, m'i tilam mo.
11Ary tonga tamiko indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Ry Jeremia, inona izao hitanao izao? Ary hoy izaho: Rantsan-kazo mahatsiaro no hitako.[Ny amygdala no ataon'ny Hebreo hoe "hazo mahatsiaro", satria mamony alohan'ny hazo sasany]
11 Rabbi sanno ye ka kaa ay do koyne ka ne: Irimiya, ifo no ni go ga di? Ay ne: «Ay goono ga di amand* tuuri goobu.»
12Dia hoy Jehovah tamiko: Marina ny ahitanao azy; fa mahatsiaro Aho mba hahatanteraka ny teniko.
12 Kala Rabbi ne ay se: A ga saba, haŋ kaŋ ni di din, zama ay g'ay sanno haggoy zama y'a toonandi.
13Ary tonga tamiko fanindroany indray ny tenin'i Jehovah nanao hoe: Inona izao hitanao izao; Ary hoy izaho: Vilany mangotraka no hitako, ary mitongilana mianatsimo ny vavany.
13 Rabbi sanno ye ka kaa ay do koyne sorro hinkanta, ka ne: Ifo no ni go ga di? Ay ne: «Ay go ga di kusu kaŋ goono ga zarga. A meyo mo go ga dandi kambe haray guna.»
14Dia hoy Jehovah tamiko: Hiroatra avy any avaratra ny loza hanjo ny mponina rehetra amin'ny tany.
14 Waato din gaa no Rabbi ne ay se: Azawa kambe haray no masiiba ga fun ka kaŋ laabo gorokoy kulu boŋ.
15Fa, indro, hantsoiko firenena rehetra amin'ny fanjakana any avaratra, hoy Jehovah; dia ho tonga izy, ka samy hametraka ny seza fiandrianany eo anoloan'ny vavahadin'i Jerosalema avokoa hamelezany ny mandany rehetra manodidina sy ny tanàna rehetra any Joda.
15 Zama a go, ay ga azawa kambe mayrayey dumey kulu ce. Yaadin no Rabbi ci. I ga kaa mo, i afo kulu ma nga karga sinji Urusalima meyey gaa, I ma gaaba nd'a cinari beerey kulu, Da Yahuda galley kulu mo.
16Ary hifandahatra aminy Aho noho ny haratsiany rehetra, dia ny nahafoizany Ahy sy ny nandoroany ditin-kazo manitra ho an'ny andriamani-kafa ary ny niankohofany teo anatrehan'ny asan'ny tànany.
16 Ay g'ay ciitey ci i se i goy laaley kulu boŋ, Za kaŋ i n'ay furu. I na dugu ton de-koy* waani fooyaŋ se, I sududu mo ngey kambe goyey se.
17Fa ianao kosa dia misikìna, ary miomàna, ka lazao aminy izao rehetra andidiako anao izao; aza matahotra ireo, fandrao dia hataoko raiki-tahotra eo anatrehany ianao.
17 Sohõ binde, ni ma tun ka guddu. Ma ci i se hay kulu kaŋ ay na ni lordi nd'a. Ma si humburu i jine, zama ay ma si ni humburandi i jine.
18Indro, Izaho hanao anao ho tanàna mimanda sy andry vy ary manda varahina mba tsy ho leon'ny tany rehetra, na ny mpanjakan'ny Joda, na ny lehibeny, na ny mpisorony, na ny vahoaka.Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
18 Zama a go, hunkuna ay na ni ciya gallu cinari beerikoy, guuru-bi cinari kuuku, da guuru-say cinari, kaŋ ga naŋ ni ma kay ka gaaba nda laabo kulu, da Yahuda bonkooney, d'a mayraykoyey, d'a alfagey da laabo jama.
19Fa hiady aminao ireny, nefa tsy hahaleo anao, satria momba anao hamonjy anao Aho, hoy Jehovah.
19 I ga yanje da nin, amma i si te ni boŋ zaama, zama ay go ni banda, hal ay ma ni kaa kambe. Yaadin no Rabbi ci.