1[Ny nanoratana ny tenin'i Jeremia, sy ny namakiana azy teo an-kianjan'ny tempoly] Ary tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah izao teny izao hoe:
1 Yahuda bonkoono Yehoyacim, Yosiya izo koytara jiiri taacanta ra no, sanni woone fun Rabbi do ka kaa Irimiya do ka ne:
2Makà horonan-taratasy ianao, ka soraty amin'izany ny teny rehetra izay nolazaiko taminao ny amin'ny Isiraely sy ny Joda ary ny firenena rehetra hatramin'ny andro nilazako taminao dia hatramin'ny andron'i Josia ka mandraka androany.
2 Ma tira fo sambu ka sanni kulu kaŋ ay ci ni se Israyla nda Yahuda nda ndunnya dumey kulu boŋ hantum a ra. Ma sintin za han kaŋ hane ay salaŋ ni se Yosiya zamana ra ka kaa hunkuna.
3Angamba hoheverin'ny taranak'i Joda ny loza rehetra izay kasaiko hatao aminy, dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy, ka havelako ny helony sy ny fahotany.[Heb. hohenoin']
3 Hambara Yahuda dumo ga maa masiiba kulu kaŋ ay goono ga miila ay ma te i se, hal i boro fo kulu ma bare ka fay da nga fondo laala, gaa no ay g'i yaafa nd'i laala d'i zunubey mo.
4Ary Jeremia niantso an'i Baroka, zanak'i Neria, ary dia nosoratan'i Baroka tamin'ny horonan-taratasy ny tenin'i Jehovah rehetra avy tamin'ny vavan'i Jeremia, dia izay efa nolazainy taminy.
4 Kala Irimiya na Baruk Neriya izo ce. Baruk mo, sanni kulu kaŋ Rabbi ci Irimiya se, a n'i hantum tira ra, Irimiya me sanno boŋ.
5Ary Jeremia nandidy an'i Baroka hoe: Izaho izao dia voahazona ka tsy afaka mankany an-tranon'i Jehovah;
5 Irimiya na Baruk lordi mo ka ne: «Ay wo kay, i n'ay gaay, ay si hin ka furo Rabbi windo ra.
6fa mandehana ianao, ka vakio eo anatrehan'ny vahoaka ao an-tranon'i Jehovah amin'ny andro fifadiankanina ny tenin'i Jehovah, izay efa nosoratanao avy tamin'ny vavako, ary vakio eo anatrehan'ny Joda rehetra izay tonga avy any amin'ny tanànany koa.
6 Day, tira kaŋ ni hantum ay me sanno boŋ, kaŋ ga ti Rabbi sanno, ni ma koy k'a caw borey hangey ra Rabbi windo ra mehaw zaaro hane. Ni ga sanney caw mo Yahuda jama kulu kaŋ yaŋ ga fun ngey galley ra hangey ra.
7Fa angamba ny fifonany hoborahina eo anatrehan'i Jehovah, ka dia samy hiala amin'ny lalany ratsy avy izy; fa loza ny fahatezerana sy ny fahavinirana izay nolazain'i Jehovah ny amin'ity firenena ity.[Heb. hiankohoka]
7 Hambara i ga konda ngey hẽeno Rabbi jine. I boro fo kulu mo ma bare ka fay da nga fondo laala, zama dukuro da futa kaŋ Rabbi ci dumo wo boŋ ga beeri.»
8Ary Baroka, zanak'i Neria, dia nanao araka izay rehetra nandidian'i Jeremia mpaminany azy ka namaky ny tenin'i Jehovah tamin'ny taratasy teo an-tranon'i Jehovah.
8 Baruk Neriya izo binde goy mate kulu kaŋ annabi Irimiya n'a lordi nd'a boŋ. A go ga Rabbi sanno kaŋ go tira ra din caw Rabbi windo ra.
9Fa tamin'ny volana fahasivy tamin'ny taona fahadimy manjakan'i Joiakima, zanak'i Josia, mpanjakan'ny Joda, dia niantso fifadian-kanina teo anatrehan'i Jehovah izy tamin'ny vahoaka rehetra tany Jerosalema sy tamin'ny olona rehetra izay efa tonga tany Jerosalema avy eny amin'ny tanànan'ny Joda.
9 A ciya mo, kala Yahuda bonkoono Yehoyacim Yosiya izo mayra jiiri guwanta ra, jiiro handu yagganta ra, Urusalima borey kulu da borey kulu kaŋ yaŋ fun Yahuda galley ra ka kaa Urusalima na mehaw fe Rabbi jine.
10Dia novakin'i Baroka teo anatrehan'ny vahoaka rehetra tao an-tranon'i Jehovah ny tenin'i Jeremia tamin'ny taratasy, dia tao amin'ny efi-tranon'i Gemaria, zanak'i Safana mpanoratra, teo amin'ny kianja ambony, teo anoloan'ny vavahady vaovao amin'ny tranon'i Jehovah.
10 Kala Baruk na Irimiya sanney kaŋ go tira ra din caw Rabbi windo ra, hantumkwa Gemariya Safan izo fu-izo ra, beene windi batama ra, Rabbi windo Me Tajo furoyaŋo do. A n'a caw jama kulu hangey ra.
11Ary nony ren'i Mikaia, zanak'i Gemaria, zanak'i Safana, ny tenin'i Jehovah rehetra tamin'ny boky,
11 Waato kaŋ Mikaya Gemariya izo, Safan ize maa Rabbi sanney kulu kaŋ go tira ra,
12dia nidina nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka izy ka nankao amin'ny efi-tranon'ny mpanoratra; ary indreo ny mpanapaka rehetra nipetraka teo, dia Elisama mpanoratra sy Delaia, zanak'i Semaia, sy Elnatana zanak'i Akbora, sy Gemaria, zanak'i Safana, sy Zedekia, zanak'i Hanania, mbamin'ny mpanapaka rehetra.
12 kal a zulli ka koy bonkoono windo ra, ka koy hantumkoy fu-izo ra. Wiiza, faadancey kulu go noodin ga goro. Ngey neeya: Elisama kaŋ ga hantum, da Delaya Semaya izo, da El-Natan Akbor izo, da Gemariya Safan izo, da Zedeciya Hananiya izo, da faadancey kulu mo.
13Dia nambaran'i Mikaia azy ny teny rehetra izay efa reny tamin'ny namakian'i Baroka ny taratasy teo anatrehan'ny vahoaka.
13 Kala Mikaya ci i se sanney kulu kaŋ nga maa waato kaŋ Baruk na tira caw jama kulu hangey ra.
14Dia nirahin'ny mpanapaka rehetra Jehody, zanak'i Netania, zanak'i Selemia, zanak'i Kosy, ho any amin'i Baroka hanao hoe: Ento eny an-tananao ny horonan-taratasy, ilay novakinao teo anatrehan'ny vahoaka, ka mankanesa atỳ. Dia nentin'i Baroka, zanak'i Neria, teny an-tànany ny horonan-taratasy, ka dia nankany aminy izy.
14 Faadancey kulu binde na Yehudi Netaniya izo, Selemiya ize, Kusi ize donton a ma koy Baruk do ka ne: «Tira kaŋ ni caw jama hangey ra din, m'a sambu ka kand'a ni kamba ra.» Baruk Neriya izo binde na tira sambu nga kamba ra ka koy i do.
15Ary hoy izy Ireo taminy: Mipetraha ary, ka vakio eto anatrehanay. Dia novakin'i Baroka teo anatrehany.
15 I ne a se: «Sohõ, ma goro k'a caw iri mo se.» Baruk binde n'a caw i hangey ra.
16Ary rehefa reny ny teny rehetra, dia nifampijerijery tamin-tahotra izy, ka hoy izy tamin'i Baroka: Tsy maintsy holazainay amin'ny mpanjaka izany teny rehetra izany.
16 A ciya mo, waato kaŋ i maa sanney kulu, i bare ngey nda care gaa da humburkumay. I ne Baruk se: «Daahir iri ga sanney wo kulu ci bonkoono se.»
17Ary Baroka dia nadininy hoe: Lazao aminay ny nanoratanao izao teny rehetra izao avy tamin'ny vavany.
17 I na Baruk hã ka ne a se: «Ma ci iri se sohõ, mate no ni te ka sanney wo kulu hantum? Irimiya me sanno gaa no, wala?»
18Dia hoy Baroka taminy: Ny vavany no nanonona izany teny rehetra izany tamiko, ka dia nosoratako an-taratasy tamin'ny ranomainty.
18 Kala Baruk tu i se ka ne: «A na sanney wo kulu ci ay se da nga meyo. Ay mo n'i hantum tira ra da dawa.»
19Dia hoy ny mpanapaka tamin'i Baroka: Mandehana, ka miere ianao sy Jeremia, ary aoka tsy hisy olona hahita izay itoeranareo.
19 Kala faadancey ne Baruk se: «Ma koy ka tugu, nin da Irimiya. Boro kulu ma si bay naŋ kaŋ araŋ go.»
20Dia niditra tao amin'ny mpanjaka tao amin'ny kianja izy ireo (nefa ny horonan-taratasy efa napetrany tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra), ary nambarany teo anatrehan'ny mpanjaka ny teny rehetra.
20 Ngey mo koy faada ra bonkoono do, amma i fay da tira hantumkwa Elisama fu-izo ra. I n'a sanney kulu ci bonkoono se a hanga ra.
21Ary nirahin'ny mpanjaka Jehody haka ilay horonan-taratasy, dia nalainy tao amin'ny efi-tranon'i Elisama mpanoratra iny. Ary dia novakin'i Jehody teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka rehetra izay nitsangana teo anatrehan'ny mpanjaka izany.
21 Bonkoono binde na Yehudi donton a ma koy ka tira din sambu ka kande. A binde na tira sambu hantumkwa Elisama fu-izo ra ka kande. Yehudi mo na tira caw bonkoono se a hanga ra, da faadancey kulu kaŋ yaŋ goono ga kay bonkoono jarga hangey ra.
22Ary ny mpanjaka nipetraka tao an-trano ririnina tamin'ny volana fahasivy, sady nisy afo nirehitra teo am-patana teo anoloany.
22 Bonkoono goono mo ga goro jaw waate fuwo ra, handu yagganta ra. Danji go cambu ra ga di a jine.
23Ary nony efa namaky toko telo na efatra Jehody, dia notapatapahin'ny mpanjaka tamin'ny antsipika ny horonan-taratasy ka natsipitsipiny teo anaty afo teo am-patana, mandra-pahalevon'ny afo azy rehetra teo am-patana.
23 A ciya binde, waati kaŋ Yehudi na tira calle hinza wala itaaci caw, kala bonkoono ma tira dumbu nda zaama k'a furu danjo kaŋ goono ga di nga jine cambo ra din ra. Kala tira kulu ton ka ban noodin cambo danjo ra.
24Nefa ny natahotra akory ireo na nandriatra ny fitafiany, na ny mpanjaka, na ny mpanompony rehetra, izay efa nandre izany teny rehetra izany.
24 Humburkumay man'i di, i mana ngey bankaarayey tooru-tooru* mo, za bonkoono da nga tamey, ngey kaŋ yaŋ maa sanney wo kulu.
25Ary na dia efa nifona tamin'ny mpanjaka aza Elnatana sy Delaia ary Gemaria, mba tsy handoro ny horonan-taratasy, dia tsy nety nihaino azy izy.
25 Amma El-Natan, da Delaya, da Gemariya jin ka bonkoono ŋwaaray ka ne a ma si tira ton, amma a wangu ka hangan i se.
26Ary ny mpanjaka nandidy an'i Jeremeia, zanak'andriana, sy Seraia, zanak'i Azriela, ary Selemia, zanak'i Abdela, hisambotra an'i Baroka mpanoratra sy Jeremia mpaminany; fa nafenin'i Jehovah izy roa lahy.
26 Bonkoono binde na nga izo Yerameyel da Seraya Azriyel izo, da Selemiya Abdel izo lordi ka ne i ma hantumkwa Baruk da annabi Irimiya di, amma Rabbi n'i tugu.
27Dia tonga tamin'i Jeremia ny tenin'i Jehovah, taorian'ny nandoroan'ny mpanjaka ny horonan-taratasy sy ny teny izay nosoratan'i Baroka avy tamin'ny vavan'i Jeremia, nanao hoe:
27 Waato din gaa no Rabbi sanno kaa Irimiya do, waato kaŋ bonkoono na tira da sanney kulu kaŋ hantumkwa Baruk hantum Irimiya me sanney boŋ din ton. Rabbi ne:
28Makà horonan-taratasy hafa koa indray ianao, ka soraty aminy ilay teny rehetra tamin'ny horonan-taratasy teo, dia ilay nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda.
28 Kala ni ma ye ka tira fo sambu koyne. Woodin gaa no ni ma sanni zeeney kulu hantum, wo kaŋ yaŋ go tira sintina ra kaŋ Yahuda bonkoono Yehoyacim ton.
29Ary ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, dia holazainao hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao efa nandoro iny horonan-taratasy iny ka nanao hoe: Ahoana no nanoratanao tamin'iny hoe: Ho avy tokoa ny mpanjakan'i Babylona ka handrava ity tany ity sy hahalany ritra ny olona mbamin'ny biby eto?
29 Yahuda bonkoono Yehoyacim boŋ mo ni ga ne: Yaa no Rabbi ci: Ni na tira din ton. Ni ne: «Ifo se no ni hantum a ra ka ne: Daahir Babila bonkoono ga kaa ka laabo wo halaci, hal a ma naŋ boro nda alman kulu ma ban a ra?»
30Koa izao no lazain'i Jehovah ny amin'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda: Tsy hanana fara handimby eo amin'ny seza fiandrianan'i Davida izy; ary ny fatiny dia hariana ka hasian'ny hainandro amin'ny antoandro ary ny fanala amin'ny alina.
30 Woodin sabbay se no, yaa no Rabbi ci Yahuda bonkoono Yehoyacim boŋ: A si du boro kulu kaŋ ga goro Dawda karga boŋ, i g'a buukwa furu wayna korna da cin yeeno ra mo.
31Ary hampijaliko izy mbamin'ny taranany sy ny mpanompony noho ny helony; ary havoko mihatra aminy sy amin'ny mponina any Jerosalema ary amin'ny lehilahy amin'ny Joda ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy, fa tsy nohenoiny.Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.
31 Ay mo g'a ciiti, nga nda nga banda nd'a tamey i laalayaŋo sabbay se. Urusalima ra gorokoy da Yahuda borey mo, ay ga masiibey kulu kaŋ ay ci candi ka kande i boŋ -- amma i mana hangan _ay se|_.
32Ary Jeremia dia naka horonan-taratasy hafa koa, ka natolony an'i Baroka mpanoratra, zanak'i Neria, ary izy nanoratra tao avy tamin'ny vavan'i Jeremia ny teny rehetra izay tao amin'ilay horonan-taratasy nodoran'i Joiakima, mpanjakan'ny Joda, tamin'ny afo; sady nampiany teny maro tahaka ireny koa aza.
32 Waato din gaa no Irimiya ye ka tira fo sambu koyne, k'a no hantumkwa Baruk Neriya izo se. Nga mo na Irimiya me sanney hantum, sanney kulu kaŋ yaŋ go tira ra kaŋ Yahuda bonkoono Yehoyacim ton danjo ra. I ye ka sanni woodin yaŋ dumi boobo tonton i gaa.