1[Fiderana an'Andriamanitra noho ny heriny sy ny nitondrany ny Isiraely, ary filazana ny mahatsinontsinona ny sampy] Haleloia. Miderà ny anaran'i Jehovah; Miderà, ianareo mpanompon'i Jehovah,
1 Alleluya! Ya araŋ, Rabbi tamey, wa Rabbi maa sifa, W'a sifawo te!
2Hianareo izay mpitoetra ao an-tranon'i Jehovah, Eo anatin'ny kianjan'ny tranon'Andriamanitsika.
2 Araŋ kaŋ ga kay Rabbi fuwo ra, Iri Irikoyo fuwo windo ra,
3Miderà an'i Jehovah, fa tsara Izy; Mankalazà ny anarany, fa mahafinaritra izany.
3 Wa Rabbi sifa, zama Rabbi ya booriyankoy no. Wa sifayaŋ baytu te a maa se, zama woodin ga kaan.
4Fa Jakoba nofidin'i Jehovah ho Azy, Ary Isiraely ho rakitra soa ho Azy,
4 Zama Rabbi na Yakuba suuban nga boŋ se, Israyla ya a mayray hari no.
5Fa fantatro fa lehibe Jehovah, Ary ambonin'ny andriamanitra rehetra ny Tompontsika.
5 Zama ay bay kaŋ Rabbi ya beeraykoy no, Iri Irikoyo go de-koyey kulu boŋ.
6Manao izay sitrapony rehetra Jehovah, Na any amin'ny lanitra, na etỳ ambonin'ny tany, Na any amin'ny ranomasina sy ny rano lalina rehetra.
6 Hay kulu kaŋ ga kaan Rabbi se, woodin no a ga te, Beene nda ganda ra, teekoy da guusuyaŋey ra.
7Mampiakatra zavona avy amin'ny faran'ny tany Izy; Manao helatra arahin-dranonorana Izy; Mamoaka ny rivotra avy ao an-trano fitehirizany Izy,
7 A ga naŋ burey ma tun za ndunnya me, A ga nyalawyaŋey daŋ beene hari sabbay se, A ga haw kaa taray a ma fun nga arzaka jisiri nangey ra.
8Dia Ilay namely ny voalohan-terak'i Egypta, Na olona, na biby.
8 Nga no ka Misira laabo hay-jiney kar, Boro gaa, alman gaa.
9Nanatitra famantarana sy fahagagana teo aminao Izy, ry Egypta ô, Eny, tamin'i Farao sy ny mpanompony rehetra,
9 Ya Misira, a na alaama nda dambara goy yaŋ te ni bindo ra, Firawna* nda nga bannyey kulu boŋ.
10Dia Ilay namely ny jentilisa maro Ka nahafaty mpanjaka mahery,
10 A na ndunnya dumi boobo kar, A na bonkooni hinkoyey mo wi:
11Dia Sihona, mpanjakan'ny Amorita, Sy Oga, mpanjakan'i Basana, Ary ny fanjakan'i Kanana rehetra;
11 Amorancey bonkoono Sihon, da Basan bonkoono Og, Da Kanaana mayrayey kulu.
12Ary ny taniny nomeny ho lova, Eny, ho lovan'ny Isiraely olony.
12 A na i laabo nooyandi tubu hari, Tubu hari no nga borey Israyla se.
13Jehovah ô, mandrakizay ny anaranao; Jehovah ô, hihatra amin'ny taranaka fara mandimby ny fahatsiarovana Anao.
13 Ya Rabbi, ni maa ga tondo. Ya Rabbi, ni fonguyaŋo mo go no zamana ka koy zamana.
14Fa hanome rariny ny olony Izy Ary hanenina ny amin'ny mpanompony.
14 Zama Rabbi ga nga jama ciiti, A ga bakar mo nga tamey se.
15Ny sampin'ny jentilisa dia volafotsy sy volamena, Asan'ny tànan'olona;
15 Dumi cindey toorey ya wura nda nzarfu yaŋ no, Borey kambe goyyaŋ no.
16Manam-bava izy, fa tsy miteny; Mana-maso izy, fa tsy mahita;
16 I gonda me, amma i si salaŋ; I gonda mo, amma i si di;
17Manan-tsofina izy, fa tsy mandre; Ary tsy misy fofonaina ao am-bavany.
17 I gonda hanga, amma i si maa, Fulanzamay mo si no i meyey ra.
18Ho tahaka azy izay manao azy Sy izay rehetra matoky azy.
18 Borey kaŋ g'i te ga ciya i cine yaŋ, Oho, hala nda boro kulu kaŋ ga de i gaa.
19Misaora an'i Jehovah, ry taranak'Isiraely; Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Arona;
19 Ya Israyla dumo, wa Rabbi sifa! Ya Haruna kunda, wa Rabbi sifa!
20Misaora an'i Jehovah, ry taranak'i Levy; Hianareo izay matahotra an'i Jehovah, misaora an'i Jehovah.Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
20 Ya Lawi kunda, wa Rabbi sifa! Araŋ kaŋ ga humburu Rabbi, wa Rabbi sifa!
21Isaorana avy any Ziona anie Jehovah, Izay mitoetra any Jerosalema. Haleloia.
21 Rabbi kaŋ goono ga goro Urusalima ra, A sifayaŋo ma fun Sihiyona ra. Alleluya!