1[Ny tso-dranon'Isiraely nanambarany izay ho toetry ny zanany mirahalahy avy] Ary Jakoba namory ny zananilahy ka nanao hoe: Mivoria ianareo, mba hanambarako aminareo izay ho tonga aminareo any am-parany.
1Och Jakob kallade sina söner till sig och sade: Församlen eder, på det att jag må förkunna eder vad som skall hända eder i kommande dagar:
2Miangòna, ka mandrenesa, ry zanakalahin'i Jakoba, eny, mihainoa an'Isiraely rainareo:
2Kommen tillhopa och hören, I Jakobs söner; hören på eder fader Israel.
3Ry ROBENA, lahimatoako ianao, heriko sy voalohan'ny tanjako, manan-tombom-pisandratana, manan-tombon-kery.
3Ruben, min förstfödde är du, min kraft och min styrkas förstling, främst i myndighet och främst i makt.
4Mandroadroatra toy ny rano ianao ka tsy hanan-tombo, fa niakatra tamin'ny fandrian'ny rainao ianao, tamin'izany no nandotoanao azy. Endrey, ny farafarako lahy, ka dia niakarany!
4Du sjuder över såsom vatten, du skall icke bliva den främste, ty du besteg din faders läger; då gjorde du vad skändligt var. Ja, min bädd besteg han!
5SIMEONA sy LEVY dia mpirahalahy, fiadia-mandoza ny sabany;
5Simeon och Levi äro bröder; deras vapen äro våldets verktyg.
6Aza mankeo amin'izay iokoany, ry foko, ary aza miray amin'ny fiangonany. ry fanahiko; fa tamin'ny fahatezerany no namonoany olona, ary tamin'ny fahasahisahiany no nanatraingoany omby.
6Min själ inlåte sig ej i deras råd, min ära tage ingen del i deras samkväm; ty i sin vrede dräpte de män, och i sitt överdåd stympade de oxar.
7Ho voaozona anie ny fahatezerany, fa nasiaka izany, ary ny fahavinirany, fa loza izany; hampihahakahaka azy eny amin'i Jakoba aho, ary hanely azy eny amin'Isiraely.
7Förbannad vare deras vrede, som är så våldsam, och deras grymhet, som är så hård! Jag skall förströ dem i Jakob, jag skall förskingra dem i Israel.
8Ry JODA, hoderain'ny rahalahinao ianao, ny tananao ho ao amin'ny vozon'ny fahavalonao; hiankohoka eo anatrehanao ny zanaky ny rainao.
8Dig, Juda, dig skola dina bröder prisa; din hand skall vara på dina fienders nacke, för dig skola din faders söner buga sig.
9Zana-diona, Joda, avy niremby ianao, anaka; mamitsaka, mandry toy ny liona izy, ary toy ny liom-bavy, ka iza no hanaitra azy!
9Ett ungt lejon är Juda; från rivet byte har du dragit ditupp, min son. Han har lagt sig ned, han vilar såsom ett lejon, såsom en lejoninna -- vem vågar oroa honom?
10Ny tehim-panjakana tsy hiala amin'i Joda, na ny tehina fanapahana eo anelanelan'ny tongony, mandra-pahatongan'i Silo, ka hanoa Azy ny firenena.
10Spiran skall icke vika ifrån Juda, icke härskarstaven ifrån hans fötter, till dess han kommer till Silo och folken bliva honom hörsamma.
11Mamatotra ny borikiny tanora eo amin'ny tahom-boaloboka izy. Ary ny zanaky ny borikivaviny eo amin'ny tahom-boaloboka tsara; nanasa ny fitafiany tamin'ny divay izy, ary ny akanjony tamin'ny ram-boaloboka.
11Han binder vid vinträdet sin åsna, vid ädla rankan sin åsninnas fåle. Han tvår sina kläder i vin, sin mantel i druvors blod.
12Mangamanga ny masony azon'ny divay ary fotsy ny nifiny azon'ny ronono.
12Hans ögon äro dunkla av vin och hans tänder vita av mjölk.
13ZEBOLONA, ao amoron-dranomasina no honenany, dia ao amoron-dranomasina fitodian-tsambo; ary ny sisin-taniny hifanolotra amin'i Sidona.
13Sebulon skall bo vid havets strand, vid stranden, där skeppen ligga; sin sida skall han vända mot Sidon.
14ISAKARA dia boriky henjana, mandry eo anelanelan'ny vala;
14Isaskar är en stark åsna, som ligger i ro i sin inhägnad.
15Ary hitany fa tsara ny fialan-tsasatra, sady mahafinaritra ny tany; dia nanongilana ny sorony hitondra entana izy ka tonga mpanompo mandoa hetra.
15Och han såg att viloplatsen var god, och att landet var ljuvligt; då böjde han sin rygg under bördor och blev en arbetspliktig tjänare.
16DANA hitsara ny olony tahaka ny anankiray amin'ny firenen'ny Isiraely.
16Dan skall skaffa rätt åt sitt folk, han såväl som någon av Israels stammar.
17Dana ho menarana ao amoron-dalana, ho bibilava misy tandroka ao an-dalana izy, izay manaikitra ny kitrokelin'ny soavaly, ka potraka miantsilany ny mpitaingina azy.
17Dan skall vara en orm på vägen, en huggorm på stigen, en som biter hästen i foten, så att ryttaren faller baklänges av.
18Ny famonjenao no andrasako, Jehovah ô!
18HERRE, jag bidar efter din frälsning!
19GADA, ny manao andiany hamoritra azy; fa izy kosa hamely ny otrika.
19Gad skall trängas av skaror, men själv skall han tränga dem på hälarna.
20ASERA dia avy ao aminy ny matavy fihinany, ary izy no ihavian'ny hanim-pin'andriana.
20Från Aser kommer fetma, honom till mat; konungsliga läckerheter har han att giva.
21NAFTALY dia dieravavy alefa; manao teny mahafinaritra izy.
21Naftali är en snabb hind; han har sköna ord att giva.
22JOSEFA dia sampana mahavokatra, eny, sampana mahavokatra eo anilan-doharano; ny rantsany mananika mihoatra ny fefy.
22Ett ungt fruktträd är Josef, ett ungt fruktträd vid källan; dess grenar nå upp över muren.
23Nampahory azy ny mpitifitra, dia nitifitra azy sy nanenjika azy;
23Bågskyttar oroa honom, de skjuta på honom och ansätta honom;
24Kanefa mateza hery ny tsipìkany, ary mailamailaka ny sandrin-tànany, avy amin'ny tànan'Ilay Maherin'i Jakoba, dia avy ao amin'ny Mpiandry, Izay Vatolampin'ny Isiraely,
24dock förbliver hans båge fast, och hans händer och armar spänstiga, genom dens händer, som är den Starke i Jakob, genom honom som är herden, Israels klippa,
25Avy amin'ny Andriamanitry ny rainao, ka Izy hamonjy anao avy amin'ny Tsitoha, ka Izy hitahy anao: Dia fitahiana avy amin'ny lanitra any ambony, sy fitahiana avy amin'ny lalina, izay mamitsaka any ambany, ary fitahiana avy amin'ny nono sy ny kibo.
25genom din faders Gud -- han skall hjälpa dig. genom den Allsmäktige -- han skall välsigna dig med välsignelser från himmelen därovan, välsignelser från djupet som utbreder sig därnere, välsignelser från bröst och sköte.
26Ny tso-dranon'ny rainao dia mihoatra noho ny havoana mandrakizay sy ny zavatra mahafinaritra amin'ny tendrombohitra fahagola; ho eo an-dohan'i Josefa izany, dia ho eo an-tampon-dohan'ilay nalaza tamin'ny rahalahiny.
26Din faders välsignelser nå högt, högre än mina förfäders välsignelser, de nå upp till de eviga höjdernas härlighet. De skola komma över Josefs huvud, över dens hjässa, som är en furste bland sina bröder.
27BENJAMINA dia amboadia mamiravira: Nony maraina homan-dremby izy, nony hariva mizara babo.
27Benjamin är en glupande ulv; om morgonen förtär han rov, och om aftonen utskiftar han byte.»
28Ireo rehetra ireo no firenen'ny Isiraely roa ambin'ny folo; ary izany no nolazain'ny rainy taminy sy nitsofany rano azy; samy araka ny tso-drano izay tokony ho azy avy no nitsofany rano azy.
28Alla dessa äro Israels stammar, tolv till antalet, och detta är vad deras fader talade till dem, när han välsignade dem; åt var och en av dem gav han sin särskilda välsignelse.
29Dia nanafatra azy izy ka nanao taminy hoe: Izaho efa madiva hangonina ho any amin'ny razako; aleveno ao amin'ny razako aho, dia ao anatin'ny zohy izay any amin'ny sahan'i Efrona Hetita,
29Och han bjöd dem och sade till dem: »Jag skall nu samlas till mitt folk; begraven mig bredvid mina fäder, i grottan på hetiten Efrons åker,
30ao anatin'ny zohy izay any amin'ny saha Makpela, izay tandrifin'i Mamre, any amin'ny tany Kanana, dia ilay novidin'i Abrahama mbamin'ny saha tamin'i Efrona Hetita ho tany fandevenana.
30i den grotta som ligger på åkern i Makpela, gent emot Mamre, i Kanaans land, den åker som Abraham köpte till egen grav av hetiten Efron,
31Tao no nandevenany an'i Abrahama sy Saraha vadiny; ary tao koa no nandevenany an'Isaka sy Rebeka vadiny; ary tao koa no nandevenako an'i Lea,
31där de hava begravit Abraham och hans hustru Sara, där de ock hava begravit Isak och hans hustru Rebecka, och där jag själv har begravit Lea,
32ny saha sy ny zohy ao anatiny izay novidiny tamin'ny taranak'i Heta.[Ny nahafatesan'i Jakoba sy ny nandevenana azy, ary ny nahafatesan'i Josefa] Ary rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.
32på den åkern som jämte grottan där köptes av Hets barn.»
33[Ny nahafatesan'i Jakoba sy ny nandevenana azy, ary ny nahafatesan'i Josefa] Ary rehefa vitan'i Jakoba ny hafatra nataony tamin'ny zananilahy rehetra, dia navonkiny teo am-parafara ny tongony, dia niala aina izy ka voangona any amin'ny razany.
33När Jakob hade givit sina söner denna befallning, drog han sina fötter upp i sängen; och han gav upp andan och blev samlad till sina fäder.