Malagasy

Tajik

Hebrews

2

1Ary amin'izany dia tokony hotandremantsika mafimafy kokoa izay efa rentsika, fandrao hindaosina hiala aminy isika.
1БИНОБАР ин мо бояд ба он чи игунидаем, маҳсусан бодиққат бошем, то ки аз он дур нашавем.
2Fa raha mafy ny teny izay nampilazaina ny anjely, ka samy voavaly marina avokoa ny fahadisoana rehetra mbamin'ny fahotana,
2Зеро, агар каломе ки ба василаи фариштагон гуфта шудааст, матин буда, барои ҳар ҷиноят ва беитоатй подоши одилона дода шуда бошад,
3hataontsika ahoana no fandositra, raha tsy mitandrina izao famonjena lehibe izao isika? dia ilay nampilazaina ny Tompo tamin'ny voalohany, ary nohamafin'izay nandre tamintsika kosa,
3Чй гуна мо халос мешавем, агар ба чунин наҷоти бузург беэътиноӣ кунем, ки онро аввал Худованд мавъиза намуд ва баъд онҳое ки аз Ӯ пгунидаанд, дар миёни мо тасдиқ кардаанд,
4sady Andriamanitra koa no niara-nanambara taminy tamin'ny famantarana sy ny fahagagana ary tamin'ny asa lehibe samy hafa sy ny fanomezana ny Fanahy Masina nozarazarainy araka ny sitrapony.
4Ва Худо низ ба он шаҳодат дод ба воситаи аломот ва мӯъҷизот, ва ҳар навъ қувваҳо, ва бахшоиши Руҳулқудс ба ҳасби иродаи Худ?
5Fa tsy anjely no nampanekeny ny fiainana ho avy, izay lazainay.
5Зеро олами ояндаро, ки дар бораи он сухан меронем, Худо ба фариштагон мутеъ накардааст,
6Fa ny anankiray nanambara eo amin'ny teny iray hoe: "Inona ny olona, no ahatsiarovanao azy? Ary ny zanak'olombelona, no amangianao azy?
6Балки касе дар ҷое шаҳодат дода, гуфтааст: "Чист инсон, ки ӯро ёд кунй, ва фарзанди одам, ки ӯро тафаққуд намоӣ?
7Nataonao ambany kely noho ny anjely izy; Efa nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana izy, Ary nampanjakainao amin'ny asan'ny tananao; [ Na: vetivety]
7Ӯро аз фариштагон фақат андак кам кардаӣ; ва тоҷи ҷалол ва шавкат бар сари ӯ гузоштай; ӯро бар аъмоли дастҳои Худ ҳукмфармо кардаӣ;
8Ny zavatra rehetra dia efa nanapanekenao ho eo ambanin'ny tongony" (Sal. 8.4-6). Fa tamin'ny nampanekeny azy ny zavatra rehetra, dia tsy nisy izay tsy nampanekeny azy. Nefa ankehitriny tsy mbola hitantsika fa efa ampanekena azy ny zavatra rehetra.
8"Ҳама чизро зери пои ӯ гузоштаӣ". Модоме ки ҳама чизро ба ӯ мутеъ кардааст, пас ҳеҷ чизе намондааст, ки мутеи ӯ набошад. Вале ҳоло ҳанӯз намебинем, ки ҳама чиз мутеи ӯ бошад;
9Fa Ilay natao ambany kely noho ny anjely no hitantsika, dia Jesosy, ary noho ny fitondrany ny fahafatesana dia voasatroka voninahitra aman-daza Izy, mba hanandrana fahafatesana hamonjy ny olona rehetra noho ny fahasoavan'Andriamanitra. [Na: vetivety]
9Балки мебинем, ки Исо, ки аз фариштагон андак кам карда шуда буд, ба сабаби азоби мамот алҳол тоҷи ҷалол ва шавкат бар сар дорад, то ки ба ҳасби файзи Худо зоиқаи мамотро барои ҳама бичашад.
10Fa miendrika Izay anton'ny nanaovana ny zavatra rehetra sady nahariana ny zavatra rehetra, raha mitondra zanaka maro ho any amin'ny voninahitra, ny hahatanteraka ny Tompon'ny famonjena ireo amin'ny fahoriana.
10Зеро лозим буд, ки Ӯ, ки ҳама чиз барои Ӯст ва ҳама чиз аз Ӯст, барои ин ки фарзандони бисьёрро ба ҷалол бирасонад, Пешвои наҷоти онҳоро ба воситаи уқубатҳо комил гардонад.
11Fa iray no nihavian'izy roroa, na Izay manamasina, na izay hamasinina; koa izany no tsy mahamenatra Azy hanao ireo hoe "rahalahy"
11Зеро ки ҳам Тақдискунанда ва ҳам тақдисшавандагон, ҳама аз Ягона ҳастанд; ба ин сабаб Ӯ ор намекунад, ки онҳоро бародар хонад, ва мегӯяд:
12ka manao hoe: "Hitory ny anaranao amin'ny rahalahiko Aho; Eo amin'ny fiangonana no hiderako Anao" (Sal 22.22). [ Gr. eklesia]
12"Исми Туро ба бародаронам шуҳрат хоҳам дод, дар миёни ҷамоат Туро мадҳ хоҳам кард".
13Ary koa: "Izaho hatoky Azy". Ary indray koa: "Indreto Izaho sy ireo zaza nomen'Andriamanitra Ahy" (Isa. 8.27,18).
13Ва боз: "Ман ба Ӯ таваккал хоҳам кард". Ва боз: "Инак, Ман ва фарзандоне ки Худо ба Ман додааст".
14Koa satria manana nofo aman-drà ny zaza, dia mba nandray izany koa Izy, mba handringanany amin'ny fahafatesana ilay manana ny herin'ny fahafatesana, dia ny devoly,
14Ва азбаски фарзандон ба ҷисм ва хун шарокат доранд, Ӯ низ шарики инҳо гардид, то ки ба воситаи мамот соҳиби қудрати мамотро, яъне иблисро нобуд намояд.
15ary mba hanafahany izay rehetra nandany ny fiainany rehetra tamin'ny fahandevozana noho ny tahotra ny fahafatesana.
15Ва онҳоеро, ки аз тарси мамот тамоми умри худ гирифтори ғуломй буданд, халосй диҳад.
16Fa hita marina fa tsy anjely no vonjeny, fa ny taranak'i Abrahama no vonjeny.
16Зеро ки Ӯ фариштагонро дастгирӣ накардааст, балки насли Иброҳимро дасттирӣ кардааст.
17Koa amin'izany dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona.Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [ Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]
17Бинобар ин Ӯ мебоист аз ҳар ҷиҳат ба бародарони Худ монанд мешуд, то ки Саркоҳини раҳим ва амине ба ҳузури Худо бошад, барои он ки гуноҳҳои қавмро кафорат кунад,
18Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin'ny fahoriana nentiny, dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy. [ Na: satria nijaly ny tenany, raha nalaim-panahy izy]
18Зеро, чӣ тавре ки Худи Ӯ аз озмоиш гузашта, уқубат кашидааст, ба озмудашавандагон низ метавонад мадад расонад.