1[Fitarihan-teny sy fiarahabana ary fisaorana] Paoly sy Timoty, mpanompon'i Kristy Jesosy, mamangy ny olona masina rehetra ao amin'i Kristy Jesosy mbamin'ny mpitandrina sy ny diakona izay any Filipy; [ Gr. episkopo]
1ПАВЛӮС ва Тимотиюс, ғуломони Исои Масеҳ, ба ҳамаи муқаддасон дар Исои Масеҳ, ки дар Филиппӣ мебошанд, бо усқуфон ва ходимон:
2ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin'Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo.
2Файз ва осоиштагӣ аз ҷониби Падари мо Худо ва Исои Масеҳи Худованд бар шумо бод.
3Misaotra an'Andriamanitro amin'ny fahatsiarovako anareo
3Дар ҳар боре ки шуморо ёд мекунам, Худои худро шукр мегӯям,
4mandrakariva aho amin'ny fivavahako rehetra ho anareo rehetra, ka mangataka amin'ny fifaliana,
4Ҳамеша дар ҳар дуои худ барои ҳамаи шумо бо шодӣ дуо мегӯям,
5noho ny firaisanareo hampandroso ny filazantsara hatramin'ny andro voalohany ka mandraka ankehitriny;
5Барои иштироки шумо дар башорат аз рӯзи аввал то алҳол,
6ary matoky indrindra aho fa Izay nanomboka asa tsara ao anatinareo no hahatanteraka izany mandra-pihavin'ny andron'i Jesosy Kristy;
6Ва яқин дорам, ки Ӯ, ки дар шумо ба кори хайр шурӯъ намудааст, онро то рӯзи Исои Масеҳ ба анҷом хоҳад расонд,
7fa marina izany fiheverako anareo rehetra izany, satria efa mby ato am-poko ianareo, fa mpiombona ny fahasoavana ananako ianareo rehetra, na amin'ny fifatorako, na amin'ny famaliako hahafa-tsiny ny filazantsara sy ny fampianarako hahamafy orina azy.
7Чунон ки маро лозим аст дар бораи ҳамаи щумо ҳамин тавр фикр кунам, чунки шумо дар дили ман ҷойгир шудаед, ки ҳам дар занҷирҳоям ва ҳам дар муҳофизат ва барқарор кардани башорат ҳамаатон шарики ман дар файз ҳастед.
8Fa Andriamanitra no vavolombeloko fa manina anareo rehetra indrindra aho amin'ny famindram-pon'i Kristy Jesosy.
8Зеро Худо маро шоҳид аст, ки ман бо муҳаббати Исои Масеҳ иштиёқманди ҳамаи шумо ҳастам;
9Ary izao no angatahiko, dia ny mbola hitomboan'ny fitiavanareo bebe kokoa amin'ny fahalalana tsara sy ny fahafantarana rehetra,
9Ва дар он хусус дуо мегӯям, ки муҳаббати шумо дар дониш ва мулоҳизакорӣ торафт афзунтар гардад,
10mba hamantaranareo izay zavatra tsara indrindra, mba ho madio am-po ary tsy hanan-tsiny ho amin'ny andron'i Kristy ianareo, [ Na: samy hafa]
10То шумо дарк намоед, ки чӣ беҳтар аст, барои он ки дар рӯзи Масеҳ пок ва беайб бошед,
11sady feno ny vokatry ny fahamarinana, izay avy amin'ny alalan'i Jesosy Kristy, ho voninahitra sy fiderana an'Andriamanitra.
11Ва аз самари адолат пур шавед, ки он ба василаи Исои Масеҳ барои ҷалол ва ҳамду санои Худост.
12[Ny toetr'i Paoly tao amin'ny fifatorana, sy ny fanantenany] Ary tiako ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izay zavatra nanjo ahy dia efa tonga fampandrosoana ny filazantsara kosa;
12Эй бародарон, мехоҳам шумо бидонед, ки саргузашти ман боиси пешрафти зиёдтари башорат гардидааст,
13ka ao amin'i Kristy ny fifatorako dia fantatry ny mpiambina andriana rehetra mbamin'ny olona hafa rehetra; [ Gr. mpiambina pretoriana rehetra; na: eran'ny pretoria]
13Ба тавре ки занҷирҳои ман дар Исо ба тамоми сарбозхона ва ба ҳамаи дигарон машҳур шудааст,
14ary ny ankabiazan'ny rahalahy dia efa matoky ao amin'ny Tompo noho ny fifatorako ka mihasahisahy kokoa hitory ny tenin'Andriamanitra tsy amin'ny tahotra.
14Ва аксарияти бародарон аз занҷирҳои ман дар Худованд устувор гардида, ба андозаи бештар ҷасорат мекунанд, ки каломи Худоро нотарс мавъиза намоянд.
15Fialonana sy fifandirana aza no itorian'ny sasany an'i Kristy, ary fifaliana kosa ny an'ny sasany;
15Дуруст аст, ки баъзе касон аз рӯи ҳасад ва рақобат, ва баъзеи дигарон аз рӯи хайрхоҳӣ Масеҳро мавъиза менамоянд:
16fitiavana ny an'ny sasany, satria fantany fa voatendry ho mpanafa-tsiny ny filazantsara aho;
16Баъзеҳо аз рӯи рақобат, на бо дили соф Масеҳро мавъиза менамоянд, ба гумони он ки гаронии занҷирҳои маро афзун мекунанд,
17fifampiandaniana kosa no itorian'ny sasany an'i Kristy, fa tsy mba fo madio, ka mihevitra hanampy fahoriana ny fifatorako.
17Вале дигарон аз рӯи муҳаббат, чун медонанд, ки ман барои муҳофизат кардани башорат дар ин ҷо гузошта шудаам.
18Ahoana ary no izy, afa-tsy izao? Amin'ny atao rehetra, na amin'ny fihatsaram-belatsihy, na amin'ny marina, dia Kristy no torina, ary mifaly amin'izany aho; eny, mbola hifaly ihany aho.
18Хайр, чӣ мешавад? Масеҳро ба ҳар тарз, риёкорона ё самимона, мавъиза намоянд ҳам, ман аз ин шодам, ва шодй хоҳам кард,
19Fa fantatro fa ho tonga famonjena ahy izany noho ny fangatahanareo sy ny fanomezana ny Fanahin'i Jesosy Kristy, [ Na: fanomezan']
19Зеро медонам, ки ин боиси наҷоги ман хоҳад шуд, мувофиқи дуои шумо ва бо мадади Рӯҳи Исои Масеҳ,
20araka ny hafatratry ny faniriako sy ny fanantenako fa tsy hahazo henatra aho, na amin'inona na amin'inona; fa amin'ny fahasahiana rehetra, tahaka ny amin'ny mandrakariva, dia ankehitriny koa no hankalazana an'i Kristy ao amin'ny tenako, na amin'ny fiainana, na amin'ny fahafatesana.
20Ва ман яқин дорам ва умедворам, ки дар ҳеҷ хусус шарманда нахоҳам шуд, балки бо камоли ҷуръат ҳозир ҳам, чунон ки ҳамеша буд, Масеҳ дар ҷисми ман бузургӣ хоҳад ёфт, хоҳ дар ҳаёт бошад, хоҳ дар мамот.
21Fa Kristy no anton'ny ahavelomako, ary ny fahafatesana no hahazoako tombony.
21Зеро ки барои ман ҳаёт - Масеҳ аст, ва мамот - фоида аст.
22Kanefa raha ny ho velona amin'ny nofo no hahavokaran'ny asako, dia tsy hitako izay hofidiko;
22Аммо агар ба ҳасби ҷисм дар ҳаёт буданам ба кори ман самаре мебахщида бошад, пас намедонам, ки кадомашро интихоб намоям.
23fa sanganehana eo anelanelan'izy roroa aho, maniry hiala ka ho ao amin'i Kristy, satria tsara lavitra izany;
23Ҳар дуяш ҳам маро ҷазб мекунад: орзу дорам, ки баромада равам ва ҳамроҳи Масеҳ бошам, чунки ин беандоза беҳтар аст;
24kanefa kosa ny hitoetra eo amin'ny nofo no mahasoa anareo kokoa.
24Валекин дар ҷисм монданам барои шумо заруртар аст.
25Ary satria matoky izany aho, dia fantatro fa hitoetra sy haharitra eo aminareo rehetra aho hahazoanareo fandrosoana sy fifaliana amin'ny finoanareo,
25Ва ман аниқ медонам, ки хоҳам монд ва барои пешрафт ва шодии имони шумо бо ҳамаи шумо хоҳам буд,
26mba hitombo noho ny ataoko ny firavoravoanareo ao amin'i Kristy Jesosy amin'ny hankanesako atỳ aminareo indray.
26То ки ҳамду санои шумо дар Исои Масеҳ ба воситаи ман афзунтар шавад, чун бори дигар назди шумо бкёям.
27Fa hany ataoko: aoka ny fitondran-tenanareo ho miendrika ny filazantsaran'i Kristy, mba handrenesako ny toetrareo (na ho tonga aho ka hahita anareo, na tsy ho tonga), fa maharitra amin'ny fanahy iray ianareo ka miray fo hiara-miezaka hampandroso ny finoana ny filazantsara,
27Фақат ин ки муносиби башорати Масеҳ умр гузаронед, то ки ман - хоҳ омада шуморо бинам, хоҳ аз шумо дур бошам - дар бораи шумо бишнавам, ки шумо дар як рӯҳ қоим буда, якдилона барои имони Инҷил ҷидду ҷаҳд менамоед,
28ka tsy ho azon'ny fahavalo ampitahorina ianareo na amin'inona na amin'inona; fa amin'ireo dia mariky ny fahaverezana izany, nefa mariky ny famonjena anareo kosa, sady avy amin'Andriamanitra.
28Ва дар ҳеҷ хусус аз душманон наметарсед, ки ин барои онҳо аломати ҳалокат аст, вале барои шумо аломати наҷот аст, - ва ин аз ҷониби Худост,
29Fa ianareo efa nomena noho ny an'i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy,dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
29Зеро ба шумо ба хотири Масеҳ ато шудааст, ки ба Ӯ на танҳо имон оваред, балки барои Ӯ уқубат ҳам кашед,
30dia manana izany ady izany ianareo, izay hitanareo teo amiko sady mbola renareo fa ato amiko ihany ankehitriny.
30Бо ҳамон корнамоие ки шумо дар ман дидаед ва ҳоло дар бораи ман мешунавед.