Malagasy

Thai King James Version

1 Kings

14

1[Ny nanjakan'i Jeroboama tamin'ny Isiraely] Tamin'izany andro izany dia narary Abia, zanak'i Jeroboama.
1ครั้งนั้นอาบียาห์โอรสของเยโรโบอัมประชวร
2Ary hoy Jeroboama tamin'ny vadiny: Masìna ianao, mitsangàna, ka miovà endrika, mba tsy ho fantatr'olona ho vadin'i Jeroboama ianao; dia mankanesa any Silo, fa, indro, ao Ahia mpaminany, ilay nilaza tamiko fa ho mpanjakan'ity firenena ity aho.
2และเยโรโบอัมรับสั่งกับมเหสีของพระองค์ว่า "จงลุกขึ้นปลอมตัวของเธอ อย่าให้รู้ว่าเธอเป็นมเหสีของเยโรโบอัม และจงไปยังชีโลห์ ดูเถิด อาหิยาห์ผู้พยากรณ์อยู่ที่นั่น ผู้ได้กล่าวเรื่องฉันว่าฉันจะได้เป็นกษัตริย์เหนือชนชาตินี้
3Koa mitondrà mofo folo sy mofo madinika ary tantely iray tavoara, ka mankanesa any aminy; fa izy hanambara aminao izay ho toetry ny zaza.
3เธอจงเอาขนมปังสิบก้อน และขนมหวานบ้างและน้ำผึ้งไหหนึ่ง ไปหาท่าน ท่านจะบอกเธอว่าอะไรจะเกิดขึ้นกับเด็กนั้น"
4Dia nanao araka izany ny vadin'i Jeroboama ka niainga nankany Silo izy, dia nankao an-tranon'i Ahia. Ary Ahia tsy nahita, fa efa pahina ny masony noho ny fahantrany.
4มเหสีของเยโรโบอัมก็กระทำดังนั้น พระนางลุกขึ้น เสด็จไปยังชีโลห์เสด็จมาถึงบ้านของอาหิยาห์ ฝ่ายอาหิยาห์มองไม่เห็น เพราะว่าตาของท่านแข็งด้วยอายุของท่าน
5Ary Jehovah efa nilaza tamin'i Ahia hoe: Indro, avy ny vadin'i Jeroboama hanontany anao ny amin'ny zanany, fa marary izy; ary izao ka izao no holazainao aminy; nefa raha miditra izy, dia hody vehivavy hafa.
5พระเยโฮวาห์ตรัสกับอาหิยาห์ว่า "ดูเถิด มเหสีของเยโรโบอัมกำลังมาเพื่อจะถามเจ้าถึงเรื่องโอรสของเขา เพราะเด็กนั้นป่วย เจ้าจงบอกเธออย่างนี้ๆ เพราะเมื่อพระนางเสด็จเข้ามา พระนางก็แสร้งกระทำเป็นสตรีคนอื่น"
6Ary nony ren'i Ahia ny fingodongodon'ny tongony, raha vao niditra teo am-baravarana izy, dia hoy izy: Mandrosoa, ry vadin'i Jeroboama; nahoana ianao no mody olonkafa? Fa izaho dia nirahina hitondra teny mafy aminao.
6แต่เมื่ออาหิยาห์ได้ยินเสียงฝีพระบาทของพระนาง เมื่อพระนางเสด็จมาถึงประตู ท่านจึงพูดว่า "ขอเชิญพระมเหสีของเยโรโบอัมเสด็จเข้ามาข้างใน ไฉนพระองค์จึงทรงแสร้งกระทำเป็นคนอื่นเล่า เพราะข้าพระองค์ได้รับพระบัญชาให้ทูลข่าวอันน่าสลดใจแก่พระนาง
7Koa mandehana, ka lazao amin'i Jeroboama hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Satria nanandratra anao avy tamin'ny olona Aho ka nanendry anao ho mpanapaka ny Isiraely oloko,
7ขอเสด็จกลับไปทูลเยโรโบอัมว่า `พระเยโฮวาห์พระเจ้าแห่งอิสราเอลตรัสดังนี้ว่า เพราะเราได้เชิดชูเจ้าขึ้นจากประชาชน และได้กระทำให้เจ้าเป็นประมุขเหนืออิสราเอลประชาชนของเรา
8ary nendahako ny fanjakana ho afaka tamin'ny taranak'i Davida ka nomeko anao, nefa kosa ianao tsy mba nanao tahaka an'i Davida mpanompoko, izay nitandrina ny teniko sy nanaraka Ahy tamin'ny fony rehetra tsy hanao na inona na inona afa-tsy izay marina eo imasoko ihany;
8และได้ฉีกราชอาณาจักรจากราชวงศ์ของดาวิดมาให้แก่เจ้า และถึงกระนั้นเจ้าก็ไม่เป็นเหมือนดาวิดผู้รับใช้ของเรา ผู้ได้รักษาบัญญัติทั้งหลายของเรา และติดตามเราด้วยสุดจิตใจของเขา กระทำสิ่งซึ่งเป็นที่ถูกต้องพอตาของเรา
9fa nanao ratsy mihoatra noho izay rehetra teo alohanao ianao, fa lasa nanao andriamani-kafa sy sarin-javatra an-idina ka nampahatezitra Ahy, fa Izaho efa narianao teo ivohonao:
9แต่เจ้าได้กระทำชั่วยิ่งกว่าคนทั้งปวงที่อยู่ก่อนเจ้า และได้ไปสร้างพระอื่นและรูปหล่อและได้กระทำให้เราโกรธ และได้เหวี่ยงเราไว้เสียเบื้องหลังของเจ้า
10koa noho izany dia, indro, hahatonga loza amin'ny taranak'i Jeroboama Aho ka handringana izay lehilahy rehetra amin'ny tamingan'i Jeroboama, na ny voahazona na ny afaka amin'ny Isiraely, ary hanaisotra ny sisa amin'ny taranak'i Jeroboama Aho, toy ny fanaisotry ny olona ny diky ambara-paha-tsy hisy intsony.
10เพราะฉะนั้น ดูเถิด เราจะนำเหตุร้ายมาเหนือราชวงศ์ของเยโรโบอัม และจะตัดคนที่ปัสสาวะรดกำแพงได้เสียจากเยโรโบอัม ทั้งคนที่ยังอยู่และเหลืออยู่ในอิสราเอล และจะผลาญคนที่เหลือในราชวงศ์เยโรโบอัมเสียอย่างสิ้นเชิง อย่างคนที่ขนมูลสัตว์ไปทิ้งจนหมด
11Koa izay tamingan'i Jeroboama maty ao an-tanàna dia hohanin'ny alika; ary izay maty any an-tsaha dia hohanin'ny voro-manidina; fa Jehovah no efa niteny.
11ผู้ใดในวงศ์เยโรโบอัมที่ตายในเมืองสุนัขจะกิน และผู้ใดที่ตายในทุ่ง นกในอากาศจะกิน เพราะพระเยโฮวาห์ทรงลั่นพระวาจาไว้'
12Koa mitsangàna ianao, ka modia any an-tranonao; fa raha vao mijadona ao an-tanàna ny tongotrao, dia, indro, ho faty ny zaza.
12เพราะฉะนั้นขอเชิญเสด็จกลับไปยังพระตำหนักของพระนาง เมื่อพระบาทของพระองค์เข้าเมือง กุมารนั้นก็จะถึงแก่มรณา
13Ary ny Isiraely rehetra hisaona sy handevina azy; fa amin'ny tamingan'i Jeroboama dia izy irery ihany no ho tonga ao am-pasana, satria izy ihany no nahitana fahatsaram-panahy ny amin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely.
13และอิสราเอลทั้งปวงจะไว้ทุกข์ให้เธอ และจะฝังศพเธอไว้ เพราะเธอผู้เดียวเท่านั้นในราชวงศ์เยโรโบอัมที่จะไปถึงหลุมศพ เพราะในตัวเธอนั้นยังเห็นบางสิ่งที่พอพระทัยพระเยโฮวาห์พระเจ้าแห่งอิสราเอล ในราชวงศ์ของเยโรโบอัม
14Ary Jehovah hanangana mpanjaka ho an'ny Isiraely izay handringana ny taranak'i Jeroboama amin'izany andro izany; fa rahoviana ange izany? Izao ankehitriny izao ihany.
14ยิ่งกว่านั้นอีก พระเยโฮวาห์จะทรงตั้งกษัตริย์อีกองค์หนึ่งเหนืออิสราเอลเพื่อพระองค์ ผู้ซึ่งจะตัดราชวงศ์ของเยโรโบอัมเสียในวันนี้ แต่นั่นอะไร ก็เป็นเวลานี้
15Fa Jehovah hamely ny Isiraely toy ny volotara hozongozonina any anaty rano sady hanongotra ny Isiraely amin'ity tany soa nomeny ny razany ity ary hanely azy ho any an-dafin'ny Ony, satria nanao ireo Aseraha izy ka nampahatezitra an'i Jehovah. [Eofrata]
15เพราะพระเยโฮวาห์จะทรงตีอิสราเอล ดุจไม้อ้อสั่นอยู่ในน้ำ และจะทรงถอนรากอิสราเอลออกเสียจากแผ่นดินอันดีนี้ ซึ่งพระองค์ทรงยกให้แก่บรรพบุรุษของเขา และกระจายเขาไปฟากแม่น้ำข้างโน้น เพราะเขาทั้งหลายได้สร้างเสารูปเคารพของเขา เป็นเหตุให้พระเยโฮวาห์ทรงพระพิโรธ
16Ary Izy hanolotra ny Isiraely noho ny fahotana izay nataon'i Jeroboama sady nampanotany ny Isiraely.
16และพระองค์จะทรงมอบอิสราเอลไว้เพราะบาปทั้งหลายของเยโรโบอัม ซึ่งเขาได้กระทำบาปและกระทำให้อิสราเอลทำบาปด้วย"
17Dia niainga ny vadin'i Jeroboama ka lasa nandeha ary tonga tany Tirza; koa rehefa mby teo amin'ny tokonam-baravarana izy, dia maty ny zazalahy;
17แล้วมเหสีของเยโรโบอัมทรงลุกขึ้นเสด็จออกไป และมาถึงเมืองทีรซาห์ และเมื่อพระนางเสด็จถึงธรณีทวาร กุมารก็ถึงแก่มรณา
18dia nandevina azy ny Isiraely rehetra sady nisaona azy, araka ny tenin'i Jehovah izay nampilazainy an'i Ahia mpaminany mpanompony.
18และอิสราเอลทั้งปวงก็ฝังศพเธอและไว้ทุกข์ให้เธอ ตามพระวจนะของพระเยโฮวาห์ ซึ่งพระองค์ตรัสโดยอาหิยาห์ผู้พยากรณ์ผู้รับใช้ของพระองค์
19Ary ny tantaran'i Jeroboama sisa, dia ny niadiany sy ny nanjakany, indro, efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely izany.
19ฝ่ายราชกิจนอกนั้นของเยโรโบอัมกล่าวถึงว่าพระองค์ทรงทำศึก และทรงครอบครองอย่างไรนั้น ดูเถิด ก็บันทึกไว้ในหนังสือพงศาวดารแห่งกษัตริย์ประเทศอิสราเอล
20Ary ny andro nanjakan'i Jeroboama dia roa amby roa-polo taona; dia lasa nodi-mandry any amin'ny razany izy; ary Nadaba zanany no nanjaka nandimby azy.
20เวลาที่เยโรโบอัมครอบครองนั้นเป็นยี่สิบสองปี และพระองค์ก็ล่วงหลับไปอยู่กับบรรพบุรุษของพระองค์ และนาดับราชโอรสของพระองค์ก็ขึ้นครองแทน
21[Ny nanjakan-dRehoboama tamin'ny Joda] Ary Rehoboama, zanak'i Solomona, no nanjaka tamin'ny Joda. Efa iraika amby efa-polo taona Rehoboama, fony izy vao nanjaka, ary fito ambin'ny folo taona no nanjakany tany Jerosalema, tanàna nofidin'i Jehovah tamin'ny firenen'Isiraely rehetra hametrahany ny anarany. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita.
21ฝ่ายเรโหโบอัมราชโอรสของซาโลมอนทรงครอบครองอยู่ในยูดาห์ เมื่อเรโหโบอัมขึ้นครองนั้น มีพระชนมายุสี่สิบเอ็ดพรรษา และทรงครองในเยรูซาเล็มสิบเจ็ดปี เป็นนครซึ่งพระเยโฮวาห์ได้ทรงเลือกจากบรรดาตระกูลอิสราเอล เพื่อจะสถาปนาพระนามของพระองค์ที่นั่น พระชนนีของกษัตริย์มีพระนามว่านาอามาห์คนอัมโมน
22Ary ny Joda nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah ka nampahasaro-piaro Azy tamin'ny fahotana izay nataony mihoatra noho izay rehetra nataon'ny razany.
22และยูดาห์ได้กระทำชั่วในสายพระเนตรของพระเยโฮวาห์ และเขาทั้งหลายได้ยั่วยุให้พระองค์หวงแหนด้วยบาปทั้งหลายที่เขาได้กระทำ ซึ่งมากกว่าบาปทั้งสิ้นที่บรรพบุรุษของเขาได้กระทำเสียอีก
23Fa izy koa nanao fitoerana avo ho azy sy tsangam-baton-tsampy ary Aseraha teny an-tampon'ny tendrombohitra avo rehetra sy teny ambanin'ny hazo maitso rehetra.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
23เพราะเขาได้สร้างปูชนียสถานสูงด้วย และเสาศักดิ์สิทธิ์ และเสารูปเคารพสำหรับตัวเขาไว้บนเนินเขาสูงๆทุกเนิน และใต้ต้นไม้เขียวทุกต้น
24Ary nisy olona nanolo-tena nijangajanga ho fanompoan-tsampy teo amin'ny tany; ary nanaraka ny fahavetavetana rehetra fanaon'ny firenena izay noroahin'i Jehovah teo anoloan'ny Zanak'Isiraely izy.
24และมีกะเทยในแผ่นดินนั้นด้วย และเขาได้กระทำตามบรรดาสิ่งที่น่าสะอิดสะเอียนของประชาชาติทั้งหลาย ซึ่งพระเยโฮวาห์ทรงขับไล่ออกไปให้พ้นหน้าประชาชนอิสราเอล
25Ary tamin'ny taona fahadimy nanjakan-dRehoboama mpanjaka dia niakatra Sisaka, mpanjakan'i Egypta, hamely an'i Jerosalema;
25ต่อมาในปีที่ห้าแห่งกษัตริย์เรโหโบอัม ชิชักกษัตริย์อียิปต์ได้ขึ้นมารบกรุงเยรูซาเล็ม
26dia nobaboiny ny rakitry ny tranon'i Jehovah sy ny rakitry ny tranon'ny mpanjaka ka lasany avokoa; ary nobaboiny koa ny ampinga volamena rehetra nataon'i Solomona
26ท่านได้เก็บทรัพย์สมบัติในพระนิเวศของพระเยโฮวาห์ และทรัพย์สมบัติในพระราชวังของกษัตริย์ ท่านได้เก็บไปเสียทุกอย่าง และท่านได้เก็บโล่ทองคำซึ่งซาโลมอนได้สร้างนั้นไปหมดด้วย
27Ary Rehoboama mpanjaka nanao ampinga varahina ho solon'ireny ka nanolotra azy teo an-tànan'ny lehiben'ny mpiambina, izay niambina ny varavaran'ny tranon'ny mpanjaka
27และกษัตริย์เรโหโบอัมได้กระทำโล่ทองสัมฤทธิ์แทนไว้ และมอบไว้ในมือของพวกทหารรักษาพระองค์ผู้เฝ้าทวารพระราชวัง
28Ary na oviana na oviana no nidiran'ny mpanjaka tao an-tranon'i Jehovah, dia nentin'ny mpiambina ireo ka naveriny tao an-trano fiambenana indray.
28เมื่อกษัตริย์เสด็จเข้าไปยังพระนิเวศของพระเยโฮวาห์ ทหารรักษาพระองค์ก็ถือโล่ออก แล้วนำกลับไปเก็บไว้ในห้องทหารรักษาพระองค์ตามเดิม
29Ary ny tantaran-dRehoboama sisa mbamin'izay rehetra nataony, tsy voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Joda va izany?
29ฝ่ายพระราชกิจนอกนั้นของเรโหโบอัม และสรรพสิ่งที่ทรงกระทำ มิได้บันทึกไว้ในหนังสือพงศาวดารแห่งกษัตริย์ประเทศยูดาห์หรือ
30Ary niady mandrakariva Rehoboama sy Jeroboama.Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
30มีสงครามระหว่างเรโหโบอัมและเยโรโบอัมเสมอไป
31Ary Rehoboama lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao amin'ny razany tao an-Tanànan'i Davida. Ary ny anaran-dreniny dia Nama Amonita. Ary Abia zanany no nanjaka nandimby azy.
31และเรโหโบอัมก็ทรงล่วงหลับไปอยู่กับบรรพบุรุษของพระองค์ และเขาก็ฝังไว้กับบรรพบุรุษของพระองค์ในนครดาวิด พระนามของพระชนนีของพระองค์คือนาอามาห์คนอัมโมน และอาบียัมราชโอรสก็ขึ้นครองแทน