1[Ny nanaovana ny tempoly] Ary tamin'ny taona fahavalo-polo amby efa-jato taorian'ny nialan'ny Zanak'Isiraely tamin'ny tany Egypta tamin'ny volana Ziva (volana faharoa izany), tamin'ny taona fahefatra nanjakan'i Solomona tamin'ny Isiraely, dia nanorina ny tranon'i Jehovah izy.
1อยู่มาในปีที่สี่ร้อยแปดสิบหลังจากที่ชนอิสราเอลออกมาจากแผ่นดินอียิปต์ ในปีที่สี่แห่งการที่ซาโลมอนครอบครองอิสราเอล ในเดือนศิฟ ซึ่งเป็นเดือนที่สอง พระองค์ทรงเริ่มสร้างพระนิเวศของพระเยโฮวาห์
2Ary ny trano nataon'i Solomona mpanjaka ho an'i Jehovah dia enim-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony.
2พระนิเวศซึ่งกษัตริย์ซาโลมอนทรงสร้างสำหรับพระเยโฮวาห์นั้น ยาวหกสิบศอก กว้างยี่สิบศอกและสูงสามสิบศอก
3Ary ny lavarangana fidirana teo anoloan'ny ati-trano lehibe, dia roa-polo hakiho ny lavany mifanerana amin'ny sakan'ny trano, ary folo akiho ny habeny teo anoloan'ny trano ihany.
3มุขหน้าห้องโถงของพระนิเวศนั้นยาวยี่สิบศอก เท่ากับด้านกว้างของพระนิเวศ และลึกเข้าไปหน้าพระนิเวศสิบศอก
4Ary ny varavarankelin'ny trano nataony makarakara tsy mivoha.
4และพระองค์ทรงสร้างหน้าต่างสำหรับพระนิเวศมีขอบสอบออกข้างนอก
5Ary tamin'ny lafin-trano dia nasiany paosin-trano mifanongoa manodidina, na amin'ny ati-trano lehibe, na amin'ny efitra atiny, sady nasiany efi-trano manodidina;
5พระองค์ทรงสร้างห้องติดผนังพระนิเวศอยู่รอบผนังของพระนิเวศ ทั้งที่ห้องโถงและที่ห้องหลัง และพระองค์ทรงสร้างห้องระเบียงโดยรอบ
6ny efi-trano ambany indrindra, dimy hakiho ny sakany, ary ny an-tenatenany, enina hakiho ny sakany, ary ny fahatelony, dia fito hakiho sakany; fa ny rindrina ivelan'ny trano dia ahenany manodidina isaky ny mifanongoa, mba tsy hisy hitsatoka amin'ny rindrina.
6ห้องชั้นล่างที่สุดกว้างห้าศอก ชั้นกลางกว้างหกศอก และชั้นที่สามกว้างเจ็ดศอก เพราะรอบด้านนอกของพระนิเวศพระองค์ทรงสร้างหยักบ่าไว้ที่ผนัง เพื่อว่าไม้รอดจะไม่ได้ทะลวงเข้าไปในผนังพระนิเวศ
7Ary tamin'ny nanaovana ny trano dia vato voapaika rahateo hatrany amin'ny fihadiam-bato no nanaovany azy: ka dia tsy nisy feon'ny tantanana, na fandraka, na vy fiasana, re tao an-trano tamin'ny nanaovany azy.
7เมื่อกำลังสร้าง พระนิเวศนั้นก็สร้างด้วยศิลา ซึ่งเตรียมมาจากบ่อศิลา เพราะฉะนั้นจึงไม่ได้ยินเสียงค้อนหรือขวานหรือเครื่องมือเหล็กใดๆในพระนิเวศ ขณะเมื่อทำการก่อสร้าง
8Ny varavarana mankao amin'ny efi-trano an-tenatenany dia teo amin'ny ilany ankavanan'ny trano; ary tohatra miolikolika no niakarany ho ao amin'ny efi-trano an-tenatenany, ary avy tao amin'ny an-tenatenany indray no niakarany ho ao amin'ny fahatelony.
8ทางเข้าห้องชั้นล่างอยู่ทางด้านขวาของตัวพระนิเวศ และคนขึ้นไปยังห้องชั้นกลางทางบันไดเวียน และขึ้นจากห้องชั้นกลางไปห้องชั้นที่สาม
9Toy izany no nanaovany ny trano sy nahavitany azy; ary rairainy nopetahany hazo fisaka sedera no nataony tafon'ny trano.
9พระองค์ทรงสร้างพระนิเวศดังนี้และทรงให้สำเร็จ และพระองค์ทรงสร้างเพดานของพระนิเวศ มีไม้คร่าวและกระดานเป็นไม้สนสีดาร์
10Ary ny paosin-trano nataony manodidina ny trano, dimy hakiho avy ny hahavony, ary hazo sedera no nikambanany tamin'ny trano.
10พระองค์ทรงสร้างห้องรอบพระนิเวศสูงห้าศอก และติดกับตัวพระนิเวศด้วยกระดานไม้สนสีดาร์
11Ary ny tenin'i Jehovah tonga tamin'i Solomona nanao hoe:
11และพระวจนะของพระเยโฮวาห์มาถึงซาโลมอนว่า
12Ny amin'ity trano ataonao, ity raha handeha araka ny lalako ianao sy hanaraka ny fitsipiko ary hitandrina ny didiko rehetra ka hanaraka azy, dia hotanterahiko aminao ny teniko, izay nolazaiko tamin'i Davida rainao;
12"เกี่ยวด้วยพระนิเวศนี้ซึ่งเจ้าสร้างอยู่ ถ้าเจ้าดำเนินตามกฎเกณฑ์ของเรา และประพฤติตามคำตัดสินของเรา และรักษาบัญญัติของเราทั้งสิ้นและดำเนินตาม เราก็จะกระทำถ้อยคำของเรากับเจ้าซึ่งเราพูดกับดาวิดบิดาของเจ้านั้นให้สำเร็จ
13ary hitoetra ao amin'ny Zanak'Isiraely Aho ka tsy hahafoy ny Isiraely oloko.
13และเราจะอยู่ในหมู่ชนอิสราเอล และจะไม่ทอดทิ้งอิสราเอลชนชาติของเราเลย"
14Ary nataon'i Solomona ny trano, ka dia vitany.
14ซาโลมอนได้ทรงสร้างพระนิเวศและทรงให้สำเร็จ
15Ary ny rindrina anatiny nopetahany hazo sedera; hatramin'ny vodi-rindrina ka hatramin'ny loha-rindrina dia nopetahany hazo avokoa ary hazo kypreso no nataony gorodon'ny trano.
15พระองค์ทรงกรุผนังข้างในพระนิเวศด้วยกระดานไม้สนสีดาร์ ตั้งแต่พื้นพระนิเวศจนถึงไม้เพดาน พระองค์ทรงกรุข้างในด้วยไม้ และพระองค์ทรงปูปิดพื้นพระนิเวศด้วยไม้สนสามใบ
16Ary ny roa-polo hakiho hatreo amin'ny rindrina farany dia nasiany efitra hazo sedera hatramin'ny vodirindrina ka hatramin'ny loha-rindrina, ary nataony ho efitra anatiny izany, dia ny fitoerana masina indrindra.
16พระองค์ทรงสร้างอีกข้างหนึ่งของพระนิเวศยี่สิบศอกด้วยกระดานไม้สนสีดาร์จากพื้นถึงไม้เพดาน และพระองค์ทรงสร้างห้องนี้ภายใน ให้เป็นห้องหลัง คือที่บริสุทธิ์ที่สุด
17Ary ny lavan'ny ati-trano lehibe teo anoloan'io dia efa-polo hakiho.
17ตัวพระนิเวศคือห้องโถงซึ่งอยู่ส่วนหน้านั้นยาวสี่สิบศอก
18Ary ny sedera amin'ny ati-trano dia nosoratany nasiany sarin'ny voantango sy voninkazo mivelatra; sedera avokoa izy, ka tsy nisy vato niseho.
18มีไม้สนสีดาร์ที่อยู่ข้างในพระนิเวศแกะเป็นรูปดอกตูมและดอกไม้บาน เป็นไม้สนสีดาร์ทั้งสิ้น ในที่นั่นแลไม่เห็นหินเลย
19Nanisy efitra anatiny tao anatin'ny trano izy hametrahany ny fiaran'ny faneken'i Jehovah.
19พระองค์ทรงจัดเตรียมห้องหลังไว้ข้างในพระนิเวศ เพื่อจะวางหีบพันธสัญญาของพระเยโฮวาห์ไว้ที่นั่น
20Ary teo anoloan'ny efitra anatiny roa-polo hakiho ny lavany, ary roa-polo hakiho ny sakany, roa-polo hakiho koa ny hahavony, sady voapetaka takela-bolamena tsara izy dia nopetahany hazo sedera ny alitara.
20ส่วนข้างในห้องหลังนั้นยาวยี่สิบศอก กว้างยี่สิบศอก และสูงยี่สิบศอก และพระองค์ทรงบุด้วยทองคำบริสุทธิ์ พระองค์ทรงกรุแท่นบูชาด้วยไม้สนสีดาร์ด้วย
21Ary nopetahan'i Solomona takela-bolamena tsara indrindra ny atin'ny trano; sady nasiany vakoka volamena hisakana eo anoloan'ny efitra anatiny; ary nopetahany takela-bolamena koa ny alitara.
21และซาโลมอนทรงบุข้างในพระนิเวศด้วยทองคำบริสุทธิ์ และพระองค์ทรงลากโซ่ทองคำข้ามข้างหน้าห้องหลัง และบุด้วยทองคำ
22Izao ati-trano rehetra izao dia nopetahany takela-bolamena avokoa; ary ny alitara momba ny efitra anatiny koa dia nopetahany takela-bolamena avokoa.
22และพระองค์ทรงบุพระนิเวศทั้งหลังด้วยทองคำ จนพระนิเวศนั้นสำเร็จทั้งสิ้น แท่นบูชาทั้งแท่นที่เป็นของห้องหลัง พระองค์ก็ทรงบุด้วยทองคำ
23Ary tao anatin'ny efitra anatiny dia nasiany kerobima hazo oliva roa. samy folo hakiho avy no hahavony.
23ในห้องหลังพระองค์ทรงสร้างเครูบสองรูปด้วยไม้มะกอกเทศ สูงรูปละสิบศอก
24Ary samy dimy hakiho avy ny elatry ny kerobima iray, dia folo hakiho hatramin'ny tendron'elany anankiray ka hatramin'ny tendron'elany anankiray.
24ปีกข้างหนึ่งของเครูบยาวห้าศอก ปีกอีกข้างหนึ่งของเครูบยาวห้าศอก จากปลายปีกข้างหนึ่งไปถึงปลายปีกอีกข้างหนึ่งยาวสิบศอก
25Ary ny kerobima iray koa folo hakiho; fa ny kerobima roa mitovy halehibe sy mitovy tarehy:
25เครูบอีกรูปหนึ่งก็วัดได้สิบศอกด้วย เครูบทั้งสองมีขนาดเท่ากัน และรูปอย่างเดียวกัน
26Folo hakiho ny hahavon'ny kerobima iray, ary tahaka io ihany koa ny kerobima anankiray.
26ความสูงของเครูบรูปหนึ่งเป็นสิบศอก และเครูบอีกรูปหนึ่งก็เหมือนกัน
27Ary ny kerobima nataony tao afovoan'ny trano anatiny; ary ny elany nataony mivelatra, ka ny ilany samy nipaka tamin'ny rindrina avy, ary ny ilany nifanendry teo afovoan'ny trano.
27พระองค์ทรงวางเครูบไว้ในส่วนชั้นในที่สุดของพระนิเวศ ปีกของเครูบนั้นกางออกเพื่อให้ปีกหนึ่งจดผนังข้างหนึ่ง และปีกของเครูบอีกรูปหนึ่งจดผนังอีกข้างหนึ่ง ส่วนปีกข้างอื่นก็มาจดกันตรงกลางพระนิเวศ
28Ary nopetahany takela-bolamena ny kerobima.
28และพระองค์ทรงบุเครูบด้วยทองคำ
29Ary ny rindrina manodidina nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, na ny efitra anatiny, na ny ati-trano lehibe.[palma]
29พระองค์ทรงสลักผนังของพระนิเวศนั้นโดยรอบ ด้วยรูปแกะสลักเป็นรูปเครูบ และต้นอินทผลัมและดอกไม้บานทั้งข้างในและข้างนอก
30Ary nopetahany takela-bolamena ny gorodona, na ny teo amin'ny efi-trano anatiny, na ny teo amin'ny ati-trano lehibe.
30พื้นของพระนิเวศนั้น พระองค์ทรงบุด้วยทองคำทั้งข้างในและข้างนอก
31Ary ny varavarana mankao amin'ny efitra anatiny dia nasiany lela-varavarana hazo oliva kopa-droa, ary ny tolany sy ny momba azy dia ampahadimin'ny sakan-trano.[palma]
31สำหรับทางเข้าสู่ห้องหลัง พระองค์ทรงสร้างประตูด้วยไม้มะกอกเทศ กรอบประตูชิ้นบนและวงกบประตูรวมเข้าเป็นหนึ่งในห้าของขนาดของผนัง
32Ny lela-varavarana hazo oliva kopa-droa dia nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy hazo rofia ary voninkazo mivelatra, ary, nopetahany volamena manify ny kerobima: sy ny hazo rofia.[palma]
32พระองค์ทรงสร้างบานประตูทั้งสองด้วยไม้มะกอกเทศ แกะรูปเครูบ ต้นอินทผลัม และดอกไม้บาน ทรงบุด้วยทองคำ พระองค์ทรงแผ่ทองคำหุ้มเครูบและห้อมต้นอินทผลัม
33Dia toy izany koa ny varavarana mankao amin'ny ati-trano lehibe, dia nasiany tolam-baravarana hazo oliva mahafeno ny ampahefatry ny sahan-trano.
33พระองค์ทรงสร้างวงกบประตูทางเข้าห้องโถงด้วยไม้มะกอกเทศ เป็นหนึ่งในสี่ของขนาดของผนัง
34Ary ny lela-varavarana hazo kypreso kopa-droa dia kamban-droa samy nisy savily avy.
34และประตูสองบานด้วยไม้สนสามใบ บานสองบานของบานประตูหนึ่งหมุนได้ และบานอีกสองบานของบานประตูหนึ่งก็หมุนได้
35Ary nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy ny hazo rofia ary voninkazo mivelatra ireo, dia nopetahany volamena manify ny sorany.
35พระองค์ทรงแกะเครูบ ต้นอินทผลัมและดอกไม้บานบนบานประตูนั้น และพระองค์ทรงบุด้วยทองคำสม่ำเสมอกันบนงานแกะสลักนั้น
36Ary nanao ny kianja tao anatiny tamin'ny vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana izy.
36พระองค์ทรงสร้างลานภายในด้วยกำแพงหินสกัดสามชั้น และด้วยไม้สนสีดาร์ชั้นหนึ่ง
37Tamin'ny volana Ziva tamin'ny taona fahefatra, no; nanaovany ny fanorenan'ny tranon'i Jehovah.Ary tamin'ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.
37ในปีที่สี่ก็ได้วางรากพระนิเวศของพระเยโฮวาห์ ในเดือนศิฟ
38Ary tamin'ny volana Bola (volana fahavalo izany), tamin'ny taona fahiraika ambin'ny folo, no nahavitany ny trano araka ny fombany rehetra sy izay rehetra nahamety azy. Dia fito taona no nanaovany azy.
38และในปีที่สิบเอ็ดในเดือนบูล ซึ่งเป็นเดือนที่แปด พระนิเวศนั้นก็สำเร็จหมดทุกๆส่วน และสำเร็จตามรายการทั้งสิ้น พระองค์ทรงสร้างพระนิเวศนั้นเจ็ดปี