Malagasy

Thai King James Version

1 Samuel

14

1Ary tamin'ny indray andro dia hoy Jonatana, zanak'i Saoly, tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ny Filistina izay erỳ an-dafy erỳ. Nefa tsy nilaza tamin-drainy izy.
1อยู่มาวันหนึ่งโยนาธานราชโอรสของซาอูลกล่าวกับคนหนุ่มที่ถือเครื่องอาวุธของท่านว่า "มาเถิด ให้เราข้ามไปยังกองทหารรักษาการของคนฟีลิสเตียข้างโน้น" แต่หาได้ทูลพระบิดาของตนให้ทราบไม่
2Ary Saoly nitoetra tao an-tsisin'i Gibea teo ambanin'ny hazo ampongabendanitra any Migrona; ary ny vahoaka teo aminy dia tokony ho enin-jato lahy;
2ซาอูลทรงพักอยู่ที่ชานเมืองกิเบอาห์ใต้ต้นทับทิม ซึ่งอยู่ที่ตำบลมิโกรน พลซึ่งอยู่ด้วยมีประมาณหกร้อยคน
3ary teo koa nisalotra efoda Ahia, zanak'i Ahitoba, rahalahin'i Ikaboda, zanak'i Finehasa, zanak'i Ely, mpisoron'i Jehovah tany Silo. Fa tsy fantatry ny olona fa lasa Jonatana.
3กับอาหิยาห์บุตรชายอาหิทูบพี่ชายของอีคาโบด บุตรชายของฟีเนหัสผู้เป็นบุตรชายของเอลีปุโรหิตแห่งพระเยโฮวาห์ที่เมืองชีโลห์ เขาถือเอโฟดไป และพวกพลไม่ทราบว่าโยนาธานไปแล้ว
4Ary teo an-daniny roa teo an-tenatenan'ny hadilanana izay nitadiavan'i Jonatana hankanesana ao amin'ny miaramilan'ny Filistina dia nisy harambato kitso loha: ny anaran'ny anankiray dia Bozeza, ary ny anaran'ny anankiray kosa Sene.
4ตามทางข้ามเขาที่โยนาธานหาช่องที่จะข้ามไปยังค่ายของฟีลิสเตียนั้น มียอดหินแหลมอยู่ฟากทางข้างนี้ และมียอดหินแหลมอยู่ฟากทางข้างโน้น ยอดหนึ่งมีชื่อว่าโบเซส อีกยอดหนึ่งชื่อเสเนห์
5Ny iray amin'ireo harambato ireo dia nijoro avo teo andaniny avaratra manandrify an'i Mikmasy, ary ny iray kosa nijoro avo teo atsimo manandrify an'i Gibea.
5หินแหลมยอดหนึ่งโผล่ขึ้นข้างเหนือหน้ามิคมาช และอีกยอดหนึ่งโผล่ขึ้นข้างใต้หน้ากิเบอาห์
6Ary hoy Jonatana tamin'ny zatovo, mpitondra ny fiadiany: Andeha isika hankany amin'ny miaramilan'ireo tsy mifora ireo; angamba homba antsika Jehovah, fa tsy misy mahasakana an'i Jehovah tsy hamonjy, na amin'ny maro, na amin'ny vitsy.
6โยนาธานกล่าวกับคนหนุ่มที่ถือเครื่องอาวุธของท่านว่า "มาเถิด ให้เราข้ามไปยังกองทหารรักษาการของคนเหล่านั้นที่มิได้เข้าสุหนัต บางทีพระเยโฮวาห์จะทรงประกอบกิจเพื่อเรา เพราะว่าไม่มีสิ่งใดที่ขัดขวางพระเยโฮวาห์ได้ในการที่พระองค์จะทรงช่วยให้พ้นไม่ว่าโดยคนมากหรือน้อย"
7Dia hoy kosa ny mpitondra ny fiadiany taminy: Ataovy izay rehetra ao am-ponao; mandrosoa ihany; indro, hanaraka anao aho araka ny sitraponao.
7ผู้ถือเครื่องอาวุธของท่านจึงตอบท่านว่า "จงกระทำทุกสิ่งที่จิตใจของท่านอยากกระทำ หันไปเถิด ดูเถิด ข้าพเจ้าอยู่กับท่าน ตามแต่จิตใจของท่านจะว่าอย่างไร"
8Ary hoy Jonatana: Indro, handroso ho amin'ireo olona ireo isika ka hiseho aminy.
8แล้วโยนาธานกล่าวว่า "ดูเถิด เราจะข้ามไปหาคนเหล่านั้น และจะสำแดงตัวของเราให้เขาเห็น
9Ary raha hoy izy: Andraso mandra-pahatonganay any aminareo, dia hitoetra ao amin'izay itoerantsika ihany isika ka tsy hiakatra eny aminy.
9ถ้าเขาจะกล่าวแก่เราว่า `จงคอยอยู่จนกว่าเราจะมาหาเจ้า' แล้วเราจะยืนนิ่งอยู่ในที่ของเรา และเราจะไม่ไปหาเขา
10Fa raha hoy kosa izy: Miakara etỳ aminay, dia hiakatra isika, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tanantsika izy; ary izany no ho famantarana ho antsika.
10แต่ถ้าเขาว่า `จงขึ้นมาหาเราเถิด' แล้วเราจึงจะขึ้นไป เพราะพระเยโฮวาห์ทรงมอบเขาไว้ในมือเราแล้ว จะให้เรื่องนี้เป็นสัญญาณแก่เรา"
11Dia niseho tamin'ny miaramilan'ny Filistina izy roa lahy, ary hoy ny Filistina: Indreo, misy Hebreo mifongatra avy any an-davaka niereny.
11ทั้งสองจึงสำแดงตัวให้กองทหารรักษาการคนฟีลิสเตียเห็น และคนฟีลิสเตียกล่าวว่า "ดูเถิด พวกฮีบรูออกมาจากรูที่ซ่อนตัวอยู่แล้ว"
12Ary ny miaramila namaly an'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany hoe: Miakara etỳ aminay, dia hanehoanay zavatra ianareo. Ary hoy Jonatana tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Manaraha ahy, fa efa natolotr'i Jehovah eo an-tànan'ny Isiraely izy.
12และคนที่กองทหารรักษาการจึงร้องบอกโยนาธานและผู้ถือเครื่องอาวุธของท่านว่า "จงขึ้นมาหาเรา แล้วเราจะแจ้งให้เจ้าทราบสักเรื่องหนึ่ง" และโยนาธานบอกผู้ถือเครื่องอาวุธของท่านว่า "จงตามข้าขึ้นมา เพราะพระเยโฮวาห์ได้ทรงมอบเขาไว้ในมืออิสราเอลแล้ว"
13Ary Jonatana nananika, nandady tongotra aman-tanana, ary nanaraka azy ny mpitondra ny fiadiany. Dia lavo teo anatrehan'i Jonatana ny Filistina, ary ny mpitondra ny fiadiany namono teo aoriany.
13แล้วโยนาธานก็คลานขึ้นไปและผู้ถือเครื่องอาวุธของท่านก็ตามไปด้วย คนเหล่านั้นก็ล้มตายหน้าโยนาธาน และผู้ถือเครื่องอาวุธก็ฆ่าเขาทั้งหลายตามท่านไป
14Ary tokony ho roa-polo lahy no matiny aloha, izay novonoin'i Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany tao anatin'ny tany tokony ho antsasaky ny vavasa iray akera.
14การฆ่าฟันครั้งแรกที่โยนาธานและผู้ถือเครื่องอาวุธของท่านได้กระทำนั้น มีประมาณยี่สิบคน อย่างในระยะทางครึ่งรอยไถในนาสักสองไร่
15Koa nisy hovitra tao amin'ny toby tany an-tsaha sy tamin'ny vahoaka rehetra; ary ny teo amin'ny miaramila sy ny mpandrava nangovitra koa, ary nihorohoro ny tany, ka dia nisy fampangovitana avy tamin'Andriamanitra.
15และบังเกิดการสั่นสะท้านในค่าย ในทุ่งนาและในหมู่ประชาชนทั้งหมด กองทหารนั้นและถึงกองปล้นก็ตกใจตัวสั่น แผ่นดินได้ไหว กระทำให้เกิดการสั่นสะท้านมากยิ่งนัก
16Ary ny mpitilin'i Saoly ao Gibean'ny Benjamina dia nitazana, ka, indro, niely ny vahoaka sady nifanaritaka be ihany.
16ยามของซาอูลที่อยู่ ณ กิเบอาห์แห่งคนเบนยามินก็มองดูอยู่ และดูเถิด มวลชนก็สลายไป วิ่งตีกันไปมา
17[Ny nanenjehan'i Saoly sy ny Isiraely ny Filistina, sy ny nampianianan'i Saoly ny olona, ary ny zavatra niseho avy tamin'izany] Ary hoy Saoly tamin'ny olona teo aminy: Alaharo, ka izahao izay niala tamintsika. Ary nony voalahatra ny olona, dia Jonatana sy ny mpitondra ny fiadiany no tsy teo.
17แล้วซาอูลจึงรับสั่งแก่พลที่อยู่กับท่านว่า "จงนับดูว่าผู้ใดได้ไปจากเราบ้าง" และเมื่อเขานับดูแล้ว ดูเถิด โยนาธานและผู้ถือเครื่องอาวุธของท่านไม่อยู่ที่นั่น
18Dia hoy Saoly tamin'i Ahia: Ento etỳ ny fiaran'Andriamanitra (fa teo amin'ny Zanak'Isiraely ny fiaran'Andriamanitra fahizany).[Na: Ento etỳ ny efoda. (Fa nisalotra ny efoda teo anatrehan'ny Isiraely izy fahizany.)]
18และซาอูลรับสั่งกับอาหิยาห์ว่า "จงนำหีบของพระเจ้ามาที่นี่" เพราะคราวนั้นหีบของพระเจ้าอยู่กับคนอิสราเอลด้วย
19Ary raha Saoly mbola niresaka tamin'ny mpisorona, dia nandroso sy nitombo ny tabataba terỳ an-tobin'ny Filistina. Ary hoy Saoly tamin'ny mpisorona: Aoka ihany.
19อยู่มาเมื่อซาอูลตรัสกับปุโรหิต เสียงโกลาหลในค่ายฟีลิสเตียก็เพิ่มขึ้นเรื่อยๆ ซาอูลจึงตรัสกับปุโรหิตว่า "หดมือไว้ก่อน"
20Ary Saoly sy ny vahoaka rehetra izay teo aminy nivory, ka dia tonga tany amin'ny ady izy, ary indreo ny Filistina nifamely tamin'ny sabany, dia izy samy izy, ka nifanaritaka be ihany.
20ซาอูลกับบรรดาพลที่อยู่ด้วยก็รวมกันเข้าไปทำศึก และดูเถิด ดาบของทุกคนก็ต่อสู้เพื่อนของตน มีความสับสนอลหม่านอย่างยิ่ง
21Ary ny Hebreo izay teo amin'ny Filistina taloha ka niara-niakatra taminy ho any an-toby avy tamin'ny tany manodidina dia nikambana tamin'ny Isiraely izay teo amin'i Saoly sy Jonatana koa.
21ฝ่ายคนฮีบรูซึ่งเคยอยู่กับคนฟีลิสเตียก่อนเวลานั้น คือผู้ที่ไปอาศัยอยู่กับพวกเขาในค่ายจากชนบทรอบๆ เขาทั้งหลายกลับมาเข้ากับคนอิสราเอลผู้อยู่ฝ่ายซาอูลและโยนาธาน
22Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely izay niery tany amin'ny tany havoan'i Efraima, raha nandre ny nandosiran'ny Filistina, dia nanenjika azy fatratra koa tamin'ny ady.
22ในทำนองเดียวกัน คนอิสราเอลทุกคนที่ซ่อนตัวอยู่ที่แดนเทือกเขาเอฟราอิม เมื่อได้ยินว่าคนฟีลิสเตียกำลังหนี พวกเหล่านี้ก็ไล่ติดตามเขาไปทำศึกด้วย
23Ary Jehovah namonjy ny Isiraely tamin'izany andro izany; ary tafahoatra any Betavena ny ady.
23พระเยโฮวาห์ทรงช่วยอิสราเอลให้พ้นในวันนั้น และสงครามก็ผ่านตลอดเมืองเบธาเวนเลยไป
24Ary ory ny lehilahy amin'ny Isiraely tamin'izany andro izany, nefa Saoly efa nampianiana ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio tontolo andro mandra-pamaliko ny fahavaloko. Dia tsy nisy olona nitendry hanina na dia iray akory aza.
24และคนอิสราเอลต้องทุกข์ยากในวันนั้น เพราะซาอูลได้ทรงให้ประชาชนปฏิญาณไว้ว่า "ถ้าผู้ใดรับประทานอาหารก่อนเวลาเย็นวันนี้ ก่อนเราแก้แค้นศัตรูแล้ว ให้ผู้นั้นถูกสาปแช่ง" เพราะฉะนั้นพวกพลจึงไม่รับประทานอาหารเลย
25Ary ny olona rehetra amin'ny tany dia niditra ny ala; ary nisy tantely teny ambonin'ny tany.[Heb. ny tany rehetra]
25และชาวแผ่นดินทุกคนก็เข้ามาในป่า มีน้ำผึ้งอยู่ตามพื้นทุ่ง
26Ary rehefa tonga teo anaty ala ny olona, indro, nisy tantely nitsororoka; fa tsy nisy olona sahy nanainga ny tànany ho amin'ny vavany, fa natahotra ny fianianana izy.
26เมื่อประชาชนเข้าไปในป่านั้น ดูเถิด น้ำผึ้งก็กำลังย้อยอยู่ แต่ไม่มีคนใดเอามือใส่ปาก เพราะเขากลัวคำปฏิญาณ
27Fa Jonatana kosa tsy nandre ny nampianianan-drainy ny olona; koa dia narosony ny loha-tehiny teny an-tànany ka natsobony teo amin'ny tantely, ary nataony teo am-bavany ny tànany, ka dia nazava ny masony.
27แต่โยนาธานไม่ได้ยินคำปฏิญาณของพระราชบิดาที่ทรงให้ประชาชนปฏิญาณ จึงเอาปลายไม้ที่ถืออยู่แหย่ที่รังผึ้ง แล้วก็เอามือของท่านใส่ปาก ตาก็แจ่มใสขึ้น
28Ary nisy olona anankiray niteny taminy ka nanao hoe: Rainao anie ka efa nampianiana mafy ny olona hoe: Ho voaozona anie izay olona homan-kanina anio; ka efa reraka ny olona.
28มีชายคนหนึ่งเรียนว่า "พระราชบิดาของท่านบังคับให้พวกพลปฏิญาณว่า `ผู้ใดที่รับประทานอาหารในวันนี้ให้ผู้นั้นถูกสาปแช่ง'" และพวกพลก็อ่อนเพลีย
29Dia hoy Jonatana: Ikaky efa nampiditra loza tamin'ny tany; koa jereo, masìna ianareo, he! izato fahazavan'ny masoko tamin'ilay nanandramako kely tamin'ity tantely ity.
29แล้วโยนาธานจึงกล่าวว่า "บิดาของข้ากระทำให้แผ่นดินลำบาก ดูซิว่าตาของข้าแจ่มแจ้งเพียงไร เพราะข้าได้รับประทานน้ำผึ้งนี้แต่เล็กน้อย
30Ka mainka fa raha navela hihinanan'ny olona ny babo azony tamin'ny fahavalony, tsy ho nahafatesana be lavitra va ny Filistina?
30ถ้าวันนี้พวกพลได้กินของที่ริบมาจากศัตรูซึ่งเขาหามาได้อย่างอิ่มหนำจะดีกว่านี้สักเท่าใด เพราะขณะนี้การฆ่าฟันคนฟีลิสเตียก็จะมากกว่ามิใช่หรือ"
31Ary izy ireo namely ny Filistina tamin'izany andro izany hatrany Mikmasy ka hatrany Aialona, ary reraka indrindra ny olona.
31ในวันนั้นเขาทั้งหลายฆ่าฟันคนฟีลิสเตียจากมิคมาชถึงอัยยาโลน และพวกพลก็อ่อนเพลียนัก
32Dia nanaovan'ny olona an-kazakazaka ny babo, ka naka ondry aman'osy sy omby ary zanak'omby izy, dia namono azy teo amin'ny tany, ka dia nohanin'ny olona mbamin'ny ràny.
32และพวกพลก็วิ่งเข้าหาของที่ริบได้ เอาแกะและวัวและลูกวัวมาฆ่าเสีย ณ ที่นั้นเอง และพวกพลก็กินเนื้อพร้อมกับเลือด
33Ary nisy nanambara tamin'i Saoly hoe: Indro, ny olona manota amin'i Jehovah, fa mihinana zavatra mbamin'ny ràny izy. Ary hoy Saoly: Efa diso ianareo, manakodiava vato lehibe etỳ amiko anio.
33แล้วเขาก็ไปทูลซาอูลว่า "ดูเถิด พวกพลกำลังทำบาปต่อพระเยโฮวาห์ โดยรับประทานพร้อมกับเลือด" และซาอูลจึงรับสั่งว่า "พวกเจ้าได้ละเมิดแล้ว จงกลิ้งก้อนหินใหญ่มาให้เราวันนี้"
34Ary hoy koa izy: Mieleza eny amin'ny olona ianareo, ka lazao aminy hoe: Samia mitondra ny ombiny etỳ amiko, ary samia mitondra ny ondriny, ka vonoy eto izy, dia hano, ary aza manota amin'i Jehovah amin'ny fihinanana zavatra mbamin'ny ràny. Ary ny vahoaka rehetra samy nitondra ny ombiny niaraka taminy tamin'izany alina izany ka namono azy teo.
34และซาอูลตรัสว่า "ท่านจงกระจัดกระจายกันไปท่ามกลางพวกพลและบอกเขาว่า `ให้ทุกคนนำวัวหรือแกะของตัวมาฆ่าเสียที่นี่แล้วรับประทาน อย่ากระทำบาปต่อพระเยโฮวาห์ด้วยรับประทานพร้อมกับเลือด'" คืนนั้นทุกคนก็นำวัวมาและฆ่าเสียที่นั่น
35Ary Saoly nanao alitara ho an'i Jehovah; io no alitara voalohany naoriny ho an'i Jehovah.
35และซาอูลก็สร้างแท่นบูชาถวายแด่พระเยโฮวาห์ เป็นแท่นบูชาแท่นแรกซึ่งพระองค์สร้างถวายแด่พระเยโฮวาห์
36Ary hoy Saoly: Andeha isika hidina hanenjika ny Filistina anio alina ka hamabo azy ambara-pahazavan'ny andro, ary tsy hasiantsika miangana izy. Dia hoy ny olona: Ataovy izay sitrakao. Fa hoy ny mpisorona: Andeha isika hanatona an'Andriamanitra etoana.
36แล้วซาอูลรับสั่งว่า "ให้เราลงไปตามคนฟีลิสเตียทั้งกลางคืน แล้วริบข้าวของของเขาเสียจนรุ่งเช้า อย่าให้เหลือสักคนเดียวเลย" และเขาทั้งหลายตอบว่า "จงกระทำตามที่พระองค์ทรงเห็นชอบทุกประการเถิด" แต่ปุโรหิตกล่าวว่า "ให้เราเข้ามาเฝ้าพระเจ้าที่นี่เถิด"
37Ary Saoly nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Hidina hanenjika ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tànan'ny Isiraely va izy? Fa tsy namaly azy akory Izy androtr'iny.
37และซาอูลก็ทูลถามพระเจ้าว่า "สมควรที่ข้าพระองค์จะติดตามคนฟีลิสเตียหรือไม่ พระองค์จะทรงมอบเขาทั้งหลายไว้ในมือของอิสราเอลหรือ" แต่ในวันนั้นพระองค์มิได้ทรงตอบท่าน
38Ary hoy Saoly: Manatona etỳ, ianareo loholona rehetra, ary fantaro ka izahao izay nahatonga izao fahotana androany izao?
38และซาอูลจึงตรัสว่า "มาที่นี่เถิด ท่านทั้งหลายที่เป็นประมุขของคนอิสราเอลพึงทราบและเห็นว่าบาปนี้ได้เกิดขึ้นอย่างไรในวันนี้
39Fa raha velona koa Jehovah, Izay Mpamonjy ny Isiraely, dia na amin'i Jonatana zanako aza no hahitana izany, dia ho faty tokoa izy. Fa tsy nisy namaly azy ny vahoaka rehetra.
39เพราะว่าพระเยโฮวาห์ผู้ทรงช่วยอิสราเอล ทรงพระชนม์อยู่แน่ฉันใด แม้ความผิดนั้นอยู่ที่โยนาธานบุตรชายของข้า เขาก็จะต้องตายเป็นแน่ฉันนั้น" แต่ไม่มีชายสักคนหนึ่งที่อยู่ในหมู่ประชาชนทั้งหมดนั้นตอบพระองค์
40Dia hoy kosa izy tamin'ny Isiraely rehetra: Hianareo no aoka ho an-daniny, ary izaho sy Jonatana zanako kosa ho an-daniny. Ary hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ataovy izay sitrakao.
40แล้วพระองค์จึงตรัสกับอิสราเอลทั้งปวงว่า "พวกท่านทั้งหลายอยู่ฝ่ายหนึ่ง เราและโยนาธานบุตรชายของเราจะอยู่อีกฝ่ายหนึ่ง" และประชาชนทูลซาอูลว่า "ขอจงกระทำตามที่พระองค์ทรงเห็นชอบเถิด"
41Dia hoy Saoly tamin'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Asehoy izay marina. Ary Jonatana sy Saoly no notànany, fa afaka ny olona.
41ดังนั้นซาอูลจึงทูลพระเยโฮวาห์พระเจ้าแห่งอิสราเอลว่า "ขอทรงสำแดงฝ่ายถูก" ข้างฝ่ายซาอูลและโยนาธานถูกสลาก แต่ฝ่ายประชาชนรอดไป
42Ary hoy Saoly; Manaova filokana ny amiko sy Jonatana zanako. Ary Jonatana no notànany.
42แล้วซาอูลรับสั่งว่า "จับสลากระหว่างเรากับโยนาธานบุตรชายของเรา" และโยนาธานถูกสลาก
43Dia hoy Saoly tamin'i Jonatana: Ambarao amiko izay nataonao. Ary Jonatana nanambara taminy hoe: Nanandrana tantely kely monja tamin'ny tendron'ny tehina tetỳ an-tanako aho, ary, indro, tsy maintsy ho faty aho.
43แล้วซาอูลจึงตรัสกับโยนาธานว่า "เจ้าได้กระทำอะไร จงบอกเรามา" โยนาธานก็ทูลว่า "ข้าพระองค์ได้ชิมน้ำผึ้งที่ติดปลายไม้เท้าซึ่งอยู่ในมือของข้าพระองค์เล็กน้อยเท่านั้น และดูเถิด ข้าพระองค์ต้องตาย"
44Dia hoy Saoly: Hataon'Andriamanitra toy izany anie, eny mihoatra noho izany aza, raha tsy hatao maty tokoa ianao, ry Jonatana.
44และซาอูลตรัสว่า "ขอพระเจ้าทรงลงโทษและยิ่งหนักกว่า โยนาธาน เจ้าจะต้องตายแน่"
45Fa hoy ny vahoaka tamin'i Saoly: Ho faty va Jonatana, izay nanao izao famonjena lehibe izao tamin'ny Isiraely? Sanatria izany! Raha velona koa Jehovah, tsy hisy na dia ny singam-bolony iray akory aza ho latsaka amin'ny tany, fa niara-niasa tamin'Andriamanitra izy androany. Ary ny vahoaka namonjy an'i Jonatana, ka dia tsy maty izy.
45แล้วประชาชนจึงทูลซาอูลว่า "โยนาธานควรจะถึงตายหรือ เขาเป็นผู้ที่ได้นำให้มีชัยใหญ่ยิ่งนี้ในอิสราเอล ขอพระเจ้าอย่ายอมให้เป็นเช่นนั้นเลย พระเยโฮวาห์ทรงพระชนม์อยู่แน่ฉันใด เส้นผมของท่านสักเส้นหนึ่งจะไม่ตกถึงดินฉันนั้น เพราะในวันนี้ท่านได้กระทำศึกด้วยกันกับพระเจ้า" ประชาชนไถ่โยนาธานไว้ ท่านจึงไม่ถึงตาย
46Ary Saoly niakatra rehefa avy nanenjika ny Filistina; ary ny Filistina kosa dia lasa nankany amin'ny taniny.
46แล้วซาอูลก็เลิกทัพไม่ติดตามคนฟีลิสเตีย และคนฟีลิสเตียกลับไปยังที่อยู่ของตน
47[Ny ady nataon'i Saoly, sy ny filazana ny amin'ny taranany] Ary Saoly nahazo ny fanjakan'Isiraely ary niady tamin'ny fahavalony rehetra manodidina, dia tamin'ny Moaba sy ny taranak'i Amona sy ny Edomita sy ny mpanjakan'i Zoba ary ny Filistina; ary izay nalehany rehetra dia resiny avokoa.
47เมื่อซาอูลได้รับตำแหน่งกษัตริย์เหนืออิสราเอลนั้น พระองค์ได้ทรงต่อสู้บรรดาศัตรูทุกด้าน ต่อสู้กับโมอับ กับชนอัมโมน กับเอโดม กับบรรดากษัตริย์แห่งโศบาห์ และกับคนฟีลิสเตีย ไม่ว่าพระองค์จะหันไปทางไหน พระองค์ก็ทรงกระทำให้เขาพ่ายแพ้ไป
48Ary namory miaramila izy, dia namely ny Amalekita ka namonjy ny Isiraely tamin'ny tànan'izay namaboazy.
48พระองค์ทรงรวบรวมกองทัพ และทรงโจมตีพวกอามาเลข และทรงช่วยคนอิสราเอลให้พ้นจากมือของบรรดาผู้ที่เข้าปล้นเขา
49Ary izao no zanakalahin'i Saoly: Jonatana sy Jisvy sy Malkisoa; izao kosa no anaran'ny zananivavy roa: ny anaran'ny vavimatoa Meraba, ary ny anaran'ny faravavy Mikala.
49ฝ่ายโอรสของซาอูล มีโยนาธาน อิชวี มัลคีชูวา และชื่อธิดาทั้งสองของพระองค์คือ คนหัวปีชื่อเมราบ และชื่อผู้น้องคือมีคาล
50Ary ny anaran'ny vadin'i Saoly dia Ahinoama, zanakavavin'i Ahimaza: ary ny anaran'ny komandin'ny miaramilany dia Abnera, zanak'i Nera, rahalahin-drain'i Saoly.
50ชื่อมเหสีของซาอูลคืออาหิโนอัม บุตรสาวของอาหิมาอัส และชื่อแม่ทัพของพระองค์ คืออับเนอร์ บุตรชายเนอร์ ลุงของซาอูล
51Ary Kisy no rain'i Saoly; ary Nera, rain'i Abnera, dia zanak'i Abiela.Ary mafy ny ady tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy.
51คีชเป็นบิดาของซาอูล และเนอร์ผู้เป็นบิดาของอับเนอร์ เป็นบุตรชายของอาบีเอล
52Ary mafy ny ady tamin'ny Filistina tamin'ny andron'i Saoly rehetra; koa raha nisy olona matanjaka sy mahery hitan'i Saoly, dia nalainy ho azy.
52ตลอดรัชกาลของซาอูลมีสงครามอย่างรุนแรงกับคนฟีลิสเตียอยู่เสมอ เมื่อซาอูลทรงเห็นผู้ใดเป็นคนแข็งแรงหรือเป็นคนแกล้วกล้า ก็ทรงนำมาไว้ใช้ใกล้พระองค์