1[Ny nahafatesan'i Saoly sy ny zanany, ary ny nandevenana azy] Ary ny Filistina niady tamin'ny Isiraely, ary nandositra teo anoloan'ny Filistina ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary niampatrampatra teny an-tendrombohitra Gilboa ny faty.
1ฝ่ายคนฟีลิสเตียก็ต่อสู้กับคนอิสราเอล และคนอิสราเอลก็หนีไปให้พ้นหน้าคนฟีลิสเตีย ล้มตายอยู่ที่บนภูเขากิลโบอา
2Ary ny Filistina nanenjika mafy an'i Saoly sy ny zanany, ka matin'ny Filistina Jonatana sy Abinadaba ary Malkisoa, zanak'i Saoly.
2และคนฟีลิสเตียก็ไล่ทันซาอูลกับพวกราชโอรส และคนฟีลิสเตียก็ฆ่าโยนาธาน อาบีนาดับ และมัลคีชูวาราชโอรสของซาอูลเสีย
3Ary mafy ny ady tamin'i Saoly, dia nifanehatra tamin'ny mpandefa tsipìka izy; ary raiki-tahotra indrindra izy noho ny mpandefa tsipìka.
3การรบหนักก็ประชิดซาอูลเข้าไป นักธนูมาพบพระองค์เข้า พระองค์ก็บาดเจ็บสาหัสด้วยฝีมือของนักธนู
4Ary hoy Saoly tamin'ny mpitondra ny fiadiany: Tsoahy ny sabatrao, ka tsatohy miboroaka aho, fandrao avy irery tsy mifora irery ka hotsatohany miboroaka aho, dia hataony ho fihomehezana. Nefa tsy nety ny mpitondra ny fiadany, fa natahotra loatra izy. Dia nalain'i Saoly ny sabatra ka nianjerany.
4แล้วซาอูลรับสั่งคนถืออาวุธของพระองค์ว่า "จงชักดาบออก แทงเราเสียให้ทะลุเถิด เกรงว่าคนที่มิได้เข้าสุหนัตเหล่านี้จะเข้ามาแทงเราทะลุ เป็นการลบหลู่เรา" แต่ผู้ถืออาวุธไม่ยอมกระทำตาม เพราะเขากลัวมาก ซาอูลจึงทรงชักดาบของพระองค์ออกทรงล้มทับดาบนั้น
5Ary rehefa hitan'ny mpitondra ny fiadiany fa maty Saoly, dia mba nianjera tamin'ny sabany koa izy ka niara-maty taminy.
5และเมื่อผู้ถืออาวุธเห็นว่าซาอูลสิ้นพระชนม์แล้ว เขาก็ล้มทับดาบของเขาเองตายด้วย
6Ka dia niara-maty androtrizay ihany Saoly sy ny zanany telo lahy sy ny mpitondra ny fiadiany ary ny olony rehetra.
6ดังนั้น ซาอูลก็สิ้นพระชนม์ ราชโอรสทั้งสาม และผู้ถืออาวุธของพระองค์ก็สิ้นชีวิตตลอด จนคนของพระองค์ทั้งสิ้นก็ตายเสียในวันเดียวกัน
7Ary nony hitan'ny lehilahy amin'ny Isiraely teny an-dafin'ny lohasaha sy teny an-dafin'i Jordana fa nandositra ny lehilahy amin'ny Isiraely, ary maty Saoly sy ny zanany, dia niala tao an-tanàna izy ka nandositra; ary dia tonga ny Filistina ka nonina tao.
7เมื่อคนอิสราเอลซึ่งอยู่ฟากหุบเขาข้างโน้น และผู้ที่อยู่ฟากแม่น้ำจอร์แดนข้างโน้นเห็นคนอิสราเอลหนีไป และเห็นว่าซาอูลกับราชโอรสของพระองค์สิ้นชีพแล้ว เขาก็ทิ้งบ้านเมืองของเขาเสียหลบหนีไป คนฟีลิสเตียก็เข้ามาอาศัยอยู่ในนั้น
8Ary nony ampitso, raha tonga haka ny zavatra teo amin'ny maty ny Filistina, dia nahita an'i Saoly sy ny zanany telo lahy niampatrampatra teo an-tendrombohitra Gilboa izy.
8อยู่มาในวันรุ่งขึ้น เมื่อคนฟีลิสเตียมาปลดเสื้อผ้าจากคนที่ถูกฆ่า ก็พบพระศพซาอูลและราชโอรสทั้งสามอยู่บนภูเขากิลโบอา
9Ary notapahiny ny lohany, sady nalainy ny fiadiany, ary dia naniraka tany amin'ny tanin'ny Filistina manodidina izy hanambara izany zavatra mahafaly izany ao amin'ny tranon'ny sampiny sy amin'ny olona.
9พวกเขาตัดพระเศียรของซาอูล และถอดเครื่องอาวุธของพระองค์ออก ส่งผู้สื่อสารออกไปทั่วแผ่นดินฟีลิสเตีย เพื่อประกาศนำเอาข่าวนี้ในเรือนรูปเคารพ และในท่ามกลางประชาชนของเขา
10Dia napetrany tao amin'ny tranon'i Astarta ny fiadiany; ary ny fatiny nohomboany teo amin'ny màndan'i Beti-sana.
10เขาเอาเครื่องอาวุธของพระองค์บรรจุไว้ในวัดของพระอัชทาโรท และมัดพระศพของพระองค์ไว้กับกำแพงเมืองเบธชาน
11Ary nony ren'ny mponina tany Jabesi-gileada izay nataon'ny Filistina tamin'i Saoly,
11แต่เมื่อชาวยาเบชกิเลอาดได้ยินว่าคนฟีลิสเตียกระทำอย่างนั้นกับซาอูล
12dia niainga ny lehilahy mahery rehetra ka nandeha mandritra ny alina ary naka ny fatin'i Saoly sy ny fatin'ny zanany teo amin'ny màndan'i Beti-sana; ary tonga tao Jabesy izy ka nandoro azy tao.Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin'ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.
12ชายที่กล้าหาญทุกคนก็ลุกขึ้นเดินคืนยังรุ่งไปปลดพระศพของซาอูล และศพราชโอรสทั้งสามลงเสียจากกำแพงเมืองเบธชาน และมาที่เมืองยาเบช ถวายพระเพลิงเสียที่นั่น
13Ary nentiny ny taolany ka naleviny tao ambanin'ilay hazo tamariska tao Jabesy, ary dia nifady hanina hafitoana izy.
13เขาก็เก็บอัฐิไปฝังไว้ที่ใต้ต้นไม้แห่งหนึ่งในยาเบช และอดอาหารเจ็ดวัน