1[Ny nikambanan'i Jorama, mpanjakan'ny Isiraely, sy Josafata, mpanjakan'ny Joda, hiady tamin'ny Moabita] Ary Jorama, zanak'i Ahaba, vao nanjaka tamin'ny Isiraely tao Samaria tamin'ny fahavalo ambin'ny folo taona nanjakan'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ary nanjaka roa ambin'ny folo taona izy.
1ในปีที่สิบแปดของรัชกาลเยโฮชาฟัทกษัตริย์แห่งยูดาห์ เยโฮรัมโอรสของอาหับได้เริ่มครอบครองเหนืออิสราเอล ณ กรุงสะมาเรีย และทรงครองอยู่สิบสองปี
2Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah koa izy, nefa kosa tsy dia tahaka an-drainy, na tahaka an-dreniny; fa nanaisotra ilay tsangam-baton'i Bala izay nataon'drainy izy;
2พระองค์ทรงกระทำสิ่งที่ชั่วในสายพระเนตรของพระเยโฮวาห์ แต่ไม่เหมือนราชบิดาและราชมารดาของพระองค์ พระองค์ทรงทำลายเสาศักดิ์สิทธิ์แห่งพระบาอัล ซึ่งราชบิดาของพระองค์ทรงสร้างนั้นเสีย
3nefa izy nikikitra tamin'ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely, fa tsy niala tamin'izany.
3แม้กระนั้นพระองค์ยังทรงเกาะติดอยู่กับบาปทั้งหลายของเยโรโบอัมบุตรชายเนบัท ซึ่งพระองค์ทรงกระทำให้อิสราเอลทำบาปด้วย พระองค์หาได้ทรงพรากจากบาปนั้นไม่
4Ary Mesa, mpanjakan'i Moaba, nanana ondry betsaka; ary nandoa hetra ho an'ny mpanjakan'ny Isiraely izy, dia zanak'ondry iray hetsy sy ny volon'ondrilahy iray hetsy.[Na: ny volon-janak'ondry iray hetsy sy ondrilahy iray hetsy]
4ฝ่ายเมชากษัตริย์แห่งโมอับทรงเป็นผู้ดำเนินกิจการเลี้ยงแกะ และพระองค์ต้องถวายลูกแกะหนึ่งแสนตัว และแกะผู้หนึ่งแสนตัวพร้อมกับขนของมันให้แก่กษัตริย์อิสราเอล
5Fa rehefa maty Ahaba, dia niodina tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely ny mpanjakan'i Moaba.
5แต่อยู่มาเมื่ออาหับสิ้นพระชนม์แล้ว กษัตริย์แห่งโมอับก็กบฏต่อกษัตริย์แห่งอิสราเอล
6Ary Jorama mpanjaka nivoaka avy tany Samaria tamin'izany andro izany ka nandamina ny Isiraely rehetra.
6กษัตริย์เยโฮรัมจึงกรีธาทัพออกจากสะมาเรียในครั้งนั้น และทรงเกณฑ์คนอิสราเอลทั้งสิ้น
7Ary nandeha izy, dia naniraka tany amin'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, ka nanao hoe: Ny mpanjakan'i Moaba efa niodina tamiko: koa mba hiaraka amiko va ianao hiady aminy? Ary hoy izy: Eny, handeha aho, fa tahaka ny tenanao ihany aho, ka ny oloko dia olonao, ary ny soavaliko dia soavalinao.
7พระองค์ทรงส่งสารไปยังเยโฮชาฟัทกษัตริย์แห่งยูดาห์ว่า "กษัตริย์แห่งโมอับได้กบฏต่อข้าพเจ้า ท่านจะไปรบกับโมอับพร้อมกับข้าพเจ้าได้หรือไม่" และท่านว่า "เราจะไป เราก็เป็นดังที่ท่านเป็น และประชาชนของเราก็เป็นดังประชาชนของท่าน บรรดาม้าของเราก็เป็นดังม้าของท่าน"
8Ary hoy izy: Aiza ary no lalana halehantsika? Ary izy namaly hoe: Ilay mamaky ny efitr'i Edoma.
8แล้วท่านว่า "เราจะขึ้นไปทางใด" เยโฮรัมทรงตอบไปว่า "ไปทางถิ่นทุรกันดารเมืองเอโดม"
9Dia nandeha ny mpanjakan'ny Isiraely sy ny mpanjakan'ny Joda ary ny mpanjakan'i Edoma; ary nandeha nanodidina lalan-kafitoana izy; ary tsy nisy rano ho an'ny miaramila sy ny biby fiompy izay nentiny.
9กษัตริย์แห่งอิสราเอลจึงเสด็จไปพร้อมกับกษัตริย์แห่งยูดาห์ และกษัตริย์แห่งเอโดม และเมื่อทั้งสามกษัตริย์เสด็จอ้อมไปได้เจ็ดวันแล้วก็หาน้ำให้กองทัพและให้สัตว์ที่ติดตามมานั้นไม่ได้
10Dia hoy ny mpanjakan'ny Isiraely: Indrisy! Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan'i Moaba.
10แล้วกษัตริย์แห่งอิสราเอลจึงตรัสว่า "อนิจจาเอ๋ย พระเยโฮวาห์ทรงเรียกสามกษัตริย์นี้มาเพื่อจะมอบไว้ในมือของโมอับ"
11Ary hoy Josafata: Tsy misy mpaminanin'i Jehovah va eto hanontaniantsika amin'i Jehovah? Ary nisy anankiray tamin'ny mpanompon'ny mpanjakan'ny Isiraely namaly ka nanao hoe: Ato ihany Elisa, zanak'i Safata, ilay mpanondra-drano ny tànan'i Elia.
11และเยโฮชาฟัทตรัสว่า "ที่นี่ไม่มีผู้พยากรณ์ของพระเยโฮวาห์ เพื่อเราจะให้ทูลถามพระเยโฮวาห์หรือ" แล้วข้าราชการคนหนึ่งของกษัตริย์อิสราเอลจึงทูลว่า "เอลีชาบุตรชาฟัทอยู่ที่นี่พระเจ้าข้า เป็นผู้ที่เทน้ำใส่มือเอลียาห์"
12Ary hoy Josafata: Ao amin'izy io tokoa ny tenin'i Jehovah. Dia nidina nankany amin'i Elisa ny mpanjakan'ny Isiraely sy Josafata ary ny mpanjakan'i Edoma.
12และเยโฮชาฟัทตรัสว่า "พระวจนะแห่งพระเยโฮวาห์อยู่กับท่าน" กษัตริย์แห่งอิสราเอลและเยโฮชาฟัทและกษัตริย์แห่งเอโดมจึงเสด็จลงไปหาท่าน
13Ary hoy Elisa tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Moa mifaninona akory izaho sy ianao? Mandehana any amin'ny mpaminanin-drainao sy ny mpaminanin-dreninao ianao. Fa hoy ny mpanjakan'ny Isiraely taminy: Tsia, fa Jehovah efa niantso ireto mpanjaka telo ireto mba hatolony eo an-tànan'i Moaba.
13และเอลีชาทูลกษัตริย์แห่งอิสราเอลว่า "ข้าพระองค์มีเรื่องอะไรเกี่ยวข้องกับพระองค์ เสด็จไปหาผู้พยากรณ์ของเสด็จพ่อและผู้พยากรณ์ของเสด็จแม่ของพระองค์เถิด" แต่กษัตริย์แห่งอิสราเอลตรัสกับท่านว่า "หามิได้ ด้วยพระเยโฮวาห์ทรงเป็นผู้เรียกกษัตริย์ทั้งสามนี้มาเพื่อมอบไว้ในมือของโมอับ"
14Dia hoy Elisa: Raha velona koa Jehovah, Tompon'ny maro, Izay itsanganako eo anatrehany, raha tsy noho ny fanajako an'i Josafata, mpanjakan'ny Joda, dia tsy hanatrika anao na hijery anao akory aho.
14และเอลีชาทูลว่า "พระเยโฮวาห์จอมโยธาซึ่งข้าพระองค์ปรนนิบัติทรงพระชนม์อยู่แน่ฉันใด ถ้าข้าพระองค์มิได้เคารพคารวะต่อพระพักตร์เยโฮชาฟัทกษัตริย์แห่งยูดาห์แล้ว ข้าพระองค์จะไม่มองพระพักตร์พระองค์หรือดูแลพระองค์เลย
15Nefa itondray mpitendry lokanga aho. Ary rehefa nitendry ilay mpitendry lokanga, dia nanindry an'i Elisa ny tànan'i Jehovah.
15ขอทรงนำผู้เล่นเครื่องสายมาให้ข้าพระองค์สักคนหนึ่ง" และต่อมาเมื่อผู้เล่นเครื่องสายบรรเลงแล้ว พระหัตถ์ของพระเยโฮวาห์ก็มาเหนือท่าน
16Ary hoy Elisa: Izao no lazain'i Jehovah: Ataovy feno lavaka ity lohasahan-driaka ity.
16และท่านทูลว่า "พระเยโฮวาห์ตรัสดังนี้ว่า `ทำหุบเขานี้ให้เป็นสระทั่วไปหมด'
17Fa hoy Jehovah: Tsy hahita rivotra na ranonorana akory ianareo; nefa ho feno rano io lohasahan-driaka io, mba hosotroinareo, dia ianareo sy ny ombinareo ary ny biby fiompinareo.
17เพราะพระเยโฮวาห์ตรัสดังนี้ว่า `เจ้าทั้งหลายจะไม่เห็นลมและจะไม่เห็นฝน ถึงอย่างไรก็ดีหุบเขานั้นจะมีน้ำเต็มไปหมด เพื่อเจ้าจะได้ดื่ม ทั้งเจ้า ฝูงสัตว์เลี้ยงและสัตว์ใช้ของเจ้า'
18Ary ho zavatra kely ihany eo imason'i Jehovah izany; fa hanolotra ny Moabita eo an-tananareo koa Izy.
18เรื่องอย่างนี้เป็นเรื่องเล็กน้อยในสายพระเนตรของพระเยโฮวาห์ พระองค์จะทรงมอบคนโมอับไว้ในมือของเจ้าด้วย
19Ary handrava ny tanàna mimanda rehetra sy ny tanàna soa rehetra ianareo sady hikapa ny hazo tsara rehetra sy hanampina ny loharano rehetra ary hanipy vato amin'ny tany soa rehetra ho fanimbana azy.
19เจ้าจะโจมตีเมืองที่มีป้อมทุกเมือง และเมืองเอกทุกเมือง และจะโค่นต้นไม้ลงทุกต้น และจะจุกน้ำพุทุกแห่งเสีย และทำไร่นาที่ดีทุกแปลงให้เสียด้วยหิน"
20Ary nony maraina, tokony ho tamin'ny fotoana fanaterana ny fanatitra, dia, indro, nisy rano tokoa tonga avy tamin'ny lalana mankany Edoma, ka feno rano ny tany.
20และอยู่มาพอรุ่งเช้าประมาณเวลาถวายเครื่องธัญญบูชา ดูเถิด มีน้ำมาจากทางเมืองเอโดม จนแผ่นดินมีน้ำเต็มหมด
21Ary rehefa ren'ny Moabita rehetra fa avy miakatra hiady aminy ireo mpanjaka ireo, dia nivory izy hatramin'izay rehetra nahatam-piadiana no ho miakatra, ka dia niandry teo amin'ny sisin-taniny.[Heb. nahasikina]
21และเมื่อคนโมอับทั้งหลายได้ยินว่าบรรดากษัตริย์ยกไปสู้รบกับตน คนที่มีอายุสวมเกราะและสูงขึ้นไปก็ได้รวบรวมกันเข้า และยกไปตั้งที่พรมแดน
22Ary nony nifoha maraina koa ny Moabita, sady efa niposaka ny masoandro ka nitaratra tamin'ny rano, dia hitany ny rano tandrifiny fa mena tahaka ny rà.
22เมื่อเขาตื่นขึ้นในตอนเช้า และดวงอาทิตย์ส่องแสงอยู่บนน้ำ คนโมอับเห็นน้ำที่อยู่ตรงข้ามกับตนแดงอย่างโลหิต
23Dia hoy izy: Rà io! efa nifandringana tokoa ireo mpanjaka ireo, ary efa nifamely izy rehetra; koa mamaboa amin'izao, ry Moaba!
23เขาทั้งหลายกล่าวว่า "นี่เป็นโลหิต บรรดากษัตริย์ได้สู้รบกันเอง และฆ่ากันเอง เพราะฉะนั้นบัดนี้ โมอับเอ๋ย มาริบเอาข้าวของของเขา"
24Kanjo nony efa tonga teo an-tobin'ny Isiraely izy, dia nitsangana ny Isiraely ka namely ny Moabita, dia nandositra teo anoloany ireo; fa ny Isiraely niditra hatrany amin'ny tanin'ny Moabita ka mbola namely azy ihany.
24แต่เมื่อเขามาถึงค่ายอิสราเอล คนอิสราเอลก็ลุกขึ้นต่อสู้กับคนโมอับจนเขาทั้งหลายหนีไป และเขาก็รุกหน้าเข้าไปในแผ่นดินฆ่าฟันคนโมอับ
25Dia nandrava ny tanàna izy ary samy nanipy vato tamin'ny tany soa rehetra ka nahafeno azy, ary nanampina ny loharano rehetra koa izy sady nikapa ny hazo tsara rehetra mandra-paha-tsy nisy vato intsony afa-tsy ny tao Kira-haresa ihany; ary na dia io aza dia nohodidinin'ny mpandefa antsamotady ka nasiany.
25เขาทั้งหลายได้ทลายหัวเมือง และต่างคนก็ต่างโยนหินเข้าไปในไร่นาที่ดีทุกแปลงจนเต็ม เขาจุกน้ำพุเสียทุกแห่ง และโค่นต้นไม้ดีๆเสียหมด จนในคีร์หะเรเชทมีแต่หินของเมืองเหลืออยู่ บรรดานักสลิงได้ล้อมเมืองไว้และโจมตีได้
26Ary rehefa hitan'ny mpanjakan'i Moaba fa tsy tohany ny ady, dia nitondra fiton-jato lahy nahay sabatra nomba azy izy mba hanivakivaka hitsin'ny mpanjakan'i Edoma; nefa tsy afaka izy.Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda. Dia niharan'ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin'ny taniny izy.
26เมื่อกษัตริย์แห่งโมอับทรงเห็นว่าจะสู้ไม่ได้ พระองค์ก็ทรงพาพลดาบเจ็ดร้อยคนจะตีฝ่าออกมาทางด้านกษัตริย์เมืองเอโดม แต่ออกมาไม่ได้
27Ary nalainy ny zanany lahimatoa, izay natao hanjaka handimby azy, ka nateriny ho fanatitra dorana teo ambonin'ny manda. Dia niharan'ny fahatezerana mafy ny Isiraely, dia niala taminy ary niverina ho any amin'ny taniny izy.
27แล้วพระองค์ทรงนำโอรสหัวปี ผู้ซึ่งควรจะขึ้นครองแทนนั้น ถวายเป็นเครื่องเผาบูชาเสียที่บนกำแพง และมีพระพิโรธใหญ่ยิ่งต่อพวกอิสราเอล เขาทั้งหลายก็ยกถอยไปจากพระองค์และกลับบ้านเมืองของตน