Malagasy

Thai King James Version

2 Samuel

2

1[Ny nanjakan'i Davida tamin'ny Joda, sy ny nanjakan'Isboseta tamin'ny Isiraely, ary ny niadian'izy roa tonta tao Gibeona] Ary rehefa afaka izany, Davida dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra ho any amin'ny tanànan'ny Joda anankiray va aho? Dia hoy Jehovah taminy: Miakara. Ary hoy Davida: Any aninona no hiakarako? Dia hoy Izy: Any Hebrona.
1ครั้นเรื่องนี้สิ้นไปแล้ว ดาวิดจึงทูลถามพระเยโฮวาห์ว่า "สมควรที่ข้าพระองค์จะขึ้นไปยังหัวเมืองหนึ่งหัวเมืองใดในยูดาห์หรือไม่" และพระเยโฮวาห์ตรัสตอบท่านว่า "จงขึ้นไปเถิด" ดาวิดทูลว่า "ควรที่ข้าพระองค์จะขึ้นไปที่ใด" พระองค์ตรัสว่า "เมืองเฮโบรน"
2Dia niakatra nankany Davida mbamin'ny vadiny roa, dia Ahinoama Jezirelita sy Abigaila, ilay novinadin'i Nabala Karmelita.
2ดาวิดจึงขึ้นไปที่นั้นพร้อมกับภรรยาทั้งสองของท่านด้วยคือ อาหิโนอัมชาวยิสเรเอลและอาบีกายิลแม่ม่ายของนาบาลชาวคารเมล
3Ary ny olona izay tao amin'i Davida mbamin'ny ankohonan'ireo dia samy nentiny niakatra koa, ka nonina tao amin'ny tanàna momba an'i Hebrona izy ireo.
3และดาวิดก็นำคนที่อยู่กับท่านขึ้นไป ทุกคนพาครอบครัวไปด้วย และเขาทั้งหลายก็อยู่ในหัวเมืองของเฮโบรน
4Ary dia avy ny lehilahy amin'ny Joda ka nanosotra an'i Davida tao mba ho mpanjaka amin'ny taranak'i Joda. Ary nisy nanambara tamin'i Davida hoe: Ny olona any Jabesi-gileada no nandevina an'i Saoly.
4และคนยูดาห์ก็พากันมาเจิมตั้งดาวิดไว้เป็นกษัตริย์เหนือวงศ์วานยูดาห์ เมื่อมีคนมาทูลดาวิดว่า "ชาวยาเบชกิเลอาดเป็นผู้ที่ฝังพระศพซาอูลไว้"
5Ary Davida dia naniraka olona hankany amin'ny mponina any Jabesi-gileada hanao aminy hoe: Hotahin'i Jehovah anie ianareo noho ny soa nataonareo tamin'i Saoly tomponareo tamin'ny nandevenanareo azy.
5ดาวิดก็มีรับสั่งให้ผู้สื่อสารไปหาชาวยาเบชกิเลอาดนั้น พูดกับเขาว่า "ขอพระเยโฮวาห์ทรงอำนวยพระพรแก่ท่านทั้งหลาย ในการที่ท่านทั้งหลายได้สำแดงความเมตตาอย่างนี้ต่อซาอูลเจ้านายของท่าน และได้ฝังพระศพพระองค์ไว้
6Koa haneho famindram-po sy fahamarinana aminareo anie Jehovah, sady izaho koa efa manao izao soa izao aminareo noho ny nanaovanareo izany zavatra izany.
6บัดนี้ขอพระเยโฮวาห์ทรงสำแดงความกรุณาและความจริงแก่ท่าน และข้าพเจ้าจะกระทำความดีต่อท่านทั้งหลายเพราะท่านได้กระทำการนี้
7Ary ankehitriny, aoka hampaherezina anie ny tananareo, ary aoka hatanjaka ianareo; fa maty Saoly tomponareo, ary izaho no nohosoran'ny firenen'i Joda ho mpanjakany.
7เพราะฉะนั้น ขอให้มือของท่านทั้งหลายเข้มแข็ง และขอให้ท่านกล้าหาญเถิด เพราะว่าซาอูลเจ้านายของท่านสิ้นพระชนม์เสียแล้ว และวงศ์วานยูดาห์ได้เจิมตั้งข้าพเจ้าไว้เป็นกษัตริย์เหนือเขาทั้งหลาย"
8Fa Abnera, zanak'i Nera, komandin'ny miaramilan'i Saoly, efa naka an'Isboseta, zanakalahin'i Saoly, ka nitondra azy nankany Mahanaima,
8ฝ่ายอับเนอร์บุตรชายเนอร์แม่ทัพของกองทัพซาอูลได้พาอิชโบเชทราชโอรสของซาอูลข้ามไปที่เมืองมาหะนาอิม
9dia nampanjaka azy tamin'i Gileada sy ny Asorita sy Jezirela sy ny Efraima sy ny Benjamina ary ny Isiraely rehetra.[Na: (Gesorita)]
9และได้สถาปนาท่านให้เป็นกษัตริย์เหนือเมืองกิเลอาด และคนอาเชอร์ และคนยิสเรเอล และคนเอฟราอิม และคนเบนยามิน และคนอิสราเอลทั้งหมด
10(Ary efa-polo taona no nahaveloman'Isboseta, zanak'i Saoly, fony izy vao nanjaka amin'ny Isiraely, ary roa taona no nanjakany.) Fa ny firenen'i Joda nomba an'i Davida.
10เมื่ออิชโบเชทราชโอรสของซาอูลเริ่มปกครองเหนืออิสราเอลนั้นมีพระชนมายุสี่สิบพรรษา ทรงครอบครองอยู่สองปี แต่วงศ์วานยูดาห์ก็ติดตามดาวิด
11Ary ny andro nanjakan'i Davida tao Hebrona tamin'ny taranak'i Joda dia fito taona sy enim-bolana.
11เวลาที่ดาวิดทรงเป็นกษัตริย์เหนือวงศ์วานยูดาห์ในเฮโบรนนั้นเป็นจำนวนเจ็ดปีกับหกเดือน
12Ary Abnera, zanak'i Nera, sy ny mpanompon'Isboseta, zanak'i Saoly, niala tao Mahanaima ka nankany Gibeona.
12อับเนอร์บุตรชายเนอร์และพวกข้าราชการทหารของอิชโบเชทราชโอรสของซาอูลได้ออกจากมาหะนาอิมไปยังเมืองกิเบโอน
13Ary Joaba, zanak'i Zeroia, sy ny mpanompon'i Davida nivoaka ka nihaona tamin'ireo teo amoron'ny kamory tao Gibeona; ary samy nipetraka teo amin'ny lafin'ny kamory avy izy.
13และโยอาบบุตรชายนางเศรุยาห์กับพวกข้าราชการทหารของดาวิดก็ออกไปพบกับเขาที่สระเมืองกิเบโอน และเขาทั้งหลายก็นั่งอยู่ที่ขอบสระ พวกหนึ่งอยู่ที่ขอบสระข้างนี้ อีกพวกหนึ่งข้างโน้น
14Ary hoy Abnera tamin'i Joaba: Masìna ianao, aoka hitsangana ny zatovo hanao kilalao eto anatrehantsika. Ary hoy Joaba; Aoka ary izy hitsangana.
14อับเนอร์จึงพูดกับโยอาบว่า "ขอให้พวกคนหนุ่มลุกขึ้นรบเล่นกันให้เราดูเถิด" และโยอาบตอบว่า "ให้เขาลุกขึ้นเล่นซี"
15Dia nisy nitsangana ka nita, dia roa ambin'ny folo lahy tamin'ny Benjamina, izay an'Isboseta, zanak'i Saoly, ary roa ambin'ny folo lahy koa tamin'ny mpanompon'i Davida.
15เขาก็ลุกขึ้นไปตามที่นับไว้ฝ่ายเบนยามินและฝ่ายอิชโบเชทราชโอรสของซาอูลมีสิบสองคน และข้าราชการทหารของดาวิดก็มีสิบสองคน
16Ary izy rehetra samy nifanavika nifampihazon-doha ka nifandefon-tehezana tamin'ny sabatra, dia niara-nikarapoka; koa izany no nanaovana izany fitoerana ao Gibeona izany hoe Helkata-hazorima.[Helkata-hazorima = Tamin'ny sabatra maranitra]
16ต่างก็จับศีรษะคู่ต่อสู้ และปักดาบเข้าที่สีข้างของคู่ต่อสู้ ล้มตายด้วยกันหมด เขาจึงเรียกที่นั่นว่า เฮลขัทฮัสซูริม ซึ่งอยู่ในกิเบโอน
17Ary mafy ny ady tamin'izany andro izany; ary dia resy teo anoloan'ny mpanompon'i Davida Abnera sy ny lehilahy amin'ny Isiraely.
17การสู้รบในวันนั้นดุเดือดยิ่งนัก อับเนอร์และพวกคนอิสราเอลก็พ่ายแพ้ต่อหน้าข้าราชการทหารของดาวิด
18Ary mba teo koa izy telo lahy zanak'i Zeroia, dia Joaba sy Abisay ary Asahela; ary Asahela dia haingan-tongotra tahaka ny gazela any an-efitra.[Izahao i. and. 19]
18บุตรชายทั้งสามของนางเศรุยาห์ก็อยู่ที่นั่น คือ โยอาบ อาบีชัย และอาสาเฮล ฝ่ายอาสาเฮลนั้นฝีเท้าเร็วอย่างกับละมั่ง
19Ary Asahela nanenjika an'i Abnera, ka ny fandehany nanenjika an'i Abnera dia tsy nivily akory na tamin'ny ankavanana na tamin'ny ankavia.
19และอาสาเฮลก็ไล่ตามอับเนอร์ไป เมื่อตามไปนั้นก็มิได้เลี้ยวทางขวามือหรือทางซ้ายมือจากการไล่ตามอับเนอร์
20Ary Abnera niherika ka nanao hoe: Hianao moa izany, no Asahela? Dia hoy izy: Izaho ity.
20อับเนอร์เหลียวมาดูจึงพูดว่า "นั่นอาสาเฮลหรือ" เขาตอบว่า "ข้าเอง"
21Dia hoy Abnera taminy: Mivilia ianao, na ho amin'ny ankavanana, na ho amin'ny ankavia, ary zatovo anankiray no sambory, ka baboy ho anao izay eny aminy rehetra. Fa Asahela tsy nety nivily, fa nanenjika azy ihany.
21อับเนอร์จึงบอกเขาว่า "จงเลี้ยวไปทางขวาหรือทางซ้าย และจับเอาคนหนุ่มคนใดคนหนึ่ง แล้วก็ริบเอาอาวุธของเขาไป" แต่อาสาเฮลไม่เลี้ยวจากไล่ตามอับเนอร์
22Ary hoy indray Abnera tamin'i Asahela: Mivilia ianao, fa aza manenjika ahy; fa hataoko inona moa izay hamely anao hikarapoka amin'ny tany, ary hataoko ahoana no fijery an'i Joaba rahalahinao?
22อับเนอร์จึงบอกอาสาเฮลอีกครั้งหนึ่งว่า "จงหันกลับจากตามข้าเสียเถิด จะให้ข้าฟาดเจ้าให้ล้มลงดินทำไมเล่า แล้วข้าจะเงยหน้าขึ้นดูโยอาบพี่ของเจ้าได้อย่างไร"
23Nefa tsy nety nivily ihany izy, ka dia nasian'i Abnera ny antsedefona ny kibony, ka dia niboroaka teo an-damosiny ny lefona, ary nikarapoka teo izy ka maty niaraka tamin'izay. Ary izay rehetra tonga teo amin'ilay nikarapohan'i Asahela sy nahafatesany dia nijanona.
23แต่เขาก็ปฏิเสธไม่ยอมหันกลับ เพราะฉะนั้นอับเนอร์ก็เอาโคนหอกแทงท้องอาสาเฮล หอกก็ทะลุออกข้างหลังของเขา เขาก็ล้มลงตายอยู่ที่นั่น และอยู่มาทุกคนซึ่งมาเห็นที่ที่อาสาเฮลล้มตายอยู่ก็ยืนนิ่ง
24Ary Joaba sy Abisay dia nanenjika an'i Abnera; ka nony tonga teo amin'ny havoana Ama izy, izay tandrifin'i Gia amin'ny lalana mankany amin'ny efitr'i Gibeona, dia maty ny masoandro.
24แต่โยอาบกับอาบีชัยไล่ตามอับเนอร์ไป ดวงอาทิตย์ก็ตกเมื่อเขามาถึงเนินเขาอัมมาห์ ซึ่งอยู่ตรงกียาห์ตามทางที่จะไปถิ่นทุรกันดารเมืองกิเบโอน
25Ary ny taranak'i Benjamina niangona teo amin'i Abnera ka nifoko ho iray toko ary nijanona teo an-tampon'ny havoana anankiray.
25และคนเบนยามินก็รวมกันตามอับเนอร์ไปเป็นกลุ่มเดียวกันตั้งอยู่ที่ยอดเขาแห่งหนึ่ง
26Ary Abnera niantso an'i Joaba hoe: Handany mandrakizay va ny sabatra? Tsy fantatrao va fa hangidy ny hiafaran'izany? Koa mandra-pahoviana no tsy hampivereninao ny olona tsy hanenjika ny rahalahiny?
26แล้วอับเนอร์ร้องถามโยอาบว่า "จะให้ดาบกินเรื่อยไปหรือ ท่านไม่ทราบหรือว่าตอนปลายมือก็ขม อีกนานสักเท่าใดท่านจึงจะสั่งคนของท่านให้หยุดไล่ตามพี่น้องของเขา"
27Ary hoy Joaba: Raha velona koa Andriamanitra, raha tsy ilay teninao, dia efa lasa nody any naraina avokoa ny olona ka tsy nanenjika ny rahalahiny akory.[Izaho and. 14]
27และโยอาบจึงกล่าวว่า "พระเจ้าทรงพระชนม์อยู่แน่ฉันใด ถ้าท่านไม่พูดขึ้นพวกทหารก็จะเลิกไล่ตามพวกพี่น้องของเขาพรุ่งนี้เช้า"
28Dia nitsoka ny anjomara Joaba, ka dia nijanona ny olona rehetra, ary tsy nanenjika ny Isiraely intsony na niady taminy intsony izy.
28โยอาบจึงเป่าแตรขึ้น คนทั้งปวงก็หยุด ไม่ไล่ตามอิสราเอลอีก และไม่สู้รบกันอีก
29Ary Abnera sy ny olony nandeha mandritra ny alina namaky ny tani-hay, dia nita an'i Jordana sy namaky an'i Bitrona rehetra, ka dia tonga tao Mahanaima izy.[Heb. Arabà]
29อับเนอร์กับคนของท่านก็เดินทางตลอดคืนนั้นในที่ราบ เขาข้ามแม่น้ำจอร์แดนและเดินไปตามหุบเขาบิทโรน เขาก็มาถึงมาหะนาอิม
30Ary rehefa niverina Joaba avy nanenjika an'i Abnera, dia novoriny ny olona rehetra, ary sivy ambin'ny folo lahy ihany mbamin'i Asahela no tsy teo ny mpanompon'i Davida.
30โยอาบก็กลับจากไล่ตามอับเนอร์ และเมื่อท่านรวบรวมพลเข้าด้วยกันแล้ว ข้าราชการทหารของดาวิดก็ขาดไปสิบเก้าคนไม่นับอาสาเฮล
31Fa ny mpanompon'i Davida efa nahafaty enim-polo sy telon-jato lahy tamin'ny Benjamita sy ny olon'i Abnera.Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.
31แต่ข้าราชการทหารของดาวิดได้ฆ่าคนเบนยามินและคนของอับเนอร์ตายไปสามร้อยหกสิบคน
32Ary Asahela dia nentiny ka naleviny tao amin'ny fasan-drainy, izay tao Betlehema. Ary Joaba sy ny olony nandeha mandritra ny alina, dia tonga tao Hebrona raha vao nazava ratsy ny andro.
32และเขาก็ยกศพอาสาเฮลไปฝังไว้ในอุโมงค์บิดาของเขาซึ่งอยู่ที่เมืองเบธเลเฮม โยอาบและคนของท่านก็เดินทางตลอดคืนไปสว่างที่เมืองเฮโบรน