Malagasy

Thai King James Version

2 Samuel

5

1[Ny nanosorana an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely rehetra, sy ny nahazoany an'i Jerosalema ho renivohitry ny fanjakany] Dia tonga tao amin'i Davida tao Hebrona ny firenen'Isiraely rehetra ka nanao hoe: Indreto izahay, fa taolanao sy nofonao.
1และบรรดาตระกูลคนอิสราเอลก็มาหาดาวิดที่เมืองเฮโบรนทูลว่า "ดูเถิด ข้าพระองค์ทั้งหลายเป็นกระดูกและเนื้อของพระองค์
2Fa hatry ny fony fahiny ihany koa, raha mbola nanjaka taminay aza Saoly, dia ianao no mpitarika ny Isiraely nivoaka sy niditra; ary Jehovah efa nilaza taminao hoe: Hianao no ho mpiandry ny Isiraely oloko, ary ianao no ho mpanapaka azy.
2ในอดีตเมื่อซาอูลเป็นกษัตริย์ปกครองเหนือเหล่าข้าพระองค์ พระองค์ทรงเป็นผู้นำอิสราเอลออกไปและเข้ามา และพระเยโฮวาห์ตรัสแก่พระองค์ว่า `เจ้าจะเลี้ยงดูอิสราเอลประชาชนของเรา และเจ้าจะเป็นเจ้าเหนือคนอิสราเอล'"
3Eny, tonga tao amin'ny mpanjaka tao Hebrona ny loholon'ny Isiraely rehetra, ary Davida mpanjaka nanao fanekena taminy tao Hebrona teo anatrehan'i Jehovah; ary dia nanosotra an'i Davida ho mpanjakan'ny Isiraely izy.
3ดังนั้นพวกผู้ใหญ่ของคนอิสราเอลก็มาเฝ้ากษัตริย์ที่เมืองเฮโบรน และกษัตริย์ดาวิดทรงกระทำพันธสัญญากับเขาทั้งหลายที่เมืองเฮโบรนต่อพระพักตร์พระเยโฮวาห์ และเขาทั้งหลายก็เจิมตั้งดาวิดให้เป็นกษัตริย์เหนืออิสราเอล
4Telo-polo taona Davida fony izy vao nanjaka, ary nanjaka efa-polo taona izy.
4ดาวิดมีพระชนมายุสามสิบพรรษาเมื่อเริ่มการปกครอง และพระองค์ทรงปกครองอยู่สี่สิบปี
5Tao Hebrona no nanjakany tamin'ny Joda fito taona sy enim-bolana; ary tany Jerosalema no nanjakany tamin'ny Isiraely sy ny Joda rehetra telo amby telo-polo taona.
5ทรงปกครองเหนือยูดาห์ที่เฮโบรนเจ็ดปีหกเดือน และที่กรุงเยรูซาเล็มทรงปกครองเหนือบรรดาอิสราเอลและยูดาห์อีกสามสิบสามปี
6Ary ny mpanjaka sy ny olony nankany Jerosalema hiady amin'ny Jebosita tompon-tany, ary hoy izy ireo tamin'i Davida: Tsy ho tafiditra eto ianao; fa na dia ny jamba ny mandringa aza dia hahasakana anao ka hanao hoe: Tsy ho tafiditra eto Davida.[Na: ary ny heviny tamin'izany dia toy ny manao hoe:]
6กษัตริย์และคนของพระองค์ได้ยกทัพไปยังเยรูซาเล็ม รบกับคนเยบุส ชาวแผ่นดินนั้นผู้ที่กล่าวกับดาวิดว่า "แกยกเข้ามาที่นี่ไม่ได้ดอก คนตาบอดและคนง่อยก็จะป้องกันไว้ได้" ด้วยคิดว่า "ดาวิดคงเข้ามาที่นี่ไม่ได้"
7Kanjo afak'i Davida ihany ny batery fiarovana, dia Ziona (Tanànan'i Davida izany).
7แต่อย่างไรก็ตาม ดาวิดทรงยึดที่กำบังเข้มแข็งชื่อศิโยนได้ คือเมืองของดาวิด
8Ary hoy Davida tamin'izany andro izany: Izay mamely ny Jebosita, dia aoka hananika ho eo amin'ny riana ka hamely, ny mandringa sy ny jamba izay halan'ny fon'i Davida. Koa dia mby am-pitenenana hoe: Izay jamba mandringa tsy ho tafiditra ao an-trano.
8ในวันนั้นดาวิดตรัสว่า "ผู้ใดจะขึ้นไปตามทางน้ำไหลและโจมตีคนเยบุส คนง่อยและคนตาบอด ผู้ซึ่งจิตใจของดาวิดเกลียดชัง ผู้นั้นจะเป็นผู้บัญชาการทหาร" เพราะฉะนั้นเขาจึงว่ากันว่า "อย่าให้คนตาบอดและคนง่อยเข้ามาในพระนิเวศ"
9Dia nitoetra tao anatin'ny batery fiarovana Davida, ary ny anarany nataony hoe: Tanànan'i Davida. Ary narafitr'i Davida ny manodidina hatrany Milo mbamin'ny ao anatiny.[Heb. fiarovana]
9ดาวิดก็ทรงประทับอยู่ในที่กำบังเข้มแข็ง และเรียกที่นั้นว่า เมืองของดาวิด และดาวิดทรงสร้างเมืองรอบตั้งแต่มิลโลเข้าไปข้างใน
10Koa dia nandroso sy nihalehibe Davida, fa Jehovah, Andriamanitry ny maro, no nomba azy.
10และดาวิดทรงเจริญยิ่งๆขึ้นไปเพราะว่าพระเยโฮวาห์พระเจ้าจอมโยธาทรงสถิตกับพระองค์
11[Ny amin'ny lapan'i Davida, sy ny vadiny aman-janany] Ary Hirama, mpanjakan'i Tyro, naniraka olona tany amin'i Davida nampanatitra hazo sedera ary nandefa mpandrafitra sy tambato; dia nanao trano ho an'i Davida ireo.
11ฮีรามกษัตริย์เมืองไทระได้ส่งผู้สื่อสารมาหาดาวิด และได้ส่งไม้สนสีดาร์ พวกช่างไม้และพวกช่างก่อมาสร้างพระราชวังของดาวิด
12Dia fantatr'i Davida fa Jehovah efa nampitoetra azy ho mpanjakan'ny Isiraely ka nanandratra ny fanjakany noho ny amin'ny Isiraely olony.
12และดาวิดทรงทราบว่า พระเยโฮวาห์ทรงสถาปนาพระองค์ให้เป็นกษัตริย์เหนืออิสราเอล และพระองค์ได้ทรงยกย่องราชอาณาจักรของพระองค์ด้วยเห็นแก่อิสราเอลประชาชนของพระองค์
13Ary Davida mbola naka vaditsindrano sy vady koa tany Jerosalema, rehefa tonga avy tany Hebrona izy; ary dia nisy zanakalahy sy zanakavavy koa naterak'i Davida.
13ภายหลังที่พระองค์เสด็จจากเฮโบรน ดาวิดทรงได้นางสนมและมเหสีจากเยรูซาเล็มเพิ่มขึ้นอีก และบังเกิดราชโอรสและราชธิดาแก่ดาวิดอีก
14Ary izao no anaran'ny naterany tany Jerosalema: Samoa sy Sobaba sy Natana sy Solomona
14ต่อไปนี้เป็นชื่อของผู้ที่บังเกิดกับพระองค์ในเยรูซาเล็ม คือ ชัมมุอา โชบับ นาธัน ซาโลมอน
15sy Jibara sy Elisoa sy Nafega sy Jafia
15อิบฮาร์ เอลีชูอา เนเฟก ยาเฟีย
16sy Elisama sy Eliada ary Elifeleta.
16เอลีชามา เอลียาดา และเอลีเฟเลท
17[Ny nandresen'i Davida ny Filistina] Koa nony ren'ny Filistina fa efa nohosoran'ny olona ho mpanjakan'ny Isiraely Davida, dia niakatra hitady azy ny Filistina rehetra; fa raha ren'i Davida izany dia nidina tao amin'ny batery fiarovana izy.
17เมื่อคนฟีลิสเตียได้ยินข่าวว่าดาวิดได้รับการเจิมเป็นกษัตริย์เหนืออิสราเอล คนฟีลิสเตียทั้งปวงก็ขึ้นไปแสวงหาดาวิด แต่ดาวิดทรงได้ยินข่าวนั้นจึงลงไปยังที่กำบังเข้มแข็ง
18Ary dia tonga ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
18ฝ่ายคนฟีลิสเตียยกขึ้นมาและขยายแนวออกที่หุบเขาเรฟาอิม
19Ary Davida nanontany tamin'i Jehovah hoe: Hiakatra hamely ny Filistina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy? Dia hoy Jehovah tamin'i Davida: Miakara, fa hatolotro eo an-tananao tokoa ny Filistina.
19และดาวิดทรงทูลถามพระเยโฮวาห์ว่า "ควรที่ข้าพระองค์จะยกขึ้นไปสู้รบกับคนฟีลิสเตียหรือ พระองค์จะทรงมอบเขาไว้ในมือข้าพระองค์หรือไม่" และพระเยโฮวาห์ทรงตอบดาวิดว่า "จงขึ้นไปเถิด เพราะเราจะมอบคนฟีลิสเตียไว้ในมือของเจ้าเป็นแน่"
20Ary Davida tonga tao Bala-perazima ka namely ireo tao, dia hoy izy: Jehovah efa namaky ny fahavaloko teo anoloako hipariaka toy ny rano vaky; koa izany no nanaovany ny anaran'izany tany izany hoe Bala-perazima.[Bala-perazima = Tany nahavakiana]
20ดาวิดเสด็จมายังบาอัลเปราซิม และดาวิดทรงชนะคนฟีลิสเตียที่นั่น พระองค์ตรัสว่า "พระเยโฮวาห์ทรงทะลวงข้าศึกของข้าพเจ้าดังกระแสน้ำที่พุ่งใส่" เพราะฉะนั้นจึงเรียกชื่อตำบลนั้นว่า บาอัลเปราซิม
21Ary nilaozany tao ny sampiny, ka dia lasan'i Davida sy ny olony ireny.
21และคนฟีลิสเตียได้ทิ้งรูปเคารพที่นั่น ดาวิดกับข้าราชการของพระองค์ก็เผาเสีย
22Ary niakatra indray ny Filistina ka nihahakahaka teny amin'ny Lohasahan'ny Refaita.
22คนฟีลิสเตียยกขึ้นมาอีกและขยายแนวอยู่ในหุบเขาเรฟาอิม
23Ary nanontany tamin'i Jehovah Davida, ka novaliany hoe: Aza mandeha; fa hodidino avy eo aoriana izy, ka ho tonga eo aminy ianao eo amin'ny tandrifin'ny hazo balsama.
23และเมื่อดาวิดทูลถามพระเยโฮวาห์ พระองค์ตรัสว่า "เจ้าอย่าขึ้น จงอ้อมไปข้างหลังของเขา และโจมตีเขาตรงข้ามกับหมู่ต้นหม่อน
24Ary raha toa mahare fingadongadon'olona eny amin'ny tendron'ny hazo balsama ianao, dia faingàna; fa amin'izay no efa miainga mialoha anao Jehovah hamely ny miaramilan'ny Filistina.Ary dia nanao araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin'i Gazera izy.
24และเมื่อเจ้าได้ยินเสียงกระบวนทัพเดินอยู่ที่ยอดหมู่ต้นหม่อนเจ้าจงรีบรุกไป เพราะพระเยโฮวาห์เสด็จไปข้างหน้าเพื่อจะโจมตีกองทัพของคนฟีลิสเตีย"
25Ary dia nanao araka ny nandidian'i Jehovah azy Davida ka dia namely ny Filistina hatrany Geba ka hatrao akaikin'i Gazera izy.
25และดาวิดทรงกระทำตามที่พระเยโฮวาห์ทรงบัญชาไว้ และได้โจมตีคนฟีลิสเตียจากเกบาถึงเกเซอร์