1[Ny nizarana ny mpisorona ho efatra amby roa-polo toko] Ary ny amin'ny taranak'i Arona dia izao no nizarana azy ho antokony: Ny zanakalahin'i Arona dia Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara;
1These were the divisions of the sons of Aaron. The sons of Aaron: Nadab and Abihu, Eleazar and Ithamar.
2fa Nadaba sy Abiho dia maty talohan-drainy sady samy tsy nanan-janaka, koa dia Eleazara sy Itamara no nanao fisoronana.
2But Nadab and Abihu died before their father, and had no children: therefore Eleazar and Ithamar executed the priest’s office.
3Ary Davida sy Zadoka, isan'ny taranak'i Eleazara, sy Ahimeleka, isan'ny taranak'Itamara, dia nizara azy araka ny antokony sy ny fanompoany avy.
3David with Zadok of the sons of Eleazar, and Ahimelech of the sons of Ithamar, divided them according to their ordering in their service.
4Ary ny lohany tamin'ireo, dia tamin'ny taranak'i Eleazara, no maromaro kokoa noho ny tamin'ny taranak'Itamara, ka dia nozarainy toy izao izy: Tamin'ny taranak'i Eleazara dia enina ambin'ny folo no lohan'ny fianakaviana; ary tamin'ny taranak'Itamara dia valo kosa no lohan'ny fianakaviana.
4There were more chief men found of the sons of Eleazar than of the sons of Ithamar; and they were divided like this: of the sons of Eleazar there were sixteen, heads of fathers’ houses; and of the sons of Ithamar, according to their fathers’ houses, eight.
5Ary samy nozarazaraina tamin'ny filokana avokoa izy rehetra; fa samy mpifehy masina, dia mpifehy ho an'Andriamanitra avokoa, na ny avy tamin'ny taranak'i Eleazara, na ny avy tamin'ny taranak'Itamara.
5Thus were they divided impartially by drawing lots; for there were princes of the sanctuary, and princes of God, both of the sons of Eleazar, and of the sons of Ithamar.
6Ary Semaia, zanak'i Netanela, mpanoratra anankiray tamin'ny Levita, no nanoratra azy teo anatrehan'ny mpanjaka sy ny mpanapaka sy Zadoka mpisorona sy Ahimeleka, zanak'i Abiatara, sy teo anatrehan'ny lohan'ny fianakaviana tamin'ny mpisorona sy ny Levita: fianakaviana iray no nalaina ho an'i Eleazara, ary iray kosa ho an'Itamara.
6Shemaiah the son of Nethanel the scribe, who was of the Levites, wrote them in the presence of the king, and the princes, and Zadok the priest, and Ahimelech the son of Abiathar, and the heads of the fathers’ households of the priests and of the Levites; one fathers’ house being taken for Eleazar, and one taken for Ithamar.
7Ny loka voalohany dia azon'i Joariba, ny faharoa an'i Jedaia,
7Now the first lot came forth to Jehoiarib, the second to Jedaiah,
8ny fahatelo an'i Harima, ny fahefatra an'i Seorima,
8the third to Harim, the fourth to Seorim,
9ny fahadimy an'i Malkia, ny fahenina an'i Miamina,
9the fifth to Malchijah, the sixth to Mijamin,
10ny fahafito an'i Hakoza, ny fahavalo an'i Abia,
10the seventh to Hakkoz, the eighth to Abijah,
11ny fahasivy an'i Jesoa, ny fahafolo an'i Sekania.
11the ninth to Jeshua, the tenth to Shecaniah,
12ny fahiraika ambin'ny folo an'i Eliasiba, ny faharoa ambin'ny folo an'i Jakima,
12the eleventh to Eliashib, the twelfth to Jakim,
13ny fahatelo ambin'ny folo an'i Hopa, ny fahefatra ambin'ny folo an'i Jesebaba,
13the thirteenth to Huppah, the fourteenth to Jeshebeab,
14ny fahadimy ambin'ny folo an'i Bilga, ny fahenina ambin'ny folo an'Imera,
14the fifteenth to Bilgah, the sixteenth to Immer,
15ny fahafito ambin'ny folo an'i Hezira, ny fahavalo ambin'ny folo an'i Hafizeza,
15the seventeenth to Hezir, the eighteenth to Happizzez,
16ny fahasivy ambin'ny folo an'i Petahia, ny faharoa-polo an'i Jehezekela,
16the nineteenth to Pethahiah, the twentieth to Jehezkel,
17ny fahiraika amby roa-polo an'i Jakina, ny faharoa amby roa-polo an'i Gamola,
17the twenty-first to Jachin, the twenty-second to Gamul,
18ny fahatelo amby roa-polo an'i Delaia, ny fahefatra amby roa-polo an'i Mazia.
18the twenty-third to Delaiah, the twenty-fourth to Maaziah.
19Ireo avy no antokony amin'ny fanompoany izay idirany ao an-tranon'i Jehovah araka ny fitsipika voatendrin'i Arona rainy, araka ny nandidian'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, azy.[Na: Ary ny raharahan'ireo tamin'ny fanompoana dia ny hiditra]
19This was their ordering in their service, to come into the house of Yahweh according to the ordinance given to them by Aaron their father, as Yahweh, the God of Israel, had commanded him.
20Ary tamin'ny taranak'i Levy sisa dia izao; Tamin'ny taranak'i Amrama dia Sobaela; tamin'ny zanak'i Sobaela dia Jedala.
20Of the rest of the sons of Levi: of the sons of Amram, Shubael; of the sons of Shubael, Jehdeiah.
21Ny amin'i Rehabia: tamin'ny taranak'i Rehabia dia Jisia no voalohany.
21Of Rehabiah: of the sons of Rehabiah, Isshiah the chief.
22Tamin'ny Jizarita dia Selomota; tamin'ny taranak'i Selomota dia Jahata.
22Of the Izharites, Shelomoth; of the sons of Shelomoth, Jahath.
23Ary ny amin'ny taranak'i Sebrona dia Jeria no voalohany, Amaria no faharoa, Jahaziela no fahatelo, Jekameama no fahefatra.
23The sons of Hebron: Jeriah, Amariah the second, Jahaziel the third, Jekameam the fourth.
24Ny zanakalahin'i Oziela dia Mika; tamin'ny taranak'i Mika dia Samira;
24The sons of Uzziel, Micah; of the sons of Micah, Shamir.
25ny rahalahin'i Mika dia Jisia; tamin'ny taranak'i Jisia dia Zakaria.
25The brother of Micah, Isshiah; of the sons of Isshiah, Zechariah.
26Ny zanakalahin'i Merary dia Maly sy Mosy; ny zanakalahin'i Jazia dia Beno.
26The sons of Merari: Mahli and Mushi; the sons of Jaaziah: Beno.
27Ny zanakalahin'i Merary tamin'i Jazia dia Beno sy Sohama sy Zakora ary Ibry.
27The sons of Merari: of Jaaziah, Beno, and Shoham, and Zaccur, and Ibri.
28Avy tamin'i Maly no nihavian'i Eleazara, izay tsy nanan-janakalahy.
28Of Mahli: Eleazar, who had no sons.
29Ny amin'i Kisy, ny zananilahy dia Jeramela.
29Of Kish; the sons of Kish: Jerahmeel.
30Ary ny zanakalahin'i Mosy dia Maly sy Edera ary Jerimota. Ireo no taranaky ny Levita araka ny fianakaviany avy.Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.
30The sons of Mushi: Mahli, and Eder, and Jerimoth. These were the sons of the Levites after their fathers’ houses.
31Ary ireo dia mba niara-niloka tamin'ny rahalahiny, taranak'i Arona, teo anatrehan'i Davida mpanjaka sy Zadota sy Ahimeleka sy ny lohan'ny fianakavian'ny mpisorona sy ny Levita: niara-niloka avokoa na ny zokiny na ny zandriny.
31These likewise cast lots even as their brothers the sons of Aaron in the presence of David the king, and Zadok, and Ahimelech, and the heads of the fathers’ households of the priests and of the Levites; the fathers’ households of the chief even as those of his younger brother.