1[Ny amin'ny mpiandry varavarana] Ary ny amin'ny antokon'ny mpiandry varavarana: Tamin'ny Koraita dia Meselemia, zanak'i Kore, avy tamin'ny zanak'i Asafa.
1For the divisions of the doorkeepers: of the Korahites, Meshelemiah the son of Kore, of the sons of Asaph.
2Ary ny zanakalahin'i Meselemia dia Zakaria, lahimatoa, sy Jediaela, lahiaivo, sy Zebadia, fahatelo, sy Jediaela, fahefatra,
2Meshelemiah had sons: Zechariah the firstborn, Jediael the second, Zebadiah the third, Jathniel the fourth,
3sy Elama, fahadimy, sy Johanana, fahenina, sy Elihoenay, faralahy.
3Elam the fifth, Jehohanan the sixth, Eliehoenai the seventh.
4Ary ny zanakalahin'i Obed-edoma dia Semaia, lahimatoa, sy Jozabada, lahiaivo, sy Joa, fahatelo, sy Sakara, fahefatra, sy Netanela, fahadimy,
4Obed-Edom had sons: Shemaiah the firstborn, Jehozabad the second, Joah the third, and Sacar the fourth, and Nethanel the fifth,
5sy Amiela, fahenina, sy Isakara, fahafito, sy Peoletahy, faralahy; fa Andriamanitra efa nitahy azy.
5Ammiel the sixth, Issachar the seventh, Peullethai the eighth; for God blessed him.
6Ary Semaia zanany niteraka zazalahy maromaro izay samy tonga mpanapaka tamin'ny fianakavian-drainy, satria samy lehilahy mahay izy.
6Also to Shemaiah his son were sons born, who ruled over the house of their father; for they were mighty men of valor.
7Ny zanakalahin'i Semaia dia Otny sy Refaela sy Obeda ary Elzabada mbamin'ireo rahalahiny, lehilahy mahay, dia Eliho sy Semakia.
7The sons of Shemaiah: Othni, and Rephael, and Obed, Elzabad, whose brothers were valiant men, Elihu, and Semachiah.
8Ireo rehetra ireo no avy tamin'ny zanak'i Obededoma, dia izy sy ny zanany sy ny rahalahiny, izay samy lehilahy mahery sady matanjaka amin'ny fanompoany; roa amby enim-polo no an'i Obed-edoma.
8All these were of the sons of Obed-Edom: they and their sons and their brothers, able men in strength for the service; sixty-two of Obed-Edom.
9Ary Meselemia nanan-janaka sy rahalahy valo ambin'ny folo, samy lehilahy mahay avokoa.
9Meshelemiah had sons and brothers, valiant men, eighteen.
10Ary Hosa, tamin'ny taranak'i Merary, nanan-janakalahy, dia Simry, lohany (fa na dia tsy lahimatoa aza izy, dia izy no nataon-drainy ho lohany),
10Also Hosah, of the children of Merari, had sons: Shimri the chief, (for though he was not the firstborn, yet his father made him chief),
11sy Hilkia, lahiaivo, sy Tebalia, fahatelo, ary Zakaria, fahefatra; ny zanakalahin'i Hosa sy ny rahalahiny rehetra dia telo ambin'ny folo.
11Hilkiah the second, Tebaliah the third, Zechariah the fourth: all the sons and brothers of Hosah were thirteen.
12Ireo lohan'ny tonian'ny mpiandry varavarana ireo dia nomena anjara-raharaha niaraka tamin'ny rahalahiny hanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon'i Jehovah.
12Of these were the divisions of the doorkeepers, even of the chief men, having offices like their brothers, to minister in the house of Yahweh.
13Ary izy ireo, na ny kely na ny lehibe, dia nanao filokana avokoa araka ny fianakaviany ny ho amin'ny isam-bavahady.
13They cast lots, the small as well as the great, according to their fathers’ houses, for every gate.
14Koa ny loka tamin'ny atsinanana dia azon'i Selemia. Ary nanaovana filokana Zakaria zanany, mpanolo-tsaina hendry, ka ny loka tamin'ny avaratra no azony.
14The lot eastward fell to Shelemiah. Then for Zechariah his son, a wise counselor, they cast lots; and his lot came out northward.
15An'i Obed-edoma ny atsimo, ary an'ny zanany ny trano firaketana.
15To Obed-Edom southward; and to his sons the storehouse.
16An'i Sopima sy Hosa ny andrefana mbamin'ny vavahady Saleketa amin'ny lalana miakatra; ary dia feno avokoa ny fiambenana.
16To Shuppim and Hosah westward, by the gate of Shallecheth, at the causeway that goes up, watch against watch.
17Ny atsinanana nisy Levita enina, ny avaratra nisy efatra Isan'andro, ny atsimo nisy efatra isan'andro, ary ny trano firaketana nisy efa-dahy nizara ho roa avy.
17Eastward were six Levites, northward four a day, southward four a day, and for the storehouse two and two.
18Tany Parbara andrefana nisy efatra amin'ny lalana, ary roa tao Parbara.[Izahao 2 Mpan. xxiii. 11]
18For Parbar westward, four at the causeway, and two at Parbar.
19Dia Ireo no antokon'ny mpiandry varavarana tamin'ny taranak'i Kora sy ny taranak'i Merary.
19These were the divisions of the doorkeepers; of the sons of the Korahites, and of the sons of Merari.
20[Ny amin'ny raharaha sasany koa nataon'ny Levita] Ary tamin'ny Levita dia Ahia no tonian'ny rakitry ny tranon'Andriamanitra sy ny zavatra nohamasinina ho rakitra.[Na: (ary ny Levita rahalahiny)]
20Of the Levites, Ahijah was over the treasures of God’s house, and over the treasures of the dedicated things.
21Ny taranak'i Ladana, ilay Ladana Gersonita, ireo lohan'ny fianakavian'i Ladana Gersonita, dia ny Jehielita.
21The sons of Ladan, the sons of the Gershonites belonging to Ladan, the heads of the fathers’ households belonging to Ladan the Gershonite: Jehieli.
22Ary ny taranaky ny Jehielita, dia Zetama sy Joela rahalahiny, no tonian'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
22The sons of Jehieli: Zetham, and Joel his brother, over the treasures of the house of Yahweh.
23Tamin'ny Amramita sy ny Jizarita sy ny Hebronita ary ny Ozielita
23Of the Amramites, of the Izharites, of the Hebronites, of the Uzzielites:
24dia Seboela, avy tamin'ny taranak'i Gersona, zanak'i Mosesy, no tonian'ny rakitra.
24and Shebuel the son of Gershom, the son of Moses, was ruler over the treasures.
25Ary ny rahalahiny avy tamin'i Eliezera dia Rehabia, zanak'i Eliezera, sy Jesaia, zanak'i Rehabia, sy Jorama, zanak'i Jesaia, sy Zikry, zanak'i Jorama, ary Selomota, zanak'i Zikry.
25His brothers: of Eliezer, Rehabiah his son, and Jeshaiah his son, and Joram his son, and Zichri his son, and Shelomoth his son.
26Io Selomota io sy ny rahalahiny no tonian'ny zavatra nohamasinina ho rakitra, dia Izay nohamasinin'i Davida mpanjaka sy ny lohan'ny fianakaviana ary ny mpifehy arivo sy ny mpifehy zato ary ny komandin'ny miaramila.
26This Shelomoth and his brothers were over all the treasures of the dedicated things, which David the king, and the heads of the fathers’ households, the captains over thousands and hundreds, and the captains of the army, had dedicated.
27Tamin'ny babo izay azony tamin'ny ady nisy nohamasininy ho enti-manamboatra ny tranon'i Jehovah.
27They dedicated some of the spoil won in battles to repair the house of Yahweh.
28Ary izay rehetra nohamasinin'i Samoela mpahita sy Saoly, zanak'i Kisy, sy Abnera, zanak'i Nera, sy Joaba, zanak'i Zeroia, dia izay rehetra nohamasininy, dia Selomota sy ny rahalahiny no nitahiry izany.
28All that Samuel the seer, and Saul the son of Kish, and Abner the son of Ner, and Joab the son of Zeruiah, had dedicated, whoever had dedicated anything, it was under the hand of Shelomoth, and of his brothers.
29Tamin'ny Jizarita dia Kenania sy ny zanany no voatendry ho amin'ny raharaha ivelany amin'ny Isiraely, dia ho mpifehy sy mpitsara.
29Of the Izharites, Chenaniah and his sons were for the outward business over Israel, for officers and judges.
30Ary tamin'ny Hebronita dia Hasabia sy ny rahalahiny, lehilahy mahay fiton-jato amby arivo, no mpifehy tamin'ny Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana ny amin'ny raharaha rehetra ho an'i Jehovah sy ny fanompoana ny mpanjaka.
30Of the Hebronites, Hashabiah and his brothers, men of valor, one thousand seven hundred, had the oversight of Israel beyond the Jordan westward, for all the business of Yahweh, and for the service of the king.
31Ny Hebronita dia Jeria lohany (tamin'ny taona fahefa-polo nanjakan'i Davida no nitadiavana ny Hebronita araka ny fianakaviany avy, ka nisy lehilahy mahay hita tao aminy tao Jazera any Gileada)sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.
31Of the Hebronites was Jerijah the chief, even of the Hebronites, according to their generations by fathers’ households. In the fortieth year of the reign of David they were sought for, and there were found among them mighty men of valor at Jazer of Gilead.
32sy ny rahalahiny fiton-jato amby roa arivo, samy lehilahy mahay, lohan'ny fianakaviany avy. Ary Davida nanendry ireo ho mpifehy ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky firenen'i Manase, ny amin'ny raharahan'Andriamanitra sy ny mpanjaka.
32His brothers, men of valor, were two thousand seven hundred, heads of fathers’ households, whom king David made overseers over the Reubenites, and the Gadites, and the half-tribe of the Manassites, for every matter pertaining to God, and for the affairs of the king.