Malagasy

World English Bible

1 Kings

7

1[Ny nanaovan'i Solomona ny lapany] Ary telo ambin'ny folo taona no nanaovan'i Solomona ny lapany, dia vita.
1Solomon was building his own house thirteen years, and he finished all his house.
2Fa nanao ilay trano Alan'i Libanona izy: zato hakiho ny lavany, dimam-polo hakiho ny sakany, ary telo-polo hakiho ny hahavony, teo ambonin'ny andry sedera efatra andalana mbamin'ny sedera rairainy teo ambonin'ny andry.
2For he built the house of the forest of Lebanon; its length was one hundred cubits, and its breadth fifty cubits, and its height thirty cubits, on four rows of cedar pillars, with cedar beams on the pillars.
3Ary ireo efi-trano teo ambonin'ny andry notafoany hazo sedera; ary ny isany dia dimy ambin'ny folo isan'andalana, ka dimy amby efa-polo izy rehetra.
3It was covered with cedar above over the forty-five beams, that were on the pillars; fifteen in a row.
4Ary ny rairainy dia telo andalana, ary ny varavarankely dia nifanandrify intelo.
4There were beams in three rows, and window was over against window in three ranks.
5Ary ny varavarana rehetra sy ny tolana dia natao efa-joro; ary ny varavarankely nifanandrify intelo.
5All the doors and posts were made square with beams: and window was over against window in three ranks.
6Ary dia nataony koa ny lavarangana maro andry; dimam-polo hakiho ny lavany, ary telo-polo hakiho ny sakany; nisy koa ny lavarangana fidirana teo anoloany; ary nisy andry sy tokonana koa teo anoloan'io.
6He made the porch of pillars; its length was fifty cubits, and its breadth thirty cubits; and a porch before them; and pillars and a threshold before them.
7Ary nataony koa ny lavarangana hitoeran'ny seza fiandrianana izay hitsarany, dia ny lavarangana fitsarana; ary nataony hazo sedera avokoa ny gorodona rehetra.[Na: na ny gorodony, na ny rihana]
7He made the porch of the throne where he was to judge, even the porch of judgment: and it was covered with cedar from floor to floor.
8Ary ny tranony izay nitoerany teo amin'ny kianja hafa tao anatinatiny kokoa noho ny lavarangana fidirana dia nitovy rafitra tamin'io koa. Ary Solomona nanao trano tahaka izany lavarangana fidirana izany koa ho an'ny zanakavavin'i Farao, izay efa nampakariny ho vady.
8His house where he was to dwell, the other court within the porch, was of the like work. He made also a house for Pharaoh’s daughter (whom Solomon had taken as wife), like this porch.
9Izany rehetra izany dia vato tsara avokoa voapaika araka ny marika, sady voatsofa ny atiny sy ny ivelany, hatramin'ny fanambaniny ka hatramin'ny tongolany, ary teo ivelany koa hatramin'ny kianja lehibe.
9All these were of costly stones, even of cut stone, according to measure, sawed with saws, inside and outside, even from the foundation to the coping, and so on the outside to the great court.
10Ary vato tsara sady lehibe ny fanorenany, dia vato folo hakiho sy valo hakiho.
10The foundation was of costly stones, even great stones, stones of ten cubits, and stones of eight cubits.
11Ary teo ambony nisy vato tsara voapaika araka ny marika sy hazo sedera;
11Above were costly stones, even cut stone, according to measure, and cedar wood.
12ary manodidina ny kianja lehibe dia nasiany vato voapaika telo andalana sy hazo sedera iray andalana, tahaka ny amin'ny kianja anatiny amin'ny tranon'i Jehovah sy amin'ny lavarangana fidirana amin'ny trano.
12The great court around had three courses of cut stone, and a course of cedar beams; like as the inner court of the house of Yahweh, and the porch of the house.
13[Ny nanaovan'i Solomona ny fanaka momba ny tempoly] Ary Solomona mpanjaka naniraka haka an'i Hirama avy tany Tyro.
13King Solomon sent and fetched Hiram out of Tyre.
14Zanaky ny vehivavy mpitondra-tena tamin'ny firenen'i Naftaly izy, nefa rainy dia lehilahy Tyriana, mpiasa varahina; feno fahendrena sy fahiratan-tsaina ary fahaizana izy hahavitany ny asa varahina rehetra. Dia tonga tao amin'i Solomona mpanjaka Hirama ka nanao izay asa rehetra tao aminy.
14He was the son of a widow of the tribe of Naphtali, and his father was a man of Tyre, a worker in brass; and he was filled with wisdom and understanding and skill, to work all works in brass. He came to king Solomon, and performed all his work.
15Dia nanao ny andry varahina roa izy: valo ambin'ny folo hakiho avy ny hahavony, ary roa ambin'ny folo hakiho ny manodidina azy.[Heb. ny faharoa]
15For he fashioned the two pillars of brass, eighteen cubits high apiece: and a line of twelve cubits encircled either of them about.
16Ary nanao kapitaly varahina roa anidina izy hatao eo amin'ny tampon'ny andry: dimy hakiho avy ny hahavony,
16He made two capitals of molten brass, to set on the tops of the pillars: the height of the one capital was five cubits, and the height of the other capital was five cubits.
17ary harato sy fesitona miolana amin'ny kapitaly izay teo amin'ny tampon'ny andry avy: fito amin'ny kapitaly iray, ary fito koa amin'ny kapitaly iray.
17There were nets of checker work, and wreaths of chain work, for the capitals which were on the top of the pillars; seven for the one capital, and seven for the other capital.
18Ary nanao ny andry izy, ary nisy roa andalana manodidina tamin'ny asa harato iray, hafono ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry; ary toy izany koa no nataony tamin'ny kapitaly iray.
18So he made the pillars; and there were two rows around on the one network, to cover the capitals that were on the top of the pillars: and he did so for the other capital.
19Ary ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry dia nataony mitarehim-boninkazo lilia tahaka ny amin'ny lavarangana fidirana, ary efatra hakiho ny hahavony;
19The capitals that were on the top of the pillars in the porch were of lily work, four cubits.
20ary ny kapitaly teo an-tampon'ny andry roa dia teo ambony koa, teo akaikin'ny kibony izay anatin'ny harato; ary nisy sarin'ampongabendanitra roan-jato nifanandalana nanodidina ny kapitaly avy.
20There were capitals above also on the two pillars, close by the belly which was beside the network: and the pomegranates were two hundred, in rows around on the other capital.
21Ary ny andry dia natsangany teo amin'ny lavarangana fidirana amin'ny efitra lehibe: ny andry ankavanana natsangany, ka ny anarany nataony hoe Jakina; ary ny andry ankavia natsangany koa, ka ny anarany nataony hoe Boaza. [Jakina = Hampiorina izy][Boaza = Ao aminy no misy hery (?)]
21He set up the pillars at the porch of the temple: and he set up the right pillar, and called its name Jachin; and he set up the left pillar, and called its name Boaz.
22Ary nisy natao mitarehim-boninkazo lilia teo an-tampon'ny andry. Toy izany no nahavitany ny asa tamin'ny andry.
22On the top of the pillars was lily work: so was the work of the pillars finished.
23Ary nanao ny tavin-drano an-idina boribory lehibe izy, ka folo hakiho no halehiben'ny vavany ary dimy hakiho ny hahavony, ary telo-polo hakiho ny manodidina azy. [Heb. ranomasina]
23He made the molten sea of ten cubits from brim to brim, round in compass, and its height was five cubits; and a line of thirty cubits encircled it.
24Ary tambanin'ny molotry ny tavin-drano lehibe manodidina nisy sarim-boantango manodidina azy, folo amin'ny iray hakiho manodidina ny tavin-drano lehibe, ary naidiny ho roa andalana ny sarim-boantango sady niara-nataony an-idina tamin'ny tavin-drano. [Heb. ranomasina]
24Under its brim around there were buds which encircled it, for ten cubits, encircling the sea: the buds were in two rows, cast when it was cast.
25Ary ny tavin-drano dia nipetraka tambonin'ny sarin'omby roa ambin'ny folo; ny telo nanatrika ny avaratra, ny telo nanatrika ny andrefana, ny telo nanatrika ny atsimo, ary ny telo nanatrika ny atsinanana; ary ny tavin-drano lehibe dia teo ambonin'ireo, ary niady vody izy rehetra. [Heb. ranomasina]
25It stood on twelve oxen, three looking toward the north, and three looking toward the west, and three looking toward the south, and three looking toward the east; and the sea was set on them above, and all their hinder parts were inward.
26Ary ny hateviny dia vodivoam-pelatanana, ary ny molony nataony tahaka ny molotry ny kapoaka, dia tahaka ny vonin'ny lilia; ary nahalany roa arivo bata izy.
26It was a handbreadth thick: and its brim was worked like the brim of a cup, like the flower of a lily: it held two thousand baths.
27Ary nanao ny fitoeran-tavin-drano varahina folo izy: efatra hakiho ny lavan'ny anankiray, ary efatra hakiho koa ny sakany, ary telo hakiho ny hahavony.
27He made the ten bases of brass; four cubits was the length of one base, and four cubits its breadth, and three cubits its height.
28Ary toy izao ny asa amin'ireo fitoeran-tavin-drano ireo: nisy kobany izy, ary ireo kobany ireo dia teo anatin'ny sisiny;
28The work of the bases was like this: they had panels; and there were panels between the ledges;
29ary tamin'ny kobany izay nohodidinin'ny sisiny dia nisy sarin-diona sy omby ary kerobima; ary teo ambonin'ny sisiny koa nisy faladiany; ary teo ambanin'ny sarin-diona sy omby nisy fesitona mihantona.
29and on the panels that were between the ledges were lions, oxen, and cherubim; and on the ledges there was a pedestal above; and beneath the lions and oxen were wreaths of hanging work.
30Ary isan'ireo fitoeran-tavin-drano ireo nisy kodia varahina efatra sy tanan-kodia varahina, ary ny tongony efatra nisy sorony; teo ambanin'ny tavin-drano no nisy ny sorony anidina manandrify ny fesitona tsirairay. [Na: ary ny tongony efatra dia tonga sorony]
30Every base had four bronze wheels, and axles of brass; and the four feet of it had supports: beneath the basin were the supports molten, with wreaths at the side of each.
31Ary ny vavan'ny fitoeran-tavin-drano dia teo anatin'ny kapitaliny, ary mbola nisy iray hakiho teo ambonin'io; ary ny vavany dia hakiho iray sy tapany sady boribory tahaka ny amin'ny faladia, ary tamin'ny vavany koa nisy soratra, ary ny kobany teo aminy dia efajoro, fa tsy boribory.
31The mouth of it within the capital and above was a cubit: and its mouth was round after the work of a pedestal, a cubit and a half; and also on its mouth were engravings, and their panels were foursquare, not round.
32Ary ny kodia efatra dia teo ambanin'ny kobany; ary ny fihazonana ny tanan-kodia dia nikambana tamin'ny fitoeran-tavin-drano ihany; ary hakiho iray sy tapany ny hahavon'ny kodia.
32The four wheels were underneath the panels; and the axles of the wheels were in the base: and the height of a wheel was a cubit and half a cubit.
33Ary ny fomban'ny kodia dia tahaka ny amin'ny kodian-kalesy: ny tànany sy ny boriboriny manodidina azy sy ny tanamasoandrony ary ny foitrany dia nataony an-idina avokoa.
33The work of the wheels was like the work of a chariot wheel: their axles, and their rims, and their spokes, and their naves, were all molten.
34Ary nisy sorony efatra tamin'ny zorony efatra amin'ny fitoeran-tavin-drano iray, sady nitranga avy teo amin'ny fitoeran-tavin-drano ireo.
34There were four supports at the four corners of each base: its supports were of the base itself.
35Ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano dia nisy boribory manodidina, irain-jehy ny hahavony; ary teo an-tampon'ny fitoeran-tavin-drano koa ny fitombenany sy ny kobany dia natao an-idina iray aminy.
35In the top of the base was there a round compass half a cubit high; and on the top of the base its stays and its panels were of the same.
36Fa ny koban'ny sorony sy ny kobany hafa nosoratany nasiany sarin'ny kerobima sy liona ary hazo rofia, araka izay nahafeno azy avy, sady nasiany fesitona manodidina. [palma]
36On the plates of its stays, and on its panels, he engraved cherubim, lions, and palm trees, according to the space of each, with wreaths all around.
37Tahaka izany no nanaovany ny fitoeran-tavin-drano folo: samy natao an-idina avokoa, ary nitovy halehibe sy nitovy tarehy izy.
37In this way, he made the ten bases: all of them had one casting, one measure, and one form.
38Ary nanao tavin-drano varahina folo koa izy; ny tavin-drano samy nahalany efa-polo bata avy; ary samy efatra hakiho avy ny tavin-drano; ary tavin-drano iray avy no tamin'ny fitoerany folo.
38He made ten basins of brass: one basin contained forty baths; and every basin was four cubits; and on every one of the ten bases one basin.
39Ary nametraka ny fitoeran-tavin-drano dimy teo ankavanan'ny trano izy, ary ny dimy teo ankavian'ny trano, ary ilay tavin-drano lehibe nataony teo ankavanan'ny trano, dia teo atsimo-atsinanana.[Heb. ranomasina]
39He set the bases, five on the right side of the house, and five on the left side of the house: and he set the sea on the right side of the house eastward, toward the south.
40Ary Hirama nanao ny tavin-drano sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana; ka dia vitan'i Hirama ny asa rehetra izay nataony ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah:
40Hiram made the basins, and the shovels, and the basins. So Hiram made an end of doing all the work that he worked for king Solomon in the house of Yahweh:
41dia ny andry roa sy ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry roa, sy ny harato roa izay hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teo an-tampon'ny andry avy,
41the two pillars, and the two bowls of the capitals that were on the top of the pillars; and the two networks to cover the two bowls of the capitals that were on the top of the pillars;
42ary ny sarin'ampongabendanitra efa-jato ho amin'ny harato roa, ampongabendanitra roa andalana ho amin'ny harato iray hafono ny boriboriny roa amin'ny kapitaly izay teny an-tampon'ny andry avy,
42and the four hundred pomegranates for the two networks; two rows of pomegranates for each network, to cover the two bowls of the capitals that were on the pillars;
43ary ny fitoeran-tavin-drano folo sy ny tavin-drano folo ho eo ambonin'ny fitoerany
43and the ten bases, and the ten basins on the bases;
44ary ny tavin-drano lehibe iray sy ny sarin'omby roa ambin'ny folo teo ambaniny. [Heb. ranomasina]
44and the one sea, and the twelve oxen under the sea;
45ary ny vilany fandraofan-davenona sy ny sotron'afo ary ny lovia famafazana. Ary ireo fanaka rehetra ireo, izay nataon'i Hirama ho an'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'1 Jehovah, dia varahina manganohano avokoa.
45and the pots, and the shovels, and the basins: even all these vessels, which Hiram made for king Solomon, in the house of Yahweh, were of burnished brass.
46Teo amin'ny tany amoron'i Jordana no nanaovan'ny mpanjaka an-idina azy tamin'ny tanimanga teo anelanelan'i Sokota sy Zaretana.
46The king cast them in the plain of the Jordan, in the clay ground between Succoth and Zarethan.
47Ary tsy nolanjain'i Solomona ny fanaka rehetra, satria be loatra izy; ary tsy nozahana izay lanjan'ny varahina.
47Solomon left all the vessels unweighed, because they were exceeding many: the weight of the brass could not be found out.
48Ary Solomona nanao ny fanaka rehetra izay ao amin'ny tranon'i Jehovah: ny alitara volamena sy ny latabatra volamena, izay fitoeran'ny mofo aseho,
48Solomon made all the vessels that were in the house of Yahweh: the golden altar, and the table whereupon the show bread was, of gold;
49ary ny fanaovan-jiro, dimy amin'ny ankavanana ary dimy amin'ny ankavia, teo anoloan'ny efitra anatiny, dia samy volamena tsara; ary ny voniny sy ny lela fanaovan-jiro ary ny hetin-jiro dia volamena koa;
49and the lampstands, five on the right side, and five on the left, before the oracle, of pure gold; and the flowers, and the lamps, and the tongs, of gold;
50ary ny vilia sy ny antsy sy ny lovia famafazana sy ny lovia kely sy ny fitoeran-davenon-jiro dia volamena tsara; ary ny vavin-tsavily ho amin'ny lela-varavaran'ny efitra anatiny, dia ny fitoerana masina indrindra, sy ho amin'ny lela-varavaran'ny efi-trano lehibe dia volamena avokoa.Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
50and the cups, and the snuffers, and the basins, and the spoons, and the fire pans, of pure gold; and the hinges, both for the doors of the inner house, the most holy place, and for the doors of the house, of the temple, of gold.
51Toy izany no nahavitana ny asa nataon'i Solomona mpanjaka ho amin'ny tranon'i Jehovah; ary nampidirin'i Solomona ny zavatra izay efa nohamasinin'i Davida rainy, dia ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka, sa nataony tao amin'ny rakitry ny tranon'i Jehovah.
51Thus all the work that king Solomon worked in the house of Yahweh was finished. Solomon brought in the things which David his father had dedicated, the silver, and the gold, and the vessels, and put them in the treasuries of the house of Yahweh.