Malagasy

World English Bible

1 Samuel

3

1[Ny niantsoana an'i Samoela ho mpaminanin'Jehovah] Ary Samoela zaza nanao fanompoam-pivavahana tamin'i Jehovah teo anatrehan'i Ely. Ary tamin'izany andro izany efa nahàlana ny tenin'i Jehovah: tsy nisy fahitana niseho loatra.
1The child Samuel ministered to Yahweh before Eli. The word of Yahweh was precious in those days; there was no frequent vision.
2Ary tamin'izany andro izany, raha nandry tao amin'ny fandriany Ely (efa pahina ny masony, ka tsy nahita izy),
2It happened at that time, when Eli was laid down in his place (now his eyes had begun to grow dim, so that he could not see),
3sady tsy mbola maty ny jiron'Andriamanitra, ary Samoela efa nandry tao amin'ny tempolin'i Jehovah, izay nisy ny fiaran'Andriamanitra,
3and the lamp of God hadn’t yet gone out, and Samuel had laid down in Yahweh’s temple, where the ark of God was;
4dia niantso an'i Samoela Jehovah, ary izy namaly hoe: Inty aho.
4that Yahweh called Samuel; and he said, “Here I am.”
5Dia nihazakazaka nankeo amin'i Ely izy ka nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy Ely: Tsy niantso aho, andeha mandry ihany. Dia lasa nandry izy.
5He ran to Eli, and said, “Here I am; for you called me.” He said, “I didn’t call; lie down again.” He went and lay down.
6Ary Jehovah niantso azy indray hoe: Ry Samoela! Dia nifoha Samoela ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Fa hoy izy: Tsy niantso aho, anaka; andeha mandry ihany.
6Yahweh called yet again, “Samuel!” Samuel arose and went to Eli, and said, “Here I am; for you called me.” He answered, “I didn’t call, my son; lie down again.”
7Ary Samoela tsy mbola nahalala an'i Jehovah, sady tsy mbola nanehoana ny tenin'i Jehovah izy.
7Now Samuel didn’t yet know Yahweh, neither was the word of Yahweh yet revealed to him.
8Ary Jehovah niantso an'i Samoela indray fanintelony. Dia nifoha izy ka nankao amin'i Ely ary nanao hoe: Inty aho, fa niantso ahy ianao. Dia fantatr'i Ely fa Jehovah no niantso ny zaza.
8Yahweh called Samuel again the third time. He arose and went to Eli, and said, “Here I am; for you called me.” Eli perceived that Yahweh had called the child.
9Ary hoy Ely tamin'i Samoela: Andeha mandry ihany; ary raha tàhiny miantso anao Izy, dia valio hoe: Mitenena, Jehovah ô; fa mihaino ny mpanomponao. Dia lasa Samoela nandry tao amin'ny fandriany.
9Therefore Eli said to Samuel, “Go, lie down: and it shall be, if he calls you, that you shall say, ‘Speak, Yahweh; for your servant hears.’” So Samuel went and lay down in his place.
10Ary avy Jehovah, dia nitsangana ka niantso toy ny teo ihany hoe: Ry Samoela, ry Samoela ô! Dia namaly Samoela hoe: Mitenena, fa mihaino ny mpanomponao.
10Yahweh came, and stood, and called as at other times, “Samuel! Samuel!” Then Samuel said, “Speak; for your servant hears.”
11Ary hoy Jehovah tamin'i Samoela: Indro, Izaho hanao zavatra eo amin'ny Isiraely, ka izay rehetra mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny roa.
11Yahweh said to Samuel, “Behold, I will do a thing in Israel, at which both the ears of everyone who hears it shall tingle.
12Amin'izany andro izany dia hotanterahiko amin'i Ely izay zavatra rehetra voalazako ny amin'ny taranany: hatomboko izany, ka dia hotanterahiko.
12In that day I will perform against Eli all that I have spoken concerning his house, from the beginning even to the end.
13Fa efa nambarako taminy fa hotsaraiko mandrakizay ny taranany noho ny heloka izay fantany, satria ny zanany nahatonga ozona ho an'ny tenany, nefa tsy nosakanany.
13For I have told him that I will judge his house forever, for the iniquity which he knew, because his sons brought a curse on themselves, and he didn’t restrain them.
14Koa izany no nianianako ny amin'ny taranak'i Ely fa tsy hisy fanatitra hahafaka ny helony mandrakizay.
14Therefore I have sworn to the house of Eli, that the iniquity of Eli’s house shall not be removed with sacrifice nor offering forever.”
15Ary nandry Samoela mandra-pahamarain'ny andro, dia namoha ny varavaran'ny tranon'i Jehovah izy. Ary Samoela natahotra hilaza ny fahitana tamin'i Ely.
15Samuel lay until the morning, and opened the doors of the house of Yahweh. Samuel feared to show Eli the vision.
16Fa Ely niantso an'i Samoela ka nanao hoe: Ry Samoela, zanako! Dia hoy izy: Inty aho.
16Then Eli called Samuel, and said, “Samuel, my son!” He said, “Here I am.”
17Ary hoy izy: Inona no zavatra nolazain'i Jehovah taminao? masìna ianao, aza afeninao ahy; hataon'Andriamanitra aminao anie izany, eny, mihoatra noho izany aza, raha nisy afeninao ahy ny zavatra rehetra nolazainy taminao.
17He said, “What is the thing that he has spoken to you? Please don’t hide it from me. God do so to you, and more also, if you hide anything from me of all the things that he spoke to you.”
18Dia nambaran'i Samoela azy avokoa ny zavatra rehetra, ka tsy nisy nafeniny azy. Dia hoy Ely: Izy no Jehovah, aoka Izy hanao izay sitraky ny fony.
18Samuel told him every bit, and hid nothing from him. He said, “It is Yahweh. Let him do what seems good to him.”
19Ary nitombo Samoela, sady nomba azy Jehovah, ka tsy nisy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
19Samuel grew, and Yahweh was with him, and let none of his words fall to the ground.
20Ary ny Isiraely rehetra hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba nahalala fa efa mpaminanin'i Jehovah tokoa Samoela.Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin'i Samoela tao Silo Jehovah tamin'ny teniny.
20All Israel from Dan even to Beersheba knew that Samuel was established to be a prophet of Yahweh.
21Dia niseho tao Silo indray Jehovah; fa niseho tamin'i Samoela tao Silo Jehovah tamin'ny teniny.
21Yahweh appeared again in Shiloh; for Yahweh revealed himself to Samuel in Shiloh by the word of Yahweh.