1[Ny nanjakan'i Joahaza sy Joasy zanany tamin'ny Isiraely, ary ny nahafatesan'i Elisa] Tamin'ny taona fahatelo amby roa-polo nanjakan'i Joasy, zanak'i Ahazia, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joahaza, zanak'i Jeho, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka fito ambin'ny folo taona izy.
1In the three and twentieth year of Joash the son of Ahaziah, king of Judah, Jehoahaz the son of Jehu began to reign over Israel in Samaria for seventeen years.
2Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy, fa nanaraka ny fahotan'i Jeroboama, zanak'i Nebata, izay nampanotany ny Isiraely; tsy niala tamin'izany izy.
2He did that which was evil in the sight of Yahweh, and followed the sins of Jeroboam the son of Nebat, with which he made Israel to sin; he didn’t depart from it.
3Ary ny fahatezeran'i Jehovah nirehitra tamin'ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan'i Hazaela, mpanjakan'i Syria, sy teo an-tanan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, mandrakariva izy.
3The anger of Yahweh was kindled against Israel, and he delivered them into the hand of Hazael king of Syria, and into the hand of Benhadad the son of Hazael, continually.
4Ary Joahaza nifona tamin'i Jehovah, dia nohenoin'i Jehovah izy, satria hitany ny fahorian'ny Isiraely, fa nampahory azy ny mpanjakan'i Syria.
4Jehoahaz begged Yahweh, and Yahweh listened to him; for he saw the oppression of Israel, how that the king of Syria oppressed them.
5Ary Jehovah nanome mpamonjy ho amin'ny Isiraely, ka dia afaka tamin'ny tanan'ny Syriana izy; ary nandry fahizay toy ny teo aloha ny Zanak'Isiraely.
5(Yahweh gave Israel a savior, so that they went out from under the hand of the Syrians; and the children of Israel lived in their tents as before.
6Kanefa tsy niala tamin'ny fahotan'ny taranak'i Jeroboama, izay nampanotany ny Isiraely, izy, fa nandeha tamin'izany ihany, ary na dia ilay Aseraha aza dia mbola tao Samaria ihany.[Anaran'andriamani-tsi-izy, na ny sariny]
6Nevertheless they didn’t depart from the sins of the house of Jeroboam, with which he made Israel to sin, but walked therein: and there remained the Asherah also in Samaria.)
7Fa tsy nisy sisa navelan'i Jehovah ho an'i Joahaza, afa-tsy mpitaingin-tsoavaly dimam-polo sy kalesy folo ary miaramila an-tongotra iray alina; fa ny mpanjakan'i Syria efa nandringana azy ka nanao azy ho toy ny vovoka hitsakitsahina.
7For he didn’t leave to Jehoahaz of the people any more than fifty horsemen, and ten chariots, and ten thousand footmen; for the king of Syria destroyed them, and made them like the dust in threshing.
8Ary ny tantaran'i Joahaza sisa mbamin'izay rehetra nataony ary ny heriny, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
8Now the rest of the acts of Jehoahaz, and all that he did, and his might, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Israel?
9Ary Joahaza lasa nodi-mandry any amin'ny razany, dia nalevina tao Samaria izy; ary Joasy zanany no nanjaka nandimby azy.
9Jehoahaz slept with his fathers; and they buried him in Samaria: and Joash his son reigned in his place.
10Tamin'ny taona fahafito amby telo-polo nanjakan'i Joasy, mpanjakan'ny Joda, no vao nanjakan'i Joasy, zanak'i Joahaza, tamin'ny Isiraely tany Samaria, ary nanjaka enina ambin'ny folo taona izy.
10In the thirty-seventh year of Joash king of Judah, Jehoash the son of Jehoahaz began to reign over Israel in Samaria for sixteen years.
11Ary nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah izy; fa tsy niala tamin'ny fahotana rehetra izay nataon'i Jeroboama, zanak'i Nebata, sady nampanotany ny Isiraely; fa nandeha tamin'izany ihany izy.
11He did that which was evil in the sight of Yahweh; he didn’t depart from all the sins of Jeroboam the son of Nebat, with which he made Israel to sin; but he walked therein.
12Ary ny tantaran'i Joasy sisa mbamin'izay rehetra nataony sy ny heriny niadiany tamin'i Amazia, mpanjakan'ny Joda, tsy efa voasoratra ao amin'ny bokin'ny tantaran'ny mpanjakan'ny Isiraely va izany?
12Now the rest of the acts of Joash, and all that he did, and his might with which he fought against Amaziah king of Judah, aren’t they written in the book of the chronicles of the kings of Israel?
13Ary Joasy lasa nodi-mandry any amin'ny razany, ary Jeroboama nipetraka tamin'ny seza fiandrianany; ary Joasy dia nalevina tany Samaria tao amin'ny mpanjakan'ny Isiraely.
13Joash slept with his fathers; and Jeroboam sat on his throne: and Joash was buried in Samaria with the kings of Israel.
14Ary Elisa dia nararin'ny aretina izay hahafaty azy. Ary Joasy, mpanjakan'ny Isiraely, nidina nankany aminy ka niondrika nitomany teo ambonin'ny tavan'i Elisa ka nanao hoe: Ry ikaky ô, ry ikaky ô, ny kalesin'ny Isiraely sy ny mpitaingin-tsoavaliny!
14Now Elisha was fallen sick of his sickness of which he died: and Joash the king of Israel came down to him, and wept over him, and said, “My father, my father, the chariots of Israel and its horsemen!”
15Ary hoy Elisa taminy: Makà tsipìka sy zana-tsipìka. Ary dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy.
15Elisha said to him, “Take bow and arrows”; and he took to him bow and arrows.
16Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Henjano ny tsipìka. Dia nohenjaniny; ary Elisa nametraka ny tànany teo amin'ny tanan'ny mpanjaka.
16He said to the king of Israel, “Put your hand on the bow”; and he put his hand on it. Elisha laid his hands on the king’s hands.
17Ary hoy izy: Vohay ny varavarankely atsinanana. Ary dia novohany. Dia hoy Elisa: Alefao. Ka dia nalefany. Ary hoy izy: Zana-tsipìkan'ny famonjen'i Jehovah, dia zana-tsipìkan'ny famonjena hahavoa ny Syriana! fa hamely ny Syriana ao Afeka ianao mandra-pandringanao azy.
17He said, “Open the window eastward”; and he opened it. Then Elisha said, “Shoot!” and he shot. He said, “Yahweh’s arrow of victory, even the arrow of victory over Syria; for you shall strike the Syrians in Aphek, until you have consumed them.”
18Ary hoy koa izy: Raiso ny zana-tsipìka. Dia noraisiny. Ary hoy izy tamin'ny mpanjakan'ny Isiraely: Kapohy ny tany. Ary nokapohiny intelo, dia nitsahatra izy.
18He said, “Take the arrows”; and he took them. He said to the king of Israel, “Strike the ground”; and he struck three times, and stopped.
19Ary ilay lehilahin'Andriamanitra dia tezitra taminy ka nanao hoe: Tokony ho nikapoka indimy na inenina ianao, dia ho nasianao ny Syriana mandra-pandringanao azy; fa izao dia intelo ihany no hamelezanao ny Syriana.
19The man of God was angry with him, and said, “You should have struck five or six times. Then you would have struck Syria until you had consumed it, whereas now you shall strike Syria just three times.”
20Ary dia maty Elisa ka nalevina. Ary ny mpitoha adin'ny Moabita nananika ny tany amin'ny fitsingerenan'ny taona.
20Elisha died, and they buried him. Now the bands of the Moabites invaded the land at the coming in of the year.
21Ary nisy nandevina olona, dia, indro, nahita ireo mpitoha ady izy, ka dia natsipiny tao am-pasan'i Elisa ny faty; ary raha vao nitehika tamin'ny taolan'i Elisa ny fatin-dralehilahy, dia velona izy ka nijoro tamin'ny tongony.
21It happened, as they were burying a man, that behold, they spied a band; and they cast the man into the tomb of Elisha: and as soon as the man touched the bones of Elisha, he revived, and stood up on his feet.
22Ary Hazaela, mpanjakan'i Syria, nampahory ny Isiraely tamin'ny andro rehetra nanjakan'i Joahaza.
22Hazael king of Syria oppressed Israel all the days of Jehoahaz.
23Fa Jehovah namindra fo taminy sy niantra azy ary nitsinjo azy noho ny fanekeny tamin'i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, ka tsy ta-handringana azy na hanaisotra azy tsy ho eo anatrehany mandraka ankehitriny.
23But Yahweh was gracious to them, and had compassion on them, and had respect to them, because of his covenant with Abraham, Isaac, and Jacob, and would not destroy them, neither cast he them from his presence as yet.
24Ary maty Hazaela, mpanjakan'i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy.Ary Joasy, zanak'i Joahaza, naka indray teo an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain'i Hazaela teo an-tànan'i Joahaza, rain'i Joasy, tamin'ny ady. Intelo no nandresen'i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan'ny Isiraely.
24Hazael king of Syria died; and Benhadad his son reigned in his place.
25Ary Joasy, zanak'i Joahaza, naka indray teo an-tànan'i Beni-hadada, zanak'i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain'i Hazaela teo an-tànan'i Joahaza, rain'i Joasy, tamin'ny ady. Intelo no nandresen'i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan'ny Isiraely.
25Jehoash the son of Jehoahaz took again out of the hand of Benhadad the son of Hazael the cities which he had taken out of the hand of Jehoahaz his father by war. Joash struck him three times, and recovered the cities of Israel.