1[Ny nanirian'i Davida hanao tempoly sy ny toky nomen'Andriamanitra azy ny amin'ny haharetan'ny fanjakany, ary ny vavaka nataon'i Davida tamin'izany] Ary raha nipetraka tao an-tranony ny mpanjaka, ary efa nampiadanin'i Jehovah tamin'ny fahavalony rehetra manodidina azy izy,
1It happened, when the king lived in his house, and Yahweh had given him rest from all his enemies all around,
2dia hoy ny mpanjaka tamin'i Natana mpaminany: Akory izato izaho mitoetra amin'ny trano sedera, nefa ny fiaran'Andriamanitra kosa mitoetra ao anaty lay!
2that the king said to Nathan the prophet, “See now, I dwell in a house of cedar, but the ark of God dwells within curtains.”
3Dia hoy Natana tamin'ny mpanjaka: Andeha, ataovy izay rehetra ao am-ponao; fa Jehovah no momba anao.
3Nathan said to the king, “Go, do all that is in your heart; for Yahweh is with you.”
4Ary tamin'ny alin'iny ihany dia tonga tamin'i Natana ny tenin'i Jehovah nanao hoe:
4It happened the same night, that the word of Yahweh came to Nathan, saying,
5Andeha, lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Hianao va no hanao trano hitoerako?
5“Go and tell my servant David, ‘Thus says Yahweh, “Shall you build me a house for me to dwell in?
6Fa tsy mbola nitoetra an-trano Aho hatramin'ny nitondrako ny Zanak'Isiraely niakatra avy tany Egypta ka mandraka androany, fa nifindrafindra toby sy nifindrafindra toerana. [Heb. lay][Heb. tabernakely]
6For I have not lived in a house since the day that I brought up the children of Israel out of Egypt, even to this day, but have moved around in a tent and in a tabernacle.
7Ary tamin'izay rehetra nifindrafindrako niaraka tamin'ny Zanak'Isiraely, moa nisy nitenenako akory va ny firenen'Isiraely, izay notendreko ho mpiandry ny Isiraely oloko, ka nanaovako hoe: Nahoana no tsy manao trano sedera ho Ahy ianareo?
7In all places in which I have walked with all the children of Israel, did I say a word to any of the tribes of Israel, whom I commanded to be shepherd of my people Israel, saying, ‘Why have you not built me a house of cedar?’”’
8Koa lazao amin'i Davida mpanompoko hoe: Izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro: Izaho no naka anao avy tany an-tsaha, dia avy tamin'ny niandrasanao ondry, mba ho mpanapaka ny Isiraely oloko.
8Now therefore you shall tell my servant David this, ‘Thus says Yahweh of Armies, “I took you from the sheep pen, from following the sheep, that you should be prince over my people, over Israel.
9Ary nomba anao tamin'izay nalehanao rehetra Aho, ka naringako tsy ho eo anoloanao ny fahavalonao rehetra, ary homeko anarana malaza tahaka ny anaran'izay lehibe ambonin'ny tany ianao.
9I have been with you wherever you went, and have cut off all your enemies from before you. I will make you a great name, like the name of the great ones who are in the earth.
10Ary hifidy tany ho an'ny Isiraely oloko Aho sady hamponina azy, ka dia handry fahizay amin'ny fonenany ary tsy hanana ahiahy intsony izy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy intsony tahaka ny taloha
10I will appoint a place for my people Israel, and will plant them, that they may dwell in their own place, and be moved no more; neither shall the children of wickedness afflict them any more, as at the first,
11sy tahaka ny hatramin'ny nanendreko mpitsara ho mpifehy ny Isiraely oloko; ary hampiadana anao ho afaka amin'ny fahavalonao rehetra Aho. Ary lazain'i Jehovah aminao koa fa hanome taranaka ho anao Izy.[Heb. nampiadana][Heb. hanao trano]
11and as from the day that I commanded judges to be over my people Israel. I will cause you to rest from all your enemies. Moreover Yahweh tells you that Yahweh will make you a house.
12Ary rehefa tapitra ny andronao, ka hodi-mandry any amin'ny razanao ianao, dia hatsangako handimby anao ny zanakao izay haterakao, ary hampitoeriko ny fanjakany;
12When your days are fulfilled, and you shall sleep with your fathers, I will set up your seed after you, who shall proceed out of your bowels, and I will establish his kingdom.
13dia io no hanao trano ho an'ny anarako, ary Izaho kosa hampitoetra ny seza fiandrianan'ny fanjakany ho mandrakizay.
13He shall build a house for my name, and I will establish the throne of his kingdom forever.
14Izaho ho rainy, ary izy ho zanako. Raha manao izay meloka izy, dia hanariko amin'ny tsorakazon'ny olona sy ny kapoky ny zanak'olombelona;
14I will be his father, and he shall be my son. If he commits iniquity, I will chasten him with the rod of men, and with the stripes of the children of men;
15nefa ny famindram-poko tsy mba hiala aminy, tahaka ny nanesorako izany tamin'i Saoly, izay nesoriko teo alohanao.
15but my loving kindness shall not depart from him, as I took it from Saul, whom I put away before you.
16Ary ny taranakao sy ny fanjakanao hitoetra eo anatrehanao mandrakizay; ny seza fiandriananao hitoetra mandrakizay.
16Your house and your kingdom shall be made sure forever before you. Your throne shall be established forever.”’”
17Araka izany teny rehetra izany sy araka izao fahitana rehetra izao no nolazain'i Natana tamin'i Davida.
17According to all these words, and according to all this vision, so Nathan spoke to David.
18Ary Davida mpanjaka niditra ka nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nanao hoe: Zinona moa aho, Jehovah Tompo ô? Ary zinona ny mpianakaviko, no novimbininao ambaraka ankehitriny aho?
18Then David the king went in, and sat before Yahweh; and he said, “Who am I, Lord The word translated “Lord” is “Adonai.” Yahweh, and what is my house, that you have brought me thus far?
19Ary mbola ataonao ho zavatra kely ihany aza izany, Jehovah Tompo ô, fa, indro, efa voalazanao koa ny amin'ny taranaky ny mpanomponao hatramin'ny mbola any aoriana lavitra aza. Ary izany dia fanaon'ny olona, Jehovah Tompo ô.
19This was yet a small thing in your eyes, Lord Yahweh; but you have spoken also of your servant’s house for a great while to come; and this after the way of men, Lord Yahweh!
20Ka inona intsony no holazain'i Davida aminao? Fa Hianao, Jehovah Tompo ô, no mahalala ny mpanomponao.
20What more can David say to you? For you know your servant, Lord Yahweh.
21Noho ny teninao sy araka ny sitraponao no nanaovanao io zavatra lehibe rehetra io, hampahalalanao ny mpanomponao.
21For your word’s sake, and according to your own heart, you have worked all this greatness, to make your servant know it.
22Koa amin'izany dia lehibe Hianao, Jehovah Andriamanitra; fa tsy misy tahaka Anao, ka tsy misy Andriamanitra afa-tsy Hianao araka izay rehetra ren'ny sofinay.
22Therefore you are great, Yahweh God. For there is none like you, neither is there any God besides you, according to all that we have heard with our ears.
23Ary aiza moa no misy firenena etỳ an-tany tahaka ny Isiraely olonao, izay nalehan'Andriamanitra havotana ho olony, sy hanaovany anarana ho Azy, ary hanaovany zavatra lehibe ho anareo sy zava-mahatahotra ho an'ny taninao teo anatrehan'ny olonao, izay navotanao ho Anao avy tamin'ny firenen'i Egypta sy ny andriamaniny?
23What one nation in the earth is like your people, even like Israel, whom God went to redeem to himself for a people, and to make himself a name, and to do great things for you, and awesome things for your land, before your people, whom you redeem to yourself out of Egypt, from the nations and their gods?
24Dia nampitoerinao ny Isiraely olonao ho olonao mandrakizay: ary Hianao, Jehovah ô, no efa tonga Andriamaniny.
24You established for yourself your people Israel to be a people to you forever; and you, Yahweh, became their God.
25Ary ankehitriny, Jehovah Andriamanitra ô, ilay teny nolazainao ny amin'ny mpanomponao sy ny taranany dia ampitoero ho mandrakizay, ary ataovy araka izay nolazainao.
25Now, Yahweh God, the word that you have spoken concerning your servant, and concerning his house, confirm it forever, and do as you have spoken.
26Ary aoka hohalehibiazina mandrakizay ny anaranao ka hatao hoe; Jehovah, Tompon'ny maro, no Andriamanitry ny Isiraely; ka dia hampitoerina eo anatrehanao ny taranak'i Davida mpanomponao.
26Let your name be magnified forever, saying, ‘Yahweh of Armies is God over Israel; and the house of your servant David shall be established before you.’
27Fa Hianao, Jehovah Tompon'ny maro, Andriamanitry ny Isiraely, efa nilaza tamin'ny mpanomponao hoe: Izaho hanome taranaka anao; koa izany no nampahasahy ny fon'ny mpanomponao hanao izao vavaka izao aminao.[Heb. hanao trano ho anao]
27For you, Yahweh of Armies, the God of Israel, have revealed to your servant, saying, ‘I will build you a house.’ Therefore your servant has found in his heart to pray this prayer to you.
28Ary noho izany, Jehovah Tompo ô, satria Hianao no Andriamanitra, ary marina ny teninao, ary Hianao efa nilaza izany zava-tsoa izany ny amin'ny mpanomponao,dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.
28“Now, O Lord Yahweh, you are God, and your words are truth, and you have promised this good thing to your servant.
29dia aoka ho sitrakao ny hitahy ny taranaky ny mpanomponao haharitra mandrakizay eo anatrehanao; fa Hianao, Jehovah Tompo ô, efa niteny izany; eny, aoka ny fitahianao no hitahianao ny taranaky ny mpanomponao mandrakizay.
29Now therefore let it please you to bless the house of your servant, that it may continue forever before you; for you, Lord Yahweh, have spoken it. Let the house of your servant be blessed forever with your blessing.”