1[Ny soa nataon'i Davida tamin'i Mefiboseta] Ary hoy Davida: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa noho ny amin'i Jonatana?
1David said, “Is there yet any who is left of the house of Saul, that I may show him kindness for Jonathan’s sake?”
2Ary nisy mpanompon'ny fianakavian'i Saoly, Ziba no anarany. Ary nantsoiny hankany amin'i Davida izy, ka hoy ny mpanjaka taminy: Hianao moa no Ziba? Ary hoy izy: Izaho mpanomponao no izy.
2There was of the house of Saul a servant whose name was Ziba, and they called him to David; and the king said to him, “Are you Ziba?” He said, “Your servant is he.”
3Ary hoy ny mpanjaka: Mbola misy sisa ihany va ny tamingan'i Saoly mba hasiako soa araka ny fanaon'Andriamanitra? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Mbola misy zanakalahin'i Jonatana iray ihany ao, nefa malemy tongotra izy.
3The king said, “Is there not yet any of the house of Saul, that I may show the kindness of God to him?” Ziba said to the king, “Jonathan has yet a son, who is lame of his feet.”
4Ary hoy ny mpanjaka taminy; Aiza anefa izy? Dia hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Indro izy ao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, ao Lo-debara.
4The king said to him, “Where is he?” Ziba said to the king, “Behold, he is in the house of Machir the son of Ammiel, in Lo Debar.”
5Ary Davida mpanjaka naniraka haka azy tao an-tranon'i Makira, zanak'i Amiela, tao Lodebara.
5Then king David sent, and fetched him out of the house of Machir the son of Ammiel, from Lo Debar.
6Ary nony tonga teo amin'i Davida Mefiboseta, zanak'i Jonatana, zanak'i Saoly, dia niankohoka sy nitsaoka azy izy. Ary hoy Davida: Mefiboseta! Dia hoy izy: Inty ny mpanomponao.
6Mephibosheth, the son of Jonathan, the son of Saul, came to David, and fell on his face, and showed respect. David said, “Mephibosheth.” He answered, “Behold, your servant!”
7Ary hoy Davida taminy: Aza matahotra, fa hasiako soa tokoa ianao noho ny amin'i Jonatana rainao, ary hampodiko ho anao ny tany rehetra izay an'i Saoly rainao, ary ianao hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva.
7David said to him, “Don’t be afraid of him; for I will surely show you kindness for Jonathan your father’s sake, and will restore to you all the land of Saul your father. You shall eat bread at my table continually.”
8Dia niankohoka izy ka nanao hoe: Zinona moa aho mpanomponao izay toy ny alika maty, no mba jerenao?
8He bowed down, and said, “What is your servant, that you should look on such a dead dog as I am?”
9Dia niantso an'i Ziba, mpanompon'i Saoly, ny mpanjaka ka nanao taminy hoe: Izay rehetra nananan'i Saoly sy ny mpianakaviny rehetra dia nomeko ny zanakalahin'ny tomponao.
9Then the king called to Ziba, Saul’s servant, and said to him, “All that pertained to Saul and to all his house have I given to your master’s son.
10Koa ianao sy ny zanakaolahy ary ny mpanomponao no hiasa ny tany ho azy ka hanatitra hanin-kohanina ho an'ny zanakalahin'ny tomponao; fa Mefiboseta, zanakalahin'ny tomponao, hihinana eo amin'ny latabatro mandrakariva. Ary Ziba nanana zanakalahy dimy ambin'ny folo sy mpanompo roa-polo.
10You shall till the land for him, you, and your sons, and your servants; and you shall bring in the harvest, that your master’s son may have bread to eat: but Mephibosheth your master’s son shall eat bread always at my table.” Now Ziba had fifteen sons and twenty servants.
11Ary hoy Ziba tamin'ny mpanjaka: Araka izay rehetra nandidianao mpanjaka tompoko no hataon'ny mpanomponao. Fa ny amin'i Mefiboseta, hoy Davida, dia hihinana eo amin'ny latabatro toy ny anankiray amin'ny zanakalahin'ny mpanjaka izy.
11Then Ziba said to the king, “According to all that my lord the king commands his servant, so your shall servant do.” So Mephibosheth ate at the king’s table, like one of the king’s sons.
12Ary Mefiboseta nanan-janakalahy tanora, Mika no anarany. Ary izay rehetra nitoetra tao an-tranon'i Ziba dia mpanompon'i Mefiboseta avokoa.Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.
12Mephibosheth had a young son, whose name was Mica. All that lived in the house of Ziba were servants to Mephibosheth.
13Ary Mefiboseta nonina tany Jerosalema; fa teo amin'ny latabatry ny mpanjaka no nihinanany mandrakariva; ary nalemy ny tongony roa.
13So Mephibosheth lived in Jerusalem; for he ate continually at the king’s table. He was lame in both his feet.