Malagasy

World English Bible

Deuteronomy

10

1Tamin'izany andro izany no nilazan'Jehovah tamiko hoe: Manamboara vato fisaka roa ho anao tahaka ilay teo, ka miakara ho etỳ amiko etỳ an-tendrombohitra, ary manaova fiara hazo ho anao;
1At that time Yahweh said to me, “Cut two tables of stone like the first, and come up to me onto the mountain, and make an ark of wood.
2dia hosoratako amin'ny vato fisaka ilay teny teo amin'ny vato fisaka nomontsamontsaninao, ka hataonao ao anatin'ny fiara ireny.
2I will write on the tables the words that were on the first tables which you broke, and you shall put them in the ark.”
3Dia nanao fiara tamin'ny hazo akasia aho ka nanamboatra vato fisaka roa tahaka ny teo, dia niakatra tao an-tendrombohitra aho ka nitondra ny vato fisaka roa teny an-tanako.
3So I made an ark of acacia wood, and cut two tables of stone like the first, and went up onto the mountain, having the two tables in my hand.
4Dia nasiany soratra tahaka ny teo ihany ny vato fisaka, dia ny Didy Folo Izay nolazain'i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin'ny afo tamin'ny andro nivoriana; dia nomen'i Jehovah ahy ireny.
4He wrote on the tables, according to the first writing, the ten commandments, which Yahweh spoke to you on the mountain out of the midst of the fire in the day of the assembly: and Yahweh gave them to me.
5Dia nihodina aho ka nidina niala teo amin'ny tendrombohitra, ary ny vato fisaka napetrako tao anatin'ny fiara izay efa nataoko, dia mbola ao ihany ireny, araka izay nandidian'i Jehovah ahy.
5I turned and came down from the mountain, and put the tables in the ark which I had made; and there they are as Yahweh commanded me.
6Ary ny Zanak'Isiraely nandeha niala tamin'ny fantsakan'i Bene-jakana ka nankany Mosera; tao no nahafatesan'i Arona, ary tao no nandevenana azy; ary Eleazara zanany no tonga mpisorona nandimby azy.
6(The children of Israel traveled from Beeroth Bene Jaakan to Moserah. There Aaron died, and there he was buried; and Eleazar his son ministered in the priest’s office in his place.
7Ary nony niala tao izy, dia nankany Godgoda; ary nony niala tao Godgoda izy, dia nankany Jotbata, tany be ony.
7From there they traveled to Gudgodah; and from Gudgodah to Jotbathah, a land of brooks of water.
8Tamin'izany andro izany no nanokanan'1 Jehovah ny firenen'i Levy hitondra ny fiaran'ny faneken'i Jehovah sy hijanona eo anatrehan'i Jehovah hanao fanompoam-pivavahana aminy sy hitso-drano amin'ny anarany mandraka androany.
8At that time Yahweh set apart the tribe of Levi, to bear the ark of the covenant of Yahweh, to stand before Yahweh to minister to him, and to bless in his name, to this day.
9Izany no tsy ananan'ny Levita anjara na lova eo amin'ny rahalahiny; Jehovah no lovany, araka izay nolazain'i Jehovah Andriamanitrao taminy.
9Therefore Levi has no portion nor inheritance with his brothers; Yahweh is his inheritance, according as Yahweh your God spoke to him.)
10Ary izaho nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra tahaka ilay teo ihany; ary Jehovah nihaino ahy tamin'izany andro izany koa ka tsy nety nandringana anao.
10I stayed on the mountain, as at the first time, forty days and forty nights: and Yahweh listened to me that time also; Yahweh would not destroy you.
11Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, mandehana eo alohan'ny olona, hidirany sy handovany ny tany, izay nianianako tamin'ny razany homena azy.
11Yahweh said to me, “Arise, take your journey before the people; and they shall go in and possess the land, which I swore to their fathers to give to them.”
12[Anatra ny amin'ny fahatahorana an'Andriamanitra sy ny fitiavana Azy, ary filazana ny soa ho azon'ny manaraka ny lalàna sy ny loza hanjo ny tsy manaraka azy] Ary ankehitriny, ry Isiraely ô, inona moa no ilain'i Jehovah Andriamanitrao aminao, afa-tsy ny hatahotra an'i Jehovah Andriamanitrao sy ny handeha amin'ny lalany rehetra ary ny ho tia Azy sy hanompo an'i Jehovah Andriamanitrao amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra,
12Now, Israel, what does Yahweh your God require of you, but to fear Yahweh your God, to walk in all his ways, and to love him, and to serve Yahweh your God with all your heart and with all your soul,
13hitandrina ny didin'i Jehovah sy ny lalàny izay andidiany anao anio, mba hahita soa ianao?
13to keep the commandments of Yahweh, and his statutes, which I command you this day for your good?
14Indro, an'i Jehovah Andriamanitrao ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra ary ny tany mbamin'izay rehetra eo aminy.
14Behold, to Yahweh your God belongs heaven and the heaven of heavens, the earth, with all that is therein.
15Kanefa ny razanao no niraiketan'ny fitiavan'i Jehovah, ka nifidy anareo zanany mandimby azy Izy mihoatra noho ny firenena rehetra, tahaka ny amin'izao anio izao.
15Only Yahweh had a delight in your fathers to love them, and he chose their seed after them, even you above all peoples, as at this day.
16Koa forao ny fonareo, fa aza mafy hatoka intsony ianareo.
16Circumcise therefore the foreskin of your heart, and be no more stiff-necked.
17Fa Jehovah Andriamanitrareo no Andriamanitra Avo Indrindra sy Tompon'ny tompo, Andriamanitra lehibe sy mahery ary mahatahotra, Izay tsy mizaha tavan'olona, na mandray kolikoly;
17For Yahweh your God, he is God of gods, and Lord of lords, the great God, the mighty, and the awesome, who doesn’t respect persons, nor takes reward.
18manome rariny ny kamboty sy ny mpitondratena Izy, sady tia ny vahiny ka manome azy hanina sy fitafiana.
18He does execute justice for the fatherless and widow, and loves the foreigner, in giving him food and clothing.
19Koa tiava vahiny; fa efa mba vahiny tany amin'ny tany Egypta ianareo.
19Therefore love the foreigner; for you were foreigners in the land of Egypt.
20Jehovah Andriamanitrao no hatahoranao; Izy no hotompoinao, ary Izy no hifikiranao, ary ny anarany no hianiananao.
20You shall fear Yahweh your God; you shall serve him; and you shall cling to him, and you shall swear by his name.
21Izy no fidèranao, ary Izy no Andriamanitrao, Izay efa nanao ireo zavatra lehibe sy mahatahotra ireo taminao, izay efa hitan'ny masonao.Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.
21He is your praise, and he is your God, who has done for you these great and awesome things, which your eyes have seen.
22Olona fito-polo ny razanao izay nidina tany Egypta; nefa ankehitriny efa nataon'i Jehovah Andriamanitrao maro tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra ianao.
22Your fathers went down into Egypt with seventy persons; and now Yahweh your God has made you as the stars of the sky for multitude.