1[Ny namonoana fanatitra hanamafiana ny fanekena, sy ny nahitan'i Mosesy mbamin'ny loholon'ny Isiraely an'Andriamanitra] Ary hoy Izy tamin'i Mosesy: Miakara ao amin'i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin'ny loholon'ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;
1He said to Moses, “Come up to Yahweh, you, and Aaron, Nadab, and Abihu, and seventy of the elders of Israel; and worship from a distance.
2nefa Mosesy ihany no hanakaiky an'i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.
2Moses alone shall come near to Yahweh, but they shall not come near, neither shall the people go up with him.”
3Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin'ny olona ny teny rehetra izay nataon'i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain'i Jehovah dia hataonay.
3Moses came and told the people all the words of Yahweh, and all the ordinances; and all the people answered with one voice, and said, “All the words which Yahweh has spoken will we do.”
4Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon'i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin'ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin'ny folo, araka ny firenen'Isiraely roa ambin'ny folo.
4Moses wrote all the words of Yahweh, and rose up early in the morning, and built an altar under the mountain, and twelve pillars for the twelve tribes of Israel.
5Ary ny zatovo amin'ny Zanak'Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr'ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an'i Jehovah.
5He sent young men of the children of Israel, who offered burnt offerings and sacrificed peace offerings of cattle to Yahweh.
6Ary nalain'i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin'ny alitara.
6Moses took half of the blood and put it in basins, and half of the blood he sprinkled on the altar.
7Dia naka ny bokin'ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan'ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain'i Jehovah dia hataonay sy hekenay.
7He took the book of the covenant and read it in the hearing of the people, and they said, “All that Yahweh has spoken will we do, and be obedient.”
8Ary nalain'i Mosesy ny rà ka natopiny tamin'ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran'ny fanekena izay nataon'i Jehovah taminareo ny amin'izany teny rehetra izany.
8Moses took the blood, and sprinkled it on the people, and said, “Look, this is the blood of the covenant, which Yahweh has made with you concerning all these words.”
9Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin'ny loholon'ny Isiraely.
9Then Moses, Aaron, Nadab, Abihu, and seventy of the elders of Israel went up.
10Dia nahita an'Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin'ny tongony dia toy ny fanganohanon'ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan'ny lanitra ny famirapirany.
10They saw the God of Israel. Under his feet was like a paved work of sapphire or, lapis lazuli stone, like the skies for clearness.
11Ary tsy naninjitra ny tànany tamin'ireo lehiben'ny Zanak'Isiraely Izy; dia nahita an'Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.
11He didn’t lay his hand on the nobles of the children of Israel. They saw God, and ate and drank.
12Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.
12Yahweh said to Moses, “Come up to me on the mountain, and stay here, and I will give you the tables of stone with the law and the commands that I have written, that you may teach them.”
13Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr'Andriamanitra.
13Moses rose up with Joshua, his servant, and Moses went up onto God’s Mountain.
14Ary hoy izy tamin'ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin'izy roa lahy izy.
14He said to the elders, “Wait here for us, until we come again to you. Behold, Aaron and Hur are with you. Whoever is involved in a dispute can go to them.”
15Dia niakatra tao amin'ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.
15Moses went up on the mountain, and the cloud covered the mountain.
16Ary ny voninahitr'i Jehovah nitoetra teo ambonin'ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an'i Mosesy tamin'ny andro fahafito teo afovoan'ny rahona Izy.
16The glory of Yahweh settled on Mount Sinai, and the cloud covered it six days. The seventh day he called to Moses out of the midst of the cloud.
17Ary ny fijery ny voninahitr'i Jehovah teo an-tampon'ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason'ny Zanak 'Isiraely.Dia niditra tao afovoan'ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin'ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
17The appearance of the glory of Yahweh was like devouring fire on the top of the mountain in the eyes of the children of Israel.
18Dia niditra tao afovoan'ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin'ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin'ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.
18Moses entered into the midst of the cloud, and went up on the mountain; and Moses was on the mountain forty days and forty nights.