1[Ny nanambadian'i Abrahama an'i Ketora, sy ny taranany avy taminy; ary ny nahafatesan'i Abrahama, sy ny nandevenan'ny zanany azy] Ary Abrahama nampaka-bady indray, Ketora no anarany.
1Abraham took another wife, and her name was Keturah.
2Dia niteraka an'i Zimrana sy Joksana sy Medana sy Midiana sy Jisbaka ary Soaha tamin'i Abrahama izy.
2She bore him Zimran, Jokshan, Medan, Midian, Ishbak, and Shuah.
3Ary Joksana niteraka an'i Sheba sy Dedana. Ary ny zanakalahin'i Dedana dia Asorima sy Letosima ary Leomima.
3Jokshan became the father of Sheba, and Dedan. The sons of Dedan were Asshurim, Letushim, and Leummim.
4Ary ny zanakalahin'i Midiana dia Efaha sy Efera sy Hanoka sy Abida ary Eldaha. Ireo rehetra ireo no zanak'i Ketora.
4The sons of Midian: Ephah, Epher, Hanoch, Abida, and Eldaah. All these were the children of Keturah.
5Dia natolotr'i Abrahama an'Isaka izay rehetra nananany.
5Abraham gave all that he had to Isaac,
6Fa ny zanak'ireo vaditsindranony hafa, izay nananan'i Abrahama, dia samy notolorany avy ka nampandehaniny, dieny mbola velona izy, hiala amin'Isaka zanany hiantsinanana ho any amin'ny tany atsinanana.
6but to the sons of Abraham’s concubines, Abraham gave gifts. He sent them away from Isaac his son, while he yet lived, eastward, to the east country.
7Ary ny andro niainan'i Abrahama dia dimy amby fito-polo amby zato taona.
7These are the days of the years of Abraham’s life which he lived: one hundred seventy-five years.
8Dia niala aina Abrahama ka maty, rehefa fotsy volo tsara sady lahy antitra ela niainana; dia voangona any amin'ny razany izy.
8Abraham gave up the spirit, and died in a good old age, an old man, and full of years, and was gathered to his people.
9Ary nalevin'Isaka sy Isimaela zanany izy tao amin'ny zohy ao Makpela, tao amin'ny sahan'i Efrona, zanak'i Zohara Hetita, izay tandrifin'i Mamre,
9Isaac and Ishmael, his sons, buried him in the cave of Machpelah, in the field of Ephron, the son of Zohar the Hittite, which is before Mamre,
10dia ilay saha izay novinidin'i Abrahama tamin'ny taranak'i Heta; tao no nandevenana an'i Abrahama sy Saraha vadiny.
10the field which Abraham purchased of the children of Heth. Abraham was buried there with Sarah, his wife.
11Ary rehefa maty Abrahama, dia notahin'Andriamanitra Isaka zanany; ary Isaka dia nonina teo akaikin'i Bera-lahai-roy.
11It happened after the death of Abraham that God blessed Isaac, his son. Isaac lived by Beer Lahai Roi.
12[Ny taranak'Isimaela] Ary izao no taranak'Isimaela, zanakalahin'i Abrahama izay naterak'i Hagara, ilay Egyptiana, andevovavin'i Saraha, tamin'i Abrahama :
12Now this is the history of the generations of Ishmael, Abraham’s son, whom Hagar the Egyptian, Sarah’s handmaid, bore to Abraham.
13Izao no anaran'ny zanakalahin'Isimaela, araka ny anarany sy araka ny taranany: Nebaiota, lahimatoan'Isimaela, sy Kedara sy Adbela sy Mibsama
13These are the names of the sons of Ishmael, by their names, according to the order of their birth: the firstborn of Ishmael, Nebaioth, then Kedar, Adbeel, Mibsam,
14sy Misma sy Doma sy Masa
14Mishma, Dumah, Massa,
15sy Hadada sy Tema sy Jetora sy Nafisy ary Kedema.
15Hadad, Tema, Jetur, Naphish, and Kedemah.
16Izy ireo no zanakalahin'Isimaela, ary ireo no anarany, araka ny vohiny sy ny tobiny, dia andriana roa ambin'ny folo araka ny fireneny.
16These are the sons of Ishmael, and these are their names, by their villages, and by their encampments: twelve princes, according to their nations.
17Ary ny andro niainan'Isimaela dia fito amby telo-polo amby zato taona; ary niala aina izy ka maty, dia voangona any amin'ny razany .
17These are the years of the life of Ishmael: one hundred thirty-seven years. He gave up the spirit and died, and was gathered to his people.
18Ary ny taranany nonina hatrany Havila ka hatrany Sora, izay tandrifin'i Egypta amin'ny lalana mankany Asyria; nifanandrify tamin'ny rahalahiny rehetra no nitoerany.
18They lived from Havilah to Shur that is before Egypt, as you go toward Assyria. He lived opposite all his relatives.
19[Ny amin'i Esao sy Jakoba] Ary izao no taranak'Isaka, zanakalahin'i Abrahama:
19This is the history of the generations of Isaac, Abraham’s son. Abraham became the father of Isaac.
20Abrahama niteraka an'Isaka; ary efa-polo taona Isaka, raha nampakatra an-dRebeka, zanakavavin'i Betoela Syriana, avy tany Mesopotamia, sady anabavin'i Labana Syriana.
20Isaac was forty years old when he took Rebekah, the daughter of Bethuel the Syrian of Paddan Aram, the sister of Laban the Syrian, to be his wife.
21Ary Isaka nangataka tamin'i Jehovah ho an'ny vadiny, satria momba izy; ary nohenoin'i Jehovah ny fangatahany, dia nanan'anaka Rebeka vadiny.
21Isaac entreated Yahweh for his wife, because she was barren. Yahweh was entreated by him, and Rebekah his wife conceived.
22Ary nifanosika ny zaza kambana tao an-kibony; ary hoy Rebeka: Raha izao, nahoana re aho no dia mbola velona? Dia lasa nanontany tamin'i Jehovah izy.
22The children struggled together within her. She said, “If it be so, why do I live?” She went to inquire of Yahweh.
23Ary hoy Jehovah taminy: Firenena roa no ao an-kibonao; ary vahoaka roa toko no hisaraka hatrao am-bohokanao; ary ny vahoaka iray toko hahery noho ny iray toko. Ka ny zokiny hanompo ny zandriny.
23Yahweh said to her, “Two nations are in your womb. Two peoples will be separated from your body. The one people will be stronger than the other people. The elder will serve the younger.”
24Ary rehefa tonga ny andro hahaterahany, indreo, nisy zaza kambana tao an-kibony.
24When her days to be delivered were fulfilled, behold, there were twins in her womb.
25Dia teraka ny voalohany ka mena, ary tahaka ny kapôty volom-biby ny tenany rehetra; dia nataony hoe Esao ny anarany.
25The first came out red all over, like a hairy garment. They named him Esau.
26Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, ary ny tànany nihazona ny ombelahin-tongotr'i Esao, dia nataony hoe Jakoba ny anarany; ary efa enim-polo taona Isaka tamin'ny niterahana azy mirahalahy.
26After that, his brother came out, and his hand had hold on Esau’s heel. He was named Jacob. Isaac was sixty years old when she bore them.
27Dia nitombo ireo zaza ireo; ary Esao lehilahy nahay nihaza, dia mpianefitra, fa Jakoba kosa lehilahy tsara fanahy sady mpitoetra an-day.
27The boys grew. Esau was a skillful hunter, a man of the field. Jacob was a quiet man, living in tents.
28Ary Isaka tia an'i Esao, satria nankafy ny hazany; fa Rebeka kosa tia an'i Jakoba.
28Now Isaac loved Esau, because he ate his venison. Rebekah loved Jacob.
29Ary nahandro hanina Jakoba; ary sendra avy tany an-tsaha Esao ka reraka.
29Jacob boiled stew. Esau came in from the field, and he was famished.
30Dia hoy Esao tamin'i Jakoba: Mba anomezo ahy hohaniko ny mena, dia io mena io, fa reraka aho (izany no nanaovana ny anarany hoe Edoma).
30Esau said to Jacob, “Please feed me with that same red stew, for I am famished.” Therefore his name was called Edom.
31Fa hoy Jakoba: Amidio amiko ary aloha ny fizokianao.
31Jacob said, “First, sell me your birthright.”
32Dia hoy kosa Esao: Indro, ho faty ihany aho; ka mahasoa inona izay fizokiana?
32Esau said, “Behold, I am about to die. What good is the birthright to me?”
33Ary hoy Jakoba: Mianiana ary amiko aloha. Dia nianiana taminy izy; ka dia namidiny tamin'i Jakoba ny fizokiany.Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
33Jacob said, “Swear to me first.” He swore to him. He sold his birthright to Jacob.
34Ary Jakoba nanome an'i Esao mofo sy voanemba masaka; dia nihinana sy nisotro izy, ary niainga ka lasa nandeha. Izany no nanamavoan'i Esao ny fizokiany.
34Jacob gave Esau bread and stew of lentils. He ate and drank, rose up, and went his way. So Esau despised his birthright.