1Ary Isaka nampaka an'i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe : Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao.
1Isaac called Jacob, blessed him, and commanded him, “You shall not take a wife of the daughters of Canaan.
2Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin'ny tranon'i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin'ny zanakavavin'i Labana anadahin-dreninao.
2Arise, go to Paddan Aram, to the house of Bethuel your mother’s father. Take a wife from there from the daughters of Laban, your mother’s brother.
3Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;
3May God Almighty bless you, and make you fruitful, and multiply you, that you may be a company of peoples,
4ary homeny anao anie ny fitahiana an'i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen'Andriamanitra an'i Abrahama.
4and give you the blessing of Abraham, to you, and to your seed with you, that you may inherit the land where you travel, which God gave to Abraham.”
5Ary Isaka nampandeha an'i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin'i Labana, zanak'i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin'i Jakoba sy Esao.
5Isaac sent Jacob away. He went to Paddan Aram to Laban, son of Bethuel the Syrian, Rebekah’s brother, Jacob’s and Esau’s mother.
6Ary nony hitan'i Esao fa Isaka efa nitso-drano an'i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin'ny zanakavavin'ny Kananita ianao;
6Now Esau saw that Isaac had blessed Jacob and sent him away to Paddan Aram, to take him a wife from there, and that as he blessed him he gave him a command, saying, “You shall not take a wife of the daughters of Canaan,”
7koa Jakoba efa nanaraka ny tenin'ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;
7and that Jacob obeyed his father and his mother, and was gone to Paddan Aram.
8ary hitan'i Esao fa efa ratsy teo imason'Isaka rainy ny zanakavavin'ny Kananita:
8Esau saw that the daughters of Canaan didn’t please Isaac, his father.
9dia lasa Esao nankany amin'Isimaela ka naka an'i Mahalota, zanakavavin'Isimaela, zanak'i Abrahama, sady anabavin'i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin'ny vady izay nananany.
9Esau went to Ishmael, and took, besides the wives that he had, Mahalath the daughter of Ishmael, Abraham’s son, the sister of Nebaioth, to be his wife.
10[Ny nisehoan'Andriamanitra tamin'i Jakoba tao Betela] Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.
10Jacob went out from Beersheba, and went toward Haran.
11Ary tonga teo amin'ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin'izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.
11He came to a certain place, and stayed there all night, because the sun had set. He took one of the stones of the place, and put it under his head, and lay down in that place to sleep.
12Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin'ny tany, ka nipaka tamin'ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin'Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.
12He dreamed. Behold, a stairway set upon the earth, and its top reached to heaven. Behold, the angels of God ascending and descending on it.
13Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr'i Abrahama rainao sy Andriamanitr'Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;
13Behold, Yahweh stood above it, and said, “I am Yahweh, the God of Abraham your father, and the God of Isaac. The land whereon you lie, to you will I give it, and to your seed.
14ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin'ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany.
14Your seed will be as the dust of the earth, and you will spread abroad to the west, and to the east, and to the north, and to the south. In you and in your seed will all the families of the earth be blessed.
15Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin'izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin'ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.
15Behold, I am with you, and will keep you, wherever you go, and will bring you again into this land. For I will not leave you, until I have done that which I have spoken of to you.”
16Ary Jakoba nahatsiaro tamin'ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin'ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.
16Jacob awakened out of his sleep, and he said, “Surely Yahweh is in this place, and I didn’t know it.”
17Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe : Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon'Andriamanitra sy vavahadin'ny lanitra.
17He was afraid, and said, “How dreadful is this place! This is none other than God’s house, and this is the gate of heaven.”
18Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.
18Jacob rose up early in the morning, and took the stone that he had put under his head, and set it up for a pillar, and poured oil on its top.
19Ary ny anaran'izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran'ilay tanàna tany aloha.
19He called the name of that place Bethel, but the name of the city was Luz at the first.
20Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin'izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,
20Jacob vowed a vow, saying, “If God will be with me, and will keep me in this way that I go, and will give me bread to eat, and clothing to put on,
21ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin'ny tranon'ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
21so that I come again to my father’s house in peace, and Yahweh will be my God,
22ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon'Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.
22then this stone, which I have set up for a pillar, will be God’s house. Of all that you will give me I will surely give the tenth to you.”