1[Ny nanotan'i Adama sy Eva, sy izay nataon'Andriamanitra taminy] Ary ny menarana dia fetsy noho ny bibi-dia rehetra izay nataon'i Jehovah Andriamanitra. Ary hoy izy tamin-dravehivavy: Hanky! efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza ihinananareo ny hazo rehetra amin'ny saha?
1Now the serpent was more subtle than any animal of the field which Yahweh God had made. He said to the woman, “Has God really said, ‘You shall not eat of any tree of the garden?’”
2Fa hoy ravehivavy tamin'ny menarana: Ny voan'ny hazo eo amin'ny saha dia azonay ihinanana ihany;
2The woman said to the serpent, “Of the fruit of the trees of the garden we may eat,
3fa ny voan'ny hazo eo afovoan'ny saha kosa no efa nataon'Andriamanitra hoe: Aza hihinanareo na tendrenareo izany, fandrao maty ianareo.
3but of the fruit of the tree which is in the middle of the garden, God has said, ‘You shall not eat of it, neither shall you touch it, lest you die.’”
4Ary hoy ny menarana tamin-dravehivavy: Tsy ho faty tsy akory ianareo;
4The serpent said to the woman, “You won’t surely die,
5fa fantatr'Andriamanitra fa na amin'izay andro hihinananareo azy dia hahiratra ny masonareo, ka ho tahaka an'Andriamanitra ianareo, hahalala ny ny tsara sy ny ratsy.
5for God knows that in the day you eat it, your eyes will be opened, and you will be like God, knowing good and evil.”
6Ary hitan-dravehivavy fa tsara ho fihinana ny hazo sady mahafinaritra ny maso ary hazo mahatsiriritra hampahahendry, dia nanotazany ny voany ka nihinanany; ary nomeny koa ny vadiny; ka dia nihinana izy.
6When the woman saw that the tree was good for food, and that it was a delight to the eyes, and that the tree was to be desired to make one wise, she took of its fruit, and ate; and she gave some to her husband with her, and he ate.
7Dia nahiratra ny mason'izy mivady, ka fantany fa mitanjaka izy; ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy.
7The eyes of both of them were opened, and they knew that they were naked. They sewed fig leaves together, and made themselves aprons.
8Ary nandre an'i Jehovah Andriamanitra nitsangantsangana teo amin'ny saha izy, rehefa ho hariva ny andro; ary ralehilahy sy ny vadiny niery ny tavan'i Jehovah Andriamanitra tao anaty hazo tao amin'ny saha.
8They heard the voice of Yahweh God walking in the garden in the cool of the day, and the man and his wife hid themselves from the presence of Yahweh God among the trees of the garden.
9Ary Jehovah Andriamanitra dia niantso an-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Aiza moa ianao?
9Yahweh God called to the man, and said to him, “Where are you?”
10Dia hoy izy: Nandre Anao tao amin'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka, ka dia niery.
10The man said, “I heard your voice in the garden, and I was afraid, because I was naked; and I hid myself.”
11Ary hoy Izy: Iza moa no nanambara taminao fa mitanjaka ianao? Efa nihinanao va ny hazo izay nandrarako anao tsy hihinananao?
11God said, “Who told you that you were naked? Have you eaten from the tree that I commanded you not to eat from?”
12Dia hoy ralehilahy: Ny vehivavy izay nomenao ho namako, izy no nanome ahy ny voankazo, ka dia nihinana aho.
12The man said, “The woman whom you gave to be with me, she gave me of the tree, and I ate.”
13Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin-dravehivavy: Inona izao nataonao izao? Dia hoy ravehivavy: Ny menarana no namitaka ahy, ka dia nihinana aho.
13Yahweh God said to the woman, “What is this you have done?” The woman said, “The serpent deceived me, and I ate.”
14Ary hoy Jehovah Andriamanitra tamin'ny menarana: Satria nanao izany ianao, koa amin'ny biby fiompy rehetra sy ny bibi-dia rehetra dia ianao no voaozona: ny kibonao no handehananao, ary vovo-tany no hohaninao amin'ny andro rehetra hiainanao.
14Yahweh God said to the serpent, “Because you have done this, you are cursed above all livestock, and above every animal of the field. On your belly you shall go, and you shall eat dust all the days of your life.
15Dia hampifandrafesiko ianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary ianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony.
15I will put enmity between you and the woman, and between your offspring and her offspring. He will bruise your head, and you will bruise his heel.”
16Ary hoy koa Izy tamin-dravehivavy: Hahabe dia hahabe ny fahorianao Aho, indrindra fa raha manan'anaka ianao; ary fahoriana no hiterahanao zanaka; ary ny vadinao no hianteheran'ny fanirianao, ka izy no hanapaka anao.
16To the woman he said, “I will greatly multiply your pain in childbirth. In pain you will bear children. Your desire will be for your husband, and he will rule over you.”
17Ary hoy koa Izy tamin'i Adama: Satria efa nihaino ny feon'ny vadinao ianao, ka nihinananao ny hazo, izay nandrarako anao hoe: Aza ihinananao izany, dia voaozona ny tany noho izay nataonao; fahoriana no hihinanao ny vokany amin'ny andro rehetra hiainanao.
17To Adam he said, “Because you have listened to your wife’s voice, and have eaten of the tree, of which I commanded you, saying, ‘You shall not eat of it,’ cursed is the ground for your sake. In toil you will eat of it all the days of your life.
18Ary haniry tsilo sy hery ho anao izy; ary hohaninao ny anana famboly.
18It will yield thorns and thistles to you; and you will eat the herb of the field.
19Ny fahatsembohan'ny tavanao no hahazoanao hanina mandra-piverinao any amin'ny tany; fa ny tany no nanalana anao; fa vovoka ianao, ary hiverina ho amin'ny vovoka indray ianao.
19By the sweat of your face will you eat bread until you return to the ground, for out of it you were taken. For you are dust, and to dust you shall return.”
20Ary ralehilahy nanao ny anaran'ny vadiny hoe Eva, satria izy no renin'ny olombelona rehetra.
20The man called his wife Eve, because she was the mother of all living.
21Ary Jehovah Andriamanitra nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy.
21Yahweh God made coats of skins for Adam and for his wife, and clothed them.
22Ary hoy Jehovah Andriamanitra: Indro, ny olona efa tonga tahaka ny anankiray amintsika ka hahalala ny tsara sy ny ratsy; ary ankehitriny, andrao haninjitra ny tànany izy ka hakany koa ny hazon'aina, ary hohaniny, ka ho velona mandrakizay izy;
22Yahweh God said, “Behold, the man has become like one of us, knowing good and evil. Now, lest he reach out his hand, and also take of the tree of life, and eat, and live forever...”
23ka dia nesorin'i Jehovah Andriamanitra tamin'ny saha Edena izy hiasa ny tany izay nanalana azy.Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.
23Therefore Yahweh God sent him out from the garden of Eden, to till the ground from which he was taken.
24Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan'ny saha Edena ny kerobima sy ny lelafon'ny sabatra mihebiheby hiambina ny lalana mankany amin'ny hazon'aina.
24So he drove out the man; and he placed Cherubs at the east of the garden of Eden, and the flame of a sword which turned every way, to guard the way to the tree of life.