1[Ny taranak'i Esao] Ary izao no taranak'i Esao (Edoma izany):
1Now this is the history of the generations of Esau (that is, Edom).
2Esao naka vady tamin'ny zanakavavin'ny Kananita, dia Ada, zanak'i Elona Hetita, sy Oholibama, zanak'i Ana, zanakavavin'i Zibona Hivita,
2Esau took his wives from the daughters of Canaan: Adah the daughter of Elon, the Hittite; and Oholibamah the daughter of Anah, the daughter of Zibeon, the Hivite;
3ary Basemata, zanakavavin'Isimaela sady anabavin'i Nebaiota.
3and Basemath, Ishmael’s daughter, sister of Nebaioth.
4Ary Ada niteraka an'i Elifaza tamin'i Esao; ary Basemata niteraka an'i Regoela;
4Adah bore to Esau Eliphaz. Basemath bore Reuel.
5ary Oholibama niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora. Ireo no zanak'i Esao, izay naterany tany amin'ny tany Kanana.
5Oholibamah bore Jeush, Jalam, and Korah. These are the sons of Esau, who were born to him in the land of Canaan.
6Dia nentin'i Esao ny vadiny sy ny zananilahy sy ny zananivavy sy ny olona rehetra tao an-tranony sy ny omby aman'ondriny sy ny biby fiompiny rehetra, mbamin'ny fananany rehetra izay efa nohariny tany amin'ny tany Kanana, ka dia lasa nankany amin'izay tany hialana eo anatrehan'i Jakoba rahalahiny.
6Esau took his wives, his sons, his daughters, and all the members of his household, with his livestock, all his animals, and all his possessions, which he had gathered in the land of Canaan, and went into a land away from his brother Jacob.
7Fa samy be loatra ny haren'izy mirahalahy, ka tsy mba nahazo niray monina izy; ary tsy omby azy ny tany fivahiniany, noho ny omby aman ondriny.
7For their substance was too great for them to dwell together, and the land of their travels couldn’t bear them because of their livestock.
8Koa nonina tany an-tendrombohitra Seira Esao. (Edoma izany).
8Esau lived in the hill country of Seir. Esau is Edom.
9Ary izao no taranak'i Esao, rain'ny Edomita any an-tendrombohitra Seira:
9This is the history of the generations of Esau the father of the Edomites in the hill country of Seir:
10Ny anaran'ny zanakalahin'i Esao dia izao: Elifaza, zanak'i Ada, vadin'i Esao, sy Regoela, zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
10these are the names of Esau’s sons: Eliphaz, the son of Adah, the wife of Esau; and Reuel, the son of Basemath, the wife of Esau.
11Ary ny zanakalahin'i Elifaza dia Temana sy Omara sy Zefo sy Gatama ary Kenaza.
11The sons of Eliphaz were Teman, Omar, Zepho, and Gatam, and Kenaz.
12Ary Timna no vaditsindranon'i Elifaza, zanakalahin'i Esao; ary niteraka an'i Amaleka tamin'i Elifaza izy. Ireo no zanakalahin'i Ada, vadin'i Esao.
12Timna was concubine to Eliphaz, Esau’s son; and she bore to Eliphaz Amalek. These are the sons of Adah, Esau’s wife.
13Ary izao no zanakalahin'i Regoela: Nahata sy Zera sy Sama ary Miza; ireo no zanakalahin'i Basemata, vadin'i Esao.
13These are the sons of Reuel: Nahath, Zerah, Shammah, and Mizzah. These were the sons of Basemath, Esau’s wife.
14Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, zanakavavin'i Zibona, vadin'i Esao: niteraka an'i Jeosy sy Jalama ary Kora tamin'i Esao izy.
14These were the sons of Oholibamah, the daughter of Anah, the daughter of Zibeon, Esau’s wife: she bore to Esau Jeush, Jalam, and Korah.
15Izao no loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao: ny zanakalahin'i Elifaza, lahimatoan'i Esao, dia Temana loham-pireneny sy Omara loham-pireneny sy Zefo loham-pireneny sy Kenaza loham-pireneny
15These are the chiefs of the sons of Esau: the sons of Eliphaz the firstborn of Esau: chief Teman, chief Omar, chief Zepho, chief Kenaz,
16sy Kora loham-pireneny sy Gatama loham-pireneny ary Amaleka loham-pireneny. Ireo no loham-pireneny avy tamin'i Elifaza tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Ada.
16chief Korah, chief Gatam, chief Amalek: these are the chiefs who came of Eliphaz in the land of Edom; these are the sons of Adah.
17Ary izao no zanakalahin'i Regoela, zanak'i Esao: Nahata loham-pireneny sy Zera loham-pireneny sy Sama loham-pireneny sy Miza loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Regoela tany amin'ny tany Edoma; ireo no zanak'i Basemata, vadin'i Esao.
17These are the sons of Reuel, Esau’s son: chief Nahath, chief Zerah, chief Shammah, chief Mizzah: these are the chiefs who came of Reuel in the land of Edom; these are the sons of Basemath, Esau’s wife.
18Ary izao no zanakalahin'i Oholibama, vadin'i Esao: Jeosy loham-pireneny sy Jalama loham-pireneny sy Kora loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena avy tamin'i Oholibama, zanakavavin'i Ana, vadin'i Esao.
18These are the sons of Oholibamah, Esau’s wife: chief Jeush, chief Jalam, chief Korah: these are the chiefs who came of Oholibamah the daughter of Anah, Esau’s wife.
19Ireo no zanak'i Esao, izay atao hoe koa Edoma, ary ireo no loham-pireneny.
19These are the sons of Esau (that is, Edom), and these are their chiefs.
20Ary izao no zanakalahin'i Seïra Horita, izay nonina tany amin'ny tany: Lotana sy Sobala sy Zibona sy Ana
20These are the sons of Seir the Horite, the inhabitants of the land: Lotan, Shobal, Zibeon, Anah,
21sy Disona sy Ezera ary Disana. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny taranak'i Seïra, tany amin'ny tany Edoma.
21Dishon, Ezer, and Dishan. These are the chiefs who came of the Horites, the children of Seir in the land of Edom.
22Ary ny zanakalahin'i Lotana dia Hory sy Hemana; ary Timna no anabavin'i Lotana.
22The children of Lotan were Hori and Heman. Lotan’s sister was Timna.
23Ary izao no zanakalahin'i Sobala: Alvana sy Manahata sy Ebala sy Sefo ary Onama.
23These are the children of Shobal: Alvan, Manahath, Ebal, Shepho, and Onam.
24Ary izao no zanakalahin'i Zibona: Aia sy Ana (izany Ana izany ilay nahita ny ranomafana tany an-efitra, raha niandry ny borikin'i Zibona rainy izy).
24These are the children of Zibeon: Aiah and Anah. This is Anah who found the hot springs in the wilderness, as he fed the donkeys of Zibeon his father.
25Ary izao no zanak'i Ana: Disona sy Oholibama, zanakavavin'i Ana.
25These are the children of Anah: Dishon and Oholibamah, the daughter of Anah.
26Ary izao no zanakalahin'i Disona: Hemdana sy Esbana sy Jitrana ary Kerana.
26These are the children of Dishon: Hemdan, Eshban, Ithran, and Cheran.
27Ary izao no zanak'i Ezera: Bilana sy Zavana ary Akana.
27These are the children of Ezer: Bilhan, Zaavan, and Akan.
28Ary izao no zanak'i Disana: Oza sy Arana.
28These are the children of Dishan: Uz and Aran.
29Ary izao no loham-pirenena tamin'ny Horita: Lotana loham-pireneny sy Sobala loham-pireneny sy Zibona loham-pireneny sy Ana loham-pireneny
29These are the chiefs who came of the Horites: chief Lotan, chief Shobal, chief Zibeon, chief Anah,
30sy Disona loham-pireneny sy Ezera loham-pireneny ary Disana loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Horita, dia ny loham-pireneny tany amin'ny tany Seïra.
30chief Dishon, chief Ezer, and chief Dishan: these are the chiefs who came of the Horites, according to their chiefs in the land of Seir.
31Ary izao no mpanjaka izay nanjaka tany amin'ny tany Edoma, fony tsy mbola nisy mpanjaka nanjaka tamin'ny Zanak'Isiraely:
31These are the kings who reigned in the land of Edom, before any king reigned over the children of Israel.
32Nanjaka tany Edoma Bela, zanak'i Beora; ary Dinaba no anaran'ny tanànany.
32Bela, the son of Beor, reigned in Edom. The name of his city was Dinhabah.
33Ary maty Bela, dia nanjaka nandimby azy Jobaba, zanak'i Zera avy tany Bozra.
33Bela died, and Jobab, the son of Zerah of Bozrah, reigned in his place.
34Ary maty Jobaba, dia nanjaka nandimby azy Hosama avy tamin'ny tanin'ny Temanita.
34Jobab died, and Husham of the land of the Temanites reigned in his place.
35Ary maty Hosama, dia nanjaka nandimby azy Hadada, zanak'i Bedada, izay namely ny Midianita tany amin'ny tany Moaba; ary Avita no anaran'ny tanànany.
35Husham died, and Hadad, the son of Bedad, who struck Midian in the field of Moab, reigned in his place. The name of his city was Avith.
36Ary maty Hadada, dia nanjaka nandimby azy Samla avy tany Masreka.
36Hadad died, and Samlah of Masrekah reigned in his place.
37Ary maty Samla, dia nanjaka nandimby azy Saoly avy tany Rehobota eo amoron'ny Ony.
37Samlah died, and Shaul of Rehoboth by the river, reigned in his place.
38Ary maty Saoly, dia nanjaka nandimby azy Bala-hanana, zanak'i Akbora.
38Shaul died, and Baal Hanan, the son of Achbor reigned in his place.
39Ary maty Bala-hanana, zanak'i Akbora; dia nanjaka nandimby azy Hadara; ary Pao no anaran'ny tanànany; ary ny anaran'ny vadiny dia Mehetabela, zanakavavin'i Matreda, zanakavavin'i Me-zahaba.
39Baal Hanan the son of Achbor died, and Hadar reigned in his place. The name of his city was Pau. His wife’s name was Mehetabel, the daughter of Matred, the daughter of Mezahab.
40Ary izao no anaran'ny loham-pirenena tamin'ny taranak'i Esao, araka ny mpianakaviny, araka ny fonenany sy araka ny anarany: Timna loham-pireneny sy Alva loham-pireneny sy Jeteta loham-pireneny
40These are the names of the chiefs who came from Esau, according to their families, after their places, and by their names: chief Timna, chief Alvah, chief Jetheth,
41sy Oholibama loham-pireneny sy Elaha loham-pireneny sy Pinona loham-pireneny
41chief Oholibamah, chief Elah, chief Pinon,
42sy Kenaza loham-pireneny sy Temana loham-pireneny sy Mibzara loham-pirenenysy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin'ny taniny avy. Izany no Esao, rain'ny Edomita.
42chief Kenaz, chief Teman, chief Mibzar,
43sy Magdiela loham-pireneny ary Irama loham-pireneny. Ireo no loham-pirenena tamin'ny Edomita, araka ny fonenany, tany amin'ny taniny avy. Izany no Esao, rain'ny Edomita.
43chief Magdiel, and chief Iram. These are the chiefs of Edom, according to their habitations in the land of their possession. This is Esau, the father of the Edomites.