1[Ny fanambadian'i Joda, sy ny zanany naterany, ary ny nijangajangany tamin'i Tamara] Ary tamin'izany andro izany Joda dia nidina niala teo amin'ny rahalahiny ka lasa nanatona ny lehilahy Adolamita anankiray. Hira no anarany.
1It happened at that time, that Judah went down from his brothers, and visited a certain Adullamite, whose name was Hirah.
2Ary teo no nahitan'i Joda ny zanakavavin'i Soa, lehilahy Kananita anankiray; dia naka azy izy ka nanambady azy.
2Judah saw there a daughter of a certain Canaanite whose name was Shua. He took her, and went in to her.
3Dia nanan'anaka ravehivavy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Era.
3She conceived, and bore a son; and he named him Er.
4Dia nanan'anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Onana.
4She conceived again, and bore a son; and she named him Onan.
5Dia nanan'anaka indray koa izy ka niteraka zazalahy; ary ny anarany nataony hoe Sela; ary Joda nitoetra tany Keziba tamin'ny niterahan'ny vadiny an'i Sela.
5She yet again bore a son, and named him Shelah: and he was at Chezib, when she bore him.
6Ary Joda naka vady ho an'i Era lahimatoany, Tamara no anarany.
6Judah took a wife for Er, his firstborn, and her name was Tamar.
7Fa ratsy fanahy teo imason'1 Jehovah Era, lahimatoan'i Joda; dia novonoin'i Jehovah izy.
7Er, Judah’s firstborn, was wicked in the sight of Yahweh. Yahweh killed him.
8Ary hoy Joda tamin'i Onana: Vadio ny vadin'ny rahalahinao, ka ento loloha izy, dia velomy maso ny rahalahinao.
8Judah said to Onan, “Go in to your brother’s wife, and perform the duty of a husband’s brother to her, and raise up seed to your brother.”
9Ary fantatr'i Onana fa tsy ho azy tsinona ny zaza; koa raha nandry tamin'ny vadin'ny rahalahiny izy, dia nandraraka tamin'ny tany mba tsy hiterahany zanaka ho an'ny rahalahiny.
9Onan knew that the seed wouldn’t be his; and it happened, when he went in to his brother’s wife, that he spilled it on the ground, lest he should give seed to his brother.
10Ary ratsy teo imason'i Jehovah izay nataony; ka dia novonoiny koa izy.
10The thing which he did was evil in the sight of Yahweh, and he killed him also.
11Ary hoy Joda tamin'i Tamara vinantoni-vavy: Tomoera ho mpitondratena ao an-tranon-drainao mandra-pahalehiben'i Sela zanako-lahy (fa hoy izy: Fandrao maty koa tahaka ny rahalahiny izy); dia nandeha Tamara ka nitoetra tao an-tranon-drainy.
11Then Judah said to Tamar, his daughter-in-law, “Remain a widow in your father’s house, until Shelah, my son, is grown up”; for he said, “Lest he also die, like his brothers.” Tamar went and lived in her father’s house.
12Ary rehefa ela, dia maty ny vadin'i Joda, dia ilay zanakavavin'i Soa; ary rehefa nionona ny alahelon'i Joda, dia niakatra tany amin'ny mpanety ondriny tany Timna izy sy Hira Adolamita sakaizany.
12After many days, Shua’s daughter, the wife of Judah, died. Judah was comforted, and went up to his sheepshearers to Timnah, he and his friend Hirah, the Adullamite.
13Dia nisy nanambara tamin'i Tamara hoe Indro, ny rafozanao miakatra ho any Timna hanety ny ondriny.
13It was told Tamar, saying, “Behold, your father-in-law is going up to Timnah to shear his sheep.”
14Ary nanaisotra ny akanjony fanaon'ny mpitondratena izy, dia nisarona fisalobonana ka nisalobona, dia nipetraka teo am-bavahadin'i Enaima, izay eo amin'ny lalana mankany Timna; satria efa hitan'i Tamara fa efa lehibe Sela, nefa tsy mbola nomen'i Joda ho vadin'i Sela izy.
14She took off of her the garments of her widowhood, and covered herself with her veil, and wrapped herself, and sat in the gate of Enaim, which is by the way to Timnah; for she saw that Shelah was grown up, and she wasn’t given to him as a wife.
15Ary hitan'i Joda izy ka nataony fa vehivavy janga, satria efa nanarona ny tavany izy.
15When Judah saw her, he thought that she was a prostitute, for she had covered her face.
16Dia nivily nanatona azy teo amoron-dalana Joda ka nanao hoe: Aoka mba handry aminao aho (fa tsy fantany ho vinantony izy); dia hoy kosa ravehivavy: Inona ary no homenao ahy, raha handry amiko ianao?
16He turned to her by the way, and said, “Please come, let me come in to you,” for he didn’t know that she was his daughter-in-law. She said, “What will you give me, that you may come in to me?”
17Dia hoy izy: Hampanatitra zanak'osy avy amin'ny ondry aman'osy aho. Fa hoy kosa ravehivavy: Hanome fampitanana va ianao mandra-pampanatitrao azy?
17He said, “I will send you a young goat from the flock.” She said, “Will you give me a pledge, until you send it?”
18Ary hoy izy: Inona no fampitanana homeko anao? Ary hoy ravehivavy: Ny fanombohan-kasenao sy ny kofehinao ary iny tehinao eny an-tananao iny. Ary nomeny azy ireny, dia nandry taminy izy, ka nanan'anaka taminy ravehivavy.
18He said, “What pledge will I give you?” She said, “Your signet and your cord, and your staff that is in your hand.” He gave them to her, and came in to her, and she conceived by him.
19Ary niainga ravehivavy ka lasa nandeha, dia nanala ny fisalobonana izay notafiny ka niakanjo ny akanjony fanaon'ny mpitondratena indray.
19She arose, and went away, and put off her veil from her, and put on the garments of her widowhood.
20Dia nampitondrain'i Joda ilay Adolamita sakaizany ny zanak'osy, hangalany ilay fampitanana amin-dravehivavy; kanjo tsy hitany izy.
20Judah sent the young goat by the hand of his friend, the Adullamite, to receive the pledge from the woman’s hand, but he didn’t find her.
21Dia nanontany ny olona teo amin'ny fonenan-dravehivavy izy ka nanao hoe: Aiza moa ilay vehivavy janga izay tamoron-dalana teo Enaima ? Fa hoy ny olona: Tsy nisy vehivavy janga teo.
21Then he asked the men of her place, saying, “Where is the prostitute, that was at Enaim by the road?” They said, “There has been no prostitute here.”
22Dia niverina tany amin'i Joda izy ka nanao hoe: Tsy nahita azy aho; ary nolazain'ny olona tompon-tany fa tsy nisy vehivavy janga teo.
22He returned to Judah, and said, “I haven’t found her; and also the men of the place said, ‘There has been no prostitute here.’”
23Dia hoy Joda: Aoka ho lasany ho azy, fandrao ho afa-baraka isika; indro, efa nampanateriko ity zanak'osy ity, nefa ianao tsy nahita an-dravehivavy.
23Judah said, “Let her keep it, lest we be shamed. Behold, I sent this young goat, and you haven’t found her.”
24Ary rehefa afaka tokony ho telo volana, dia nisy nanambara tamin'i Joda hoe: Efa nijangajanga Tamara vinantovavinao; ka indro, efa manan'anaka tamin'ny fijangajangana izy. Dia hoy Joda: Avoahy izy hodorana.
24It happened about three months later, that it was told Judah, saying, “Tamar, your daughter-in-law, has played the prostitute; and moreover, behold, she is with child by prostitution.” Judah said, “Bring her out, and let her be burnt.”
25Ary rehefa navoaka izy, dia naniraka tany amin'ny rafozany ka nanao hoe: Ny lehilahy izay tompon'ireto no nananako anaka; ary hoy koa izy: Masìna ianao, fantaro izay tompon'ireto fanombohan-kase sy kofehy ary tehina ireto.
25When she was brought out, she sent to her father-in-law, saying, “By the man, whose these are, I am with child.” She also said, “Please discern whose are these—the signet, and the cords, and the staff.”
26Dia nahafantatra ireo Joda ka nanao hoe: Marina noho izaho izy, satria tsy nomeko ho vadin'i Sela zanako. Dia tsy nandry taminy intsony izy.
26Judah acknowledged them, and said, “She is more righteous than I, because I didn’t give her to Shelah, my son.” He knew her again no more.
27Ary tamin'ny andro niterahany, indro, nisy zaza kambana tao an-kibony.
27It happened in the time of her travail, that behold, twins were in her womb.
28Ary raha niteraka izy, dia niseho ny tanan'ny anankiray, ary naka kofehy mena ny mpampivelona, ka nafehiny tamin'ny tànany, sady hoy izy: Ity no niseho voalohany.
28When she travailed, one put out a hand, and the midwife took and tied a scarlet thread on his hand, saying, “This came out first.”
29Ary rehefa nahemony ny tànany, dia, indro, teraka ny rahalahiny; ary hoy ny mpampivelona: Ahoana no nibosesehanao? dia nataony hoe Fareza no anarany.Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.
29It happened, as he drew back his hand, that behold, his brother came out, and she said, “Why have you made a breach for yourself?” Therefore his name was called Perez. Perez means “breaking out.”
30Ary rehefa afaka izany, dia teraka koa ny rahalahiny, izay nisy ilay kofehy mena tamin'ny tànany; dia nataony hoe Zera no anarany.
30Afterward his brother came out, that had the scarlet thread on his hand, and his name was called Zerah. Zerah means “scarlet” or “brightness.”