1[Ny anaran'ny mpanjaka izay novonoin'ny Zanak'Isiraely] Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay [Heb. Arabà]
1Now these are the kings of the land, whom the children of Israel struck, and possessed their land beyond the Jordan toward the sunrise, from the valley of the Arnon to Mount Hermon, and all the Arabah eastward:
2Sihona, mpanjakan'ny Amorita, izay nonina tany Hesbona ka nanjaka hatrany Aroera, eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatreo afovoan'ny lohasaha sy ny antsasak'i Gileada, dia hatramin'ny lohasahan-driaka Jaboka, fari-tanin'ny taranak'i Amona, [Heb. Arabà]
2Sihon king of the Amorites, who lived in Heshbon, and ruled from Aroer, which is on the edge of the valley of the Arnon, and the middle of the valley, and half Gilead, even to the river Jabbok, the border of the children of Ammon;
3ary ny ilany atsinanan'ny tani-hay hatramin'ny Ranomasina Kinerota ka hatramin'ny ranomasina amin'ny tani-hay, dia ny Ranomasintsira, amin'ny lalana mankany Beti-jesimota, ary hatramin'ny tany atsimo eo am-bodin'i Pisga. [Heb. Arabà]
3and the Arabah to the sea of Chinneroth, eastward, and to the sea of the Arabah, even the Salt Sea, eastward, the way to Beth Jeshimoth; and on the south, under the slopes of Pisgah:
4Ary azony koa ny tanin'i Oga, mpanjakan'i Basana, isan'ny Refaita sisa, izay nitoetra tany Astarta sy Edrehy,
4and the border of Og king of Bashan, of the remnant of the Rephaim, who lived at Ashtaroth and at Edrei,
5sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.
5and ruled in Mount Hermon, and in Salecah, and in all Bashan, to the border of the Geshurites and the Maacathites, and half Gilead, the border of Sihon king of Heshbon.
6Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
6Moses the servant of Yahweh and the children of Israel struck them. Moses the servant of Yahweh gave it for a possession to the Reubenites, and the Gadites, and the half-tribe of Manasseh.
7Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka ny fizarany,
7These are the kings of the land whom Joshua and the children of Israel struck beyond the Jordan westward, from Baal Gad in the valley of Lebanon even to Mount Halak, that goes up to Seir. Joshua gave it to the tribes of Israel for a possession according to their divisions;
8dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin'ny tani-hay sy amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:[Heb. Sefela][Heb. Arabà]
8in the hill country, and in the lowland, and in the Arabah, and in the slopes, and in the wilderness, and in the South; the Hittite, the Amorite, and the Canaanite, the Perizzite, the Hivite, and the Jebusite:
9Ny mpanjakan'i Jeriko, iray; ny mpanjakan'i Ay, izay eo anilan'i Betela, iray;
9the king of Jericho, one; the king of Ai, which is beside Bethel, one;
10ny mpanjakan'i Jerosalema, iray; ny mpanjakan'i Hebrona, iray;
10the king of Jerusalem, one; the king of Hebron, one;
11ny mpanjakan'i Jarmota, iray; ny mpanjakan'i Lakisy, iray;
11the king of Jarmuth, one; the king of Lachish, one;
12ny mpanjakan'i Eglona, iray; ny mpanjakan'i Gazera, iray;
12the king of Eglon, one; the king of Gezer, one;
13ny mpanjakan'i Debira, iray; ny mpanjakan'i Gadera, iray;
13the king of Debir, one; the king of Geder, one;
14ny mpanjakan'i Horma, iray; ny mpanjakan'i Arada, iray;
14the king of Hormah, one; the king of Arad, one;
15ny mpanjakan'i Libna, iray; ny mpanjakan'i Adolama, iray;
15the king of Libnah, one; the king of Adullam, one;
16ny mpanjakan'i Makeda, iray; ny mpanjakan'i Betela, iray;
16the king of Makkedah, one; the king of Bethel, one;
17ny mpanjakan'i Tapoa, iray; ny mpanjakan'i Hefera, iray;
17the king of Tappuah, one; the king of Hepher, one;
18ny mpanjakan'i Afeka, iray; ny mpanjakan'i Lasarona, iray;
18the king of Aphek, one; the king of Lassharon, one;
19ny mpanjakan'i Madona, iray; ny mpanjakan'i Hazora, iray;
19the king of Madon, one; the king of Hazor, one;
20ny mpanjakan'i Simrona-merona, iray; ny mpanjakan'i Aksafa, iray;
20the king of Shimron Meron, one; the king of Achshaph, one;
21ny mpanjakan'i Tanaka, iray; ny mpanjakan'i Megido, iray;
21the king of Taanach, one; the king of Megiddo, one;
22ny mpanjakan'i Kadesy, iray; ny mpanjakan'i Jokneama any Karmela, iray;
22the king of Kedesh, one; the king of Jokneam in Carmel, one;
23ny mpanjakan'i Dora eo amin'ny havoan'i Dora, iray; ny mpanjakan'ny firenen-tsamy hafa any Gilgala, iray;ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.
23the king of Dor in the height of Dor, one; the king of Goiim in Gilgal, one;
24ny mpanjakan'i Tirza, iray. Iraika amby telo-polo no isan'ny mpanjaka rehetra.
24the king of Tirzah, one: all the kings thirty-one.