Malagasy

World English Bible

Joshua

24

1[Ny teny farany nataon'i Josoa tamin'ny olona, sy ny nanaovan'ny olona fanekena mafy fa tsy hiala amin'Andriamanitra] Ary Josoa nanangona ny firenen'ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon'ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan'Andriamanitra izy ireo.
1Joshua gathered all the tribes of Israel to Shechem, and called for the elders of Israel, for their heads, for their judges, and for their officers; and they presented themselves before God.
2Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra: Izao no lazain'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin'ny Ony no nonenan'ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain'i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy. [Eofrata]
2Joshua said to all the people, “Thus says Yahweh, the God of Israel, ‘Your fathers lived of old time beyond the River, even Terah, the father of Abraham, and the father of Nahor: and they served other gods.
3Dia naka an'i Abrahama razanareo avy tany an-dafin'ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an'Isaka ho zanany. [Eofrata]
3I took your father Abraham from beyond the River, and led him throughout all the land of Canaan, and multiplied his seed, and gave him Isaac.
4Ary Isaka koa dia nomeko an'i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan'i Esao ny tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta.
4I gave to Isaac Jacob and Esau: and I gave to Esau Mount Seir, to possess it. Jacob and his children went down into Egypt.
5Dia naniraka an'i Mosesy sy Arona Aho ka namely an'i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho.
5“‘I sent Moses and Aaron, and I plagued Egypt, according to that which I did in its midst: and afterward I brought you out.
6Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin'ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin'ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly.
6I brought your fathers out of Egypt: and you came to the sea. The Egyptians pursued after your fathers with chariots and with horsemen to the Red Sea .
7Dia nitaraina tamin'i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo.
7When they cried out to Yahweh, he put darkness between you and the Egyptians, and brought the sea on them, and covered them; and your eyes saw what I did in Egypt: and you lived in the wilderness many days.
8Ary nentiko ho any amin'ny tanin'ny Amorita, izay nonina tany an-dafin'i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
8“‘I brought you into the land of the Amorites, that lived beyond the Jordan: and they fought with you; and I gave them into your hand. You possessed their land; and I destroyed them from before you.
9Dia nitsangana Balaka, zanak'i Zipora, mpanjakan'i Moaba, ka niady tamin'ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an'i Balama, zanak'i Beora, izy hanozona anareo.
9Then Balak the son of Zippor, king of Moab, arose and fought against Israel. He sent and called Balaam the son of Beor to curse you;
10Fa tsy nety nihaino an'i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin'ny tànany Aho.
10but I would not listen to Balaam; therefore he blessed you still. So I delivered you out of his hand.
11Ary nita an'i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin'ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
11“‘You went over the Jordan, and came to Jericho. The men of Jericho fought against you, the Amorite, the Perizzite, the Canaanite, the Hittite, the Girgashite, the Hivite, and the Jebusite; and I delivered them into your hand.
12Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin'ny Amorita, fa tsy tamin'ny sabatrao. na tamin'ny tsipìkanao.
12I sent the hornet before you, which drove them out from before you, even the two kings of the Amorites; not with your sword, nor with your bow.
13Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin'ny tanim-boaloboka sy ny tanin'oliva izay tsy nataonareo ianareo.
13I gave you a land whereon you had not labored, and cities which you didn’t build, and you live in them. You eat of vineyards and olive groves which you didn’t plant.’
14Koa ankehitriny, matahora an'i Jehovah, ka manompoa Azy amin'ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an'i Jehovah. [Eofrata]
14“Now therefore fear Yahweh, and serve him in sincerity and in truth. Put away the gods which your fathers served beyond the River, in Egypt; and serve Yahweh.
15Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an'i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin'ny razanareo tany an-dafin'ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin'ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an'i Jehovah izahay.
15If it seems evil to you to serve Yahweh, choose this day whom you will serve; whether the gods which your fathers served that were beyond the River, or the gods of the Amorites, in whose land you dwell: but as for me and my house, we will serve Yahweh.”
16Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an'i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa.
16The people answered, “Far be it from us that we should forsake Yahweh, to serve other gods;
17Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta, tany amin'ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin'ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin'ny firenena rehetra izay notetezintsika.
17for it is Yahweh our God who brought us and our fathers up out of the land of Egypt, from the house of bondage, and who did those great signs in our sight, and preserved us in all the way in which we went, and among all the peoples through the midst of whom we passed.
18Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin'ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an'i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika.
18Yahweh drove out from before us all the peoples, even the Amorites who lived in the land. Therefore we also will serve Yahweh; for he is our God.”
19Ary hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Tsy mahay manompo an'i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
19Joshua said to the people, “You can’t serve Yahweh; for he is a holy God. He is a jealous God. He will not forgive your disobedience nor your sins.
20Raha mahafoy an'i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa.
20If you forsake Yahweh, and serve foreign gods, then he will turn and do you evil, and consume you, after he has done you good.”
21Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay.
21The people said to Joshua, “No; but we will serve Yahweh.”
22Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka: Vavolombelona ho an'ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an'i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay .
22Joshua said to the people, “You are witnesses against yourselves that you have chosen Yahweh yourselves, to serve him.” They said, “We are witnesses.”
23Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo.
23“Now therefore put away the foreign gods which are among you, and incline your heart to Yahweh, the God of Israel.”
24Dia hoy ny vahoaka tamin'i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay
24The people said to Joshua, “We will serve Yahweh our God, and we will listen to his voice.”
25Ary dia nanao fanekena tamin'ny vahoaka Josoa tamin'izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.
25So Joshua made a covenant with the people that day, and made for them a statute and an ordinance in Shechem.
26Dia nosoratan'i Josoa tao amin'ny bokin'ny lalàn'Andriamanitra ireo teny ireo. ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin'ny hazo terebinta, izay teo anilan'ny fitoera-masin'i Jehovah.
26Joshua wrote these words in the book of the law of God; and he took a great stone, and set it up there under the oak that was by the sanctuary of Yahweh.
27Dia hoy Josoa tamin'ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain'i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin'Andriamanitrareo ianareo.
27Joshua said to all the people, “Behold, this stone shall be a witness against us; for it has heard all the words of Yahweh which he spoke to us. It shall be therefore a witness against you, lest you deny your God.”
28Dia nampodin'i Josoa ny vahoaka samy ho any amin'ny lovany avy.
28So Joshua sent the people away, every man to his inheritance.
29[Ny nahafatesan'i Josoa sy Eleazara, sy ny nandevenana ny taolan'i Josefa] Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak'i Nona, mpanompon'i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny.
29It happened after these things, that Joshua the son of Nun, the servant of Yahweh, died, being one hundred and ten years old.
30Dia nalevina tao amin'ny faritanin'ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin'ny tany havoan'i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa.
30They buried him in the border of his inheritance in Timnathserah, which is in the hill country of Ephraim, on the north of the mountain of Gaash.
31Ary nanompo an'i Jehovah ny Isiraely tamin'ny andro rehetra niainan'i Josoa sy tamin'ny andro rehetra niainan'ny loholona izay velona taorian'i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon'i Jehovah ho an'ny Isiraely
31Israel served Yahweh all the days of Joshua, and all the days of the elders who outlived Joshua, and had known all the work of Yahweh, that he had worked for Israel.
32Ary ny taolan'i Josefa, izay efa nentin'ny Zanak'Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin'ny tany izay novidin'i Jakoba volafotsy zato tamin'ny zanak'i Hamora, rain'i Sekema; dia tonga lovan'ny taranak'i Josefa izany. [Heb. kesita; izahao Gen. xxxiii. 19]Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.
32They buried the bones of Joseph, which the children of Israel brought up out of Egypt, in Shechem, in the parcel of ground which Jacob bought of the sons of Hamor the father of Shechem for a hundred pieces of money. They became the inheritance of the children of Joseph.
33Dia maty koa Eleazara, zanak'i Arona, ka naleviny teo amin'ny havoan'i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin'ny tany havoan'i Efraima.
33Eleazar the son of Aaron died. They buried him in the hill of Phinehas his son, which was given him in the hill country of Ephraim.