1[Ny nahaterahan'i Samsona] Ary ny Zanak'Isiraely nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah indray, ka dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Filistina efa-polo taona izy.
1The children of Israel again did that which was evil in the sight of Yahweh; and Yahweh delivered them into the hand of the Philistines forty years.
2Ary nisy lehilahy avy tany Zora amin'ny fokon'ny Danita, Manoa no anarany; ary momba ny vadiny ka tsy niteraka.
2There was a certain man of Zorah, of the family of the Danites, whose name was Manoah; and his wife was barren, and didn’t bear.
3Ary Ilay Anjelin'i Jehovah niseho tamin-dravehivavy ka nanao taminy hoe: Indro, momba ianao ka tsy niteraka; nefa hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy.
3The angel of Yahweh appeared to the woman, and said to her, “See now, you are barren, and don’t bear; but you shall conceive, and bear a son.
4Koa mitandrema ianao ankehitriny, ka aza misotro divay na toaka, ary aza mihinana akory izay zava-padina.
4Now therefore please beware and drink no wine nor strong drink, and don’t eat any unclean thing:
5Fa, indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; ary tsy mba hokasihin-kareza ny lohany; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra hatrany an-kibo ny zaza; ary izy no hanomboka hamonjy ny Isiraely amin'ny tanan'ny Filistina.
5for, behold, you shall conceive, and bear a son; and no razor shall come on his head; for the child shall be a Nazirite to God from the womb: and he shall begin to save Israel out of the hand of the Philistines.”
6Dia nandeha ravehivavy ka nilaza tamin'ny vadiny hoe: Nisy lehilahin'Andriamanitra tonga tamiko, ary nahatahotra indrindra ny fijery azy, tahaka ny fijery Ilay Anjelin'Andriamanitra, ka tsy nanontany Azy izay nihaviany aho, ary tsy nambarany ahy ny anarany.
6Then the woman came and told her husband, saying, “A man of God came to me, and his face was like the face of the angel of God, very awesome; and I didn’t ask him where he was from, neither did he tell me his name:
7Fa hoy Izy tamiko: Indro, hanan'anaka ianao ka hiteraka zazalahy; koa ankehitriny aza misotro divay na toaka ianao, ary aza mihinana akory izay zava-padina; fa ho Nazirita ho an'Andriamanitra ny zaza hatrany an-kibo ka ambara-pahafatiny
7but he said to me, ‘Behold, you shall conceive, and bear a son; and now drink no wine nor strong drink, and eat not any unclean thing; for the child shall be a Nazirite to God from the womb to the day of his death.’”
8Ary Manoa nangataka tamin'i Jehovah ka nanao hoe: Ry Tompo ô, aoka hankatỳ aminay indray ny lehilahin'Andriamanitra, ilay efa nirahinao, ka hampianatra anay ny hitondranay ny zaza izay ho teraka.
8Then Manoah entreated Yahweh, and said, “Oh, Lord, please let the man of God whom you did send come again to us, and teach us what we shall do to the child who shall be born.”
9Ary Andriamanitra nihaino ny feon'i Manoa, ka dia nankany amin-dravehivavy indray Ilay Anjelin'Andriamanitra, raha tany an-tsaha izy; fa Manoa vadiny tsy teo aminy.
9God listened to the voice of Manoah; and the angel of God came again to the woman as she sat in the field: but Manoah, her husband, wasn’t with her.
10Dia nihazakazaka faingana ravehivavy ka nanambara tamin'ny vadiny hoe: Indro, niseho tamiko indray ny lehilahy izay tonga tamiko tamin'ilay indray andro.
10The woman made haste, and ran, and told her husband, and said to him, “Behold, the man has appeared to me, who came to me that day.”
11Dia nitsangana Manoa ka nandeha nanaraka ny vadiny, dia nankany amin-dralehilahy ka nanao taminy hoe: Hianao moa ilay lehilahy niteny tamin-dravehivavy? Dia hoy Izy: Eny, Izaho no Izy.
11Manoah arose, and went after his wife, and came to the man, and said to him, “Are you the man who spoke to the woman?” He said, “I am.”
12Dia hoy Manoa: Raha tanteraka ilay teninao, ahoana ange no hitondranay ny zaza, ary inona no ho asany?
12Manoah said, “Now let your words happen. What shall the child’s way of life and mission be?”
13Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Izay rehetra efa nolazaiko tamin-dravehivavy dia aoka hotandremany avokoa.
13The angel of Yahweh said to Manoah, “Of all that I said to the woman let her beware.
14Izay rehetra avy amin'ny voaloboka dia aza avela hohaniny, ary aza avela hisotro divay na toaka izy, na hihinana akory izay zava-padina; izay rehetra nandidiako azy dia aoka hotandremany avokoa.
14She may not eat of anything that comes of the vine, neither let her drink wine or strong drink, nor eat any unclean thing; all that I commanded her let her observe.”
15Ary hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Aoka mba hotananay Hianao mandra-pamboatray zanak'osy ho Anao.
15Manoah said to the angel of Yahweh, “Please, let us detain you, that we may make a young goat ready for you.”
16Dia hoy Ilay Anjelin'i Jehovah tamin'i Manoa: Na dia tananao aza Aho, tsy mba hihinana amin'ny haninao Aho tsy akory; fa raha hanatitra fanatitra dorana ianao, dia aoka Jehovah no hanateranao izany. Fa tsy fantatr'i Manoa ho Anjelin'i Jehovah Izy.
16The angel of Yahweh said to Manoah, “Though you detain me, I won’t eat of your bread; and if you will prepare a burnt offering, you must offer it to Yahweh.” For Manoah didn’t know that he was the angel of Yahweh.
17Dia hoy Manoa tamin'Ilay Anjelin'i Jehovah: Iza moa no anaranao, mba hanomezanay voninahitra Anao, rehefa tanteraka ny teninao?
17Manoah said to the angel of Yahweh, “What is your name, that when your words happen, we may honor you?”
18Ary hoy Ilay Anjelin'i Jehovah taminy: Nahoana no manontany ny anarako ianao? Fa anarana mahagaga izany.
18The angel of Yahweh said to him, “Why do you ask about my name, since it is wonderful?”
19Dia naka ny zanak'osy sy ny fanatitra hohanina Manoa ka nanatitra ireny teo ambonin'ny vatolampy ho an'i Jehovah; ary Ilay Anjely kosa nanao zava-mahagaga, raha mbola nijery teo Manoa mivady.
19So Manoah took the young goat with the meal offering, and offered it on the rock to Yahweh. Then the angel did a wonderful thing as Manoah and his wife looked on.
20Ary raha niakatra ho amin'ny lanitra ny lelafo avy teo amin'ny alitara, dia niakatra teo anatin'ny lelafo avy teo amin'ny alitara Ilay Anjelin'i Jehovah. Ary nijery izany Manoa mivady, ka dia niankohoka tamin'ny tany.
20For it happened, when the flame went up toward the sky from off the altar, that the angel of Yahweh ascended in the flame of the altar: and Manoah and his wife looked on; and they fell on their faces to the ground.
21Ary tsy niseho tamin'i Manoa sy ny vadiny intsony Ilay Anjelin'i Jehovah; dia fantatr'i Manoa fa Anjelin'i Jehovah Izy.
21But the angel of Yahweh didn’t appear to Manoah or to his wife any more. Then Manoah knew that he was the angel of Yahweh.
22Ary hoy Manoa tamin'ny vadiny: Ho faty tokoa isika, satria efa nahita an'Andriamanitra.
22Manoah said to his wife, “We shall surely die, because we have seen God.”
23Fa hoy ny vadiny taminy: Raha sitrak'i Jehovah ny hahafaty antsika, dia tsy ho nety nandray fanatitra dorana sy fanatitra hohanina tamin'ny tanantsika akory Izy, ary tsy ho nampahita antsika izany zavatra rehetra izany, ary tsy ho nampandre antsika izany zavatra izany ankehitriny.
23But his wife said to him, “If Yahweh were pleased to kill us, he wouldn’t have received a burnt offering and a meal offering at our hand, neither would he have shown us all these things, nor would at this time have told such things as these.”
24Ary niteraka zazalahy ravehivavy, ka ny anarany nataony hoe Samsona; dia nitombo ny zaza, ary Jehovah nitahy azy.Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin'i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan'i Zora sy Estaola.[Mahane-dana = Tobin'i Dana]
24The woman bore a son, and named him Samson: and the child grew, and Yahweh blessed him.
25Dia niantomboka nanindry azy indraindray ny Fanahin'i Jehovah tany Mahane-dana, teo anelanelan'i Zora sy Estaola.[Mahane-dana = Tobin'i Dana]
25The Spirit of Yahweh began to move him in Mahaneh Dan, between Zorah and Eshtaol.