1Dia nivoaka ny Zanak'Isiraely rehetra, ary ny fiangonana hatrany Dana ka hatrany Beri-sheba ary ny tany Gileada koa nivory tahaka ny olona iray ho any amin'i Jehovah tany Mizpa.
1Then all the children of Israel went out, and the congregation was assembled as one man, from Dan even to Beersheba, with the land of Gilead, to Yahweh at Mizpah.
2Ary ny loholona rehetra tamin'ny firenen'Isiraely niseho teo amin'ny fiangonan'ny olon'Andriamanitra, dia lehilahy efatra hetsy mandeha tongotra sady mahatan-tsabatra.
2The chiefs of all the people, even of all the tribes of Israel, presented themselves in the assembly of the people of God, four hundred thousand footmen who drew sword.
3Ary ren'ny taranak'i Benjamina fa niakatra ho any Mizpa ny Zanak'Isiraely. Dia hoy ny Zanak'Isiraely: Lazao izay nahatonga izao ratsy izao.
3(Now the children of Benjamin heard that the children of Israel had gone up to Mizpah.) The children of Israel said, “Tell us, how did this wickedness happen?”
4Dia namaly ilay Levita, vadin-dravehivavy novonoina, ka nanao hoe: Tonga tany Gibea, izay an'ny Benjamita, izaho sy ny vaditsindranoko handry tao.
4The Levite, the husband of the woman who was murdered, answered, “I came into Gibeah that belongs to Benjamin, I and my concubine, to lodge.
5Dia nitsangana hamely ahy ny mponina tao Gibea ka nanodidina ny trano hamely ahy tamin'ny alina; izaho saiky novonoiny, ary ny vaditsindranoko nandriany ka matiny.
5The men of Gibeah rose against me, and surrounded the house by night. They thought to have slain me, and they forced my concubine, and she is dead.
6Dia nalaiko ny vaditsindranoko ka norasaiko ary nampitondraiko tany amin'ny tany rehetra izay lovan'ny Isiraely, satria efa nanao fahavetavetana sy zavatra fady indrindra teo amin'ny Isiraely ireo.[Heb. fahadalana]
6I took my concubine, and cut her in pieces, and sent her throughout all the country of the inheritance of Israel; for they have committed lewdness and folly in Israel.
7Koa indreto ianareo Zanak'Isiraely rehetra, mba alaharo izay teny sy hevitrareo.
7Behold, you children of Israel, all of you, give here your advice and counsel.”
8Dia nitsangana tahaka ny olona iray ny vahoaka rehetra ka nanao hoe: Tsy hisy hankany amin'ny laintsika akory isika, ary tsy hisy hody any an-tranontsika akory.
8All the people arose as one man, saying, “None of us will go to his tent, neither will any of us turn to his house.
9Fa ankehitriny, izao no hataontsika amin'i Gibea: araka ny filokana no aoka hanaovantsika azy.
9But now this is the thing which we will do to Gibeah: we will go up against it by lot;
10Ary haka folo lahy isan-jato amin'ny firenen'Isiraely rehetra isika, dia zato amin'ny arivo, ary arivo amin'ny iray alina, mba haka vatsy ho an'ny olona, ka rehefa tonga any Gibean'ny Benjamina izy, dia araka ilay zavatra fady indrindra efa nataony teo amin'ny Isiraely no hataony aminy.
10and we will take ten men of one hundred throughout all the tribes of Israel, and one hundred of one thousand, and a thousand out of ten thousand, to get food for the people, that they may do, when they come to Gibeah of Benjamin, according to all the folly that they have worked in Israel.”
11Dia nivory ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely ka efa nikambana tahaka ny olona iray hamely ny tanàna.
11So all the men of Israel were gathered against the city, knit together as one man.
12Ary ny firenen'Isiraely dia naniraka olona tany amin'ny firenen'i Benjamina rehetra hanao hoe: Inona izao ratsy natao teto aminareo izao?
12The tribes of Israel sent men through all the tribe of Benjamin, saying, “What wickedness is this that is happen among you?
13Koa ankehitriny atolory anay ireo olona tena ratsy fanahy avy any Gibea ireo, mba hataonay maty izy, ka hesorinay tsy ho eo amin'ny Isiraely ny ratsy. Fa ny taranak'i Benjamina tsy nety nihaino ny feon'ny Zanak'Isiraely rahalahiny.
13Now therefore deliver up the men, the base fellows, who are in Gibeah, that we may put them to death, and put away evil from Israel.” But Benjamin would not listen to the voice of their brothers the children of Israel.
14Ary nivory ny taranak'i Benjamina avy tamin'ny tanànany rehetra hankany Gibea mba handeha hiady amin'ny Zanak'Isiraely.
14The children of Benjamin gathered themselves together out of the cities to Gibeah, to go out to battle against the children of Israel.
15Dia voalamina tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina avy tamin'ireo tanàna ireo, ka enina arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra, afa-tsy ny mponina tao Gibea izay voalamina, dia fiton-jato lahy voafantina.
15The children of Benjamin were numbered on that day out of the cities twenty-six thousand men who drew the sword, besides the inhabitants of Gibeah, who were numbered seven hundred chosen men.
16Ary teo amin'izany olona rehetra izany nisy olona kavia fiton-jato lahy nofantenany, samy nahay nitoraka tamin'ny antsamotady, ka tsy nisy nivena na dia hoatra ny singam-bolo aza.
16Among all this people there were seven hundred chosen men left-handed; everyone could sling stones at a hair-breadth, and not miss.
17Ary ny lehilahy voalamina tamin'ny Isiraely, afa-tsy ny Benjamina, dia efatra hetsy nahatan-tsabatra; mpanafika avokoa ireo rehetra ireo.
17The men of Israel, besides Benjamin, were numbered four hundred thousand men who drew sword: all these were men of war.
18Dia niainga ny Zanak'Isiraely ka niakatra tany Betela ary nanontany tamin'Andriamanitra hoe: Iza no hiakatra voalohany hiady amin'ny taranak'i Benjamina ho anay? Dia hoy Jehovah: Joda no ho voalohany.
18The children of Israel arose, and went up to Bethel, and asked counsel of God; and they said, “Who shall go up for us first to battle against the children of Benjamin?” Yahweh said, “Judah first.”
19Dia niainga maraina koa ny Zanak'Isiraely ka nitoby tandrifin'i Gibea.
19The children of Israel rose up in the morning, and encamped against Gibeah.
20Ary nivoaka ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady amin'ny Benjamita; ary nilahatra ny lehilahy amin'ny Isiraely hiady aminy tao akaiky an'i Gibea.
20The men of Israel went out to battle against Benjamin; and the men of Israel set the battle in array against them at Gibeah.
21Ary nivoaka avy tany Gibea kosa ny taranak'i Benjamina ka naharingana ny Zanak'Isiraely roa arivo sy roa alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany tamin'izany andro izany.
21The children of Benjamin came forth out of Gibeah, and destroyed down to the ground of the Israelites on that day twenty-two thousand men.
22Fa nifanome toky ny lehilahy amin'ny Isiraely ka nilahatra hiady indray teo amin'ilay nilaharany tamin'ny andro voalohany.
22The people, the men of Israel, encouraged themselves, and set the battle again in array in the place where they set themselves in array the first day.
23Ary niakatra ny Zanak'Isiraely ka nitomany teo anatrehan'i Jehovah mandra-paharivan'ny andro, dia nanontany tamin'i Jehovah hoe: Handroso indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko? Ary hoy Jehovah: Miakara hiady aminy.)
23The children of Israel went up and wept before Yahweh until evening; and they asked of Yahweh, saying, “Shall I again draw near to battle against the children of Benjamin my brother?” Yahweh said, “Go up against him.”
24Ary ny Zanak'Isiraely dia nandroso tamin'ny andro faharoa hiady amin'ny taranak'i Benjamina.
24The children of Israel came near against the children of Benjamin the second day.
25Dia nivoaka avy tany Gibea ny Benjamita hiady aminy indray tamin'ny andro faharoa ka naharingana ny Zanak'Isiraely valo arivo sy iray alin-dahy niampatrampatra tamin'ny tany; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
25Benjamin went forth against them out of Gibeah the second day, and destroyed down to the ground of the children of Israel again eighteen thousand men; all these drew the sword.
26Dia niakatra ny Zanak'Isiraely rehetra sy ny olona rehetra ka nankany Betela, dia nitomany sy nipetraka teo anatrehan'i Jehovah ary nifady hanina tamin'izany andro izany mandra-paharivan'ny andro; ary nanatitra fanatitra dorana sy fanati-pihavanana teo anatrehan'i Jehovah izy.
26Then all the children of Israel, and all the people, went up, and came to Bethel, and wept, and sat there before Yahweh, and fasted that day until evening; and they offered burnt offerings and peace offerings before Yahweh.
27Dia nanontany tamin'i Jehovah ny Zanak'Isiraely (fa tao ny fiaran'ny faneken'Andriamanitra tamin'izany andro izany,
27The children of Israel asked of Yahweh (for the ark of the covenant of God was there in those days,
28ary Finehasa, zanak'i Eleazara, zanak'i Arona, nijanona teo anoloany tamin'izany andro izany) ka nanao hoe: Mbola hivoaka indray va aho hiady amin'ny taranak'i Benjamina rahalahiko, sa hitsahatra? Ary hoy Jehovah: Miakara, fa rahampitso dia hatolotro ho eo an-tananao izy.
28and Phinehas, the son of Eleazar, the son of Aaron, stood before it in those days), saying, “Shall I yet again go out to battle against the children of Benjamin my brother, or shall I cease?” Yahweh said, “Go up; for tomorrow I will deliver him into your hand.”
29Ary nasian'ny Isiraely otrika manodidina an'i Gibea.
29Israel set ambushes all around Gibeah.
30Dia niakatra ny Zanak'Isiraely tamin'ny andro fahatelo hiady amin'ny taranak'i Benjamina ka nilahatra tandrifin'i Gibea tahaka ilay teo aloha ihany.
30The children of Israel went up against the children of Benjamin on the third day, and set themselves in array against Gibeah, as at other times.
31Dia nivoaka ny taranak'i Benjamina hiady tamin'ny olona ka voatarika niala tamin'ny tanàna izy ary nanomboka namely sy nahafaty ny olona tahaka ny teo aloha, dia tokony ho telo-polo lahy teo amin'ny Isiraely tany an-tsampanan-dalana, miakatra ho any Betela ny anankiray, ary ny anankiray kosa ho any Gibea any an-tsaha.
31The children of Benjamin went out against the people, and were drawn away from the city; and they began to strike and kill of the people, as at other times, in the highways, of which one goes up to Bethel, and the other to Gibeah, in the field, about thirty men of Israel.
32Ary hoy ny taranak'i Benjamina: Resy eo anoloantsika tahaka ilay teo aloha ihany izy. Fa hoy ny Zanak'Isiraely: Andeha hanao tari-dositra isika mba hampiala azy amin'ny tanàna ho any an-dalambe.
32The children of Benjamin said, “They are struck down before us, as at the first.” But the children of Israel said, “Let us flee, and draw them away from the city to the highways.”
33Ary ny lehilahy rehetra amin'ny Isiraely nitsangana niala tamin'ny fitoerany ka nilahatra tany Bala-tamara; ary ny Isiraely izay nanotrika dia niroatra avy tamin'fitoerany, avy tao an-tsahan'i Gibea.
33All the men of Israel rose up out of their place, and set themselves in array at Baal Tamar: and the ambushers of Israel broke forth out of their place, even out of Maareh Geba.
34Ary tonga tandrifin'i Gibea ny iray alin-dahy voafantina tamin'ny Isiraely rehetra, ary efa mafy ny ady nefa tsy fantatry ny Benjamita fa efa hiharan-doza izy.
34There came over against Gibeah ten thousand chosen men out of all Israel, and the battle was severe; but they didn’t know that evil was close on them.
35Ary Jehovah namely ny Benjamita teo anoloan'ny Isiraely, ary tamin'izany andro izany ny taranak'i Benjamina dia nahafatesan'ny Zanak'Isiraely zato sy dimy arivo amby roa alin-dahy; nahatan-tsabatra avokoa ireo rehetra ireo.
35Yahweh struck Benjamin before Israel; and the children of Israel destroyed of Benjamin that day twenty-five thousand one hundred men: all these drew the sword.
36Ary hitan'ny taranak'i Benjamina fa resy izy; ary ny lehilahy amin'ny Isiraely nanao tari-dositra tamin'ny Benjamita, satria natoky ny otrika izay efa napetrany teo akaikin'i Gibea izy.
36So the children of Benjamin saw that they were struck; for the men of Israel gave place to Benjamin, because they trusted the ambushers whom they had set against Gibeah.
37Ary ny otrika niroatra faingana hankany Gibea, dia nandeha faingana ka namely ny tanàna rehetra tamin'ny lelan-tsabatra.
37The ambushers hurried, and rushed on Gibeah; and the ambushers drew themselves along, and struck all the city with the edge of the sword.
38Ary ny famantarana nifaneken'ny lehilahy amin'ny Isiraely sy ny otrika dia tsangan'afo lehibe hisavoana ao an-tanàna.
38Now the appointed sign between the men of Israel and the ambushers was that they should make a great cloud of smoke rise up out of the city.
39Ary nirona tamin'ny ady ny lehilahy amin'ny Isiraely (ny taranak'i Benjamina nanomboka namely sy nahafaty ny lehilahy amin'ny Isiraely tokony ho telo-polo lahy; fa hoy izy: Resy tokoa eo anoloantsika izy tahaka ny tamin'ny ady voalohany;
39The men of Israel turned in the battle, and Benjamin began to strike and kill of the men of Israel about thirty persons; for they said, “Surely they are struck down before us, as in the first battle.”
40fa raha vao niakatra avy tao amin'ny tanàna ny setroka mitankosina, dia niherika ny taranak'i Benjamina; ary, indro, niakatra ho amin'ny lanitra avokoa ny setroky ny tanàna).
40But when the cloud began to arise up out of the city in a pillar of smoke, the Benjamites looked behind them; and behold, the whole of the city went up in smoke to the sky.
41Ary raha niverina ny lehilahy amin'ny Isiraely, dia talanjona ny Benjamita, satria hitany fa efa nidiran-doza izy.
41The men of Israel turned, and the men of Benjamin were dismayed; for they saw that evil had come on them.
42Dia niamboho teo anoloan'ny lehilahy amin'ny Isiraely hankany amin'ny lalana ho any an-efitra izy, fa ny ady nahatratra azy: ary izay nivoaka avy tao amin'ny tanàna koa dia novonoiny teo.
42Therefore they turned their backs before the men of Israel to the way of the wilderness; but the battle followed hard after them; and those who came out of the cities destroyed them in its midst.
43Nanemitra ny Benjamita izy ka nanenjika azy ary nanitsaka azy mora foana tandrifin'i Gibea atsinanany.[Na: teo Menoha]
43They surrounded the Benjamites, chased them, and trod them down at their resting place, as far as over against Gibeah toward the sunrise.
44Ary ny Benjamita dia nahafatesany valo arivo sy iray alin-dahy; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
44There fell of Benjamin eighteen thousand men; all these were men of valor.
45Dia nivily sy sisa ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona; ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary ny voatsimpona teny an-dalana dia dimy arivo lahy, ary mbola nenjehiny mafy ihany hatrany Gidoma izy ka nahafatesany roa arivo lahy.
45They turned and fled toward the wilderness to the rock of Rimmon: and they gleaned of them in the highways five thousand men, and followed hard after them to Gidom, and struck of them two thousand men.
46Ary ny Benjamita rehetra izay lavo tamin'izany andro izany dia dimy arivo sy roa alin-dahy nahatan-tsabatra; lehilahy nahery avokoa ireo rehetra ireo.
46So that all who fell that day of Benjamin were twenty-five thousand men who drew the sword; all these were men of valor.
47Fa nisy enin-jato lahy nihodina ka nandositra nankany an-efitra ho any amin'ny harambato any Rimona, dia nitoetra tao efa-bolana.Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
47But six hundred men turned and fled toward the wilderness to the rock of Rimmon, and stayed in the rock of Rimmon four months.
48Ary ny lehilahy amin'ny Isiraely niverina indray tany amin'ny taranak'i Benjamina ka namely azy tamin'ny lelan-tsabatra, hatramin'ny olona tao an-tanàna ka hatramin'ny biby fiompy ary izay hitany dia nodorany tamin'ny afo avokoa.
48The men of Israel turned again on the children of Benjamin, and struck them with the edge of the sword, both the entire city, and the livestock, and all that they found: moreover all the cities which they found they set on fire.